Eo Amin’izao Tontolo Izao Kanefa Tsy Namany
“Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo (...), dia halan’izao tontolo izao”. — JAONA 15:19.
1. Manao ahoana ny fifandraisan’ny Kristiana amin’izao tontolo izao, kanefa ahoana no fiheveran’izao tontolo izao azy ireo?
TAMIN’NY alina farany niarahany tamin’ny mpianany, dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo”. Izao tontolo izao inona moa no noresahiny? Tsy efa nilaza toy izao ve izy taloha kokoa: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”? (Jaona 3:16). Mazava fa anisan’io izao tontolo izao io ny mpianatr’i Jesosy satria izy ireo no voalohany naneho finoana an’i Jesosy mba hahazoana fiainana mandrakizay. Nahoana àry izao i Jesosy no nilaza fa nisaraka tamin’izao tontolo izao ny mpianany? Ary nahoana koa izy no nilaza hoe: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo (...), dia halan’izao tontolo izao”? — Jaona 15:19.
2, 3. a) Inona ilay “izao tontolo izao” tsy tokony ho naman’ny Kristiana? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba ilay “izao tontolo izao” tsy naman’ny Kristiana?
2 Izao no valiny: Mampiasa ny teny hoe “izao tontolo izao” (Grika: koʹsmos) amin’ny fomba samy hafa ny Baiboly. Araka ny nohazavaina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia manondro ny olombelona amin’ny ankapobeny indraindray ny hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly. Izy io ilay izao tontolo izao tian’Andriamanitra ary ho azy io no namoizan’i Jesosy ny ainy. Manambara toy izao anefa ny The Oxford History of Christianity: “Teny ampiasain’ny Kristiana koa ny hoe ‘izao tontolo izao’ mba hilazana zavatra lavitra an’Andriamanitra sy feno fankahalana azy.” Ahoana no maha-marina izany? Manazava toy izao ilay mpanoratra katolika atao hoe Roland Minnerath, ao amin’ilay bokiny hoe Les chrétiens et le monde (Ny Kristiana sy Izao Tontolo Izao): “Amin’ny heviny ratsy, ny hoe izao tontolo izao, araka izany, dia heverina ho (...) ny sehatra izay sady iasan’ireo fanjakana feno fankahalana an’Andriamanitra no empira fahavalo eo ambany fifehezan’i Satana, noho ny fanoherany ny fanapahana mandresin’i Kristy.” Ilay fitambaran’olona lavitra an’Andriamanitra io “izao tontolo izao” io. Tsy naman’io izao tontolo izao io ny Kristiana, ary mankahala azy ireo izy io.
3 Tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, dia io izao tontolo izao io no tao an-tsain’i Jaona rehefa nanoratra toy izao izy: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” (1 Jaona 2:15, 16). Nanoratra toy izao koa izy: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Ny tenan’i Jesosy dia niantso an’i Satana hoe “ny andrianan’izao tontolo izao”. — Jaona 12:31; 16:11.
Ny fitomboan’ireo fanjakana matanjaka indrindra eran-tany
4. Ahoana no nampisy ireo fanjakana matanjaka indrindra eran-tany?
4 Ilay tontolon’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra misy ankehitriny, dia nanomboka niseho fotoana fohy taorian’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, fony nitsahatra tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitra intsony ny ankamaroan’ireo taranak’i Noa. Olo-malaza tamin’ireny vanim-potoana tany am-boalohany ireny i Nimroda, mpanorina tanàna sy “mpihaza mahery [nanohitra an’i Jehovah, NW ]”. (Genesisy 10:8-12). Tamin’izany fotoana izany, ny ankabeazan’itỳ tontolo itỳ dia voalamina ho tanàna fanjakana kely. Indraindray dia nivondrona nanao antokony izy ireny ary niady tamin’izy samy izy. (Genesisy 14:1-9). Nanjary nanapaka ny hafa ny tanàna fanjakana sasany ka tonga fanjakana natanjaka indrindra teo amin’ny faritra iray. Ny sasany tamin’ireo fanjakana natanjaka ireo dia nitombo ka nanjary fanjakana lehibe natanjaka eran-tany tamin’ny farany.
5, 6. a) Iza avy ireo fanjakana matanjaka fito ao amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly? b) Aseho ara-panoharana ho toy ny inona ireny fanjakana matanjaka ireny, ary avy aiza ny fahefany?
5 Nanara-dia an’i Nimroda ireo mpanapaka teo amin’ireo fanjakana natanjaka, ka tsy nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Zava-nisy hita taratra teo amin’ny zavatra nataony feno halozana sy herisetra izany. Aseho ara-panoharana ho toy ny bibidia ireny fanjakana natanjaka ireny ao amin’ny Soratra Masina, ary arakaraka ny fandehan’ireo taonjato, ny Baiboly dia mampahafantatra ny enina amin’izy ireo, izay nisy akony lehibe teo amin’ny vahoakan’i Jehovah. I Egypta, i Asyria, i Babylona, i Media sy i Persia, i Gresy, ary i Roma, izany. Aorian’i Roma, dia nambaran’ny faminaniana fa hipoitra ny fanjakana iray fahafito hatanjaka indrindra eran-tany. (Daniela 7:3-7; 8:3-7, 20, 21; Apokalypsy 17:9, 10). Hita fa ny Fanjakana Anglisy-Amerikana izy io, izany hoe ny Empira Britanika miaraka amin’i Etazonia mpiray dina aminy, izay natanjaka kokoa noho i Grande-Bretagne tamin’ny farany. Nanomboka niseho ny Empira Britanika rehefa nanjavona tamin’ny farany ny soritra farany tamin’ny Empira Romana.a
6 Ireo fanjakana fito nifandimby matanjaka indrindra eran-tany dia aseho ara-panoharana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ho toy ny lohan’ny bibidia iray manan-doha fito, izay mipoitra avy amin’ny ranomasin’ny olombelona misamboaravoara. (Isaia 17:12, 13; 57:20, 21; Apokalypsy 13:1). Iza no manome fahefana an’io biby manapaka io? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.” (Apokalypsy 13:2). Tsy iza akory ilay dragona fa i Satana Devoly. — Lioka 4:5, 6; Apokalypsy 12:9.
Ilay fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy
7. Inona no antenain’ny Kristiana, ary inona no akon’izany eo amin’ny fifandraisany amin’ny fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao?
7 Nandritra ny efa ho 2 000 taona no nivavahan’ny Kristiana hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no afaka mitondra tena fiadanana eto an-tany. Noho izy ireo mpandinika akaiky ny faminanian’ny Baiboly, dia miaiky izy ireo fa hivaly tsy ho ela io vavaka io ary rehefa afaka kelikely dia handray an-tanana ny raharahan’ny tany ilay Fanjakana. (Daniela 2:44). Ny fifikiran’izy ireo amin’io Fanjakana io dia mahatonga azy ireo tsy homba ny atsy na ny aroa eo amin’ny raharaha politikan’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao.
8. Manao ahoana ny fihetsiky ny fitondram-panjakana eo anoloan’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny nambara mialoha ao amin’ny Salamo faha-2?
8 Milaza ho mitandrina foto-pitsipika ara-pivavahana ny firenena sasany. Na dia izany aza anefa, amin’ny ataony izy ireo dia tsy miraharaha ny hoe Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao i Jehovah ary efa nametraka an’i Jesosy ho eo amin’ny seza fiandrianana mba ho Mpanjaka any an-danitra manam-pahefana amin’ny tany. (Daniela 4:14; Apokalypsy 11:15). Manambara toy izao ny salamo ara-paminaniana iray: “Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany [Jesosy] ka manao hoe: ‘Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.’ ” (Salamo 2:2, 3). Ireo fitondram-panjakana dia tsy manaiky ‘famatorana’ na ‘famehezana’ avy amin’Andriamanitra, izay hametra ny fampiharany ny fiandrianam-pireneny. Noho izany, dia izao no tenin’i Jehovah amin’i Jesosy, ilay Mpanjaka voafidiny: “Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao. Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy: Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” (Salamo 2:8, 9). Tsy ho ‘torotoro’ tanteraka anefa ilay tontolon’ny olombelona izay ho azy io no nahafatesan’i Jesosy. — Jaona 3:17.
Fiezahana tsy hahazo ‘ny mariky’ ny “bibi-dia”
9, 10. a) Ampitandremana ny amin’inona isika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? b) Mampiseho inona ny fitondrana ‘ny mariky ny bibidia’? d) Marika inona avy no eken’ny mpanompon’Andriamanitra?
9 Ny Fanambarana azon’ny apostoly Jaona dia nampitandrina fa hitaky zavatra bebe kokoa hatrany ilay tontolon’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra, fotoana fohy alohan’ny hifaranany, ka “ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ny tànany ankavanana na eo amin’ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika”. (Apokalypsy 13:16, 17). Inona no dikan’izany? Ny marika eo amin’ny tanana ankavanana dia sary an’ohatra tena mety ho an’ny fanohanana amin’ny alalan’ny asa. Ahoana ny amin’ilay marika eo amin’ny handrina? Manambara toy izao ny The Expositor’s Greek Testament: “Io teny tena ara-panoharana io dia firesahana an-kolaka ny amin’ilay fahazarana nanisy marika tamin’ny tombokavatsa na tomboka vy nahamay izay hita niharihary teo amin’ny miaramila sy ny andevo (...); na, raha ny marimarina kokoa, dia ilay fombafomba ara-pivavahana hoe entina eny amin’ny tena ho toy zavatra manambina ny anaran’ny andriamanitra iray.” Misy olona maro mitondra an’io marika io amin’ny heviny ara-panoharana, noho ny zavatra ataony sy ny teniny, ka mampahafantatra ny tenany ho “andevo” na “miaramila” fananan’ilay ‘biby’. (Apokalypsy 13:3, 4). Raha ny amin’ny hoavin’izy ireo, dia milaza toy izao ny Theological Dictionary of the New Testament: “Ireo fahavalon’Andriamanitra dia mamela ny handriny sy ny tanany iray hotombohina amin’ilay [mariky] ny bibidia, izany hoe ilay isa mifono zava-miafina mirakitra ny anaran’izy io. Manome azy ireo fahafahana lehibe hahazo fisondrotana ara-toe-karena sy ara-barotra izany, kanefa dia sady mahatonga azy ireo hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra no misakana azy ireo tsy hiditra ao amin’ny fanjakana arivo taona, Apok. 13:16; 14:9; 20:4.”
10 Ilana herim-po sy fiaretana bebe kokoa hatrany ny fanoherana ny fanerena handray ‘ilay marika’. (Apokalypsy 14:9-12). Manana izany hery izany anefa ny mpanompon’Andriamanitra, ary noho izany matetika no ankahalana sy anaratsiana azy ireo. (Jaona 15:18-20; 17:14, 15). Tsy mitondra ny mariky ny bibidia izy ireo fa hanoratra kosa eo amin’ny tanany amin’ny heviny ara-panoharana hoe: “An’i Jehovah”, araka ny filazan’i Isaia azy. (Isaia 44:5). Ambonin’izany, noho izy ireo “misento sy mitaraina” noho ny fahavetavetana ataon’ny fivavahana mivadi-pinoana, dia mandray marika ara-panoharana eo amin’ny handriny izy ireo, ka izany dia mampahafantatra azy ho mendrika ny hotsimbinina rehefa hampiharina ny didim-pitsaran’i Jehovah. — Ezekiela 9:1-7.
11. Iza no manome lalana ny fitondram-panjakan’olombelona hanapaka, mandra-pahatongan’ny fotoana handraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanapahana ny tany?
11 Mamela ireo fitondram-panjakana hanapaka Andriamanitra mandra-pahatongan’ny fotoana handraisan’ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra tanteraka ny fanapahana eto amin’itỳ tany itỳ. Io fileferan’Andriamanitra amin’ireo fanjakana ara-politika io no resahin’ny Profesora Oscar Cullmann, ao amin’ilay bokiny hoe The State in the New Testament. Toy izao no nosoratany: “Ilay hevitra saro-takarina hoe ‘vonjimaika’ ihany ny fisian’ny Fanjakana, no antony mahatonga ny fihetsik’ireo Kristiana voalohany teo anoloan’ny Fanjakana ho tsy mitovy fa toa mifanohitra kosa aza. Antitranteriko fa toa izany no izy. Ireto fotsiny no ilaintsika hotononina: Ny Romana 13:1: ‘Aoka ny olona rehetra hanaiky ireo fahefana misy (...)’, sy ny Apokalypsy 13: toy ny bibidia avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ny Fanjakana.”
Ilay ‘biby’ sy i “Kaisara”
12. Fomba fijery voalanjalanja inona no ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny fitondram-panjakan’olombelona?
12 Ho fahadisoana ny hanatsoahan-kevitra fa ny olona rehetra manana fahefam-panjakana dia fitaovana ampiasain’i Satana avokoa. Maro amin’izy ireo no nampiseho ny tenany ho olona mandala foto-pitsipika araka ny marina, toa an’ilay governora atao hoe Sergio Paolo, izay lazalazaina ao amin’ny Baiboly ho “lehilahy hendry”. (Asan’ny Apostoly 13:7). Ny mpanapaka sasany dia niaro tamin-kerim-po ny zon’ny vitsy an’isa, satria notarihin’ny feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy izy ireo, na dia tsy nahalala an’i Jehovah sy ny fikasany aza. (Romana 2:14, 15). Tadidio fa mampiasa ny teny hoe “izao tontolo izao” amin’ny fomba roa mifanohitra ny Baiboly: ny tontolon’ny olombelona, izay tian’Andriamanitra sy tokony ho tiantsika, ary ny tontolon’ny olombelona lavitra an’i Jehovah, izay i Satana no Andriamaniny ka tsy maintsy isarahantsika. (Jaona 1:9, 10; 17:14; 2 Korintiana 4:4; Jakoba 4:4). Araka izany, ny mpanompon’i Jehovah dia mampiseho fihetsika voalanjalanja eo anoloan’ny fanapahan’olombelona. Tsy momba ny atsy na ny aroa isika eo amin’ny raharaha politika, satria ambasadaoro na iraky ny Fanjakan’Andriamanitra isika ary manokana ny fiainantsika ho an’Andriamanitra. (2 Korintiana 5:20). Etsy an-danin’izany, dia mankatò an’ireo manam-pahefana isika noho ny feon’ny fieritreretana.
13. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo fitondram-panjakan’olombelona? b) Hatraiza ny fankatoavan’ny Kristiana an’ireo fitondram-panjakan’olombelona?
13 Manome taratry ny fihevitry ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy io fihetsika voalanjalanja io. Tena mendrika ilay filazalazana ara-paminaniana hoe biby masiaka ireo fanjakana matanjaka, ary na dia ny Fanjakana bitika aza, rehefa manampatra ny fahefany, mampijaly ny vahoakany, na manenjika an’ireo izay manolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra. (Daniela 7:19-21; Apokalypsy 11:7). Rehefa misy fitondram-panjakana miasa ho amin’ny fikasan’Andriamanitra kosa anefa, ka mitandro ara-drariny ny lalàna sy ny filaminana, dia mihevitra azy ireo ho ‘mpanompony’ izy. (Romana 13:6). Antenain’i Jehovah hanaja ny fitondram-panjakan’olombelona sy hankatò azy ireo ny vahoakany, kanefa tsy hoe tsy misy fetrany ny fankatoavan’izy ireo. Rehefa mitaky zavatra andraran’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny mpanompony ny olombelona, na rehefa mandrara zavatra izay takin’Andriamanitra hataon’ny mpanompony izy ireo, dia ny toerana notanan’ny apostoly no arahin’izy ireo, dia ny hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 5:29.
14. Ahoana no anazavan’i Jesosy sy i Paoly ny fankatoavan’ny Kristiana an’ireo fitondram-panjakan’olombelona?
14 Nilaza i Jesosy fa ireo mpanara-dia azy dia hanana adidy eo anatrehan’ny fitondram-panjakana sy eo anatrehan’Andriamanitra, rehefa nanambara hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:21). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly teo ambany tsindrimandry: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. (...) Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy. Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa. Fa noho izany no andoavanareo vola hetra”. (Romana 13:1, 4-6). Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. ka mandraka ankehitriny, ny Kristiana dia tsy maintsy nandinika ireo zavatra takin’ny Fanjakana. Nila nahay nanavaka izy ireo raha hitarika ho amin’ny fampanekena lembenana ny fanompoam-pivavahany ny fanarahana ireo zavatra takina ireo na tsia, na raha ara-dalàna ka tokony hotanterahina noho ny feon’ny fieritreretana ireny zavatra takina ireny na tsia.
Olom-pirenena tapahin’ny feon’ny fieritreretany
15. Amin’ny fomba ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mandoa ho an’i Kaisara izay azy, noho ny feon’ny fieritreretana?
15 “Mpanompon’Andriamanitra” ireo “fahefana lehibe” ara-politika rehefa manatanteraka ny anjara asany ankasitrahan’Andriamanitra, anisan’izany ny fahefana “hamaly izay manao ratsy (...), fa ho mpidera izay manao tsara” kosa. (1 Petera 2:13, 14). Noho ny feon’ny fieritreretana, dia mandoa ho an’i Kaisara izay zavatra takiny ara-dalàna eo amin’ny hetra ireo mpanompon’i Jehovah, ary manao araka izay farany amelan’ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly izy ireo eo amin’ny ‘fanekena ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, sy ny fahavononana ho amin’ny asa tsara rehetra’. (Titosy 3:1). Anisan’ny “asa tsara” ny fanampiana ny hafa, toy ny rehefa misy loza mamely. Nisy olona maro nanamarina ny hatsaram-panahy nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny mpiara-belona taminy tamin’ireny tarehin-javatra ireny. — Galatiana 6:10.
16. Asa tsara inona avy no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-belona, noho ny feon’ny fieritreretana?
16 Tia ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah ary mihevitra fa ny asa tsara indrindra azony atao ho azy ireo dia ny fanampiana azy ireo ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fikasan’Andriamanitra hampisy “lanitra vaovao sy tany vaovao” anjakan’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13). Amin’ny fampianarana sy ny fampiharana ireo foto-pitsipika ara-pitondran-tena ambony ao amin’ny Baiboly, izy ireo dia sarobidy ho an’ny fitambaran’olona satria mamonjy olona maro tsy hanao ratsy. Mankatò lalàna ny mpanompon’i Jehovah ary manaja ireo minisitra sy tompon’andraiki-panjakana sy mpitsara ary manam-pahefana eo an-tanàna, ka manome haja ho an’“izay tokony hohajaina”. (Romana 13:7). Miara-miasa amim-pifaliana amin’ireo mpampianatra ny zanany ireo ray aman-dreny Vavolombelona ary manampy ny zanany hianatra tsara, mba hahafahan’izy ireo hamelon-tena any aoriana ka tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fiaraha-monina. (1 Tesaloniana 4:11, 12). Ao anatin’ny kongregasionany, ireo Vavolombelona dia manohitra ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanavakavahana ara-tsaranga, ary mihevitra fa tena zava-dehibe ny hanatanjahana ny fiainam-pianakaviana. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Kolosiana 3:18-21). Noho izany, dia asehon’izy ireo amin’ny zavatra ataony fa diso ny fiampangana azy ireo ho manohitra ny fianakaviana na tsy manasoa ny fiaraha-monina. Araka izany, dia marina ireto tenin’ny apostoly Petera ireto: “Toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa”. — 1 Petera 2:15.
17. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana ‘mandeha amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany’?
17 Koa na dia “tsy naman’izao tontolo izao” aza ireo mpanara-dia marina an’i Kristy, dia mbola ao anatin’ny tontolo misy ny fitambaran’olona izy ireo ary tsy maintsy ‘mandeha amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany’. (Jaona 17:16; Kolosiana 4:5). Raha mbola mamela ny fahefana lehibe hiasa ho toy ny mpanompony i Jehovah, dia hampiseho fanajana azy ireo araka ny tokony ho izy, isika. (Romana 13:1-4). Sady tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny politika isika no mivavaka momba ny “mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana”, indrindra fa rehefa asaina hanao fanapahan-kevitra izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana, izy ireo. Hanohy hanao izany isika ‘mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra’, mba “ho voavonjy ny karazan’olona rehetra” (NW ). — 1 Timoty 2:1-4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, toko faha-35, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ “Izao tontolo izao” inona no naman’ny Kristiana, kanefa “izao tontolo izao” inona kosa no tsy azony atao namana?
◻ Mampiseho inona ‘ny mariky’ ny “bibi-dia” eo amin’ny tanana na ny handrin’ny olona iray, ary marika inona avy no ananan’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky?
◻ Fomba fijery voalanjalanja inona no ananan’ny Kristiana eo anoloan’ny fitondram-panjakan’olombelona?
◻ Inona avy no fomba sasany andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anjara amin’izay mahasoa ny fitambaran’olona?
[Sary, pejy 16]
Ny Baiboly dia mampahafantatra ny fitondram-panjakan’olombelona ho toy ny mpanompon’Andriamanitra sady bibidia
[Sary, pejy 17]
Noho izy ireo mampiseho fiahiana feno fitiavana ny hafa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia sarobidy ho an’ny fiaraha-monina misy azy