Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony Hanohana ny Fanamelohana ho Faty ve ny Kristiana?
“RATSY eo amin’ny lafiny fitondran-tena sy fitsipi-pitondran-tena izy io.” “Ara-drariny sy marina izy io.” Avy tamin’ny lehilahy roa anisan’ny klerjy, izay samy Kristiana anarana, ireo fomba fijery roa mifanohitra ireo. Nifanditra momba ny iray amin’ireo raharaha lehibe iadian-kevitra amin’izao andro izao — ny fanasaziana ho faty — izy ireo. Nanao fanamarihana toy izao ilay lahatsoratra an-gazety nanonona azy ireo: “Rehefa miady hevitra momba ny fanamelohana ho faty ireo mpitondra fivavahana dia samy manonona andalan-teny ara-baiboly ny andaniny sy ny ankilany mba hanohanana ny hevitra tanany.”
Manjohy hevitra ny sasany fa miaro ny tsy manan-tsiny sy mampiroborobo ny rariny ary misakana ny heloka bevava, ny fanamelohana ho faty. Manizingizina ny hafa fa ratsy izy io — fomba iray amaliana ny herisetra amin’ny herisetra bebe kokoa sady ambany lavitra noho ilay adidy mendri-kaja kokoa hanarina an’ireo mpanao heloka bevava, hanampy azy ireo ho tonga mpikambana mahasoa ao amin’ny fiaraha-monina.
Eo amin’ny sehatra politika any Etazonia, dia faran’izay mafana indrindra io ady hevitra io, ary nisy mpitondra fivavahana tsy nihambahamba nitsabaka tamin’izany. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Moa ve ny Baiboly manan-javatra holazaina momba ilay foto-kevitra ny amin’ny fanasaziana ho faty?’ Raha ny marina, dia manana izy.
Fanankinana “ny sabatra” amin’ireo fahefan’olombelona
Fotoana fohy taorian’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, i Jehovah Andriamanitra dia nanamafy ny maha-sarobidy ny ain’olombelona ka nanambara toy izao tamin’izay: “Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany”. (Genesisy 9:6). Mazava ho azy fa tsy fanomezan-dalana malalaka hanaovana valy faty izany. Nidika kosa izany fa nanomboka teo, ireo fahefan’olombelona naorina araka ny tokony ho izy dia homen-dalana hamono ho faty an’ireo izay nanala ny ain’ny hafa.
Teo amin’ny Isiraely fahiny, ny Lalàna nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy dia nitaky ny fanamelohana ho faty tamin’ny fanaovan-dratsy lehibe sasany. (Levitikosy 18:29). Kanefa, nitaky fitsarana tsy niangatra sy fanambaran’ny vavolombelona nahita maso ary fameperana ny fandraisana kolikoly koa ny Lalàna. (Levitikosy 19:15; Deoteronomia 16:18-20; 19:15). Tokony ho lehilahy tia fivavahana ireo mpitsara ary nampamoahina teo anatrehan’Andriamanitra mihitsy izy ireo! (Deoteronomia 1:16, 17; 2 Tantara 19:6-10). Araka izany, dia nisy fiarovana tamin’ny fanararaotana ny fanamelohana ho faty.
Amin’izao andro izao, dia tsy misy fitondram-panjakana eto ambonin’ny tany misolo tena marina ny fitsaran’Andriamanitra toy ny nataon’ny Isiraely fahiny. Tena manao zavatra amin’ny fomba maro amin’ny maha-‘mpanompon’Andriamanitra’, na solontenany azy, anefa ireo fitondram-panjakana, noho izy ireo mihazona filaminana sy tsy fihilangilanana amin’ny fetra sasany sy manao asa ilain’ny vahoaka. Nampahatsiahy an’ireo Kristiana ny apostoly Paoly mba hankato an’ireny “fahefana lehibe” ireny ary avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora, fa tsy entiny [ny fitondram-panjakana] foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy.” — Romana 13:1-4.
Mampiseho ny zon’ny fitondram-panjakana hanasazy an’ireo mpanao heloka bevava — na dia amin’ny fahafatesana aza — ny hoe “ny sabatra” notononin’i Paoly. Manaja izany zo izany ny Kristiana, kanefa tokony hiezaka hanana fitaomana eo amin’ny fomba ampiharana azy io ve izy ireo?
Ampiasaina amin’ny fomba ratsy ‘ilay sabatra’
Azo antoka fa nampiasa ‘ilay sabatra’ mba hampiharana ny rariny imbetsaka ny fitondram-panjakan’olombelona. Tsy maintsy ekena anefa fa meloka ho nampiasa azy io tamin’ny fomba ratsy koa izy ireo. (Mpitoriteny 8:9). Meloka ho nampiasa an’‘ilay sabatra’ fampiharana didim-pitsarana namonoana mpanompon’Andriamanitra tsy nanan-tsiny, ny fitondram-panjakan’i Roma fahiny. Anisan’ireo novonoiny i Jaona Mpanao Batisa, i Jakoba, sy i Jesosy Kristy mihitsy koa aza. — Matio 14:8-11; Marka 15:15; Asan’ny Apostoly 12:1, 2.
Amin’ny andro maoderina, dia nisy zavatra nitovy tamin’izany nitranga. Nisy mpanompon’i Jehovah tsy nanan-tsiny novonoina tany amin’ny tany samihafa — tamin’ny alalan’ny antoko-miaramila voatendry hitifitra, tamin’ny alalan’ny milina fanapahan-doha, tamin’ny alalan’ny fanantonana, tamin’ny alalan’ny efitra famonoana amin’ny gaza — ka izany rehetra izany dia notanterahin’ny fitondram-panjakana “tamin’ny fomba ara-dalàna” tamin’ny fiezahany hampitsahatra ny Kristianisma. Hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ireo hery rehetra manararaotra ny fahefan’izy ireo. Toy inona moa ny halehiben’ny trosan-dra mitambesatra amin’izy ireo! — Apokalypsy 6:9, 10.
Mihoron-koditra ny Kristiana marina amin’ny fieritreretana ny hoe hivesatra trosan-dra eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Araka izany, na dia manaja ny zon’ny fitondram-panjakana iray hampiasa ‘ilay sabatra’ aza izy ireo, dia mahafantatra tsara ny fomba nampiasana azy io tamin’ny fomba ratsy. Natao ho fitaovana hanenjehana izy io ary indraindray koa dia nampiasaina tamim-pahasiahana niteraka fitsarana an-tendrony hamelezana olona sasany sady nampiasaina tamim-pandeferana tsy araka ny tokony ho izy hanampiana ny hafa.a Koa ahoana àry no fihetsiky ny Kristiana amin’ilay ady hevitra momba ny fanasaziana ho faty? Mitsabaka amin’izany ve izy ireo ka mampirisika mafy ny hanaovana fanovana?
Fialanalanana kristiana
Tsy tahaka an’izy mirahalahy anisan’ny klerjy voatonona teo am-piandohana, ny Kristiana marina dia miezaka hitana ao an-tsaina fotopoto-pitsipika lehibe iray: Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’. — Jaona 15:19; 17:16.
Afaka mankato izany baiko izany ve ny Kristiana iray sady mbola hiditra ihany amin’ilay ady hevitra momba ny fanamelohana ho faty? Miharihary fa tsia. Raharaha iadian-kevitra ara-tsosialy sy ara-politika izy io, rehefa dinihina. Any Etazonia, ireo mpilatsaka hofidina ho eo amin’ny toerana ara-politika dia mampiasa matetika ny toerana tanany momba ny fanamelohana ho faty — na manohana azy io izy na tsia — ho tapany lehibe iray amin’ny fanambarany momba ny foto-kevitra ijoroany, mandritra ny fampielezan-keviny. Miady hevitra amin-drisi-po fatratra momba ilay foto-kevitra izy ireo ary mampiasa ny hamafin’ny fihetseham-po aterak’io foto-kevitra io mazàna mba ho fanoitra hitaomana an’ireo mpifidy hanohana ny tsangan-keviny.
Angamba izao no fanontaniana tokony hosaintsainin’ny Kristiana iray: Ho nitsabaka tamin’ilay fifandirana momba ny fomba ampiasan’ireo fitondram-panjakana eo amin’itỳ tontolo itỳ an’‘ilay sabatra’ ve i Jesosy? Tadidio fa rehefa nanandrana nanao izay hitsabahan’i Jesosy tamin’ny politika ireo mpiray firenena taminy, dia “niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra”. (Jaona 6:15). Toa azo inoana indrindra àry fa ho namela an’io raharaha io teo amin’izay nametrahan’Andriamanitra azy — teo am-pelatanan’ny fitondram-panjakana — izy.
Toy izany koa amin’izao andro izao, fa ampoizina ny hitandreman’ny Kristiana mba tsy ho maimay hiditra amin’ny fifamaliana momba io foto-kevitra io. Eken’izy ireo ny zon’ny fitondram-panjakana hanao izay tiany. Amin’ny maha-minisitra kristiana izay tsy naman’izao tontolo izao azy anefa, dia tsy hanambara an-karihary fanohanana ny fanasaziana ho faty izy ireo no sady tsy hampandroso ny fanafoanana azy io.
Tanan’izy ireo ao an-tsaina kosa ireto teny ao amin’ny Mpitoriteny 8:4 ireto: “Ny tenin’ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?” Eny, nomena ny hery hanatanteraka ny sitrapon’ny tenany manokana ireo “mpanjaka”, na mpanapaka ara-politika, eo amin’izao tontolo izao. Tsy misy Kristiana manana fahefana hanakiana mafy azy ireo. Afaka manao izany anefa i Jehovah. Ary hanao izany izy. Mamela antsika hiandrandra ny andro hampiharan’Andriamanitra ny rariny farany noho ny heloka bevava rehetra sy ny fanararaotana rehetra ny fampiasana an’‘ilay sabatra’ eto amin’itỳ tontolo tranainy itỳ, ny Baiboly. — Jeremia 25:31-33; Apokalypsy 19:11-21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ohatra, nokianina ny rafitry ny fonja amerikana noho ny famonoana ho faty ny latsaka ny roa isan-jaton’ireo mpanao heloka bevava ao aminy nomelohina ho faty, isan-taona. Maro kokoa amin’izy ireo no maty noho ny antony araka ny natiora fa tsy noho ny famonoana ho faty. Ao koa ireo fitarainana ho manao fitsarana an-tendrony — araka ny toa tondroin’ny antontan’isa dia azo inoana kokoa fa mety hahazo fanamelohana ho faty ny mpamono olona iray raha toa ka fotsy hoditra ilay novonoiny noho ny raha toa ka mainty hoditra ilay novonoiny.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
The Bettmann Archive