-
Hahazo Fahafahana ny Olona RehetraNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
-
-
“Ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”
I Jehovah dia nampanaiky ny zavaboary ho zava-poana “mifototra amin’ny fanantenana” fa, indray andro any, dia ho tafaverina indray amin’ny fianakavian’olombelona amin’ny alalan’ny asan’ireo “zanak’Andriamanitra”, ny fahafahana. Iza ireo “zanak’Andriamanitra” ireo? Izy ireo dia mpianatr’i Jesosy Kristy izay, tahaka an’ireo sisa amin’ny “zavatra ary [olombelona]”, dia teraka andevon’ny ota sy ny tsy fahalavorariana. Tsy manan-jo hanan-toerana ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao izay madio sy lavorary izy ireo. Manao zavatra miavaka ho azy ireo anefa i Jehovah. Manafaka azy ireo amin’ny fanandevozan’ny ota nolovana sy manambara azy ireo ho ‘marina’, na madio ara-panahy, i Jehovah, amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (1 Korintiana 6:11). Avy eo dia atsangany ho “zanak’Andriamanitra” izy ireo, ka averiny indray ao amin’ny fianakaviany eo amin’izao rehetra izao. — Romana 8:14-17.
Hahazo tombontsoa be voninahitra izy ireo, amin’ny maha zanaka natsangan’i Jehovah azy. Ho ‘mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo: ary hanjaka ambonin’ny tany’ miaraka amin’i Jesosy Kristy, satria anisan’ilay Fanjakana, na fitondram-panjakan’Andriamanitra, any an-danitra. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4). Izy io dia fitondram-panjakana iray miorina mafy amin’ny foto-pitsipiky ny fahafahana sy ny rariny — fa tsy amin’ny fampahoriana sy ny fitondrana jadona. (Isaia 9:5, 6; 61:1-4). Nilaza ny apostoly Paoly fa ireo zanak’Andriamanitra ireo dia mpiara-miasa amin’i Jesosy, ilay “taranak’i Abrahama” nampanantenaina hatramin’ny ela. (Galatiana 3:16, 26, 29). Amin’ny maha toy izany azy, dia mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra nomeny an’i Abrahama sakaizany, izy ireo. Tapany amin’izany fampanantenana izany ny hoe amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama no “hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. — Genesisy 22:18.
-
-
Hahazo Fahafahana ny Olona RehetraNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
-
-
Rahoviana no hanomboka ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”? Tsy ho ela intsony izao, rehefa hasehon’i Jehovah mazava amin’ny rehetra hoe iza ireo zanak’Andriamanitra. Hitranga izany rehefa hatsangana ho any amin’ny faritra ara-panahy ireo ‘zanaka’ ireo, ka hiara-mandray anjara amin’i Jesosy Kristy amin’ny fanadiovana ity tany ity ho afaka amin’ny ratsy sy ny fampahoriana, amin’ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona. (Daniela 2:44; 7:13, 14, 27; Apokalypsy 2:26, 27; 16:16; 17:14; 19:11-21). Hitantsika manodidina antsika ny porofo miavovona fa efa lasa lavitra ao anatin’ny “andro farany” isika, ka hifarana ny fileferan’Andriamanitra hatramin’izay ela izay amin’ny fikomiana sy ny faharatsiana aterany. — 2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:3-31.
-
-
Hahazo Fahafahana ny Olona RehetraNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
-
-
Eo ‘am-piandrasana ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra’, dia azonao atao ny mamboly ilay fitokisana nananan’ny apostoly Paoly tamin’ny fiahian’i Kristy sy ny fiarovany ary ny fanohanany, na dia rehefa toa mila tsy ho zaka aza ny fijaliana sy ny tsy rariny.
-