Mampianara ampahibemaso sy isan-trano
“Tsy niahotra aho (...) nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.” — ASAN’NY APOSTOLY 20:20, MN.
1. Inona no nolazain’ny pretra katolika iray momba ny vokatra tsara azo amin’ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-trano?
“MITONDRA ny filazantsara isam-baravarana ny Katolika.” Izany no lohateny iray novakina tao amin’ny The Providence Sunday Journal tamin’ny 4 Oktobra 1987. Nilaza ilay gazety fa ny zava-nokendrena lehibe iray tamin’io asa io dia ny “hanasa ny sasany amin’ireo mpiangona tsy miasa intsony hiverina ho amin’ny fiainam-piangonana marisika kokoa.” Voalaza fa niteny toy izao i John Allard, pretra sady talen’ny Biraon’ny fitoriana ny Filazantsara ao amin’ny Diosezin’ny Fitondran’Andriamanitra: “Azo antoka fa hisy fisalasalana be ny amin’io. Hilaza ny olona hoe: ‘Ireny izy ireny fa manao tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Mahita vokatra tsara anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, sa tsy izany? Vonona ny hifanamby aho fa, na aiza na aiza Efitrano Fanjakana hidiranareo eto amin’ity fanjakana ity [ny an’i Rhode Island, Etazonia], dia hahitanareo kongregasiona feno katolika taloha.”
2. Fanontaniana inona no azo atao tsara?
2 Eny, fantatra tsara noho ny fanompoany isan-trano mitondra vokatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa, nahoana izy ireo no mandeha isan-trano?
Ny fomba narahin’ireo apostoly
3. a) Asa inona no nanirahan’i Jesosy Kristy ny mpianany mba hataony? b) Inona no fomba lehibe indrindra nanatontosan’ireo mpanara-dia an’i Kristy voalohany ny asa nanirahana azy hataony?
3 Naniraka ny mpanara-dia azy hanao izao asa misy heviny izao i Jesosy Kristy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Ny fomba lehibe indrindra hanaovana izany asa izany dia nanjary niharihary taorian’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir. avy hatrany. “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano [isan-trano, MN] izy.” (Asan’ny apostoly 5:42). Teo amin’ny 20 taona teo ho eo taorian’izay, ny apostoly Paoly dia nandray anjara tamin’io fanompoana isan-trano io, satria nampahatsiahy ireo loholona kristiana avy tao amin’ny tanànan’i Efesosy toy izao izy: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay zavatra rehetra nahasoa na nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.” — Asan’ny apostoly 20:20, MN.
4. Nahoana isika no afaka miteny fa ny tian’ny Asan’ny apostoly 5:42 sy ny Asan’ny apostoly 20:20 holazaina dia hoe nozaraina isan-trano ny fitoriana nataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy?
4 Ao amin’ny Asan’ny apostoly 5:42, ny teny hoe “isan-trano” dia nadika avy tamin’ny hoe kat’ oiʹkon. Eto, ny hoe ka·taʹ dia ampiasaina amin’ny heviny hoe “fizarana amin’ny hafa”. Noho izany, ny fitoriana nataon’ny mpianatra dia fizarana avy teo amin’ny trano iray nankeo amin’ny trano hafa iray. Nanazava ny Asan’ny apostoly 20:20 i Randolph O. Yeager ary nanoratra fa i Paoly dia nampianatra “tao amin’ny fivoriana ampahibemaso [de·mo·siʹa] sy isan-trano ([ka·taʹ] amin’ny heviny hoe fizarana amin’ny hafa, amin’ny endriny ara-pitsipi-pitenenana “accusatif” milaza fanomezana). Nandany telo taona tao Efesosy i Paoly. Nitsidika ny trano tsirairay avy izy, na fara faharatsiny nitory tamin’ny olona rehetra tao (andininy faha-26). Eto no ahitana ny fanomezan-dalana araka ny Soratra masina hanao fitoriana ny filazantsara isan-trano sy ao amin’ny fivoriana ampahibemaso.”
5. Ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20, nahoana i Paoly no tsy niresaka momba ny fitsidihana ara-pomba ireo loholona na momba ireo fitsidihana ataon’ny mpiandry fotsiny?
5 Ny fampiasana ny ka·taʹ hafa iray mitovy amin’izany dia hita ao amin’ny Lioka 8:1 (MN), izay miresaka momba an’i Jesosy nitory “isan-tanàna sy isam-bohitra”. Nampiasa ny endrika ara-pitsipi-pitenenana milaza maro hoe kat’ oiʹkous i Paoly ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20. Eto, ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany dia manao hoe “ao an-tranonareo”. Ilay apostoly anefa dia tsy niresaka ny amin’ny fitsidihana ara-pomba ireo loholona na ny amin’ireo fitsidihana nataon’ny mpiandry tany an-tranon’ireo mpiray finoana taminy fotsiny. Ny teniny manaraka dia mampiseho fa niresaka momba ny fanompoana isan-trano teo amin’ireo tsy nino izy, satria hoy izy: “Ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Asan’ny apostoly 20:21). Efa nibebaka sy naneho finoana an’i Jesosy ireo mpiray finoana taminy. Noho izany, ny Asan’ny apostoly 5:42 sy ny Asan’ny apostoly 20:20 dia samy nikasika ny fitoriana tamin’ny tsy nino “isan-trano” na isam-baravarana.
Tsy misy solony
6. Inona no nolazaina momba ny toetry ny asa fitoriana nataon’i Paoly tany Efesosy?
6 Nanazava ny tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20 i Abiel Abbot Livermore ary nanoratra toy izao tamin’ny 1844: “Tsy nianina fotsiny tamin’ny fanaovana lahateny tao amin’ny fivoriana ampahibemaso izy, ka hoe tsy nila nampiasa ireo fomba hafa, fa nanao tamin-jotom-po ny asany lehibe nitokana sy isan-trano, ary nanao izay hahatakaran’ireo Efesiana tsara ny fahamarinana momba ny lanitra, tany an-tranony sy tao am-pony.” Vao haingana kokoa, dia natao izao fanamarihana izao: “Ny fanaparitahana ny filazantsara isan-trano dia nampiavaka ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany hatrany am-boalohany (jereo Asan’ny apostoly 2:46; 5:42.) (...) Nanefa tamin’ny fomba feno ny andraikiny teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa tao Efesosy [i Paoly], ary tsy nanana fialan-tsiny izy ireo raha levona tao amin’ny fahotany.” — The Wesleyan Bible Commentary, Boky faha-4, pejy faha-642-643.
7. Nahoana no azo lazaina fa mankasitraka ny fanompoana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra?
7 Na dia mitana ny toerany eo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara aza ny firesahana ampahibemaso, dia tsy solon’ny fifandraisana mivantana eo am-baravarana izy io. Momba izany, dia hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Joseph Addison Alexander: “Mbola tsy nahavita namorona zavatra hafa mba haka toerana na hifaninana amin’ny vokatra tsara azo amin’ny fitoriana any am-piangonana sy any an-tranon’olona ny fiangonana.” Izao no nilazan’ilay manam-pahaizana atao hoe O. A. Hills izany: “Tsy maintsy miaraka foana ny fampianarana ampahibemaso sy ny fampianarana isan-trano.” Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manolotra fampianarana amin’ny alalan’ny lahateny any amin’ireo fivoriana ampahibemaso ataony isan-kerinandro. Manana porofo miharihary koa izy fa ny fomba narahin’ireo apostoly mba hanelezana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isan-trano dia mitondra vokatra tsara. Ary azo antoka fa mankasitraka izany i Jehovah, satria, ho vokatr’izany fanompoana izany, dia manao izay hisian’ny olona an’arivony maro isan-taona mitanjozotra mankany amin’ny fanompoam-pivavahana nomem-boninahitra atolotra azy izy. — Isaia 2:1-4; 60:8, 22.
8. a) Inona no nolazaina momba ny antony itondran’ny fitoriana isan-trano vokatra tsara? b) Amin’ny ahoana no azo ampitoviana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’i Paoly raha ny amin’ny fitoriana eo am-baravaran’ny olona sy ny fanaovana fanambarana hafa?
8 Niteny toy izao ny fahefana hafa iray: “Ny olona dia mahita fa mora kokoa ny mitadidy fampianarana natao teo am-baravarany noho ny fampianarana tany am-piangonana.” Teny am-baravaran’ny olona tsy tapaka i Paoly, ka nametraka tamin’izany ohatra tsara dia tsara tamin’ny naha-mpanompo azy. “Tsy nianina tamin’ny fampianarana sy fanaovana lahateny tany amin’ny synagoga sy teny an-tsena izy”, hoy ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Edwin W. Rice. “Mandrakariva izy dia ‘nampianatra’ tamim-paharisihana ‘isan-trano’. Fiadiana tamin’ny ratsy isan-trano, nifanatri-maso sy tava, ary mba hahazoana olona ho an’i Kristy, no nataony tany Efesosy.” Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatsapa fa mitondra vokatra tsara ny fifanakalozan-kevitra mivantana amin’ny olona eo am-baravarany. Ambonin’izany, dia manao fiverenana mitsidika izy ireo ary faly miresaka amin’ny mpanohitra mihitsy aza raha mamela ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra azo ekena ireny olona ireny. Dia tahaka ny nataon’i Paoly mihitsy! Momba azy, dia nanoratra toy izao i F. N. Peloubet: “Tsy tany am-pivoriana foana ny asan’i Paoly. Tsy isalasalana fa nitsidika olona maro manokana tany an-tranon’izy ireo izy na taiza na taiza nandrenesany fa nisy olona nanontany, na koa olona liana na nanohitra mihitsy aza ka vonona ny hiresaka momba ny fivavahana.”
Natao hitari-dalana ny loholona
9. Ohatra inona no navelan’i Paoly ho an’ireo loholona tahaka azy?
9 Inona no ohatra navelan’i Paoly ho an’ireo loholona tahaka azy? Nasehony fa tokony ho mpitory ny vaovao tsara isan-trano feno fahasahiana sy tsy mety sasatra izy ireo. Tamin’ny 1879, dia nanoratra toy izao i J. Glentworth Butler: “[Ireo loholona tany Efesosy] dia nahafantatra fa, teo amin’ny fitoriany, [i Paoly] dia tsy voakasiky ny eritreritra momba ny loza hanjo azy manokana na izay hampahalaza azy manokana velively; fa tsy nisy nohazoniny ho an’ny tenany ny fahamarinana izay nilain’ny hafa; fa tsy nanantitrantitra, noho ny fitiavan’ny tenany manokana, ny lafin’ny fahamarinana sasany izay toa hafahafa na vaovao izy, fa izay rehetra nahasoa ihany no nohamafisiny ‘mba hampiorenana mafy’, na hampaherezana, ny hafa, izany hoe: ny torohevitr’Andriamanitra manontolo, madio sy feno! Ary io ‘fampisehoana’ amim-pahatokiana io, io ‘fampianarana’ feno faharisihana ny fahamarinana kristiana io, dia fomba fanaony, tsy tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano sy ny toerana hafa nivorian’ireo mpianatra ihany, fa tany amin’ny tokantrano azo nidirana rehetra koa. Isan-trano sy isaky ny fanahy, isan’andro tsy an-kijanona, dia nitondra ny vaovao mahafaly tamin’ny faniriana mafy toy ny an’i Kristy izy. Ho an’ny kilasin’olona rehetra sy ny firazanan’olona rehetra, ho an’ireo Jiosy nankahala sy ho an’ireo Grika naneso, dia iray ihany ny lohahevitra nentiny — izay nohazavainy tamin’ny fomba feno sady nahafaoka ireo fahamarinana mahavonjy ilaina hafa rehetra — dia ny hoe: fibebahana amin’Andriamanitra, ary finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.”
10, 11. a) Raha ny amin’ny fanompoana kristiana, inona no nantenain’i Paoly tamin’ireo loholona tao Efesosy? b) Tahaka an’i Paoly, amin’ny karazam-pitoriana inona no andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anjara, anisan’izany ireo loholona?
10 Raha ny tena votoatiny àry no jerena, inona no nantenain’i Paoly tamin’ireo loholona tany Efesosy? Nandika toy izao ny tian’ny tenin’ilay apostoly holazaina ilay manam-pahaizana atao hoe E. S. Young: “Tsy niteny ampahibemaso fotsiny aho, fa niasa mafy isan-trano, tamin’ny kilasin’olona rehetra, tamin’ny Jiosy sy tamin’ny Jentilisa koa. Ny lohahevitry ny fanompoako tamin’ny kilasin’olona rehetra dia ‘fibebahana amin’Andriamanitra sy finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ ” Raha nandika ny tenin’i Paoly tamin’ny fomba hafa indray i W. B. Riley dia nanoratra hoe: “Ny dikany tsotra dia izao: ‘Manantena ny hanohizanareo izay natomboko aho, dia ny mba hanao asa sy hampianatra, ary manantena ny hanoheranareo izay notoheriko aho; ny hampianaranareo mitokana sy ampahibemaso toy ny nataoko teny an-dalambe sy isan-trano, ny hanambaranareo toy izany koa, amin’ny Jiosy sy ny Grika, ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria ireo no fototra!’ ”
11 Mazava àry, fa ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-20, i Paoly dia nampiseho tamin’ireo loholona tahaka azy fa nantenaina ny haha-vavolombelon’i Jehovah azy ireny isan-trano. Tamin’io lafiny io, ireo loholona tamin’ny taonjato voalohany dia tsy maintsy nitari-dalana ka namela ohatra tsara ho an’ny mpikambana hafa tao amin’ny kongregasiona. (Ampitahao amin’ny Hebreo 13:17.) Tahaka an’i Paoly àry, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory isan-trano, milaza amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fibebahana aminy ary ny finoana an’i Jesosy Kristy. (Marka 13:10; Lioka 24:45-48). Ary amin’io asa isan-trano io, ireo loholona voatendry eo anivon’ny Vavolombelona amin’ny andro ankehitriny dia antenaina hitari-dalana. — Asan’ny apostoly 20:28.
12. Inona no nolavin’ny loholona taloha sasany ny nanao azy, kanefa amin’inona no itarihan’ny loholona lalana amin’izao andro izao?
12 Tamin’ny 1879, i Charles Taze Russell dia nanomboka namoaka ny Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence (Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona sy mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy), antsoina ankehitriny hoe Ny Tilikambo Fiambenana manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Nanambara ny hafatr’ilay Fanjakana araka ny fomba narahin’ireo apostoly i Russell sy ireo Mpianatra ny Baiboly hafa. Tatỳ aoriana anefa, dia nisy loholon’ny kongregasiona sasany tsy nanatanteraka ireo andraikiny teo amin’ny fanaovana fanambarana. Nanoratra toy izao, ohatra, ny Vavolombelona iray: “Nandeha tsara daholo ny zava-drehetra mandra-pahatongan’ny filazana fa ny rehetra dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanaovana fanambarana isan-trano amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra ary indrindra amin’ny asa fandehanana isan-trano ny alahady — tamin’ny 1927 izany. Nanohitra izany ireo loholona voafidintsika ka nanandrana nanakivy ny kilasy manontolo mba tsy hanaovana na handraisana anjara velively tamin’io asa io.” Tatỳ aoriana, ny lehilahy izay tsy nandray anjara tamin’ny fitoriana isan-trano dia tsy nanana tombontsoa ny ho loholona intsony. Amin’izao andro izao koa, ireo manompo amin’ny maha-loholona sy mpikarakara momba ny asa dia antenaina fa hitari-dalana eo amin’ny fanaovana fanambarana isan-trano sy amin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoana kristiana.
Vavolombelona ny tsirairay
13. a) Inona no tokony hataontsika na dia tsy mihaino ny hafatr’ilay Fanjakana aza ny olona? b) Tamin’ny ahoana no nampitoviana an’i Paoly tamin’i Ezekiela?
13 Noho ny fanampian’i Jehovah, ny kristiana dia tokony hanambara ny hafatr’ilay Fanjakana isan-trano, na dia tsy raisina amim-pankasitrahana aza izany. Tamin’ny naha-mpitilin’Andriamanitra azy, i Ezekiela dia tsy maintsy nampitandrina ny olona na nihaino izy ireo na tsia. (Ezekiela 2:5-7; 3:11, 27; 33:1-6). Nampifandray an’i Ezekiela sy i Paoly i E. M. Blaiklock ka nanoratra hoe: “Avy amin’ny [lahatenin’i Paoly hita ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-20] dia miseho mazava ny tena naha-izy ny fanompoana tany Efesosy. Mariho ireto manaraka ireto: Voalohany aloha, ny fahatokian’i Paoly nampiseho fahamaikana. Tsy nikatsaka izay hampahalaza azy na ny fankasitrahan’ny vahoaka izy. Napetraka ho amin’ny asan’ny mpitily tahaka an’i Ezekiela izy ka nanefa ny adidiny tamin-jotom-po sy hery ara-panahy feno fahitsiana mba hanome heriny ny lahateniny. Faharoa manaraka izany, ny fangoraham-pony feno fitiavana. Izy dia tsy ny karazan’olona izay tsy mihetsi-po rehefa manonona ny teny hoe fitsarana ny molony. Fahatelo farany, ny fitoriany ny filazantsara tsy nety reraka. Ampahibemaso sy isan-trano, tao an-tanàna sy nanerana ny faritany, dia nitory ny filazantsara izy.”
14. Nahoana ny fanaovana fanambarana no andraikitr’izay rehetra manolotra ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy?
14 Ny fitahiana safononoka omen’Andriamanitra ny mpanompony amin’ny andro ankehitriny dia tsy mamela hisalasala mihitsy fa mahafaly azy ny itondran’izy ireo ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12). Ambonin’izany, dia vavolombelon’i Kristy koa izy ireo, satria hoy i Jesosy momba ireo mpanara-dia azy: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:8). Ny fanaovana fanambarana àry dia andraikitr’izay rehetra manolotra ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
15. Inona no nolazaina momba ny asa fanaovana fanambarana nataon’ny kristiana voalohany?
15 Nisy nilaza toy izao momba ny fanaovana fanambarana: “Nahakasika ny fiangonana manontolo izy io. Tsy andraikitry ny Fikambanana misionera ho an’ny vehivavy na ny Antokon’ny misiona avy any ivelany ny raharaha misionera teo amin’ny fiangonana voalohany. Tsy navela ho an’ny manam-pahaizana manokana toy ny loholona, ny diakona na ny apostoly ihany koa ny asa fanaovana fanambarana. (...) Tany amin’ireny andro voalohany ireny, ny fiangonana dia misiona (fitambaran’olona nanankinana asa manokana). Ny fandaharana misioneran’ny fiangonana tany am-boalohany dia nifototra tamin’ny fiheveran-javatra roa: 1) Ny asa nanendrena ny fiangonana mba hataony voalohany indrindra dia ny fitoriana ny filazantsara maneran-tany. 2) Mipetraka amin’ny fitambaran’ireo kristiana manontolo ny andraikitra hanatontosa io asa io. — J. Herbert Kane.
16. Na dia ireo mpanoratra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza dia miaiky ny amin’inona momba ny kristiana sy ny fanaovana fanambarana?
16 Na dia tsy mitovy hevitra amin’ny hafatr’ilay Fanjakana aza ireo mpanoratra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny andro ankehitriny, ny sasany aminy dia miaiky fa manana adidy hanao fanambarana ny kristiana. Nanao izao fanamarihana izao, ohatra, i Oscar E. Feucht ao amin’ny boky hoe Mpitory teny ny rehetra (anglisy): “Tsy misy na dia mpitandrina iray aza afaka mahatanteraka ny fanompoana nomen’Andriamanitra hataon’ny mpino tsirairay. Mampalahelo anefa fa ny taonjato maro nisian’ny fomba fihevitra diso tao amin’ny fiangonana dia nahatonga ireo asa notendrena hataon’ny mpiangona 500 ho ny asa tokony hataon’ny mpitandrina iray monja. Tsy toy izany no izy tao amin’ny fiangonana voalohany. Ireo izay nino dia nandeha tany amin’ny toerana rehetra nitory ny Teny.”
17. Inona no azo lazaina momba ny toerana notanan’ny fanaovana fanambarana teo amin’ny fiainan’ireo kristiana voalohany?
17 Ny zavatra lehibe indrindra teo amin’ny fiainan’ireo kristiana voalohany ny fanaovana fanambarana, dia toy ny maha-izany azy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. “Raha resahina amin’ny ankapobeny”, hoy ny nosoratan’i Edward Caldwell Moore ao amin’ny Oniversiten’i Harvard, “ireo taonjato telo voalohan’ny fihetsiketsehana kristiana dia voamariky ny risi-po lehibe ho an’ny fanaparitahana ny finoana. Ny tian’ny kristiana indrindra dia ny fitoriana ny filazantsara, ny fanambarana ny hafatra momba ny fanavotana. (...) Ny fampielezana ny fitaoman’i Jesosy sy ny fampianarany anefa, tany am-boalohany indrindra, dia niankina tamin’ny fomba kely fotsiny tamin’ireo lehilahy izay hantsointsika hoe misionera. Izy io dia nefain’ny lehilahy avy tamin’ny asa aman-draharaha rehetra sy avy tamin’ny sokajin’olona rehetra teo amin’ny fitambaran’olona. [Izy ireo] dia nitondra hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra teo amin’ny empira [romana] ny zava-miafina momba ny fiainana anaty, ilay fihetsika vaovao teo anoloan’izao tontolo izao, izay nilaza famonjena ho azy ireo. (...) [Ny kristianisma tany am-boalohany] dia nino tanteraka ny fahantomoran’ny faran’ny fandehan-javatra niainany. Nino ny fanorenana fandehan-javatra vaovao amin’ny fomba tampoka sy mahagaga izy io.”
18. Fanantenana lehibe inona no mihoatra lavitra noho ny nofinofin’ireo filoha ara-politika?
18 Eo amin’ny fanaovany fanambarana isan-trano sy amin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia misarika amim-pifaliana ny sain’ny mpihaino azy ho amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Mihoatra lavitra noho ny nofinofy mamin’ny fon’ireo mikasa ny hanorina fandehan-javatra vaovao indrindra ireo fitahiana nambara mialoha ny amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4). Na dia toa maniry ny hiaina ao amin’ny fandehan-javatra mahatalanjon’Andriamanitra aza ny olona rehetra, dia tsy izany no izy. Kanefa, aoka isika izao handinika fomba sasantsasany mitondra vokatra tsara ahafahan’ny mpanompon’i Jehovah mampianatra ireo izay mikatsaka fiainana mandrakizay.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana isika no afaka miteny fa ny tian’ny Asan’ny apostoly 5:42 sy ny Asan’ny apostoly 20:20 holazaina dia hoe tokony hitory isan-trano ireo mpanara-dia an’i Jesosy?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa mankasitraka ny fanompoana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra?
◻ Raha ny amin’ny fanompoana, inona no takina amin’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa?
◻ Tokony hitana toerana inona eo amin’ny fiainan’ny kristiana iray ny fanaovana fanambarana?
[Sary, pejy 10]
Tamin’ny 33 am.fan.ir., ny mpianatr’i Jesosy dia nanao fanambarana tsy nisy fitsaharana
[Sary, pejy 13]
Nampianatra “isan-trano” i Paoly. Io lafiny iray amin’ny fanompoana io dia tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny