Andraso An-tsitrapo ny Andian’ondrin’Andriamanitra
“Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiahianareo, tsy an-tery, fa an-tsitrapo”. — 1 PETERA 5:2, NW.
1. Nahoana isika no tokony hanampo ny ‘hiandrasan’ireo loholona kristiana ny andian’ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo’?
MIANDRY ny vahoakany an-tsitrapo i Jehovah. (Salamo 23:1-4). I Jesosy Kristy, ilay “Mpiandry Tsara”, dia nanome an-tsitrapo ny ain’olombelona tanteraka nananany ho an’ireo olona oharina amin’ny ondry. (Jaona 10:11-15). Noho izany, ny apostoly Petera dia nampirisika ireo loholona kristiana mba ‘hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo’. — 1 Petera 5:2, NW.
2. Fanontaniana inona avy no mendrika ny hodinihina momba ireo asa fiandrasana ataon’ireo loholona kristiana?
2 Ny fanaovan-javatra an-tsitrapo dia marika mampiavaka ireo mpanompon’Andriamanitra. (Salamo 110:3, NW ). Kanefa mihoatra noho ny fanaovan’ny lehilahy kristiana iray zavatra an-tsitrapo no takina aminy mba hanendrena azy ho mpiandraikitra, na mpiandry lefitra. Iza avy no mahafeno fepetra mba ho mpiandry toy izany? Inona no ataony amin’izany fiandrasana izany? Ahoana no anatanterahana izany amin’ny fomba tsara indrindra?
Fanapahana ny ankohonana iray
3. Nahoana no azo lazaina fa ny fomba ikarakaran’ny lehilahy kristiana iray ny fianakaviany dia misy fiantraikany eo amin’ny ho fanendrena azy ho mpiandry ao amin’ny kongregasiona na tsia?
3 Alohan’ny hahafahana hanendry lehilahy iray ho amin’ny “toeran’ny mpiandraikitra”, dia tsy maintsy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina izy. (1 Timoty 3:1-7, NW; Titosy 1:5-9). Voalohany aloha, ny apostoly Paoly dia nilaza fa ny mpiandraikitra iray dia tokony ho “lehilahy manapaka ankohonan’ny tenany manokana amin’ny fomba tsara dia tsara, ka manan-janaka manaiky amin’ny fahamaotonana rehetra”. Misy antony tsara ho amin’izany, satria hoy i Paoly: “Raha misy lehilahy tsy mahay manapaka ny ankohonan’ny tenany, ahoana no hikarakarany ny kongregasionan’Andriamanitra?” (1 Timoty 3:4, 5, NW ). Rehefa nanendry loholona tao amin’ireo kongregasiona teo amin’ny nosin’i Kreta i Titosy, dia nilazana mba hitady “lehilahy tsy manana antony hiampangana azy, manambady tokana, manan-janaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra”. (Titosy 1:6, NW ). Eny, tsy maintsy heverina ny fomba ikarakaran’ny lehilahy kristiana iray ny fianakaviany mba hamantarana raha mahafeno fepetra mba hiantsoroka ilay andraikitra mavesatra kokoa ny amin’ny fiandrasana ny kongregasiona izy.
4. Ankoatra ny fanaovana fianarana Baiboly sy vavaka tsy tapaka, ahoana no anehoan’ny ray aman-dreny kristiana fitiavana ny fianakaviany?
4 Ireo lehilahy manapaka ny ankohonany amin’ny fomba tsara dia tsara dia manao mihoatra noho ny mivavaka sy mianatra ny Baiboly miaraka amin’ny fianakaviany tsy tapaka. Vonona foana izy ireo ny hanampy ireo olon-tiany. Ho an’ireo izay ho ray aman-dreny, izany dia manomboka amin’ny andro ahaterahan’ny zanaka voalohany. Ireo ray aman-dreny kristiana dia mahalala fa arakaraka ny anarahany akaiky kokoa fahazarana araka an’Andriamanitra no hahafaingana kokoa ny hidiran’ireo zanany kely ao amin’ny fandaharany momba ny asa kristiana eo amin’ny fiainana andavanandro. Ny fahaizan’ny raim-pianakaviana kristiana iray manapaka ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia manome taratry ny fahafenoany fepetra ho loholona. — Efesiana 5:15, 16; Filipiana 3:16, NW.
5. Ahoana no ahafahan’ny raim-pianakaviana kristiana iray mitaiza ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”?
5 Rehefa manapaka ny ankohonany ny raim-pianakaviana kristiana malina tsara iray, dia manaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Ny fiarahany mianatra ny Baiboly tsy tapaka amin’ny fianakaviany, dia ny vadiny sy ny zanany, dia manolotra fahafahana tsara dia tsara hanomezana toromarika feno fitiavana. Amin’izany ireo ankizy dia mahazo “lalàm-pifehezana”, na toromarika misy fanitsiana. Ny “fanabeazana ara-tsaina” izay mitranga mandritra izany fotoana izany dia manampy ny ankizy tsirairay hahafantatra ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra. (Deoteronomia 4:9; 6:6, 7; Ohabolana 3:11; 22:6). Ao anatin’ny rivo-piainana tsy voafehifehy amin’io fiarahana ara-panahy io, ilay raim-pianakaviana feno fiahiana dia mihaino amim-pitandremana rehefa miteny ny zanany. Fanontaniana miandalana mitarika ho amin’ny valin-teny ka atao amin-katsaram-panahy no ampiasaina mba hanaovana izay hitenenany amim-pahamarinana momba ireo zavatra mampanahy azy sy ireo fihetseham-pony. Tsy mihevitra ilay raim-pianakaviana fa mahafantatra izay rehetra ao amin’ireo saina tanora ireo. Eny tokoa, “izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany”, hoy ny Ohabolana 18:13. Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny dia mahita fa hafa dia hafa noho ny tarehin-javatra hitan’ny tenany fony izy tanora ny tarehin-javatra hitan’ny zanany. Noho izany, ny raim-pianakaviana iray dia hiezaka mba hahalala ny antony sy ny tsipirian’ny zava-manahirana iray, alohan’ny hilazany ny fomba tokony handaminana azy. — Ampitahao amin’ny Jakoba 1:19.
6. Nahoana ny raim-pianakaviana kristiana iray no mijery ao amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa manampy ny fianakaviany?
6 Inona no mitranga rehefa fantatra ireo zava-manahirana sy ireo zavatra mampitebiteby ary ireo fomba fihevitry ny zanaky ny tena? Ny raim-pianakaviana manapaka amin’ny fomba tsara dia tsara dia mijery ao amin’ny Soratra Masina, izay “mahasoa (...) ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. Mampianatra ny zanany ny fomba fampiharana ireo torolalan’ny Baiboly azo tamin’ny tsindrimandry, izy. Amin’izany fomba izany, ireo ankizy mbola tanora ireo dia manjary “tanteraka (...) vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”. — 2 Timoty 3:16, 17; Salamo 78:1-4.
7. Ohatra inona no tokony homen’ireo raim-pianakaviana kristiana raha ny amin’ny vavaka?
7 Ireo tanora araka an’Andriamanitra dia tojo zava-tsarotra mifandray amin’ireo mpiara-mianatra aminy eo amin’izao tontolo izao. Ahoana àry no ahafahan’ireo raim-pianakaviana kristiana mampitony ireo tahotry ny zanany? Ny fomba iray dia ny fivavahana tsy tapaka miaraka aminy sy ho azy. Rehefa tojo tarehin-javatra feno fisedrana ireo tanora ireo, dia azo inoana fa hanahaka ny fianteheran’ny ray aman-dreniny amin’Andriamanitra. Ny ankizivavy iray 13 taona, rehefa nadinadinina talohan’ny hanaovana batisa azy ho mariky ny fanolorany tena ho an’Andriamanitra, dia nilaza fa niharan’ny fanesoana sy ny teny ratsin’ireo mpiara-mianatra taminy izy. Rehefa niaro ny finoany miorina amin’ny Baiboly momba ny fahamasinan’ny ra izy, dia namono azy ireo ankizivavy hafa ary nandrora azy. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Namaly ratsy ny ratsy ve izy? Tsia. “Tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy hitoetra ho tony”, hoy izy nanazava. “Tsaroako koa ny nampianarin’ny ray aman-dreniko ahy tamin’ny fianaram-pianakavianay momba ny ilana ny hahatanan-tena ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy.” — 2 Timoty 2:24.
8. Ahoana no ahafahan’ny loholona iray tsy manan-janaka manapaka ny ankohonany amin’ny fomba tsara dia tsara?
8 Azon’ny loholona iray tsy manan-janaka atao koa ny manao fandaharana ara-panahy sy ara-nofo ampy ho an’ireo anisan’ny ankohonany. Tafiditra amin’izany ny vadiny sy izay havana kristiana miankina aminy ka mipetraka ao an-tranony. (1 Timoty 5:8). Ny fanapahana amin’ny fomba tsara dia tsara toy izany àry dia iray amin’ireo fepetra tsy maintsy fenoin’ny lehilahy iray tendrena mba hiantsoroka andraikitra amin’ny maha-loholon’ny kongregasiona. Ahoana àry no tokony hiheveran’ny loholona voatendry ireo andraikiny sady tombontsoany ao amin’ny kongregasiona?
Manapaha “amin’ny fo rehetra”
9. Fihetsika inona no tokony hananan’ireo loholona kristiana eo anoloan’ireo asa anendrena azy hataony?
9 Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, ny apostoly Paoly dia mpitantana tao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny kongregasiona kristiana izay nanana an’i Kristy ho lohany. (Efesiana 3:2, 7; 4:15). I Paoly kosa, tetsy an-daniny, dia nampirisika ireo mpiray finoana taminy tany Roma toy izao: “Satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana amin’ny fiangonana, dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ny fampianarana; raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny [fo rehetra, NW ]; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ny fifaliana.” — Romana 12:6-8.
10. Tamin’ny fikarakarana ny andian’ondrin’Andriamanitra, ohatra inona moa no nomen’i Paoly ho an’ireo loholona amin’izao andro izao?
10 Nampahatsiahy toy izao an’ireo Tesaloniana i Paoly: “Tahaka ny ray amin’ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.” (1 Tesaloniana 1:1; 2:11, 12). Nomena tamim-panehoam-pitiavana aoka izany ilay fampirisihana, hany ka afaka nanoratra toy izao i Paoly: “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tesaloniana 2:7, 8). Ho fanarahana ny ohatr’i Paoly niseho ho toy ny ray, ireo loholona mahatoky dia manana fiahiana lalina ny rehetra ao amin’ny kongregasiona.
11. Ahoana no ahafahan’ireo loholona voatendry maneho fahazotoana?
11 Ny fanehoam-pitiavana, miaraka amin’ny fahazotoana, dia tsy maintsy mampiavaka ny fiandraiketana feno fitiavana ampiharin’ireo mpiandry kristiana mahatokintsika. Mampita zavatra be dia be ny fombafomban’izy ireo. Manoro hevitra an’ireo loholona i Petera mba hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra “tsy an-tery” na “tsy noho ny fitiavana tombony tsy marina”. (1 Petera 5:2, NW ). Momba io hevitra io, ilay manam-pahaizana atao hoe William Barclay dia nanao fanamarihana nisy fampitandremana ka nanoratra hoe: “Misy fomba anekena toerana iray sy anaovana fanompoana toy ny hoe adidy tsy mahafinaritra sy mahasosotra ilay izy, toy ny hoe manasatra ilay izy, toy ny hoe enta-mavesatra tsy mahafaly. Tena mety hitranga mihitsy ny hoe lehilahy iray angatahina hanao zavatra iray, ary tena mety hanao azy io izy, kanefa amim-pahasorisorena aoka izany, ka ilay raharaha manontolo no simba. (...) Kanefa [i Petera] dia milaza fa ny Kristiana rehetra dia tokony hazoto amim-pangovitana hanao izany fanompoana izany araka ny fahafahany, na dia tsapany tsara aza fa tsy mendrika ny hanao azy io ny tenany.”
Mpiandry manao zavatra an-tsitrapo
12. Ahoana no ahafahan’ireo loholona kristiana mampiseho fa manao zavatra an-tsitrapo izy ireo?
12 “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiahianareo (...) an-tsitrapo”, hoy koa ny fampirisihan’i Petera. Ny mpiandraikitra kristiana iray izay miahy ny amin’ireo ondry dia manao izany an-tsitrapo, amin’ny nahim-pony, eo ambany fitarihan’ilay Mpiandry Tsara, dia i Jesosy Kristy. Ny hoe manompo an-tsitrapo dia midika koa fa ny mpiandry kristiana iray dia manaiky ny fahefan’i Jehovah, ilay ‘Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahintsika’. (1 Petera 2:25). Ny mpiandry lefitra kristiana iray dia maneho fanajana ny fandaharana teokratika an-tsitrapo. Manao izany izy rehefa mitarika ireo izay mitady torohevitra ho any amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Na dia hanampy ny loholona iray hamory torohevitra miorina amin’ny Baiboly be dia be aza ny fanandraman-javatra hitany, izany akory tsy midika fa avy hatrany izy dia hanana ny ala olana araka ny Soratra Masina ho an’ny zava-manahirana rehetra. Na dia fantany aza ny valin’ny fanontaniana iray, dia mety ho hitany fa ho fanehoana fahendrena ny hijerena ny Index des Publications de la Société Watch Tower, na indeksa hafa, miaraka amin’ilay nanao fanontaniana. Manome fampianarana roa sosona izy amin’ny fanaovana izany: Asehony ny fomba hahitana fanazavana mahasoa, ary maneho fanajana an’i Jehovah amim-panetren-tena izy amin’ny fitarihana ny saina ho amin’izay navoakan’ny fandaminan’Andriamanitra.
13. Dingana inona avy no azon’ireo loholona atao mba hahafahany hanome torohevitra tsara?
13 Inona no azon’ny loholona iray atao raha tsy misy na inona na inona ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana momba ny zava-manahirana manokana iray? Tsy isalasalana fa hivavaka izy mba hahazoana fahatakaran-javatra ary hikaroka ireo fotopoto-pitsipika ara-baiboly mihatra amin’ilay foto-kevitra. Mety ho hitany koa fa mahasoa ny fanoroana hevitra an’ilay olona mitady fanampiana mba handinika ny ohatr’i Jesosy. Mety ho azon’ilay loholona atao ny hanontany hoe: “Raha teo amin’ny toerana misy anao i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, inona no heverinao fa ho nataony?” (1 Korintiana 2:16). Ny fanjohiana hevitra toy izany dia mety hanampy ny olona iray manao fanontaniana mba hanao fanapahan-kevitra maneho fahendrena. Tsy ho fanehoam-pahendrena lehibe anefa ny hanoloran’ny loholona iray fomba fihevitry ny tenany manokana fotsiny toy ny hoe torohevitra tsara araka ny Soratra Masina ilay izy! Ireo loholona kosa dia afaka mifampiresaka momba ireo zava-manahirana sarotra. Azon’izy ireo atao mihitsy aza ny mandinika raharaha lehibe mandritra ny fivoriana iray ataon’ny fitambaran-doholona. (Ohabolana 11:14). Ireo fanapahan-kevitra azo avy amin’izany dia hanampy azy rehetra mba hiray teny. — 1 Korintiana 1:10.
Tena ilaina ny fahalemem-panahy
14, 15. Inona no takina amin’ireo loholona rehefa manarina Kristiana iray ‘nanao fahadisoana alohan’ny hahatsapany izany’ izy ireo?
14 Ny loholona kristiana iray dia mila ny maneho fahalemem-panahy rehefa mampianatra ny hafa, indrindra fa rehefa manome torohevitra azy ireo. “Ry rahalahy”, hoy ny torohevitr’i Paoly, “na dia manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany izany aza ny olona iray, dia iezahonareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina arenina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izany olona izany”. (Galatiana 6:1, NW ). Mahaliana fa ilay teny grika nadika hoe ‘manarina’ dia mifandray amin’ny voambolana iray ampiasaina amin’ny fandidiana ilazana ny famerenana taolana iray amin’ny toerany mba hisakanana kilema maharitra iray. Ilay mpanao rakibolana atao hoe W. E. Vine dia nampifandray izany tamin’ny famerenana amin’ny toerany “ataon’ireo izay araka ny fanahy, olona iray izay nanota, ka toy ny hoe rantsana iray nipitsoka teo amin’ilay vatana ara-panahy izany olona izany”. Ny fomba fandikana hafa dia hoe “mamerina eo amin’ny toerany tsara; mandahatra tsara”.
15 Tsy mora ny manitsy ny fomba fisainan’ny tena manokana, ary mety ho sarotra aoka izany ny mandahatra tsara ny eritreritry ny olona nania iray. Kanefa ny fanampiana atolotra amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy dia azo inoana fa horaisina amim-pankasitrahana. Noho izany, ireo loholona kristiana dia tokony hanaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:12). Inona no tokony hataon’ireo loholona rehefa manana fihetsika ratsy ny olona iray mila ny harenina? Tokony ‘hiezaka hitady fahalemem-panahy’ izy ireo. — 1 Timoty 6:11.
Fiandrasana amim-pitandremana
16, 17. Loza inona avy no tokony hitandreman’ireo loholona tena rehefa manome torohevitra ny hafa izy?
16 Misy zavatra hafa tafiditra ao amin’ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Galatiana 6:1 (NW ). Mampirisika ireo lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy toy izao izy: “Iezahonareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina arenina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy [ny olona nania iray], sady hevero ny tenanao manokana, fandrao mba halaim-panahy koa ianao.” Voka-dratsy toy inona moa no mety ho azo raha tsy arahina io torohevitra io! Noho ny fitantarana momba ny mpitondra fivavahana anglikanina iray meloka ho nanitsakitsa-bady tamin’ny roa tamin’ireo mpiangona, ny The Times any Londres dia nilaza fa izany dia “tarehin-javatra fahita mandrakariva: lehilahy miseho ho toy ny ray na ny anadahy ary manome torohevitra, ka latsaka ao anatin’ny fakam-panahy satria nitokian’ilay olona”. Avy eo, ilay mpanoratra an-gazety dia niresaka momba ny fanambaran’ny Dr. Peter Rutter fa ny “fisakaizana feno fanararaotana misy eo amin’ireo marary sy ireo mpanolo-tsainany lahy — dokotera, mpisolovava, pretra ary mpampiasa — dia nanjary areti-mifindra izay tsy ekena ny fisiany, manimba ary mahamenatra, eto amin’ity fitambaran’olona milefitra loatra eo amin’ny lahy sy ny vavy misy antsika ity”.
17 Tsy tokony hihevitra isika fa vita fanefitra amin’ny fakam-panahy toy izany ny vahoakan’i Jehovah. Ny loholona iray nohajain’ny rehetra, izay nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro, dia nanjary nijangajanga satria nanao fitsidihan’ny mpiandry tamin’ny anabavy nanambady iray tamin’ny fotoana naha-irery azy io. Na dia nibebaka aza ilay rahalahy, dia namoy ny tombontsoam-panompoany rehetra. (1 Korintiana 10:12). Koa ahoana àry no ahafahan’ireo loholona voatendry manao fitsidihan’ny mpiandry ka tsy ho latsaka ao anatin’ny fakam-panahy? Ahoana no ahafahany mandamina ny hisian’ny fitokanana ihany, ny vavaka ary ny fahafahana hijery ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana?
18. a) Amin’ny ahoana ny fampiharana ny fotopoto-pitsipika momba ny fahefana no manampy ireo loholona hanalavitra tarehin-javatra mety hiteraka fahafaham-baraka? b) Fandaharana inona avy no azo atao mba hanaovana fitsidihan’ny mpiandry amin’ny anabavy iray?
18 Ny lafin-javatra iray tokony hoheverin’ireo loholona dia ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefana. (1 Korintiana 11:3). Raha tanora no mitady torolalana, dia miezaha hampiditra ireo ray aman-dreniny amin’ilay fifampiresahana rehefa mety izany. Rehefa anabavy iray manambady no mangataka fanampiana ara-panahy, moa ve ianareo afaka mandamina ny hanatrehan’ny vadiny eo mandritra ilay fitsidihana? Ahoana raha tsy mety izany, na raha tsy mpino izay mampihatra fitondrana ratsy azy ny vadiny? Amin’izay, dia manaova fandaharana mitovy amin’izay hataonareo rehefa manao fitsidihan’ny mpiandry amin’ny anabavy iray tsy manambady ianareo. Ho fanehoana fahendrena ny hiarahan’ny rahalahy roa mahafeno fepetra ara-panahy hitsidika ilay anabavy. Raha tsy mety izany, dia angamba azo atao ny mifidy fotoana mifanentana iray mba hifampiresahan’ny rahalahy roa aminy any amin’ny Efitrano Fanjakana, ka tsara kokoa raha ao amin’ny efitra iray ahafahana mitokana. Koa satria misy rahalahy sy anabavy hafa ao amin’ilay efitrano, kanefa tsy afaka mahita na mahare ilay resaka, dia azo inoana fa ho voasoroka ny fanafintohinana ny hafa. — Filipiana 1:9, 10, NW.
19. Mitondra vokatra tsara inona avy ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo, ary amin’iza no anehoantsika fankasitrahana noho ireo mpiandry manao zavatra an-tsitrapo?
19 Ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo dia miteraka vokatra tsara — andian’ondry matanjaka ara-panahy sy voatarika tsara. Toy ny apostoly Paoly, ireo loholona kristiana amin’izao andro izao dia miahy aoka izany ireo mpiray finoana aminy. (2 Korintiana 11:28). Tena mavesatra indrindra ny andraikitra hiandry ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao fotoan-tsarotra izao. Noho izany, dia velom-pankasitrahana marina isika noho ny asa tsara dia tsara ataon’ireo rahalahintsika izay manompo amin’ny maha-loholona. (1 Timoty 5:17). Manolotra fiderana an’ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”, dia ilay Mpiandry antsika be fitiavana any an-danitra, i Jehovah, isika, satria nitahy antsika tamin’ny alalan’ireo “lehilahy ho fanomezana”, izay manao ny asa fiandrasana an-tsitrapo, izy. — Efesiana 4:8, NW; Jakoba 1:17.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray manapaka ny ankohonany amin’ny fomba tsara dia tsara?
◻ Toetra tsara inona avy no tokony hampiavaka ny fiandraiketana ataon’ireo loholona kristiana?
◻ Ahoana no mety hanehoan’ireo loholona fanetren-tena sy fahalemem-panahy rehefa manome torohevitra?
◻ Inona no manampy mba handairan’ny fanarenana ara-panahy?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo loholona manalavitra tarehin-javatra mety hiteraka fahafaham-baraka rehefa miandry ny andian’ondry?
[Sary, pejy 18]
Tsy maintsy manapaka ny ankohonany amin’ny fomba tsara dia tsara ny loholona kristiana iray
[Sary, pejy 21]
Tokony hatao amim-pahalemem-panahy sy amim-pahaiza-mitsara zavatra ny fiandrasana kristiana