Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Manohera ny Devoly, dia Handositra Anareo Izy”
TAMIN’NY taonjato voalohany, dia nisy antokon’olona nafana fo tamin’ny “fahaizana majika” tany Efesosy, nandray tsara ny hafatra kristiana tamin’ny fandoroana ampahibemaso ireo bokiny nikasika ny majika. (Asan’ny Apostoly 19:19, NW ). Voatontaly ho volafotsy 50 000 ny vidin’ireo boky ireo. Raha toa ka manisy firesahana ny amin’ny denaria, vola madinika volafotsy romana, eo ilay fitantarana ao amin’ny Baiboly, dia ho nitontaly 129 500 000 FMG (37 000 dolara) izany fara fahakeliny!
Amin’izao andro izao dia misy olona maro, izay nanana zavatra vita an-tsoratra mahakasika ny asan’ny maizina teo aloha, kanefa nampiseho fahatapahan-kevitra tahaka ny an’ireo Efesiana fahiny. Diniho itỳ fitantarana zavatra hita teny am-pitoriana manaraka itỳ, avy any Kanada.
Sahabo ho dimy taona lasa izay, dia nitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah iray rehefa nisintona azy ara-bakiteny hiditra ao an-trano ny vehivavy iray antsoina hoe Nora, teo am-baravarana iray. Nandritra ny taona maro nanaovana fikarohana ara-panahy, dia nanangona boky an-jatony maro momba ny fivavahana sy momba ny spiritisma i Nora, kanefa tiany ny hahafantatra izay lazain’ny Baiboly mikasika ny fanantenana ho an’ny maty. Nanolotra azy ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? ilay Vavolombelona. Voavaly ireo fanontanian’i Nora, ary nanaiky famandrihana tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! izy.
Tatỳ aoriana, dia nifindra izy ary tsy afaka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa nanohy nahazo ireo gazety tamin’ny paositra izy tany amin’ny adiresiny vaovao. Nanafatra ny sasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, izay voaresaka ao amin’ireo gazety, koa izy. Fotoana elaela tatỳ aoriana, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga teo am-baravarany. Niaiky volana i Nora noho ny fijeren’ilay Vavolombelona nivantana tao amin’ny Baiboly rehefa namaly fanontaniana, ka noraisiny tsara izy io ary nasainy hiverina mba hanao dinidinika fanampiny.
Hitan’ilay Vavolombelona ho sarotra anefa ny fifandraisana indray tamin’i Nora. Tsy nahitana fahombiazana ireo fitsidihana niverimberina natao tamin’ny fotoana samy hafa tao anatin’ny andro sy ny natao tamin’ny fotoana samy hafa tao anatin’ny herinandro. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia novalian-tsoa ny faharetan’ilay Vavolombelona ary nahazo vokatra tsara izy. Natomboka ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka, izay matetika dia natao intelo isan-kerinandro noho ny fangatahana mafy nataon’i Nora. Nanosika azy hiresaka tamin’ny namana sy ny mpianakavy ireo zavatra nianarany, ka ny vokany dia nisy telo tamin’izy ireny nangataka fianarana ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tamin’ny alalan’ny fianarany, dia nanjary takatr’i Nora fa misy fivavahan-diso sy mpaminany sandoka maro, saingy tokana monja ny lalana mitarika ho any amin’ny fiainana. Nandritra ny taona maro, dia nikaroka valin’ireo fanontaniany momba ny fivavahan-diso izy, kanefa taorian’ny nianarany izay lazain’ny Baiboly momba ireo demonia, dia nanao zavatra tahaka ireo Efesiana fahiny voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:19 izy. Nodioviny ny fitahirizam-bokiny ary, nandritra ny andro vitsivitsy, dia nolevoniny ireo boky maherin’ny arivo mahakasika ny asan’ny maizina sy mahakasika ireo fampianaran-diso ara-pivavahana. Anisan’ireo zavatra vita an-tsoratra levona, dia nisy fitambaram-boky efatra izay maherin’ny 2 800 000 FMG (800 dolara) ny tokom-bidiny!
Miharihary fa tsy faly tamin’ireo zavatra nataon’i Nora ireo demonia ka nampijalijaly azy tsy an-kijanona nandritra ny tapa-bolana teo ho eo. Kanefa tsy afaka nampiala azy tsy hanohy ny fianarany ny Baiboly sy ny fiarahany amin’ny fandaminan’i Jehovah maoderina ireny fanahy ratsy ireny.
Mampiseho mazava tsara ny fahamarinan’ireto tenin’ny Baiboly ireto ny fitantarana zavatra hita teny am-pitoriana toy izany: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” — Jakoba 4:7.