-
“Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Hoatr’izany Mihitsy”“Andao Hanara-dia Ahy”
-
-
TOKO 11
“Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Hoatr’izany Mihitsy”
1, 2. a) Nahoana no nody maina ireo mpiambina nasaina nisambotra an’i Jesosy? b) Inona no nahatonga an’i Jesosy ho mpampianatra tena niavaka?
ROMOTRA ny Fariseo. Tao amin’ny tempoly mantsy i Jesosy, ary nampianatra momba ny Rainy. Tsy nitovy hevitra koa ny olona nihaino an’i Jesosy. Maro no nino azy, fa nisy kosa nitady fomba hisamborana azy. Tsy nahatana fahatezerana intsony ny mpitondra fivavahana, ka naniraka mpiambina hisambotra an’i Jesosy. Nody maina anefa ny mpiambina, ka nanontanian’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo hoe: “Fa maninona no tsy nentinareo nankatỳ izy?” Namaly ny mpiambina hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny hoatr’izany mihitsy.” Tena gaga tamin’ny fampianaran’i Jesosy izy ireo, ka tsy nahavita nisambotra azy.a—Jaona 7:45, 46.
2 Tsy ireo mpiambina ireo ihany no gaga tamin’ny fampianaran’i Jesosy. Maro be ny olona tonga mba hihaino ny fampianarany. (Marka 3:7, 9; 4:1; Lioka 5:1-3) Inona no nahatonga an’i Jesosy ho mpampianatra tena niavaka toy izany? Tena tiany ny fahamarinana nampitainy sy ny olona nampianariny, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-8. Hainy tsara koa ny nampiasa fomba fampianatra mandaitra. Hodinihintsika ny telo amin’izany, sy ny fomba anahafantsika azy.
Fomba fampianatra tsotra
3, 4. a) Nahoana i Jesosy no nampiasa teny tsotra rehefa nampianatra? b) Inona no mampiseho fa tsotra ny fomba fampianatr’i Jesosy, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra?
3 Mba eritrereto ange ny habetsahan’ny teny hain’i Jesosy sy azony nampiasaina e! Na izany aza anefa, dia tsy nampiasa teny sarotra tamin’ny mpihaino azy mihitsy izy, rehefa nampianatra. Maro mantsy no “tsy nahita fianarana ... sady olon-tsotra.” (Asan’ny Apostoly 4:13) Fantany fa voafetra ny habetsahan’ny zavatra mety ho takatry ny sain’izy ireo, ka tsy nanazava zavatra be loatra taminy mihitsy izy. (Jaona 16:12) Teny tsotra no nampiasainy, nefa lalina ny fahamarinana nampitainy.
4 Diniho, ohatra, ilay Toriteny teo An-tendrombohitra ao amin’ny Matio 5:3–7:27. Nanome torohevitra tena lalina i Jesosy tao amin’izy io. Ny fototry ny zava-manahirana mihitsy no noresahiny. Tsy nilaza hevitra na fehezanteny sarotra mihitsy anefa izy. Zara raha nisy teny tsy azon’ny ankizy tao anatin’io toriteny io! Tsy mahagaga àry raha ‘gaga tamin’ny fomba fampianany’ ny vahoaka, rehefa vita ilay izy. Azo inoana fa tantsaha sy mpiandry ondry ary mpanarato ny maro taminy.—Matio 7:28.
5. Nilaza fehezanteny tsotra nefa nisy heviny lehibe i Jesosy. Manomeza ohatra.
5 Matetika i Jesosy no nampiasa fehezanteny tsotra sy fohy sady nisy heviny lehibe, rehefa nampianatra. Mbola tsy nisy boky tamin’izany, nefa afaka nanampy ny olona hitadidy tsara ny teniny sy handrakitra izany tao am-pon’izy ireo i Jesosy, tamin’ireny fehezanteny fohy ireny. Ireto misy ohatra: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.” “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.” “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”b (Matio 7:1; 9:12; 26:41; Marka 12:17; Asan’ny Apostoly 20:35) Mbola mora tadidy foana ireo teny ireo, na dia efa ho 2 000 taona aza izay no lasa hatramin’ny nilazan’i Jesosy azy.
6, 7. a) Nahoana no tena ilaina ny mampiasa teny tsotra, raha tiantsika ho tsotra ny fomba fampianarantsika? b) Inona no azontsika atao, mba tsy hampitana hevitra be loatra amin’ny olona ampianarintsika Baiboly?
6 Ahoana no ataontsika, mba ho tsotra ny fomba fampianarantsika? Tena ilaina ny mampiasa teny tsotra sy mora azon’ny ankamaroan’ny olona. Tsy sarotra ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Ampahafantarin’i Jehovah ny olona tso-po sy manetry tena koa ny fikasany. (1 Korintianina 1:26-28) Afaka mampita tsara ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha mampiasa teny tsotra sy voafidy tsara.
7 Mila mitandrina koa isika mba tsy hampita hevitra be loatra amin’ny olona ampianarintsika Baiboly. Noho izany, dia tsy voatery hanazava aminy ny tsipiriany rehetra isika. Tsy mety koa raha atao maimaika ilay fianarana, ka toy ny hoe izay hahavitana betsaka no tena zava-dehibe. Tsara kokoa raha ampifanarahina amin’izay ilain’ilay mpianatra sy ny fahaizany ny fandehan’ilay fianarana. Ny hanampy azy ho tonga mpanara-dia an’i Kristy sy mpanompon’i Jehovah no tanjontsika. Noho izany, dia tokony ho vonona isika hanokana fotoana ampy tsara hanampiana azy, mandra-pahazony an’ilay zavatra ianarana. Amin’izay ihany ny fahamarinana ara-baiboly vao hanohina ny fony sy handrisika azy hampihatra izay nianarany.—Romanina 12:2.
Fanontaniana mety tsara
8, 9. a) Nahoana i Jesosy no nametraka fanontaniana? b) Ahoana no fomba nametrahan’i Jesosy fanontaniana, mba hahitan’i Petera raha tokony handoa ny hetran’ny tempoly ny Zanaka na tsia?
8 Tena niavaka ny fomba nampiasan’i Jesosy fanontaniana. Nanao izany izy, na dia nety ho nitsitsy fotoana kokoa aza, raha tonga dia nolazainy izay hevitra tiany hampitaina. Inona àry no antony nametrahany fanontaniana? Nametraka fanontaniana lalina izy indraindray, mba hampibaribary izay tena tao am-pon’ny mpanohitra azy, ka hampangina azy ireo. (Matio 21:23-27; 22:41-46) Matetika anefa izy no nametraka fanontaniana, mba hampirisihana ny mpianany hilaza ny heviny sy hieritreritra, ary mba hanazarana azy ireo hisaintsaina. Izany no nahatonga an’i Jesosy hanontany hoe: “Ahoana ny hevitrareo?”, sy hoe: “Mino an’izany ve ianao?” (Matio 18:12; Jaona 11:26) Nanohina ny fon’ny mpianany i Jesosy tamin’ireny fanontaniana ireny. Handinika ohatra iray isika.
9 Nanontany an’i Petera ny mpamory hetra indray mandeha, raha nandoa ny hetran’ny tempoly i Jesosy.c Avy dia namaly i Petera hoe: “Mandoa izy ka!” Nampisaintsaina azy i Jesosy avy eo, ka nanontany hoe: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza no ahazoan’ny mpanjaka eto an-tany haba na hetra isan-dahy? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-kafa?” Hoy i Petera: “Avy amin’ny olon-kafa.” “Tsy mila mandoa hetra àry ny zanaka”, hoy i Jesosy. (Matio 17:24-27) Azo inoana fa nazava tamin’i Petera ny tian’i Jesosy holazaina. Fantany fa tsy nampandoavina hetra ny fianakavian’ny mpanjaka. Tsy voatery nandoa hetra koa àry i Jesosy, satria Zanaka lahitokan’ilay Mpanjaka any an-danitra, izay nivavahana tao amin’ny tempoly. Mariho fa tsy tonga dia nolazain’i Jesosy an’i Petera ilay hevitra tiany hampitaina. Nametraka fanontaniana voahevitra tsara kosa izy, mba ho i Petera ihany no hahita izany. Tiany ho azon’i Petera koa angamba fa mila mieritreritra tsara kokoa izy amin’ny manaraka vao mamaly.
10. Fanontaniana manao ahoana no azontsika apetraka, mba hahazoana vokatra tsara rehefa mitory isan-trano?
10 Fanontaniana manao ahoana no azontsika apetraka, mba hahitana vokatra tsara eny amin’ny fanompoana? Rehefa mitory isan-trano isika, dia afaka mametraka fanontaniana mba hahatonga ny olona ho liana te hihaino. Mety ho afaka hiresaka aminy momba ny vaovao tsara isika amin’izay. Raha efa be taona izy, ohatra, dia afaka manontany amim-panajana isika hoe: “Inona avy ny fiovana hitanao nitranga hatramin’izay?” Avelantsika hamaly izy, ary afaka manontany isika avy eo hoe: “Araka ny hevitrao, inona no azo atao mba hanatsarana ny fiainantsika olombelona?” (Matio 6:9, 10) Raha sendra vehivavy manan-janaka kely indray isika, dia afaka manontany hoe: “Efa mba tonga tao an-tsainao ve hoe hanao ahoana ny fiainana, rehefa lehibe ny zanakao?” (Salamo 37:10, 11) Mila mandinika tsara isika rehefa manatona trano iray. Mety hahita fanontaniana mifanaraka tsara amin’izay mahaliana ny olona ao isika amin’izay.
11. Fanontaniana manao ahoana no hanampy antsika hahita vokatra tsara, rehefa mampianatra Baiboly?
11 Fanontaniana manao ahoana kosa no hanampy antsika hahita vokatra tsara, rehefa mampianatra Baiboly? Ho afaka hamantatra ny fihetseham-pon’ilay mpianatra isika, raha mametraka fanontaniana voahevitra tsara. (Ohabolana 20:5) Andao hatao hoe mampianatra amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!d isika, eo amin’ny lesona faha-43 hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?” Resahina ao ny fiheveran’Andriamanitra ny hoe misotro be loatra sy ny hoe manao mamo. Mety ho hitantsika amin’ny valin-tenin’ilay mpianatra fa azony izay lazain’ny Baiboly momba an’ireo. Kanefa ekeny ve ilay izy? Afaka manontany azy isika hoe: “Tsy hentitra loatra ve ny fahitanao ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba an’ireo zavatra ireo?” Azo anontaniana koa izy hoe: “Ahoana no azonao ampiharana an’izany eo amin’ny fiainanao?” Mila mitadidy anefa isika fa tokony hanaja an’ilay mpianatra, ka hitandrina tsara izay lazaintsika. Tsy tokony hametraka fanontaniana mety hahamenatra azy mihitsy isika.—Ohabolana 12:18.
Hevitra mirindra tsara sy mandresy lahatra
12-14. a) Nahoana i Jesosy no nampiasa ny fahaizany milaza hevitra mirindra tsara? b) Inona no hevitra mirindra sady mandresy lahatra nolazain’i Jesosy, rehefa niteny ny Fariseo fa avy tamin’i Satana ny hery nampiasainy?
12 Nanana saina tonga lafatra i Jesosy, ka tena hainy ny nampisaintsaina ny olona. Nilaza hevitra mirindra tsara sy nandresy lahatra izy indraindray, mba hanaporofoana fa diso ny fiampangan’ny mpanohitra azy. Nampisaintsaina sy nandresy lahatra ny mpianany koa izy matetika, mba hampianarana azy ireo zava-dehibe sasany. Handinika ohatra vitsivitsy isika.
13 Namoaka demonia tamin’ny olona iray jamba sady moana i Jesosy indray mandeha. Niampanga azy anefa ny Fariseo hoe: “I Belzeboba [Satana] lehiben’ny demonia ihany no ahavitany mamoaka demonia.” Neken’ny Fariseo fa tsy misy mahavita mamoaka demonia, raha tsy manana hery lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona. Nolazain’izy ireo fa avy tamin’i Satana anefa ny herin’i Jesosy. Diso izany sady tsy nitombina mihitsy. Mba hanaporofoana izany, dia hoy i Jesosy: “Hirodana izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na fianakaviana miady an-trano. Hoatr’izany koa fa raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy. Koa raha izany, ahoana no haharetan’ny fanjakany?” (Matio 12:22-26) Toy ny nilaza i Jesosy teo hoe: “Raha irak’i Satana aho nefa mandrava ny asany, dia midika izany fa mamely tena i Satana, ka ho resy tsy ho ela.” Inona intsony no havalin’ny Fariseo an’izany hevitra mirindra sy tena mampiaiky izany?
14 Mbola nampisaintsaina azy ireo ihany i Jesosy avy eo. Fantany fa namoaka demonia koa ny mpianatr’izy ireo. Nametraka an’izao fanontaniana tsotra sady mandresy lahatra izao àry izy: “Raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, dia amin’ny alalan’iza àry no amoahan’ny zanakareo [na mpianatrareo] azy?” (Matio 12:27) Toa te hilaza i Jesosy hoe: “Raha avy amin’i Satana ny hery amoahako demonia, dia tsy maintsy ho avy aminy koa ny hery anaovan’ny mpianatrareo an’izany.” Inona no havalin’ny Fariseo an’izany? Tsy ho nekeny mihitsy hoe avy amin’i Satana ny hery nampiasain’ny mpianany. Ny hevi-dison’izy ireo ihany no naverin’i Jesosy mba hahatonga azy ireo hiaiky ny marina, izay nahamenatra azy ireo. Na ny mamaky ny fomba nampisaintsainan’i Jesosy azy ireo fotsiny aza dia efa mahafaly antsika, mainka moa fa ilay vahoaka nanatrika teo! Azo antoka fa nisy heriny lehibe teo amin’izy ireo ny tenin’i Jesosy, satria sady nahita maso azy izy ireo no nandre ny feony.
15-17. Matetika i Jesosy no nampiasa ny teny hoe “tsy mainka ve” na “mainka fa”, rehefa nampianatra zavatra mampahery momba ny Rainy. Manomeza ohatra.
15 Nampiasa hevitra mirindra sy mandresy lahatra koa i Jesosy, mba hampianarana zavatra mampahery momba ny Rainy. Rehefa nanao izany izy, dia matetika no nampiasa ny teny hoe “tsy mainka ve” na “mainka fa.” Izany hoe zavatra efa fantatry ny olona no nohazavainy, mba hahatonga azy ireo hiaiky bebe kokoa fa marina ilay izy. Fampitahana zavatra mifanohitra io fomba fampisaintsainana io, ary afaka manohina lalina ny fo. Handinika ohatra roa isika.
16 Nangatahin’ny mpianany hampianatra azy ireo hivavaka i Jesosy indray mandeha. Tamin’izay izy dia niresaka momba ny olombelona tsy lavorary, izay vonona ‘hanome zavatra tsara’ ho an-janany. Toy izao no namaranany ny teniny: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala manome zavatra tsara ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy izy.” (Lioka 11:1-13) Nampitaha zavatra mifanohitra i Jesosy teo. Raha ny olona tsy lavorary aza mikarakara izay ilain’ny zanany, tsy mainka ve fa ilay Raintsika any an-danitra, izay lavorary sy manao ny marina foana? Azo antoka fa homeny fanahy masina ny mpanompony tsy mivadika, izay mivavaka aminy amim-panetren-tena!
17 Toy izany koa ny fomba nampisaintsainan’i Jesosy ny olona, rehefa nomeny torohevitra feno fahendrena izy ireo, mba tsy hanahy be loatra. Hoy izy: “Ny goaika ... tsy mamafy na mijinja ... sady tsy manana sompitra na trano fitehirizam-bokatra, nefa manome sakafo azy Andriamanitra. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo? Diniho ange ny fanirin’ny voninkazo e! Tsy miasa mafy na manao kofehy ireny. ... Koa raha ny zavamaniry any an-tsaha aza ataon’Andriamanitra mitafy tsara tarehy hoatr’izany, nefa androany ihany ireny no misy, fa rahampitso dia hatsipy any anaty afo, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana!” (Lioka 12:24, 27, 28) Raha ny vorona sy ny voninkazo aza karakarain’i Jehovah, tsy mainka ve fa ny olona tia azy sy manompo azy! Azo antoka fa nanohina ny fon’ny mpihaino azy i Jesosy, rehefa nampisaintsaina azy ireo toy izany.
18, 19. Raha misy milaza fa tsy mino an’Andriamanitra izay tsy hitany izy, ahoana no azontsika ampisaintsainana azy?
18 Tokony hampiasa hevitra mirindra tsara isika, mba hanaporofoana fa diso ny zavatra sasany inoan’ny olona hitantsika eny amin’ny fanompoana. Tokony hampisaintsaina sy handresy lahatra ny olona koa isika, mba hampianarana azy zavatra mampahery momba an’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 19:8; 28:23, 24) Tsy maintsy mianatra mampiasa hevitra sarotra be àry ve isika? Tsy izany mihitsy. Hitantsika tamin’ny nataon’i Jesosy, fa ny hevitra mirindra aseho amin’ny fomba tsotra no tena misy vokany.
19 Inona, ohatra, no azo lazaina raha misy olona milaza fa tsy mino an’Andriamanitra izay tsy hitany izy? Azo lazaina aminy hoe tsy misy zavatra tongatonga ho azy fotsiny, fa tsy maintsy nisy nanao azy. Afaka milaza isika hoe: “Aoka hatao hoe mandehandeha any amin’ny toerana ngazana ianao, ary mahita trano tsara tarehy sy feno sakafo. Hieritreritra ve ianao fa tongatonga ho azy teo ilay izy? Tsy maintsy nisy nanao an’io trano io sy nanisy sakafo tao anatiny. Koa raha mandinika ny zavaboary sy ny sakafo maro be eto an-tany àry ianao, tsy hekenao ve fa nisy namorona izany rehetra izany? Hoy ny Baiboly: ‘Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.’” (Hebreo 3:4) Tsy ny rehetra anefa no ho resy lahatra, na dia mitombina toy inona aza ny hevitra arosontsika.—2 Tesalonianina 3:2.
20, 21. a) Ahoana no azontsika ampiasana an’ilay hoe “tsy mainka ve”, mba hanasongadinana ny toetran’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra? b) Inona no hovelabelarina ao amin’ny toko manaraka?
20 Azo atao koa ny mampiasa an’ilay hoe “tsy mainka ve”, mba hanasongadinana ny toetran’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra. Afaka manao izany isika rehefa mampianatra eny amin’ny fanompoana na eo anivon’ny fiangonana. Ahoana, ohatra, no azo ampisehoana fa manala baraka an’i Jehovah ny fampianarana hoe mampijaly ny olona mandrakizay any amin’ny afobe izy? Afaka milaza isika hoe: “Tsy misy mihitsy ray be fitiavana handoro ny tanan-janany amin’ny afo, mba hanasaziana azy. Koa raha ny olona aza tsy tia an’izany, tsy mainka ve fa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra! Maharikoriko azy na dia ny mieritreritra afobe fotsiny aza.” (Jeremia 7:31) Raha kivy ny mpiray finoana amintsika, ka tiantsika homena toky izy fa tian’i Jehovah, dia afaka milaza isika hoe: “Fody kely iray aza sarobidy amin’i Jehovah, ka tsy mainka ve fa ny mpanompony tsirairay! Tena tiany sy ahiny izy ireny, ary anisan’izany ianao.” (Matio 10:29-31) Afaka manohina ny fon’ny hafa isika, rehefa mampisaintsaina azy ireo toy izany.
21 Vao ny telo monja amin’ny fomba fampianatr’i Jesosy no nodinihintsika. Hitantsika avy amin’ireo anefa fa tsy nanitatra ireo mpiambina nasaina nisambotra an’i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny hoatr’izany mihitsy.” Ny fampiasan’i Jesosy fanoharana angamba anefa no fomba fampianatra tena ahafantarana azy. Hovelabelarina ao amin’ny toko manaraka izany.
a Niasa ho an’ny Fitsarana Avo angamba ireo mpiambina ireo, no sady teo ambany fahefan’ny lehiben’ny mpisorona.
b Ny apostoly Paoly irery no namerina an’io fehezanteny farany io, izay hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35. Mety ho i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty no nilaza izany taminy, na olon-kafa nandre an’i Jesosy niteny an’izany, na Andriamanitra.
c Tsy maintsy nandoa ny hetran’ny tempoly ny Jiosy isan-taona. Drakma roa izy io, izany hoe karama roa andro teo ho eo. Hoy ny boky iray: “Io hetra io dia natao indrindra mba handoavana ny vola lany tamin’ny fanatitra dorana isan’andro, sy ny sorona hafa rehetra natao ho an’ny vahoaka.”
d Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.