Ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe sy ny Asany
“[Aoka ianao] ho fanaka homem-boninahitra (...), voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 TIMOTY 2:21.
1, 2. a) Amin’ny ahoana no asa niavaka ny namoronan’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy? b) Inona no nokendren’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe tamin’ny namoronany an’i Adama sy i Eva?
I JEHOVAH no Mpanefy Tanimanga Lehibe. I Adama, raintsika voalohany, no sangan’asa iray tamin’ny zavatra noforoniny. Milaza amintsika toy izao ny Baiboly: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy”, izany hoe “tonga manan’aina”. (Genesisy 2:7, fanamarihana ambany pejy). Lavorary io zavaboary olombelona voalohany io, natao araka ny tena endrik’Andriamanitra, ary porofon’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fitiavany ny tena fahitsiana sy fahamarinana.
2 Nampiasa zavatra avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama Andriamanitra, ka namolavola fameno sy mpanampy ho an’ny lehilahy. Tsy iza izany fa ny vehivavy. Tsy nisy tsininy na dia kely akory aza ny hatsaran-tarehin’i Eva, izay nihoatra lavitra noho ny an’ny vehivavy rehetra amin’izao andro izao, eny fa na dia izay bikàna indrindra aminy aza. (Genesisy 2:21-23). Ankoatra izany, ilay mpivady olombelona voalohany dia nomena vatana sy fahaizana izay natao tonga lafatra mba hanatanteraka ilay tetik’asa nampanaovina azy ireo, dia ny fikarakarana ity tany ity mba ho tonga paradisa. Nomena azy ireo koa ny fahafahana hanatanteraka ilay baikon’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Genesisy 1:28, manao hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” Amin’ny farany, dia ho feno olona falifaly an’arivony tapitrisa maro izany zaridaina maneran-tany izany, ka ilay karazam-pitiavana izay “fehy fampiraisana tonga lafatra” no hampifamatotra azy ireo. — Kolosiana 3:14, NW.
3. Ahoana no nahatonga an’ireo ray aman-drenintsika voalohany ho fanaka hatao tsinontsinona, ary inona no vokany?
3 Nampalahelo fa ninia nifidy ny hikomy ireo ray aman-drenintsika voalohany, ka nanohitra ny fahefan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe, dia ilay Mpamorona azy ireo sady Tompom-piandrianana teo amin’izy ireo. Nanjary nanaraka izao lalana voalazalazan’ny Isaia 29:15, 16 izao, izy mivady: “Lozan’izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’i Jehovah, sady ao amin’ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika? (...) Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?” Nitondra loza ny faniasiavan’izy ireo, satria nomelohina ho faty mandrakizay izy ireo. Ankoatra izany, dia nandova ota sy fahafatesana ny taranak’olombelona manontolo izay nipoitra avy tamin’izy mivady. (Romana 5:12, 18). Nanjary simba be ny hakanton’ny zavatra noforonin’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe.
4. Afaka miasa ho amin’ny zava-kendrena be voninahitra inona isika?
4 Na dia amin’izao tsy fahalavorariantsika izao aza anefa, dia afaka midera an’i Jehovah amin’ireto tenin’ny Salamo 139:14 ireto isika taranak’i Adama mpanota: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” Indrisy anefa fa simba be tokoa ny asa tanana tany am-boalohany nataon’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe!
Nanitatra ny asany ilay Mpanefy Tanimanga
5. Ahoana no hampiasan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe ny fahaizany?
5 Soa ihany fa ho lasa lavitra dia lavitra ny fampiasan’ny Mpamorona antsika ny fahaizany amin’ny maha Mpanefy Tanimanga azy, fa tsy hatreo amin’ny famolavolana ny olombelona voalohany noforoniny fotsiny. Milaza amintsika toy izao ny apostoly Paoly: “Tsia, ralehilahy, fa iza moa hianao, no mamaly an’Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’Izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?” — Romana 9:20, 21.
6, 7. a) Amin’ny ahoana ny olona maro amin’izao andro izao no mifidy ny hovolavolaina mba hatao tsinontsinona? b) Ahoana no amolavolana ny marina mba hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja?
6 Eny, ny sasany amin’ny asan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe dia hovolavolaina mba hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja, ary ny sasany kosa hatao tsinontsinona. Mihalalina kokoa hatrany ny filentehan’izao tontolo izao ao anatin’ny honahonan’ny tsy fitiavana an’Andriamanitra, ka ireo izay mifidy ny hiara-dalana aminy amin’izany dia voavolavola amin’ny fomba iray izay hanamarika azy ireo ho amin’ny fandringanana. Rehefa ho avy hampihatra didim-pitsarana i Kristy Jesosy, Mpanjaka be voninahitra, dia ho anisan’izany zavatra hatao tsinontsinona izany ny olona rehetra be di-doha toy ny osy, izay ho any amin’ny “famongorana mandrakizay”, araka ny voalazan’ny Matio 25:46 (NW ). Handova “fiainana mandrakizay” kosa anefa ireo “marina” toy ny ondry, izay voavolavola mba hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena ‘mendri-kaja’.
7 Ho efa nanaiky tamim-panetren-tena ny hovolavolain’Andriamanitra ireny “marina” ireny. Nirotsaka hanaraka ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra izy ireny. Narahin’izy ireo ilay torohevitra ao amin’ny 1 Timoty 6:17-19, izay milaza aminy mba ‘tsy hatoky ny harena miovaova, fa hatoky kosa an’Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika’. Nikely aina izy ireo “mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana”. Volavolain’ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo ka maneho finoana tsy azo hozongozonina amin’ny fandaharana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, izay “nanolotra ny tenany ho avotra” mba hamerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra nafoy noho ny fahotan’i Adama. (1 Timoty 2:6). Toy inona àry no tokony ho fahavononantsika hankato ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Mitafia ilay toetra vaovao izay nohavaozina [novolavolaina], tamin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina, araka ny endrik’Ilay nahary azy”! — Kolosiana 3:10, NW.
Ho karazana fanaka hanao ahoana ianao?
8. a) Inona no mamaritra ny hoe ho karazana fanaka hanao ahoana ny olona iray? b) Inona avy ireo lafin-javatra roa manan-kery eo amin’ny famolavolana ny olona iray?
8 Inona no mamaritra ny hoe ho karazana fanaka hanao ahoana ny olona iray? Ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany. Ny voalohany mamolavola ireo, dia ny faniriana sy ny fironan’ny fo. Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany; fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.” (Ohabolana 16:9). Ny faharoa mamolavola azy ireo koa, dia ny zavatra hita sy re, ny namana, sy ny zavatra iainana. Zava-dehibe tokoa, noho izany, ny hanarahantsika izao torohevitra izao: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Araka ny fampitandremana omen’ny 2 Petera 1:16 antsika, dia tsy maintsy halavirintsika ny fanarahana “anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina”, na “angano noforonin’olombelona”, araka ny dikan-teny katolika romanina nataon’i Knox. Anisan’izany ny maro amin’ireo fampianarana sy fety ao amin’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina nivadi-pinoana.
9. Ahoana no ahafahantsika maneho fihetsika tsara manoloana ny famolavolan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe?
9 Arakaraka ny fihetsika asehontsika àry no ahafahan’Andriamanitra mamolavola antsika. Azontsika averina amim-panetren-tena eo anatrehan’i Jehovah izao vavak’i Davida izao: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” (Salamo 139:23, 24). Ataon’i Jehovah izay hahatonga ny hafatra momba ilay Fanjakana ho voatory. Nandray tamim-pankasitrahana ny vaovao tsara sy ny fitarihana fanampiny nomen’i Jehovah, ny fontsika. Amin’ny alalan’ny fandaminany, dia manome antsika tombontsoa maro samihafa mifandray amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy; aoka isika hihazona mafy azy ireny, ka hankamamy azy ireny. — Filipiana 1:9-11.
10. Ahoana no tokony hikelezantsika aina eo amin’ny fanarahana fandaharana ara-panahy?
10 Tena zava-dehibe ny hihainoantsika tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fanarahantsika fandaharam-pamakiana Baiboly isan’andro, sy amin’ny fanaovantsika ny Soratra Masina sy ny fanompoana an’i Jehovah ho foto-dresatsika eo anivon’ny mpianakavintsika sy ireo namantsika. Samy manao fandaharam-panompoam-pivavahana maraina amin’ny fotoam-pisakafoana ny fianakavian’ny Betela sy ireo misionera miara-mipetraka, anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tafiditra ao amin’ilay fandaharana mazàna ny famakiana fohy ny Baiboly na ny Diary voaray farany, ka ampifandimbiasina isan-kerinandro ny famakiana azy ireo. Afaka manao fandaharana mitovy amin’izany ve ny fianakavianao? Toy inona koa moa ny soa raisintsika rehetra amin’ny alalan’ny fifaneraserantsika eo anivon’ny kôngregasiôna kristianina, any amin’ireo fiaraha-mivory ataontsika, ary indrindra amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro!
Voavolavola mba hiatrika fisedrana
11, 12. a) Ahoana no azontsika ampiharana ny torohevitr’i Jakoba, mahakasika ireo fisedrana eo amin’ny fiainantsika andavanandro? b) Amin’ny ahoana ny zavatra niainan’i Joba no mampirisika antsika hihazona tsy fivadihana?
11 Misy toe-javatra sasany avelan’Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ary mety ho sarotra amintsika ny sasany amin’izy ireny. Ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? Araka ny torohevitra omen’ny Jakoba 4:8, dia aoka tsy ho sosotra na oviana na oviana isika, fa aoka kosa hanatona an’Andriamanitra, ka hitoky aminy amin’ny fontsika rehetra, ary hatoky fa rehefa ‘manatona azy isika, dia hanatona antsika izy’. Marina fa ho voatery hiaritra zava-tsarotra sy fitsapana isika, nefa matoa avela hisy izy ireny, dia satria mandray anjara amin’ny famolavolana antsika, ary hahafaly ny vokany. Manome toky antsika toy izao ny Jakoba 1:2, 3 (NW ): “Hevero ho fifaliana avokoa, ry rahalahiko, raha tojo fisedrana isan-karazany ianareo, noho ny fahafantarana fa izany hatsaran’ny finoanareo voazaha toetra izany dia mitondra fiaretana.”
12 Nilaza toy izao koa i Jakoba: “[Rehefa ao anatin’ny fisedrana, dia aoka tsy hisy hanao hoe: ‘Sedrain’Andriamanitra aho.’ Fa Andriamanitra tsy azo sedraina amin’ny zavatra ratsy ary tsy misedra na iza na iza ny tenany, NW ]; fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.” (Jakoba 1:13, 14). Mety ho maro sy isan-karazany ny fisedrana mahazo antsika, kanefa toy izay nitranga tamin’i Joba, dia mandray anjara amin’ny famolavolana antsika avokoa izy ireny. Fanomezan-toky lehibe no omen’ny Soratra Masina antsika ao amin’ny Jakoba 5:11, manao hoe: “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” Toy ny vilany tany eny an-tanan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe, dia enga anie isika hihazona tsy fivadihana amin’ny fotoana rehetra, ka hatoky sahala amin’i Joba ny amin’izay ho vokatr’izany! — Joba 2:3, 9, 10; 27:5; 31:1-6; 42:12-15.
Famolavolana ireo tanorantsika
13, 14. a) Rahoviana ny ray aman-dreny no tokony hanomboka hamolavola ny zanany, ary inona no vokatra farany andrandrain’izy ireo? b) Vokatra mahafaly inona avy no azonao lazaina?
13 Ireo ray aman-dreny dia afaka mandray anjara amin’ny famolavolana ny zanany madinika, raha vao zazakely izy ireny. Afaka ny ho tonga mpihazona tsy fivadihana miavaka tokoa ireny tanorantsika ireny! (2 Timoty 3:14, 15). Marina izany na dia rehefa faran’izay mafy aza ny fitsapana. Taona vitsivitsy lasa izay, rehefa tena nahery vaika ny fanenjehana tao amin’ny tany afrikanina iray, ny fianakaviana mendri-pitokisana iray dia nikarakara ny fanontana tamim-piafenana Ny Tilikambo Fiambenana, tao amin’ny trano bongo iray tao andamosin’ny tranony. Indray andro, dia nisy miaramila nidina an-dalam-be, ka nikaroka isan-trano ny tovolahy mba hanao miaramila. Mbola nanam-potoana hiafenana ireo tovolahy roa anisan’io fianakaviana io. Raha nanao izany anefa izy mirahalahy, dia ho nikaroka azy ny miaramila ka azo antoka fa ho tratra ilay milina fanontam-pirinty. Mety hitarika ho amin’ny fampijaliana na angamba ny famonoana ho faty an’ilay fianakaviana manontolo izany. Inona no azo natao? Tsy nisalasala nilaza ny heviny izy mirahalahy, ka nanonona tamin-kasahiana ny Jaona 15:13, manao hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” Tsy laitra natao inona izy mirahalahy fa nisisika hijanona tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Hahita azy mirahalahy ireo miaramila ary tsy isalasalana fa hampijalijaly azy amim-kabibiana, na hamono azy ho faty mihitsy aza, rehefa mandà tsy hanao miaramila izy mirahalahy. Amin’izay kosa anefa dia tsy hanao fikarohana intsony ireo miaramila, ka ho voatsimbina ilay milina fanontam-pirinty sy ny mpianakavy hafa. Hafa kely anefa ny fiafaran’io fisehoan-javatra io. Nodinganin’ireo miaramila, raha ny marina, io trano iray io, fa tonga dia nankany amin’ny trano hafa izy ireo! Tafita soa aman-tsara, niaraka tamin’ilay milina fanontam-pirinty, ireo fanaka olombelona nampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja ireo, mba hanohy hamoaka sakafo ara-panahy ara-potoana. Manompo ao amin’ny Betela izao ny iray amin’izy mirahalahy sy ny zokiny vavy iray; mbola ilay milina tranainy iny ihany no ampiasain’ilay rahalahy.
14 Azo ampianarina hivavaka ireo ankizy, ary valian’Andriamanitra ny vavaka ataon’izy ireny. Ohatra iray niavaka manamarina izany izay nitranga nandritra ilay fifandripahana tatsy Rwanda. Rehefa nasain’ireo mpioko hiomana ho amin’ny famonoana azy ho faty tamin’ny grenady, ny zazavavy kely enin-taona sy ny ray aman-dreniny, dia nivavaka tamin’ny feo avo sy tamin-kafanam-po ilay zazavavy kely, mba hitsimbinana azy mianakavy kely, ka hahafahan’izy ireo hanompo an’i Jehovah bebe kokoa. Voatosika hitsimbina ny ain’izy mianakavy kely tokoa ireo saika hamono azy, ka nilaza hoe: “Tsy afaka mamono anareo izahay noho io zazavavy kely io.” — 1 Petera 3:12.
15. Fitaomana manimba inona avy no nanomezan’i Paoly fampitandremana?
15 Tsy voatery hiatrika tarehin-javatra sarotra sahala amin’izay voalaza etsy ambony ny ankamaroan’ny tanorantsika. Maro anefa ny fitsapana atrehin’izy ireny any an-tsekoly sy eo anivon’ny fitambaran’olona ratsy fitondran-tena ankehitriny. Mahazo vahana any amin’ny toerana maro tokoa mantsy ny teny ratsy, ny sary vetaveta, ny fialam-boly mampietry, sy ny fanerena hanao ratsy avy amin’ireo mitovy taona amin’ny tena. Imbetsaka ny apostoly Paoly no nampitandrina ny amin’ireny fitaomana ireny. — 1 Korintiana 5:6; 15:33, 34; Efesiana 5:3-7.
16. Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho tonga fanaka hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja?
16 Rehefa avy nilaza i Paoly fa tahirizina mba ‘homem-boninahitra ny fanaka sasany, fa ny sasany kosa halam-baraka’, dia hoy izy: “Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.” Koa aoka àry isika hampirisika ireo tanorantsika mba hitandrina ny amin’izay ifaneraserany. Aoka izy ireo ‘handositra ny filan’ny tanora fanahy; ary hiezaka hitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio’. (2 Timoty 2:20-22). Ny fanaovana fandaharana mba ‘hifampaherezan’ny’ mpianakavy dia tena sarobidy tokoa eo amin’ny famolavolana ireo tanorantsika. (1 Tesaloniana 5:11; Ohabolana 22:6). Mety ho fanampiana tsara dia tsara ny famakiana Baiboly isan’andro sy ny fianarana azy io, amin’ny fampiasana zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, mifanentana amin’izay ilaina.
Famolavolana ny rehetra
17. Amin’ny ahoana no mamolavola antsika ny famaizana, ary inona no vokany mahafaly?
17 Mba hamolavolana antsika, dia omen’i Jehovah torohevitra avy ao amin’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny fandaminany isika. Aza toherina mihitsy izany torohevitr’Andriamanitra izany! Raiso tsara amim-pahendrena izany, ary avelao hamolavola anao mba hampiasan’i Jehovah anao ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja. Manoro hevitra toy izao ny Ohabolana 3:11, 12: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany; fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” Mbola misy torohevitra fanampiny fanolotry ny ray, omena ao amin’ny Hebreo 12:6-11, manao hoe: “Izay tian’i Jehovah no faizany (...). Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” Tsy maintsy ho ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra no fitaovana lehibe indrindra fampitana izany famaizana izany. — 2 Timoty 3:16, 17.
18. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Lioka toko faha-15, mahakasika ny fibebahana?
18 Mamindra fo koa i Jehovah. (Eksodosy 34:6). Mamela heloka izy rehefa misy fibebahana amim-pahatsorana aseho, eny fa na dia noho fahotana faran’izay lehibe aza. Na dia ny ‘zanaka adala’ amin’ny andro ankehitriny aza dia azo volavolaina ho tonga fanaka hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja. (Lioka 15:22-24, 32). Mety tsy ho tena lehibe tahaka ny an’ilay zanaka adala ny fahotantsika, nefa ny fanetren-tena asehontsika manoloana ny torohevitra araka ny Soratra Masina, dia hitarika foana ho amin’ny famolavolana antsika mba ho tonga fanaka hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja.
19. Ahoana no ahafahantsika mitoetra hatrany ho fanaka mendri-kaja eo an-tanan’i Jehovah?
19 Fony isika nianatra voalohany ny fahamarinana, dia nasehontsika fa vonona ny hamela an’i Jehovah hamolavola antsika isika. Niala tamin’ny fomban’izao tontolo izao isika, nanomboka nitafy ny toetra vaovao, ka tonga Kristianina vita fanoloran-tena sy batisa. Nankato ilay torohevitra ao amin’ny Efesiana 4:20-24 isika, ka ‘niala tamin’ny toetra taloha araka ny fitondran-tenantsika fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; ary nitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. Enga anie isika isam-batan’olona mba hanohy hanaiky hovolavolain’ny tanan’i Jehovah, ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe, ka ho fanaka hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja mandrakariva!
Ho Famerenana
◻ Inona no fikasan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe momba ny tanintsika?
◻ Ahoana no ahafahana mamolavola anao mba hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azo amolavolana ny zanatsika?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ny famaizana?
[Sary, pejy 10]
Ho voavolavola hampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja ve ianao sa holavina?
[Sary, pejy 12]
Azo volavolaina hatry ny fony vao zazakely ny ankizy