-
Miambena Foana toa An’ireo ApostolyNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Janoary
-
-
Milaza ny andininy faha-23 fa “nanome fotoana an’i Paoly” ireo lohandohan’ny Jiosy, “ka maro kokoa no tonga tao an-tranony.” Nitory tamin’izy ireo i Paoly nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva. ‘Nohazavainy ilay raharaha, ka sady nanazava tsara [izany hoe nitory tamin’ny fomba feno] momba ny fanjakan’Andriamanitra izy, no nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesosy, avy tamin’ny lalàn’i Mosesy sy tamin’ny Mpaminany.’
19, 20. a) Nahoana no tena nahomby ny fitorian’i Paoly? b) Ahoana no nataon’i Paoly rehefa hitany hoe tsy ny olona rehetra no nandray ny vaovao tsara?
19 Nahoana no tena nahomby ny fitorian’i Paoly? Misy antony maromaro eo amin’ny andininy faha-23: 1) Nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy momba an’i Jesosy Kristy izy. 2) Niezaka “nandresy lahatra” an’ireo mpihaino azy izy. 3) Nampiasa ny Soratra Masina izy mba hampisaintsainana ny olona. 4) Nahafoy tena izy, satria nitory “nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.” Tena nahay nandresy lahatra i Paoly rehefa nitory, nefa tsy ny rehetra no nandray.
-