Milaza ny Zavatra Noforonina hoe: “Tsy Azo Alan-tsiny Izy Ireo”
“Fa ireo toetrany tsy hita maso dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria tsapa amin’ny zavatra natao ireo, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra azy, ka tsy azo alan-tsiny izy ireo.” — ROMANA 1:20, NW.
1, 2. a) Fitarainana feno alahelo mafy inona no nataon’i Joba tamin’i Jehovah? b) Fitsoahana ny teny nataony inona no nambaran’i Joba nanaraka izany?
NAMPIHARAN’I Satana fitsapana nahatsiravina i Joba, lehilahy fahiny iray nanana fahatokiana tsy azo noravana teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Ny Devoly dia nanao izay hamoizan’i Joba ny fananany ara-nofo rehetra, nahafaty ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ary nampahory azy tamin’ny aretina naharikoriko iray. Nihevitra i Joba fa Andriamanitra no nitondra ireo loza ireo teo aminy, ary nitaraina tamin’alahelo mafy tamin’i Jehovah toy izao izy: “Mahafaly Anao va ny hampahory (...) no dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho”? — Joba 1:12-19; 2:5-8; 10:3, 6, 7.
2 Fotoana kelikely taorian’izay, dia nampiseho zavatra nifanohitra tanteraka tamin’izany ny tenin’i Joba: “Nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” (Joba 42:3, 5, 6). Inona no nitranga ka nampiova ny fihetsik’i Joba?
3. Fomba fijery vaovao inona no azon’i Joba mikasika ny zavatra noforonina?
3 Teo anelanelan’izay, dia nifanatrika tamin’i Joba tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah. (Joba 38:1). Tsy nitsahatra nanontany an’i Joba izy. ‘Taiza ianao fony Aho namorona ny tany? Iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina ary nametra ny toerana azon’ny onja aleha? Afaka manao izay handatsahan’ny rahona ny orana eo aminy ho amin’ny tany ve ianao? Afaka mampaniry ny ahitra ve ianao? Afaka mamatotra ireo antokon-kintana miaraka ve ianao ary mitarika azy ireo ho amin’ny lalany?’ Ao amin’ireo toko faha-38 ka hatramin’ny faha-41 amin’ny bokin’i Joba, dia nanototra an’i Joba tamin’ny fanontaniana toy izany sy maro kokoa momba ny zavatra noforoniny i Jehovah. Nataony izay hahitan’i Joba ilay hantsana makadiry eo anelanelan’Andriamanitra sy ny olombelona, tamin’ny fampahatsiahivana azy tamin-kery ny fahendrena sy ny hery hita taratra eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra, dia zavatra tsy tratran’ny herin’i Joba atao, na takatry ny sainy akory aza. Resin’ny hery mahatahotra ananan’ilay Andriamanitra tsitoha sy ny fahendreny mahatalanjona aoka izany nahariharin’ireo zavatra noforoniny i Joba, ka nivalaketraka tampoka izy nieritreritra ny fahasahisahiany niady hevitra tamin’i Jehovah. Koa niteny toy izao izy: “Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao”. — Joba 42:5.
4. Inona no tokony ho tsapantsika avy amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah, ary manao ahoana ireo izay tsy mahita izany?
4 Taonjato maro tatỳ aoriana dia nisy mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry nanamarina fa ny toetran’i Jehovah dia mety ho hita taratra amin’ny zavatra noforoniny. Nanoratra toy izao ao amin’ny Romana 1:19, 20 (NW ) ny apostoly Paoly: “Izay azo fantarina momba an’Andriamanitra dia miharihary eo amin’izy ireo, satria nahariharin’Andriamanitra tamin’izy ireo izany. Fa ireo toetrany tsy hita maso dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria tsapa amin’ny zavatra natao ireo, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra azy, ka tsy azo alan-tsiny izy ireo.”
5. a) Filana voajanahary inona no ananan’ny olombelona, ary ahoana no anomezan’ny sasany fahafaham-po izany amin’ny fomba tsy mety? b) Inona no torohevitr’i Paoly ho an’ireo Grika tany Atena?
5 Ny olombelona dia noforonina manana filana voajanahary hanolotra fanompoam-pivavahana amin’ny hery ambony kokoa iray. Ao amin’ny bokiny hoe The Undiscovered Self, ny Dr. C. G. Jung dia nanondro io filana io ho “fihetsika mandeha ho azy mampiavaka ny olombelona, ary ny fisehony dia azo zohina ao amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo”. Ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny filan’olombelona voajanahary hanolotra fanompoam-pivavahana. Izany filana izany dia nanazava ny antony nanaovan’ireo Grika tany Atena sary sy alitara ho an’andriamanitra maro, fantatra sy tsy fantatra. Nampahafantarin’i Paoly azy ireo koa ilay Andriamanitra marina ary nasehony fa tokony hanome fahafaham-po io filana voajanahary io tamin’ny fomba nety izy ireo tamin’ny fitadiavana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, “raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy [izy ireo], kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy”. (Asan’ny Apostoly 17:22-30). Arakaraka ny anakekezantsika ny zavatra noforoniny no anakekezantsika ny fahatsapana ireo toetrany.
Ny tsingerina mahatalanjon’ny rano
6. Toetran’i Jehovah inona avy no hitantsika ao amin’ny tsingerin’ny rano?
6 Toetran’i Jehovah inona avy no tsapantsika, ohatra, eo amin’ny fahafahan’ny rahona malemilemy toy ny landihazo hitana rano an-taoniny maro? Mahita ny fitiavany sy ny fahendreny isika, satria amin’izany izy dia manome ranonorana ho fitahiana ny tany. Manao izany izy amin’ny alalan’ilay drafitra mahatalanjona tafiditra ao amin’ny tsingerin’ny (cycle) rano, izay voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 1:7 manao hoe: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” Ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly dia mamaritra tsara ny fomba itrangan’izany.
7. Ahoana no ahatongavan’ny rano amin’ny ranomasina ho rahona, ary ahoana no ahafahan’ny rahona malemilemy toy ny landihazo hitana rano an-taoniny maro?
7 Rehefa mikoriana mankany amin’ny ranomasina ny renirano, dia tsy mitoetra ao izy. I Jehovah dia “misintona miakatra piti-dranonorana avy amin’ny ranomasina ary manasitily ny zavona nataony ho orana”. Koa satria ny rano dia amin’ny endriky ny eton-drano ary amin’ny farany dia tonga zavona manify iray, “ny rahona dia mihantona tsy mihilangilana eny ambony eny, asa mahatalanjona avy amin’ny fahaizany tonga lafatra izany”. (Joba 36:27; 37:16; The New English Bible). Mitsingevana ny rahona raha mbola zavona izy: “Mamehy ny rano ao anatin’ny rahony izy — tsy triatra noho ny havesaran’izany ny zavona.” Na, hoy koa ny fandikana hafa iray: “Mampihiboka ny rano eo amin’ny rahony [izy]; kanefa tsy mitriatra noho ny havesaran’izany ny rahona.” — Joba 26:8, The Jerusalem Bible; Kat.
8. Amin’ny dingana isan-karazany inona avy no itongilanan’ireo “fitoeran-dranon’ny lanitra” sy ahavitany tanteraka ilay tsingerin’ny rano?
8 Iza no “mahay manatongilana [ireny] fitoeran-dranon’ny lanitra” ireny mba hahatonga ny orana hilatsaka amin’ny tany? (Joba 38:37, Kat.). Tsy iza fa Ilay manana ‘fahaizana tonga lafatra’ nametraka azy ireo teo tany am-boalohany, dia ilay “manasitily ny zavona nataony ho orana”. Ary inona moa no ilaina mba hanasitiliana (hanovana ny etona ho rano) zavona ho ranonorana mitete? Tsy maintsy misy vaingan-javatra bitika dia bitika, toy ny vovoka na sombin-tsira kely — an’arivony maro ka hatramin’ny ana hetsiny maro amin’izany isaky ny rivotra iray santimetatra toratelo — miasa ho toy ny votoaty mba hiforonan’ny piti-drano kely dia kely manodidina azy. Notombanana fa iray tapitrisa amin’ilay piti-drahona kely dia kely no ilaina mba hahaforona ranonorana indray mitete antonontonony. Aorian’izany fisehoan-javatra rehetra izany ihany ny rahona vao afaka mandatsaka ny riakan’izy ireo amin’ny tany mba hahaforona ireo rano mandeha izay mamerina ny rano any an-dranomasina. Toy izany no amitan’ny rano tanteraka ny tsingeriny. Nitranga ve izany rehetra izany noho ny kisendrasendra mandeha an-jambany? “Tsy azo alan-tsiny” marina tokoa ny fiheverana toy izany!
Loharano iray amin’ny fahendren’i Solomona
9. Inona no zavatra miavaka hitan’i Solomona mikasika ny karazam-bitsika iray?
9 Teo amin’ny tontolo fahizay, dia tsy nanam-paharoa ny fahendren’i Solomona. Ny ankamaroan’izany fahendrena izany dia nahakasika ny zavatra noforonin’i Jehovah: “Nilaza ny amin’ny hazo hatramin’ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ny hysopa izay maniry eny amin’ny ampiantany izy [i Solomona], sady nilaza ny amin’ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.” (1 Mpanjaka 5:13). Io Solomona Mpanjaka io ihany no nanoratra hoe: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony, ka mba hendre; tsy manana komandy ireny, na mpifehy, na mpanapaka, nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.” — Ohabolana 6:6-8
10. Ahoana no nanamarinana ilay fanazavan’i Solomona momba ny vitsika mpamory vokatra?
10 Iza no nampianatra ny vitsika hitahiry hanina amin’ny fahavaratra mba ho sakafon’izy ireo mandritra ny ririnina mangatsiaka? Nandritra ny taonjato maro dia nisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ny fitantaran’i Solomona momba ireny vitsika ireny izay namory voa sy nitahiry izany ho amin’ny ririnina. Tsy nisy nahita porofo ny amin’ny fisian’izy ireo. Tamin’ny 1871 anefa, ny natioralista britanika iray dia nahita voalohany ny sompitr’izy ireo tany ambanin’ny tany, ary dia voamarina ny fahamarinan’ny Baiboly nanao tatitra momba azy ireo. Ahoana anefa no nahazoan’ireny vitsika ireny ilay fahatsinjovana mialoha ahafantarana amin’ny fahavaratra fa ho avy ny hatsiakan’ny ririnina, ary ahoana no nahazoany ilay fahendrena ahafantarana izay tokony hatao momba izany? Ny Baiboly mihitsy dia manazava fa maro amin’ireo zavatra noforonin’i Jehovah no manana fahendrena voalahatra ao anatin’izy ireo mba tsy hahafaty azy. Nandray izany fitahiana izany avy tamin’ny Mpamorona azy ny vitsika mpamory vokatra. Niresaka ny amin’izany toy izao ny Ohabolana 30:24 (NW ): “Manam-pahendrena voajanahary izy ireo”. Ny filazana fa ny fahendrena toy izany dia mety ho nitranga noho ny kisendrasendra fotsiny dia tsy azon’ny saina ekena; tsy azo alan-tsiny ny tsy fahatsapana ny fisian’ny Mpamorona hendry iray ao ambadik’izany.
11. a) Nahoana ny hazo séquoia goavam-be no mahatalanjona aoka izany? b) Inona no mampitolagaga aoka izany amin’ilay fiota voalohany amin’ny photosynthèse?
11 Ny lehilahy iray eo am-pototry ny hazo séquoia goavam-be iray, mitolagaga noho ny havaventiny mijoalajoala, dia tsy mahagaga raha mahatsiaro tena ho toy ny vitsika kely. Mahatalanjona ny halehiben’ilay hazo: 90 metatra ny haavony, 11 metatra ny savaivony, 0,6 metatra ny hatevin’ny hodiny, misandrahaka any amin’ny 1,2 ka hatramin’ny 1,6 hektara mahery ny fakany. Kanefa, dia mbola mahatalanjona lavitra ireo fiasan-javatra simika sy fizika tafiditra amin’ny fitomboany. Ny raviny dia maka rano avy any amin’ny fakany, maka roanôksida-na karibônina avy amin’ny rivotra, ary angôvo avy amin’ny masoandro mba hanamboarana siramamy sy hamoahana oksizena — izany dia fiasan-javatra iray antsoina hoe photosynthèse izay mahatafiditra fiota (réaction chimique) 70, ka tsy takatry ny saina akory ny sasany amin’ireny. Mahatalanjona fa, ny fiota voalohany dia miankina amin’ny hazavana avy amin’ny masoandro, dia ilay loko ao amin’ny ilana azy indrindra, ilay halavan’onja ao amin’ny ilana azy; raha tsy izany izy io dia tsy horaisin’ny molekiolan’ny famaitso (chlorophylle) mba hanombohana ilay fiasan’ny photosynthèse.
12. a) Inona no miavaka amin’ny fampiasan’ny hazo séquoia rano? b) Nahoana no ilaina amin’ny fitomboan’ny zavamaniry ny nitirôzenina, ary ahoana no ahavitan’izy io ny tsingeriny?
12 Mampitolagaga koa ny fahafahan’io hazo io misintona tsanganan-drano avy any amin’ny fakany mankany amin’ny tampon’io goavana mirefy 90 metatra io. Betsaka lavitra ny rano voasintona noho ny rano ilaina ho an’ny photosynthèse. Izay mihoatra dia mivoaka ho eton-drano eny amin’ny rivotra amin’ny alalan’ny raviny. Izany dia mahatonga ilay hazo hangatsiatsiaka amin’ny alalan’ny rano, toy ny mampangatsiatsiaka antsika rehefa avy tsemboka. Mba hanamboarana proteina ho an’ny fitomboana, dia ilaina ampiana nitirôzenina ny siramamy na hidirata-na karbônina. Tsy afaka mampiasa ny nitirôzenina etona avy amin’ny rivotra ny ravina. Ireo bibikely ao anaty tany anefa, dia afaka manova ilay nitirôzenina etona ao amin’ny tany ho nitirata sy nitirita mety levona anaty rano, izay mandeha avy any amin’ny fakany mankany amin’ny raviny avy eo. Rehefa maty ka lo ny zavamaniry sy biby nampiasa io nitirôzenina io tao amin’ny proteinany, dia mivoaka ilay nitirôzenina ka mamita ny tsingerin’ny nitirôzenina. Ao anatin’izany rehetra izany, ny kojakojany tafiditra dia mampiaiky volana, ka tsy azo inoana fa ho vitan’ny kisendrasendra.
Miteny izy ireo, tsy misy fitenenana na teny na feo!
13. Inona no nambaran’ireo lanitra feno kintana tamin’i Davida, ary inona no koa no mbola lazainy amintsika?
13 Fampisehoana mahatahotra ny amin’ny Mpamorona toy inona moa ny alina iray feno kintana izay mameno fanajana fatratra ireo mpitazana! Nilaza ny tahotra tsapany i Davida ao amin’ny Salamo 8:3, 4: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?” Ho an’izay mana-maso mahita sy sofina mandre ary fo mahatsapa, dia miteny ireny lanitra feno kintana ireny, toy ny nataony tamin’i Davida: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra”. — Salamo 19:1-4.
14. Nahoana ny angôvo miasa amin’ny iray amin’ireo kintana no zava-dehibe aoka izany ho antsika?
14 Arakaraka ny ahafantarantsika zavatra bebe kokoa momba ny kintana, no itenenan’izy ireo mafimafy kokoa amintsika. Ao amin’ny Isaia 40:26, dia asaina isika hanamarika ny angôvo tsy hita pesipesenina ananan’izy ireo: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany [“angôvo miasa”, NW ] sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” Ny hery fanintonana sy ny angôvo miasa amin’ny iray amin’ireny, ny masoandrontsika izany, dia mitana ny tany amin’ny toerana tokony hisy azy eo amin’ny fihodinany manodidina ny masoandro. Mahatonga ny zavamaniry hitombo sy manafana antsika ary mahatonga ny fiainana hety hisy eto an-tany io hery fanintonana sy angôvo miasa io. Hoy ny apostoly Paoly nahazo tsindrimandry: “Ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.” (1 Korintiana 15:41). Fantatry ny siansa ny amin’ireo kintana mavo toy ny masoandrontsika, ireo kintana manga koa, ireo goavana mena (kintana mangatsiaka kokoa ny vohony, saingy lehibe noho ny masoandro ny savaivony), ireo botry fotsy (kintana somary fotsy matroka mitovy habe amin’ny masoandro saingy mafonja be lavitra), ireo kintana netirônina (vaingan-javatra mafonja voaforon’ny netirônina mifatratra, avy amin’ny faharavan’ny kintana iray lehibe lavitra), ary ireo supernovæ (kintana lehibe lavitra noho ny masoandro) mipoaka izay mamoaka hery tsy hay pesipesenina.
15. Inona no nianaran’ny olona mpamoron-javatra maro avy amin’ny zavatra noforonina ka nandramany nalain-tahaka?
15 Misy olona mpamoron-javatra maro nianatra avy amin’ny zavatra noforonina ary nanandrana naka tahaka ny fahaizan’ny zavaboary manana aina. (Joba 12:7-10). Mariho ange ny lafiny misongadina vitsivitsy ny amin’ny zavatra noforonina e. Ireo voron-dranomasina manana fihary (glandes) izay manala ny sira amin’ny ranomasina; ny trondro sy amalona izay mamoaka herin’aratra; ny hazandrano sy kankana ary bibikely izay mamoaka hazavana mangatsiaka (angamenavava); ny ramanavy sy ny dauphins izay mampiasa sonar (fitaovana mamantatra ny fisian’ny zavatra iray amin’ny alalan’ny onjam-peo); ny takolapanenitra izay manamboatra taratasy; ny vitsika izay manorina tetezana; ny castor izay manorina toho-drano; ny bibilava izay manana fitsapan-kafanana anaty; bibikely anaty kamory izay mampiasa tuba (fantsona fiainana anaty rano) sy kitapo misy rivotra mifatratra; ny orita izay mampiasa ranon-javatra mifantsitsitra mba handehanana; ireo hala izay manamboatra tranon-kala karazany fito ary manamboatra sarom-baravarankely, harato, ary tadivavarana, sady manan-janaka mpitaingina balônina, mandeha an’arivony kilaometatra maro any amin’ny faritra avo dia avo; ny hazandrano sy ireo biby iray karazana amin’ny orana izay mampiasa fitoeran-drano mampitsinkafona toy ny sambo mpisitrika; ary ireo vorona sy bibikely ary soka-dranomasina, hazandrano, ary biby mampinono izay mahavita asa mitory herim-po mampitolagaga eo amin’ny fifindran-toerana araka ny tonon-taona — dia fahaizana izay tsy hain’ny siansa hazavaina.
16. Fahamarinana ara-tsiansa inona avy no notanan’ny Baiboly an-tsoratra an’arivony taona maro talohan’ny nahitan’ny siansa izany voalohany?
16 Nitana an-tsoratra fahamarinana ara-tsiansa ny Baiboly, an’arivony taona maro talohan’ny nahafantaran’ny siansa izany. Ny Lalàn’i Mosesy (taonjato faha-16 al.f.i.) dia nampiseho ny amin’ny fahafantarana ireo tsimok’aretina an’arivony taona maro talohan’i Pasteur. (Levitikosy, toko faha-13, 14). Tamin’ny taonjato faha-17 al.f.i., dia nilaza toy izao i Joba: “Manantona ny tany amin’ny tsy misy [Izy].” (Joba 26:7). An’arivony taona maro talohan’i Kristy, dia nanoratra ny amin’ny fikorianan’ny ra i Solomona; voatery niandry hatramin’ny taonjato faha-17 ny siansa momba ny fitsaboana vao nahafantatra ny amin’izany. (Mpitoriteny 12:6). Talohan’izay, ny Salamo 139:16 (NW ) dia nampiseho fahalalana ny amin’ny rafi-pandovan-toetra (code génétique): “Ny masonao nahita ahy na dia fony vao notorontoronina aza aho; ary voasoratra ao amin’ny bokinao avokoa ny fizarazarana aminy rehetra, raha ny amin’ny andro namoronana azy fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza taminy.” Tamin’ny taonjato faha-7 al.f.i., talohan’ny nahatakaran’ireo natioralista ny amin’ny fifindran-toerana araka ny tonon-taona, dia nanoratra toy izao i Jeremia araka izay voarakitra ao amin’ny Jeremia 8:7: “Ny vano eny amin’ny lanitra dia mahalala ny fotoana fifindrany toerana, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary vanobe dia samy mahafantatra ny tonon-taona fiverenana”. — NE.
Ilay “Mpamorona” nofidin’ireo mpino ny fivoarana miandalana
17. a) Inona no lazain’ny Romana 1:21-23 mikasika ireo izay tsy mety mijery ny fisian’ny Mpamorona kinga saina iray ao ambadik’ireo zava-mahatalanjona voaforona? b) Amin’ny lafiny sasany, inona no fidin’ireo mpino ny fivoarana miandalana ho “mpamorona” azy?
17 Hoy ny andinin-teny iray mikasika ireo izay mandà ny hahatsapa ny fisian’ny Mpamorona kinga saina iray ao ambadik’ireo zava-mahatalanjona voaforona: “Tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.” “Ny fahamarinan’Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao”. (Romana 1:21-23, 25). Izany dia mitovy amin’ireo mpahay siansa mino ny fivoarana miandalana izay, raha ny tena marina, dia manome voninahitra, ho toy ny “mpamorona” azy, tetirazana iray manao tohy vakana, noforonin’ny saina. Izany tetirazana manao tohy vakana izany dia: zavamananaina tokan-tsela–kankana–hazandrano–biby iray karazana amin’ny sahona–biby mandady na mikisaka–biby mampinono–“olona rajako”. Fantatr’izy ireo anefa, fa tsy misy zavamananaina tsotra iray tena tokan-tsela tokoa mba hanombohana ilay tohy vakana. Ny zavamananaina tsotra indrindra fantatra dia mirakitra ataoma iray hetsy tapitrisa misy fiota (réaction chimique) an’arivony maro miara-mitranga ao anatiny.
18, 19. a) Iza Ilay tokony holazaina ara-drariny fa niavian’ny fiainana? b) Firy amin’ireo zavatra noforonin’i Jehovah no hitantsika?
18 I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona ny fiainana. (Salamo 36:9). Izy no ilay Antony Voalohany lehibe. Ny anarany hoe Jehovah dia midika hoe “Mahatonga Izy”. Tsy haintsika isaina ny zavatra noforoniny. Azo antoka fa an-tapitrisany maro lavitra noho izay fantatry ny olombelona izany. Milaza an-kolaka ny amin’izany toy izao ny Salamo 104:24, 25: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra”. Mazava tsara ny Joba 26:14 mikasika izany: “Indro, ireny dia vao sisintsisin’ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?” Mahita sisintsisiny vitsivitsy isika, mandre siosiony vitsivitsy, saingy ny fahatakarana ny tena halehiben’ny kotroka maheriny dia tsy ho azo atao amin’ny fomba feno.
19 Manana loharano tsara kokoa anefa isika, mba hahitana azy noho ny amin’ny alalan’ny zavatra noforoniny. Ny Baiboly, ny Teniny, io loharano tsara kokoa io. Hitodika any amin’io loharano io isika izao ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no nianaran’i Joba rehefa niteny taminy tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah?
◻ Nahoana i Paoly no nilaza fa tsy azo alan-tsiny ny olona sasany?
◻ Ahoana no fiasan’ny tsingerin’ny rano?
◻ Zava-dehibe inona avy no ataon’ny hazavan’ny masoandro ho antsika?
◻ Fahamarinana ara-tsiansa inona avy no nahariharin’ny Baiboly talohan’ny nahitan’ny siansa izany voalohany?