Fahasambarana Mandrakizay no Miandry Ireo Mpanome Araka An’Andriamanitra
“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — JAONA 3:16.
1, 2. a) Iza ilay Mpanome lehibe indrindra, ary inona no fanomezany lehibe indrindra ho an’ny olombelona? b) Tamin’ny fanaovany ilay fanomezana lehibe indrindra, dia toetra tsara inona no nasehon’Andriamanitra?
MPANOME lehibe indrindra amin’ny rehetra i Jehovah Andriamanitra. Momba azy, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany, no nanoratan’i Jakoba mpianatra kristiana hoe: “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana”. (Jakoba 1:17). Mpanome ny fanomezana lehibe indrindra azo omena koa i Jehovah. Mikasika ny fanomezana lehibe indrindra nataony ho an’ny olombelona dia izao no voalaza: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. — Jaona 3:16.
2 Tsy iza akory ilay nilaza ireo teny ireo fa ny tenan’io Zanak’Andriamanitra Lahitokana io ihany. Ho an’ny zanaka lahitokana iray dia tonga ho azy ny fankasitrahana sy ny fitiavana ny rainy, noho izy io loharanon’ny fiainany sy ireo zava-tsoa rehetra nomena mba hifaliany amin’ny fiainana. Tsy voafetra ho teo amin’io Zanakalahy iray io ihany anefa ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fanitarana izany fanomezana izany tamin’ny zavaboariny hafa dia ho nampiseho ny fanehoan’Andriamanitra fitiavana amin’ny ambaratonga iray mahatalanjona. (Ampitahao amin’ny Romana 5:8-10). Faran’izay miharihary izany rehefa dinihintsika ny tena dikan’ilay teny hoe “nomeny” ao amin’io teny manodidina io.
Fanomezan’Andriamanitra ny “Zanany malalany”
3. Ankoatra “ny Zanany malalany”, iza koa no nahazo ny fitiavan’ilay Ray any an-danitra?
3 Nandritra ny vanim-potoana tsy voalaza, Andriamanitra dia niaraka manokana tamin’io Zanaka lahitokana io — “ny Zanany malalany” — tany amin’ny faritry ny lanitra. (Kolosiana 1:13). Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nitombo fitiavana sy firaiketam-po aoka izany tamin’izy samy izy ny Ray sy ny Zanaka, hany ka nanjary tsy nisy fifankatiavana toy ny azy ireo mihitsy. Ireo zavaboary hafa izay noharìn’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany lahitokana dia notiavina koa tamin’ny naha-anisan’ny fianakavian’i Jehovah Andriamanitra azy ireo. Tamin’izany dia nanjaka tao amin’ny fianakavian’Andriamanitra iray manontolo ny fitiavana. Voalaza tsara ao amin’ny Soratra masina fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Ny fianakavian’Andriamanitra àry, dia ho voaforon’ireo izay tian’ny Ray, dia i Jehovah Andriamanitra.
4. Tamin’ny ahoana ny fanomezan’Andriamanitra ny Zanany no nahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny famoizana fiarahana manokana fotsiny, ary ho tombontsoan’iza izany?
4 Akaiky aoka izany ny fatorana teo amin’i Jehovah sy ny Zanany lahimatoa ka, na dia ny fanesorana tamin’izy ireo izany fiarahana manokana izany fotsiny aza dia efa ho famoizan-javatra lehibe. (Kolosiana 1:15). Ny ‘fanomezana’ io Zanaka lahitokana io anefa dia nidika ho zavatra bebe kokoa noho ny tsy fiarahan’Andriamanitra manokana tamin’ilay “Zanany malalany” fotsiny. Izany dia tonga hatramin’ny famelan’i Jehovah mihitsy an’io Zanany io handalo fahafatesana, ka, tamin’izany izy io dia nanjavona vetivety tsy ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Izany dia fahafatesana ho tombontsoan’ireo izay mbola tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra mihitsy. Tsy afaka nanao fanomezana lehibe kokoa noho ny Zanany lahitokana izay antsoin’ny Soratra masina koa hoe ilay “niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao”, i Jehovah, ho an’ny taranak’olombelona mahantra. — Apokalypsy 3:14.
5. a) Inona no toe-piainana mahonena nisy ny taranak’i Adama, ary inona no takin’ny rariny araka an’Andriamanitra avy amin’ny iray amin’ireo zanany mahatoky? b) Hitaky inona avy amin’Andriamanitra ny fanomezany lehibe indrindra?
5 Tsy nahatana ny toerany tamin’ny naha-anisan’ny fianakavian’Andriamanitra azy i Adama sy i Eva, ilay mpivady olombelona voalohany. Izany no toe-javatra nisy azy rehefa voaroaka tany ivelan’ny saha Edena izy ireo noho ny nanotany tamin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra intsony izy ireo, fa teo ambanin’ny fanamelohana ho faty koa. Noho izany, dia tsy ny famerenana ny taranany indray ho amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra mba ho anisan’ny fianakaviany ihany akory no zava-nanahirana, fa ny fanesorana eo amin’izy ireo koa ny fanamelohan’Andriamanitra ho faty. Mifanaraka amin’ny fiasan’ny rariny araka an’Andriamanitra, izany dia hitaky ny hahafatesan’ny iray amin’ireo zanaka mahatokin’i Jehovah Andriamanitra, ho mpisolo toerana na ho avotra iray. Noho izany, dia izao no fanontaniana lehibe: Moa ve ilay voafidy vonona ny ho faty amin’ny maha-mpisolo toerana toy izany ho tombontsoan’ny olombelona mpanota? Ankoatra izany, ny fanaovana izany dia hitaky fahagagana iray avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Izany koa dia hitaky fanehoam-pitiavana avy amin’Andriamanitra amin’ny ambaratonga tsy manam-paharoa. — Romana 8:32.
6. Ahoana no nahafahan’ilay Zanak’Andriamanitra nitovy tamin’izay notakin’ny toe-javatra nisy ny olombelona mpanota, ary inona no nambarany mikasika izany?
6 Ilay Zanak’i Jehovah lahimatoa ihany no afaka nitovy tamin’izay notakina manokana tamin’ilay toe-javatra nisy ny olombelona mpanota. Nanahaka aoka izany ny Rainy any an-danitra izy teo amin’ny fanehoana firaiketam-po amin’ireo anisan’ilay fianakaviana naorin’Andriamanitra, ka tsy misy toa azy eo amin’ireo zanak’Andriamanitra. Koa satria ny zavaboary manan-tsaina rehetra dia nanjary nisy tamin’ny alalany, dia azo antoka fa lehibe dia lehibe ny firaiketam-pony tamin’ireo. Ambonin’izany, dia ny fitiavana no toetra misongadina indrindra ananan’ilay Zanak’i Jehovah lahitokana, Jesosy Kristy, satria izy “no famirapiratan’ny voninahiny [ny an’Andriamanitra] sy endriky ny tenany indrindra”. (Hebreo 1:3). Mba hampisehoana fa vonona izy haneho io fitiavana io amin’ny ambaratonga lehibe indrindra, amin’ny fanomezana ny ainy ho an’ny olombelona mpanota, dia niteny toy izao tamin’ireo apostoliny 12 i Jesosy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. — Marka 10:45; jereo koa ny Jaona 15:13.
7, 8. a) Inona no antony nanosika an’i Jehovah handefa an’i Jesosy Kristy ho eo amin’izao tontolo izaon’ny olombelona? b) Ho amin’ny fanirahana inona no nandefasan’Andriamanitra ny Zanany lahitokana?
7 Nanana antony manokana i Jehovah nandefasana an’i Jesosy teo amin’ity izao tontolo izaon’ny olombelona nampahantraina ity. Ny fitiavan’Andriamanitra no antony nanosika tamin’izany, satria hoy i Jesosy mihitsy hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao”. — Jaona 3:16, 17.
8 Fanirahana ho famonjena no nandefasan’i Jehovah tamim-pitiavana ny Zanany lahitokana. Tsy nandefa io Zanany io tatỳ izy mba hitsara izao tontolo izao. Raha nalefa hamita fanirahana ara-pitsarana toy izany io Zanak’Andriamanitra io, dia tsy ho nisy fanantenana ny hoavin’ny olombelona rehetra. Ny didim-pitsarana manohitra ny fianakavian’olombelona ho notononin’i Jesosy Kristy, dia ho ny fanamelohana ho faty. (Romana 5:12). Araka izany, Andriamanitra dia nampifandanja ny fanamelohana ho faty izay notakin’ny rariny tsotra fotsiny, tamin’io fisehoan’ny fitiavany tsy manam-paharoa io.
9. Ahoana no fihevitr’i Davida ny fanomezan’i Jehovah?
9 Amin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra dia maneho fitiavana sy manaporofo izany ho ny lafiny tsara indrindra amin’ny toetrany. Ary azo atao tsara ny milaza fa, raha ny amin’ny zava-tsoa, dia nanome tamim-pitiavana mihoatra noho izay ilaina Andriamanitra, ho an’ireo mpivavaka aminy mahatoky eto an-tany. Nanana izany fiheverana izany i Davida rehefa nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao! Dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona ho an’izay mialoka aminao!” (Salamo 31:19). Nandritra ny nanjakan’i Davida teo amin’ny firenen’ny Isiraely — eny, nandritra ny fiainany tamin’ny naha-anisan’io firenena voafidin’Andriamanitra manokana io — dia nanandrana matetika ny hatsaram-pon’i Jehovah izy. Ary hitan’i Davida fa lehibe dia lehibe izany.
Famoizan’ny Isiraely ny fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra
10. Nahoana ny Isiraely fahiny no tsy nitovy tamin’ny firenena hafa rehetra teto an-tany?
10 Noho ny fananany an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia tsy nitovy tamin’izay firenena hafa teto an-tany ny Isiraely fahiny. Tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany, ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba dia nampidirin’i Jehovah tao anatin’ny fifandraisana taminy noho ny fanekena iray. Tsy nifampiraharaha tamin’izay firenena hafa araka io môdely io izy. Noho izany, dia afaka nihiaka toy izao ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry: “Milaza ny teniny amin’i Jakoba Izy ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’Isiraely. Tsy nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy; ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ireny. Haleloia.” — Salamo 147:19, 20.
11. Hatramin’ny oviana ny Isiraely no nitana toerana nisy tombontsoa teo amin’Andriamanitra, ary ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ilay fiovana teo amin’ny fifandraisan’izy ireo?
11 Nanana hatrany io fifandraisana nisy tombontsoa tamin’Andriamanitra io ny Isiraely ara-nofo mandra-pandavany an’i Jesosy Kristy ho Mesia, tamin’ny taona 33 am.fan.ir.. Andro nampalahelo tokoa ho an’ny Isiraely ilay andro naha-latsa-bava an’i Jesosy tamin’alahelo hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo”. (Matio 23:37, 38). Nilaza ny tenin’i Jesosy fa ilay firenen’ny Isiraely, na dia nomen’i Jehovah tombontsoa aza teo aloha, dia namoy fanomezana manokana iray avy tamin’Andriamanitra. Ahoana izany?
12. Iza moa ireo ‘zanak’i Jerosalema’, ary ho nidika ho inona tamin’i Jesosy ny fanangonana azy ireo?
12 Tamin’ny fampiasana ilay teny hoe “zanakao”, i Jesosy dia tsy nanisy fitenenana afa-tsy ny amin’ireo Jiosy ara-nofo voafora izay niaina tany Jerosalema ihany ary nampiseho ilay firenena jiosy iray manontolo. Tamin’i Jesosy, ny fanangonana ireo ‘zanak’i Jerosalema’ dia ho nidika ho fampidirana ireo ‘zanaka’ ireo ao anatin’ny fanekena vaovao iray amin’Andriamanitra, ka ny tenany no hiasa ho Mpanalalana eo amin’i Jehovah sy ireo Jiosy ara-nofo ireo. (Jeremia 31:31-34). Izany dia ho niteraka famelan-keloka, satria tonga hatramin’izany ny fitiavan’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Malakia 1:2.) Ho fanomezana lehibe marina tokoa izany.
13. Niteraka famoizana inona moa ny fandavana ilay Zanak’Andriamanitra, kanefa nahoana no tsy nihena ny fifalian’i Jehovah?
13 Mifanaraka amin’ny Teniny ara-paminaniana, dia niandry ela araka izay azo nekena i Jehovah talohan’ny nanitarany tany amin’ireo tsy Jiosy ilay fanomezana ho tonga mpandray anjara amin’ilay fanekena vaovao. Tamin’ny fandavany ilay Zanak’Andriamanitra, ny Mesia, ilay firenen’ny Isiraely ara-nofo dia namoy io fanomezana lehibe io. Nampifandanja ny fandavana ny Zanany àry i Jehovah tamin’ny fanitarana io fanomezana io tany amin’ny olona ankoatra ny firenena jiosy. Tamin’izany fomba izany dia nitohy tsy nisy fihenany ny fifalian’i Jehovah tamin’ny naha-Mpanome Lehibe azy.
Ny fahasambarana rehefa manome
14. Nahoana i Jesosy Kristy no zavaboary sambatra indrindra eo amin’izao rehetra izao iray manontolo?
14 “Andriamanitra sambatra” i Jehovah. (1 Timoty 1:11, MN). Zavatra iray mahatonga azy ho sambatra ny fanomezana ho an’ny hafa. Tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., dia hoy ny Zanany lahitokana: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. (Asan’ny apostoly 20:35). Mifanaraka amin’io fotopoto-pitsipika io, dia nanjary sambatra indrindra tamin’ny zavaboarin’ilay Mpamorona izao rehetra izao iray manontolo i Jesosy. Ahoana izany? Manaraka avy hatrany ny tenan’i Jehovah Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy no nanome ny fanomezana lehibe indrindra tamin’ny rehetra, tamin’ny famoizany ny ainy ho tombontsoan’ny olombelona. Raha ny marina, dia izy ilay “Andriana finaritra”. (1 Timoty 6:15). Tamin’izany, i Jesosy dia niseho ho ohatra ny amin’izay nambarany momba ny fisian’ny fahasambarana bebe kokoa rehefa manome.
15. Tsy hitsahatra mihitsy ny ho ohatra ny amin’inona moa i Jehovah, ary ahoana no ahafahan’ireo zavaboariny manan-tsaina manandrana fetrany sasany amin’ny fahasambarany?
15 Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia tsy hitsahatra na oviana na oviana ny ho Mpanome malala-tanana ho an’ny zavaboariny manan-tsaina rehetra i Jehovah Andriamanitra, ary ho ohatra tsara indrindra ho azy ireo foana izy eo amin’ny fanomezana. Toy ny ahitan’Andriamanitra fahafinaretana amin’ny fanaovana fanomezana tsara ho an’ny hafa, dia napetrany tao am-pon’ireo zavaboariny manan-tsaina eto an-tany koa ny toe-tsaina tia manome. Amin’izany fomba izany izy ireo dia hanome taratra sy haka tahaka ny toetrany ka hanandrana fetrany sasany amin’ny fahasambarany. (Genesisy 1:26; Efesiana 5:1). Tamin’ny fomba nety indrindra no nitenenan’i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa”. — Lioka 6:38.
16. Fanomezan-javatra inona moa no nasian’i Jesosy fitenenana ao amin’ny Lioka 6:38?
16 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpianany i Jesosy rehefa noraisiny ho fahazarana ny fanomezan-javatra. Nolazaina fa hisy akony tsara dia tsara izany fanomezan-javatra izany eo amin’ireo mpandray. Ao amin’ny Lioka 6:38, i Jesosy dia tsy nanisy fitenenana fotsiny ny amin’ny fanomezan-javatra ara-nofo. Tsy nilaza tamin’ireo mpianany mba hanaraka lalana iray izay hampahantra azy ireo ara-nofo akory i Jesosy. Nitarika azy ireo kosa izy ho amin’ny lalana iray izay hanome azy ireo fahatsapana fahafaham-po ara-panahy.
Fahasambarana mandrakizay azo antoka
17. Fanomezana mahatalanjona inona avy no nomen’Andriamanitra an’ireo Vavolombelony amin’izao andro farany izao?
17 Fanomezana mahatalanjona toy inona moa no nomen’i Jehovah, ilay Lohan’izao zavatra ary rehetra izao, ho an’ny Vavolombelony amin’izao andro farany izao! Nomeny antsika ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. Manana tombontsoa lehibe isika ny ho mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina izay eo am-pelatanan’i Jesosy Kristy Zanany efa manjaka. (Matio 24:14; Marka 13:10). Ny nanaovana antsika ho Vavolombelona mpanambara ho an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra dia fanomezana iray tsy anoharana, ary ny fomba tsara indrindra ahafahantsika mizatra manome ho fanahafana an’Andriamanitra, dia ny fizarana amin’ny hafa ilay hafatry ny Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity.
18. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, inona no tsy maintsy omentsika ny hafa?
18 Ny apostoly Paoly dia nanisy fitenenana ny amin’ireo zava-tsarotra tsy maintsy nandalovany rehefa nanambara ny hafatr’ilay Fanjakana tamin’ny hafa izy. (2 Korintiana 11:23-27). Ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao koa dia tsy maintsy mandalo zava-tsarotra sy manilika izay zavatra tiany manokana mba hiezahana hanome ho an’ny hafa ny fanantenan’ilay Fanjakana. Mety hirona tsy ho any am-baravaran’ny olona isika, indrindra raha saro-kenatra. Kanefa amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika, dia tsy azontsika halavirina, na ialana ny tombontsoa hanome zavatra ara-panahy ho an’ny hafa amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana”. (Matio 24:14, MN). Ilaintsika ny manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jesosy. Rehefa niatrika fahafatesana izy dia nivavaka toy izao: “Raiko ô, (...) aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”. (Matio 26:39). Raha ny amin’ny fanomezana ho an’ny hafa ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ireo mpanompon’i Jehovah dia tsy maintsy manao ny sitrapony fa tsy ny azy ireo — izay iriny fa tsy izay mety hirin’izy ireo.
19. Iza avy ireo Tompon’ny “fonenana mandrakizay”, ary ahoana no ahafahantsika ho sakaizan’izy ireo?
19 Hahatafiditra ny fotoanantsika sy ny fananantsika ny fanomezan-javatra toy izany. Kanefa amin’ny fahatongavana ho mpanome araka an’Andriamanitra, dia ataontsika izay haha-azo antoka ny fahasambarantsika mandrakizay. Nahoana? Satria hoy i Jesosy hoe: “Aoka ny mamôna tsy marina [“harena eo amin’izao tontolo izao”, New International Version] ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay hianareo, rehefa lany izany”. (Lioka 16:9). Tokony ho zava-kendrentsika ny hampiasa “harena tsy marina” mba hahatongavana ho sakaizan’ilay Tompon’ny “fonenana mandrakizay”. Amin’ny maha-Mpamorona azy, dia tompon’ny zava-drehetra i Jehovah, ary manana anjara amin’izany fananana izany ny Zanany lahimatoa amin’ny maha-Mpandova ny zava-drehetra azy. (Salamo 50:10-12; Hebreo 1:1, 2). Mba hahatongavana ho sakaizan’izy ireo, dia tsy maintsy ampiasaintsika amin’ny fomba mitondra fankasitrahana avy aminy ny harena. Izany dia mahatafiditra ny fananana toe-tsaina mety, amin’ny fampiasana ireo zavatra ara-nofo hanasoavana ny hafa. (Ampitahao amin’ny Matio 6:3, 4; 2 Korintiana 9:7.) Afaka mampiasa vola amin’ny fomba mety isika mba hanamafisana ny fisakaizantsika amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Manao izany isika, ohatra, rehefa mampiasa amim-pifaliana izay ananantsika mba hanampiana ireo olona izay tena sahirana sy rehefa mandany ny fananantsika mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Ohabolana 19:17; Matio 6:33.
20. a) Nahoana i Jehovah sy i Jesosy no afaka mampiditra antsika ao amin’ny “fonenana mandrakizay”, ary mety ho aiza izany fonenana izany? b) Tombontsoa inona no ho azontsika mandritra ny mandrakizay?
20 Noho izy ireo tsy mety maty, dia afaka ny ho Sakaizantsika mandrakizay i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, ary azon’izy ireo atao ny mampiditra antsika ao amin’ny “fonenana mandrakizay”. Izany no izy, na ho any an-danitra miaraka amin’ireo anjely masina rehetra izany fonenana izany, na ho eto an-tany ao amin’ny paradisa tafaverina amin’ny laoniny. (Lioka 23:43, MN). Nahatonga ny zava-drehetra ho azo atao ilay fanomezana feno fitiavana nataon’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16). Ary hampiasa an’i Jesosy mba hanohizany hanome ho an’ny zavaboariny rehetra i Jehovah Andriamanitra, ho fahasambarana tsy manam-paharoa ho an’ny tenany manokana. Raha ny marina, mandritra ny mandrakizay, ny tenantsika manokana dia hanana ny tombontsoa hanome eo ambanin’ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra manerana izao rehetra izao sy ny fanjakan’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana izay Tompontsika sady Mpamonjy antsika. Hiteraka fahasambarana mandrakizay ho an’ireo mpanome araka an’Andriamanitra rehetra izany.
Tadidinao Ve?
◻ Nitaky inona tamin’ny tenany moa ny fanomezana lehibe indrindra nataon’Andriamanitra?
◻ Ho amin’ny karazana fanirahana inona moa no nandefasan’Andriamanitra ny Zanany?
◻ Iza ilay zavaboary sambatra indrindra eo amin’izao rehetra izao manontolo, ary nahoana?
◻ Ahoana no hanandraman’ireo mpanome araka an’Andriamanitra fahasambarana mandrakizay?
[Sary, pejy 20]
Moa ve ianao mankasitraka ny fanomezan’Andriamanitra ny Zanany ho sorom-panavotana?
[Sary, pejy 22]
Moa ve ianao mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha, amin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy amin’ny fanohanana io asa io amin’ny fanananao?