Manomeza voninahitra ny karazan’olona rehetra
“Manomeza voninahitra ny karazan’olona rehetra (...). Matahora an’Andriamanitra. Manomeza voninahitra ny mpanjaka.” — 1 PETERA 2:17, MN.
1. a) Iza, ankoatra an’Andriamanitra sy i Kristy, no mety ny hanomezam-boninahitra azy? b) Amin’ny lafiny inona avy no tsy maintsy anomezam-boninahitra olombelona, araka ny 1 Petera 2:17?
HITANTSIKA teo aloha fa manana adidy hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy isika. Izany no zavatra mety ary mampiseho fahendrena sy fitiavana tokony hatao. Kanefa ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho koa fa tsy maintsy manome voninahitra ireo mpiara-belona amintsika isika. “Manomeza voninahitra ny karazan’olona rehetra”, hoy ny lazaina amintsika. (1 Petera 2:17, MN). Koa satria miafara amin’ilay baiko hoe “Manomeza voninahitra ny mpanjaka” io andinin-teny io, ny tiana holazaina dia ny hoe tokony homena voninahitra ireo izay tokony hahazo izany noho ny toerana tanany. Iza àry no tokony homentsika voninahitra araka ny tokony ho izy? Mety hahafaoka maro lavitra noho izay mety hoheverinao ny isan’ireo izay mendrika ny homena voninahitra. Azontsika atao ny milaza fa misy lafin-javatra efatra tsy maintsy hanomezantsika voninahitra ny hafa.
Manomeza voninahitra ireo mpanapaka ara-politika
2. Ahoana no ahafantarantsika fa “ny mpanjaka” voalaza ao amin’ny 1 Petera 2:17 dia manondro mpanjaka na mpanapaka ara-politika olombelona?
2 Ny lafin-javatra voalohany dia mifandray amin’ny fitondram-panjakana tsy ara-pivavahana. Mila ny manome voninahitra ireo mpanapaka ara-politika isika. Rehefa nanome ilay torohevitra hoe: “Manomeza voninahitra ny mpanjaka” i Petera, nahoana isika no milaza fa ireo mpanapaka ara-politika no tao an-tsain’i Petera? Satria niresaka ny amin’ny tarehin-javatra ivelan’ny kongregasiona kristiana izy. Vao avy nilaza izy hoe: “Maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny (...) izy”. Mariho koa fa ampifanoherin’i Petera amin’Andriamanitra “ny mpanjaka” amin’ny filazana hoe: “Matahora an’Andriamanitra. Manomeza voninahitra ny mpanjaka.” (1 Petera 2:13, 14). “Ny mpanjaka” ampirisihan’i Petera antsika mba homentsika voninahitra eto àry dia ireo mpanjaka olombelona sy mpanapaka ara-politika.
3. Iza ireo “manam-pahefana ambony”, ary inona no tokony ho azy?
3 Nanome baiko mitovy amin’izany ny apostoly Paoly nanao hoe: “[Maneke] ny fahefana lehibe.” Ireo “fahefana lehibe [manam-pahefana ambony, MN]” ireo akory dia tsy i Jehovah Andriamanitra na i Jesosy Kristy, fa ireo mpanapaka ara-politika, ireo solontenan’ny fitondram-panjakana. Ireo no tao an-tsain’i Paoly rehefa nanohy izy hoe: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy (...), voninahitra ho an’izay tokony homena voninahitra.” Eny, ireo izay nomen’Andriamanitra lalana hampihatra fanapahana ara-politika dia azo omena voninahitra. — Romana 13:1, 7, MN.
4. a) Amin’ny ahoana no mety hanomezam-boninahitra ireo mpanapaka ara-politika? b) Ohatra inona no nomen’ny apostoly Paoly raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra mpanapaka?
4 Amin’ny fomba ahoana no hanomezantsika voninahitra ireo mpanapaka ara-politika? Ny fomba iray dia ny fandraisana azy ireo amim-panajana lalina. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 3:15, MN.) Ary noho ny toerana tanany, dia mety ny hanajana azy ireo toy izany na dia mety ho olona ratsy aza izy ireny. Ilay mpanoratra tantara romana atao hoe Tacite dia nilazalaza an’i Feliksa governora ho lehilahy izay “nihevitra fa azony natao ny nanao izao asa ratsy rehetra izao kanefa tsy hiharan’ny sazy.” I Paoly anefa dia nanomboka ny fiarovan-tenany teo anatrehan’i Feliksa tamin’ny fomba feno fanajana. Toy izany koa fa niteny tamim-panajana tamin’ny mpanjaka Heroda Agripa II i Paoly nanao hoe: “Ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao”, na dia fantatr’i Paoly aza fa niara-niaina tamin-dreniny toy ny tamin’ny vady i Agripa. Mitovy amin’izany ihany koa fa nanome voninahitra an’i Festosy governora i Paoly tamin’ny fiantsoana azy hoe “Ry Festosy tsara indrindra”, na dia nanompo sampy aza i Festosy. — Asan’ny apostoly 24:10; 26:2, 3, 24, 25.
5. Amin’ny fomba hafa inona koa no anomezam-boninahitra ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana, ary amin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no manome ohatra tsara ny amin’izany?
5 Ny fomba hafa iray hanomezantsika voninahitra ireo solontenan’ny fitondram-panjakana dia nasehon’ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ny amin’ny fandoavana amin’ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana izay tokony ho azy izy. Nilaza izy fa tokony haloa “amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana”. (Romana 13:7). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandoa izany na aiza na aiza tany onenany. Tany Italia, dia nanao izao fanamarihana izao ny gazety La Stampa: “Ny olom-pirenena mahatoky indrindra azon’iza na iza irina hananana izy ireo: tsy mihodivitra amin’ny fandoavana hetra izy ireo na mitady ny handositra lalàna manelingelina azy ho tombontsoan’ny tenany manokana.” Ary ny gazety The Post any Palm Beach, any Floride (Etazonia), dia nanamarika izao manaraka izao momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mandoa ny hetrany izy ireo. Anisan’ireo olom-pirenena marina indrindra eto amin’ny Repoblika izy ireo.”
Manomeza voninahitra ny mpampiasa
6. Iza koa no nolazain’i Paoly sy i Petera fa tokony homem-boninahitra?
6 Ny lafiny faharoa hanomezam-boninahitra olona tokony hahazo izany dia any amin’ny toeram-piasantsika. Ny apostoly Paoly sy ny apostoly Petera dia samy nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny tokony hanomezan’ny kristiana voninahitra ireo izay napetraka eo amboniny eo amin’ny asany. Nanoratra toy izao i Paoly: “Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara [homem-boninahitra amin’ny fomba feno, MN], mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana. Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy”. Ary i Petera niteny hoe: “Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po [sarotiny, MN] koa.” — 1 Timoty 6:1, 2; 1 Petera 2:18; Efesiana 6:5; Kolosiana 3:22, 23.
7. a) Amin’ny fomba ahoana no ampiharana amin’ny fomba mety ankehitriny ny torohevitry ny Baiboly momba ny tokony hanomezan’ny “andevo” voninahitra ny “tompony”? b) Inona no tokony hotandreman’ireo mpiasa kristiana izay manana mpampiasa kristiana?
7 Mazava ho azy fa tsy miely hatraiza hatraiza ny fanandevozana amin’izao andro izao. Kanefa azo ampiharina amin’ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa ireo fotopoto-pitsipika nifehy ireo kristiana teo amin’ny fifandraisan’ny tompo sy ny andevo. Ireo mpiasa kristiana àry dia manana adidy hanome voninahitra na dia ny mpampiasa sarotiny aza. Tsy hanantena fampisehoana fiheverana manokana na fitiavana mihoatra noho ny hafa noho izany fifandraisana izany ilay mpiasa, fa tokony hanompo ilay mpampiasa azy kristiana amim-pahavononana kokoa aza, ary tsy hanararaotra azy na oviana na oviana na amin’inona na amin’inona.
Fanomezam-boninahitra eo anivon’ny fianakaviana
8, 9. a) Iza no takina amin’ny zanaka mba homeny voninahitra? b) Nahoana ny zanaka no tokony hanome io voninahitra io, ary amin’ny fomba ahoana no hahafahany manao izany?
8 Ny lafiny fahatelo hanomezam-boninahitra olona tokony hahazo izany dia eo anivon’ny fianakaviana. Ireo zanaka ohatra, dia manana adidy hanome voninahitra ny ray aman-dreniny. Tsy fepetra notakin’ny Lalana nomena an’i Mosesy fotsiny akory io fa adidy ho an’ny kristiana koa. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninao ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà [Manomeza voninahitra, MN] ny ray sy ny reninao’.” — Efesiana 6:1, 2; Eksodosy 20:12.
9 Nahoana ny zanaka no tokony hanome voninahitra ny ray aman-dreniny? Tokony hanao izany izy noho ny fahefana nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreniny ary koa noho izay nataon’ny ray aman-dreniny, tamin’ny niterahana azy, nikolokoloana sy nitaizana azy hatramin’ny fahazazany. Amin’ny fomba ahoana no tokony hanomezan’ny zanaka voninahitra ny ray aman-dreniny? Tokony hanao izany izy indrindra fa amin’ny fankatoavana sy fanekena azy ireo. (Ohabolana 23:22, 25, 26; Kolosiana 3:20). Ny fanomezam-boninahitra azy ireo toy izany dia mety hitaky ny hanomezan’ireo zanaka efa lehibe fanohanana fanampiny, ara-nofo sy ara-panahy, an’ireo ray aman-dreniny na raibe aman-drenibeny efa be taona. Ilaina ny hampifandanjana izany amim-pahendrena amin’ireo andraikitra hafa, toy ny fikarakarana ny zanaky ny tena sy ny fandraisana anjara amin’ny fomba feno amin’ny fifaneraserana kristiana sy ny asa fanompoana. — Efesiana 5:15-17; 1 Timoty 5:8; 1 Jaona 3:17.
10. Iza no tsy maintsy omen’ny vehivavy manambady voninahitra, ary amin’ny fomba ahoana no hahafahany manao izany?
10 Kanefa tsy ny zanaka irery no tsy maintsy manome voninahitra ny hafa ao anatin’ny fianakaviana. Ireo vehivavy manambady dia tsy maintsy manome voninahitra ny vadiny. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa “tokony haneho fanajana lalina ny vadiny ny vehivavy manambady.” (Efesiana 5:33, MN; 1 Petera 3:1, 2, MN). Ny fampisehoana “fanajana lalina” ny vady dia azo antoka fa mahafaoka ny fanomezam-boninahitra azy. Nanome voninahitra an’i Abrahama vadiny i Saraha, rehefa niantso azy hoe “tompoko”. (1 Petera 3:6). Ry vehivavy manambady, manahafa àry an’i Saraha. Manomeza voninahitra ny vadinareo amin’ny fanekena ny fanapahan-keviny ary amin’ny fiasana mba hahombiazan’izany. Amin’ny fanaovana izay rehetra azonareo atao mba hanampiana ny vadinareo hizaka ny enta-mavesatra efa zakainy, fa tsy hanampy hafa koa amin’izany, dia manome voninahitra azy ianareo.
11. Raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra ny hafa, inona no tsy maintsy ataon’ny lehilahy manambady, ary nahoana?
11 Ahoana ny amin’ireo lehilahy manambady? Manome azy ireo izao toromarika izao ny Tenin’Andriamanitra: “Hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy [amin’ny vadinareo] araka ny marina, manaja [manome voninahitra, MN] ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, — mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7). Izany dia tokony hampieritreritra ny lehilahy manambady rehetra tokoa. Izany dia toa milaza fa ny vadiny dia toy ny mitondra taratasy famantarana misy soratra hoe “Sarobidy. Mora simba. Ilàna fitandremana sy fanomezam-boninahitra ny fitondrana azy!”. Aoka ireo lehilahy manambady hitadidy fa raha tsy manome voninahitra ny vadiny izy amin’ny fanehoana aminy ny fiheverana tokony ho azy, dia ho simba ny fifandraisany amin’i Jehovah Andriamanitra, satria ho voasakana ny fivavahany. Tena marina mihitsy fa hahasoa ny mpikambana rehetra ao anatin’ny fianakaviana ny fifanomezany voninahitra.
Ao anatin’ny kongregasiona
12. a) Iza no manana adidy hanome voninahitra ny hafa ao anatin’ny kongregasiona? b) Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mety ny mandray voninahitra?
12 Eo koa ny adidin’ny tsirairay hanome voninahitra ny hafa ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Omena izao torohevitra izao isika: “Mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Nasehon’i Jesosy tao amin’ny iray tamin’ireo fanoharana nataony fa mety ny manaiky fankalazana. Nilaza izy fa, rehefa asaina ho any amin’ny fanasana iray isika, dia tokony haka ny fitoerana any aoriana indrindra, satria amin’izay ilay nanasa antsika dia hangataka antsika haka toerana alohaloha kokoa, ary hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra miara-mipetraka mihinana amintsika isika. (Lioka 14:10, MN). Izao àry, koa satria isika rehetra dia mankasitraka ny hanomezan’ny hafa voninahitra antsika, moa ve isika tsy tokony hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ary hifanome voninahitra? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manao izany?
13. Inona avy no fomba sasantsasany hahafahantsika manome voninahitra ny hafa ao anatin’ny kongregasiona?
13 Ny teny fankasitrahana atao noho ny asa iray vita tsara dia toy ny fanomezam-boninahitra ihany. Azontsika atao àry ny mifanome voninahitra amin’ny fanaovana teny fiderana, angamba noho ny lahateny na fanazavana nomen’ny olona iray tao amin’ny kongregasiona. Ambonin’izany, dia azontsika atao ny mifanome voninahitra amin’ny fisikinana fanetren-tena eo anatrehan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana, amin’ny fitondrana azy ireo amim-panajana lalina. (1 Petera 5:5). Amin’izany isika dia mampiseho fa mihevitra azy ireo ho mpiara-manompo an’i Jehovah Andriamanitra amintsika, mendrika ny homem-boninahitra.
14. a) Amin’ny ahoana no hahafahan’ny rahalahy ao amin’ny kongregasiona manome ny voninahitra tokony ho an’ireo anabavy? b) Inona no mampiseho fa ny fanaovana fanomezana dia fomba iray hanomezam-boninahitra ny hafa?
14 Nanome torohevitra an’i Timoty tanora ny apostoly Paoly mba hitondra ireo anabavy kristiana efa be taona toy ny reny ary ireo tanora kokoa toy ny anabavy ara-nofo, “amin’ny fahadiovana rehetra”. Eny, rehefa mitandrina ireo rahalahy mba tsy ho sahisahy loatra amin’ireo anabaviny kristiana, toy ny rehefa mampiseho fifankazarana loatra tsy misy fanajana, dia manome voninahitra azy ireo. Nanohy nanoratra toy izao i Paoly: “Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.” Ny fomba iray hanomezam-boninahitra mpitondratena mila fanampiana maika dia amin’ny fanohanana azy ara-nofo. Mba hahazoany izany anefa, dia tsy maintsy “tsara laza amin’ny asa tsara” izy. (1 Timoty 5:2-10). Mifandray amin’ny fanomezana ara-nofo, dia nanoratra toy izao momba ireo olona tao amin’ny nosin’i Melita i Lioka: “Nanome voninahitra anay tamin’ny alalan’ny fanomezana maro be koa izy ireo ary, rehefa hiondrana an-tsambo izahay, dia nomeny izay nilainay rehetra.” (Asan’ny apostoly 28:10, MN). Azo atao àry ny manome voninahitra olon-kafa iray amin’ny alalan’ny fanomezana ara-nofo.
15. a) Iza no tsy maintsy omentsika voninahitra manokana? b) Inona no fomba iray hahafahantsika manome voninahitra ireo izay mitarika antsika?
15 Nanohy ny taratasiny ho an’i Timoty toy izao i Paoly: “Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana [voninahitra, MN] roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.” (1 Timoty 5:17). Amin’ny fomba ahoana avy no hahafahantsika manome voninahitra ireo loholona, na mpiandraikitra? Nilaza toy izao i Paoly: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintiana 11:1). Rehefa manaraka ny tenin’i Paoly mba hanahaka azy isika, dia manome voninahitra azy. Izany dia hihatra amin’ireo izay mitarika eo anivontsika amin’izao andro izao. Arakaraka ny hanahafantsika azy ireo amin’ny fanarahana ny ohatra omeny, dia hanome voninahitra azy ireo isika.
16. Amin’ny fomba hafa inona avy koa no hahafahana manome voninahitra ireo izay mitondra?
16 Ny fomba hafa iray hanomezantsika voninahitra ireo mpiandraikitra dia amin’ny fanarahana ilay fampirisihana hoe: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina”. (Hebreo 13:17). Toy ny anomezan’ny zanaka voninahitra ny ray aman-dreniny amin’ny fankatoavany azy ireo, dia toy izany koa fa hanome voninahitra ireo izay mitarika eo anivontsika isika amin’ny fankatoavantsika sy fanekentsika azy ireo. Ary koa, toy ny nanomezam-boninahitra an’i Paoly sy ireo namany tamin’ny alalan’ireo fanomezana ara-nofo avy tamin’ireo mponin’i Melita tsara fanahy, dia nomem-boninahitra imbetsaka tamin’izany fomba izany koa ny solontenan’ny Fikambanana mpitety faritany maro. Mazava ho azy anefa fa na oviana na oviana izy ireo dia tsy tokony hangataka izany fanomezana izany na hanipy hevitra tsy mivantana fa hoe hankasitrahany ny hahazo izany na koa hoe ilainy izany.
17. Inona no tsy maintsy ataon’ireo manana tombontsoan’ny mpiandraikitra raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra ny hafa?
17 Etsy an-kilany, izay rehetra manana ny toeran’ny mpiandraikitra ao anatin’ny fandaminana teokratika — na ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana izany, na ao amin’ny fizaran-tany iray na distrika iray amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany azy, na ao amin’ny iray amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower, na eo anivon’ny fianakaviana — dia manana adidy hanome voninahitra ny hafa izay eo ambany fiandraiketany. Izany dia mitaky ny hahaizany mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy hananany fangoraham-po. Ilain’izy ireo ny ho azo hatonina amin’ny fotoana rehetra, ny halemy fanahy sy hanetry tena ao am-po sy ao an-tsaina, toy ny nolazain’i Jesosy Kristy momba ny tenany. — Matio 11:29, 30.
Miezaha mba hifanome voninahitra
18. a) Inona no afaka hanakana antsika tsy hanome voninahitra ny hafa izay mendrika ny hahazo izany? b) Nahoana no tsy azo hamarinina ny toe-tsaina tsy manorina sy manakiana?
18 Isika rehetra dia mila ny miezaka mafy mba hifanome voninahitra, satria misy hery lehibe manakana antsika tsy hanao izany. Izany vato misakana izany dia ny fontsika tsy tanteraka. (Genesisy 8:21). Ny iray amin’ireo fironan’olombelona mety hanakantsakana eo amin’ny fanomezam-boninahitra ny hafa tokony hahazo izany dia ny toe-tsaina tsy manorina sy manakiana. Olombelona malemy sy tsy tanteraka avokoa isika rehetra, mila ny famindrampon’i Jehovah sy ny hatsaram-pony ho an’ny tsy mendrika akory. (Romana 3:23, 24, MN). Amin’ny fahatakarantsika izany, dia aoka isika hitandrina mba tsy hifantoka amin’ireo fahalemen’ny rahalahintsika na hihevitra fa manana antony manosika mampisalasala ireo rahalahintsika.
19. Inona no hanampy antsika hanohitra izay fihetsika tsy manorina rehetra?
19 Ny fanefitry ny fironana tsy manorina toy izany dia ny fitiavana sy ny fifehezan-tena. Mila ny manana fihetsika mangoraka, mahatoky ary manorina eo anatrehan’ireo rahalahintsika isika ka hanamarika ireo toetrany tsara. Raha misy zavatra tsy azontsika, dia aoka isika ho vonona foana ny hanome ireo rahalahintsika ny tombontsoan’ny fisalasalana ary hanaraka izao torohevitr’i Petera izao: “Ary mihoatra ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ny fitiavana manarona fahotana maro.” (1 Petera 4:8). Tsy maintsy manana izany karazam-pitiavana izany isika raha tiantsika ny hanome voninahitra ireo rahalahintsika araka izay tokony ho izy.
20, 21. a) Fironana hafa inona no azo inoana fa hanakantsakana ny fifanomezam-boninahitra? b) Inona no hanampy antsika hanohitra io fironana io?
20 Ny toetra hafa iray izay azo inoana fa hanakantsakana amin’ny fanomezantsika voninahitra ireo rahalahintsika araka izay tokony ho izy dia ny fironana ho mora tohina, na mihetsi-po tsy araka ny izy. Manana ny toerany ny fihetseham-po. Tsy maintsy mihetsi-po noho ny feo na ny loko ny mpanankato fa anisan’ny asany izany. Kanefa raha mihetsi-po tsy araka ny izy, na mora tafintohina, isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia endrika iray isehoan’ny fitiavan-tena izany, izay afaka hanala amintsika ny fiadanantsika ka hanakana antsika tsy hanome voninahitra ny hafa.
21 Manome antsika torohevitra tsara mifandray amin’izany ireo teny hita ao amin’ny Mpitoriteny 7:9 manao hoe: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” Mitory tsy fananana fahendrena sy fahaiza-mitsara zavatra, ary koa tsy fananana fitiavana àry ny mihetsi-po tsy araka ny izy na ny malaky tafintohina. Tsy maintsy mitandrina isika sao manakana antsika tsy hanome voninahitra an’izay rehetra tokony hahazo izany ny fironantsika mpanota, toy ny rehefa tsy manorina, manakiana loatra na mihetsi-po tsy araka ny izy, isika.
22. Ahoana no azontsika amintinana ny tsy maintsy hanomezantsika voninahitra ny hafa?
22 Tena marina mihitsy fa manana antony maro hanomezam-boninahitra ny hafa isika. Ary, araka ny hitantsika teo, dia misy fomba maro dia maro hahafahantsika manome izany voninahitra izany. Amin’ny fotoana rehetra isika dia tsy maintsy mitandrina sao misy fihetsika tia tena na tsy manorina hanakantsakana antsika tsy hanome voninahitra ny hafa. Mila ny mitandrina indrindra isika mba hanome voninahitra ireo ao amin’ny fianakaviantsika, ny mpivady amin’izy samy izy, ary ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny. Ary ao anatin’ny kongregasiona, dia manana adidy hanome voninahitra ireo mpiara-manompo amintsika isika, ary indrindra fa ireo izay miasa mafy eo amintsika amin’ny maha-mpiandraikitra. Amin’ireo lafiny rehetra ireo, dia hitondra soa ho antsika ny fanomezantsika voninahitra araka ny izy ireo voatonona eo ambony ireo, satria hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny apostoly 20:35.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy manome voninahitra ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana, ary amin’ny fomba ahoana?
◻ Torohevitra ao amin’ny Baiboly inona no azo ampiharina eo amin’ny fifandraisan’ny mpiasa amin’ny mpampiasa azy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no tokony hanomezantsika voninahitra ny hafa eo anivon’ny fianakaviana?
◻ Voninahitra manokana inona no azo omena ao amin’ny kongregasiona, ary nahoana?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azo andresena ireo fahalemen’olombelona manakana ny fanomezam-boninahitra ny hafa?