“Tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava”
“Izao no fototra ho an’ny fitsarana, tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava, fa naleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava”. — JAONA 3:19, MN.
1. Nahoana ny olona tsirairay no tokony hanahy ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra?
OLONA maro be amin’izao andro izao no tsy manahy firy ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Ny sasany dia nihevitra fa marina ny hoe hankasitrahan’Andriamanitra izy ireo raha mandeha miangona tsy tapaka sy tsy manisy ratsy ny namany. Ho an’ny maro, ireo fampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana mikasika ny afobe mirehitra sy ny afo fandiovana dia nampiseho tamin’ny fomba diso ny hevitra manontolo ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Ny tsy firaikana miely patrana sy ireo laingan’ny fivavahana lazaina fa kristiana anefa dia tsy afaka manova ny zava-misy hoe ny olona tsirairay dia hotsarain’Andriamanitra amin’ny farany. (Romana 14:12; 2 Timoty 4:1; Apokalypsy 20:13). Ary zavatra maro no hiankina amin’io fitsarana io. Ireo izay hankasitrahana dia handray ny fanomezan’Andriamanitra fiainana mandrakizay, fa izay homelohina kosa dia handray ny tambin’ny ota feno, dia: ny fahafatesana. — Romana 6:23.
2. Hifototra amin’inona ny fitsaran’Andriamanitra?
2 Noho izany, ny kristiana marina dia manahy ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra, ary maniry fatratra ny hahazo sitraka aminy. Ahoana no ahafahany manao izany? Ao amin’ny Jaona 3:19, MN, dia omen’i Jesosy antsika ny valiny. Hoy izy: “Izao no fototra ho an’ny fitsarana, tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava, fa naleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.” Eny, ny fitsaran’Andriamanitra dia hifototra amin’ny fitiavantsika ny mazava fa tsy ny maizina.
“Andriamanitra dia mazava”
3. Inona ny haizina, ary inona ny mazava?
3 Amin’ny heviny ara-panahy, ny haizina dia mifandray amin’ny tsy fahalalana sy ny famoizam-po izay misy ao amin’ny faritra anjakan’i Satana — na dia mihambo matetika ho “anjelin’ny mazava” aza izy io. (2 Korintiana 4:4; 11:14; Efesiana 6:12). Etsy an-danin’izany, ny mazava dia mifandray amin’ny fahatakarana sy ny fahalalana izay avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Niresaka ny amin’ny mazava i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.” (2 Korintiana 4:6). Mifandray akaiky aoka izany amin’i Jehovah Andriamanitra ny mazava ara-panahy ka nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia mazava”. — 1 Jaona 1:5; Apokalypsy 22:5.
4. a) Ahoana no nataon’i Jehovah mba hahatonga ny mazava ho azo ampiasaina? b) Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika ny mazava?
4 Nataon’i Jehovah izay hahazoana mampiasa ny mazava tamin’ny alalan’ny teniny, izay azo ampiasaina malalaka ankehitriny amin’ny endriny voasoratra ao amin’ny Baiboly masina. (Salamo 119:105; 2 Petera 1:19). Noho izany, ny mpanao salamo dia nilaza tokoa ny fitiavany ny mazava rehefa nanoratra hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, fa tiako indrindra izy.” (Salamo 119:97, 167). Moa ve ianao tia ny mazava toy izay niharihary fa nataon’ilay mpanao salamo? Moa ve ianao mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, misaintsaina izany, ary miezaka mafy mba hampihatra izay lazainy? (Salamo 1:1-3) Raha izany no izy, dia mitady ny hahazo didim-pitsarana tsara avy amin’i Jehovah ianao.
“Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”
5. Amin’iza no ifantohan’ny fahazavan’Andriamanitra?
5 Ny mazava manome fiainana avy amin’i Jehovah dia mifantoka amin’ny tenan’i Jesosy Kristy. Izao no vakintsika eo amin’ny fampidiran-dresaky ny filazantsaran’i Jaona: “Izy [Jesosy] no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.” (Jaona 1:4, 5). Marina tokoa fa nifandray akaiky aoka izany tamin’ny mazava i Jesosy ka nantsoina hoe ilay “tena Mazava Izay mahazava ny olona [karazan’olona, MN] rehetra”. (Jaona 1:9) Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia niteny hoe “Raha mbola eto amin’izao tontolo izao aho, dia izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” — Jaona 9:5, MN.
6. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana didim-pitsarana tsara izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay?
6 Noho izany, ireo izay tia ny mazava dia tia an’i Jesosy ary mino azy. Tsy azo atao mihitsy ny mahazo didim-pitsarana tsara raha tsy manisy fitenenana ny amin’i Jesosy. Eny, amin’ny fitodihana any aminy, amin’ny maha-fiasana voatendrin’Andriamanitra ho amin’ny famonjena azy ihany, no ahafahantsika mahazo didim-pitsarana tsara. Hoy i Jesosy hoe: “Izay maneho finoana ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mankatò ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36, MN). Koa inona àry no dikan’ny hoe maneho finoana an’i Jesosy?
7. Mitaky finoana an’iza koa ny finoana an’i Jesosy?
7 Voalohany, dia ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Izay mino Ahy, dia tsy Izaho [ihany, MN] no inoany, fa Izay naniraka Ahy. Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.” (Jaona 12:44-46). Izay tia an’i Jesosy sy maneho finoana azy dia tsy maintsy manana fitiavana lalina sy maneho finoana koa an’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy, dia i Jehovah. (Matio 22:37; Jaona 20:17). Izay rehetra mampiasa ny anaran’i Jesosy ao amin’ny fanompoam-pivavahana ataony kanefa tsy manome voninahitra lehibe kokoa ho an’i Jehovah, dia tsy maneho fitiavana marina ny mazava. — Salamo 22:27; Romana 14:7, 8, MN; Filipiana 2:10, 11.
‘Irak’Andriamanitra lehibe indrindra’
8. Ahoana no nifantohan’ny fahazavan’Andriamanitra tamin’i Jesosy na dia talohan’ny nahaterahany ho olombelona aza?
8 Ny fanehoana finoana an’i Jesosy dia midika koa ho fanekena feno ny anjara toerany ao anatin’ny fikasan’i Jehovah. Nohantitranterina ny naha-zava-dehibe io anjara toerana io rehefa nilaza tamin’i Jaona ilay anjely nanao hoe: “Ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.” (Apokalypsy 19:10; Asan’ny apostoly 10:43; 2 Korintiana 1:20). Hatramin’ilay faminaniana voalohany indrindra tany Edena, ireo faminaniana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra rehetra, amin’ny farany, dia mifandray amin’i Jesosy sy ny toerany ao amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Toy izany koa, nilaza tamin’ireo kristiana galatiana i Paoly fa ny faneken’ny Lalàna dia ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’. (Galatiana 3:24). Io faneken’ny Lalàna fahiny io dia natao mba hanomanana ilay firenena ho amin’ny fahatongavan’i Jesosy tamin’ny naha-Mesia. Koa na dia talohan’ny nahaterahany ho olombelona aza, dia nifantoka tamin’i Jesosy ny mazava avy amin’i Jehovah.
9. Nahatafiditra inona moa ny fitiavana ny mazava hatramin’ny taona 33 am.fan.ir.?
9 Tamin’ny taona 29 am.fan.ir., i Jesosy dia niseho mba hatao batisa ary nohosorana tamin’ny fanahy masina, ka tamin’izay dia tonga ilay Mesia nampanantenaina. Tamin’ny taona 33 am.fan.ir., dia maty tamin’ny naha-olombelona tanteraka izy, natsangana tamin’ny maty, niakatra tany an-danitra, ary tany, dia natolony ny vidin’ny ainy ho an’ny fahotantsika. (Hebreo 9:11-14, 24). Io fitohitohizan’ny zava-nitranga io dia nanamarika fiolahana teo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Izao i Jesosy dia efa “Iraka lehibe indrindra ho amin’ny fiainana”, “Iraka Lehibe indrindra ho amin’ny famonjena” “ilay Iraka Lehibe indrindra ary Mpanatanteraka ny finoantsika”. (Asan’ny apostoly 3:15, NW; Hebreo 2:10; 12:2, NW; Romana 3:23, 24, NW). Hatramin’ny taona 33 am.fan.ir. no ho mankatỳ, ireo tia ny mazava dia niaiky sady nanaiky fa, ankoatra an’i Jesosy, dia “tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” — Asan’ny apostoly 4:12.
10. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fihainoana ny tenin’i Jesosy sy ny fankatoavana izany?
10 Ny fanehoana finoana an’i Jesosy dia midika koa hoe manaiky azy ho “ny Teny” sy ho ilay “Mpanolo-tsaina mahagaga”. (Jaona 1:1; Isaia 9:5, fanamarihana ambany pejy). Izay nolazain’i Jesosy dia nampiharihary mandrakariva ny fahamarinan’Andriamanitra. (Jaona 8:28; Apokalypsy 1:1, 2). Ny fihainoana azy dia raharaha iankinan’ny aina na ny fahafatesana. Niteny toy izao tamin’ireo Jiosy tamin’ny androny i Jesosy: “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.” (Jaona 5:24). Tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir., ireo izay nanaraka ny tenin’i Jesosy dia nafahana niala tamin’ny haizin’izao tontolo izaon’i Satana ary nanjary velona indray, raha azo atao ny milaza izany. Nambara fa marina izy ireo mba ho mpiray lova aminy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. (Efesiana 1:1; 2:1, 4-7). Amin’izao andro izao, ny fankatoavana ny tenin’i Jesosy dia manokatra lalana ho an’ny maro mba hambara fa marina ka ho tafita velona amin’ny Hara-magedona ary hahazo ny fiainan’olombelona tanteraka ao amin’ilay tontolo vaovao. — Apokalypsy 21:1-4; ampitahao amin’ny Jakoba 2:21, 25.
“Lohany manapaka ny zavatra rehetra”
11. Fahefana ambony inona no nomena an’i Jesosy tamin’ny taona 33 am.fan.ir.?
11 Taorian’ny nitsanganany, dia nampahafantatra ireo mpanara-dia azy lafiny hafa iray amin’ny mazava i Jesosy. Hoy izy: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Matio 28:18). Araka izany, i Jesosy dia nasandratra ho amin’ny toerana ambony ao amin’ny fandaminan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. Nanome antsipiriany fanampiny i Paoly rehefa nilaza hoe: “Tamin’ny nananganany [Andriamanitra] Azy [Jesosy] tamin’ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ny tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa, dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana, izay tenany”. (Efesiana 1:20-23; Filipiana 2:9-11). Hatramin’ny taona 33 am.fan.ir., ny fitiavana ny mazava dia nahatafiditra ny fanekena io toerana ambony tanan’i Jesosy io.
12. Inona no neken’ny kristiana voahosotra tamim-pifaliana hatrany am-piandohany, ary ahoana no nanehoany izany tamin’ny fomba azo ampiharina?
12 Amin’ny farany dia tsy maintsy hanaiky ny fahefan’i Jesosy ny olombelona rehetra. (Matio 24:30; Apokalypsy 1:7). Ireo tia ny mazava anefa, dia nanaiky tamim-pifaliana izany efa hatrany am-piandohany. Ireo mpikambana voahosotra ao amin’ny kongregasiona kristiana dia manaiky an’i Jesosy ho “Lohan’ny tena, dia ny fiangonana”. (Kolosiana 1:18; Efesiana 5:23). Rehefa tonga anisan’io tena io izy ireo, dia ‘nafahana tamin’ny fahefan’ny maizina ka nafindra ho amin’ny fanjakan’ny Zanaka malalan’Andriamanitra’. (Kolosiana 1:13). Hatreo izy ireo dia manaraka amim-pitandremana ny fitondran’i Jesosy eo amin’ny lafim-piainany rehetra, ary amin’izao androntsika izao izy ireo dia nampianatra ny “ondry hafa” mba hanao toy izany koa. (Jaona 10:16). Ny fanekena ny fitondran’i Jesosy dia fepetra takina tena lehibe mba hahazoana didim-pitsarana tsara.
13. Oviana i Jesosy no nanomboka nampihatra ny fahefan’ny Fanjakana, ary inona no nanaraka izany tetỳ an-tany?
13 Tamin’ny niakarany ho any an-danitra tamin’ny taona 33 am.fan.ir., dia tsy nampihatra avy hatrany ny fahefany tamin’ny fitarany feno indrindra akory i Jesosy. Na dia Lohan’ny kongregasiona kristiana aza izy, dia niandry ny fotoana mety mba hampiharana fahefana feno eo amin’ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny. (Salamo 110:1; Asan’ny apostoly 2:33-35). Tonga izany fotoana izany tamin’ny 1914, rehefa nahazo fiandrianana tamin’ny naha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, ary nanomboka ny “andro farany” ho an’ity tontolo ity. (2 Timoty 3:1). Hatramin’ny 1919, ny fanangonana ny sisa amin’ireo voahosotra dia nandroso nanatona ny fahavitany. Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, dia navahan’i Jesosy ny taranak’olombelona ho “ondry” izay handova ny “fanjakana izay voavoatra ho [azy]”, sy ho “osy” izay ho “any amin’ny fandringanana mandrakizay”. — Matio 25:31-34, 41, 46, MN.
14. Ahoana no nampisehoan’ny olona betsaka ny fitiavana ny mazava, ary inona no ho vokatr’izany ho azy ireo?
14 Soa ihany fa hita ho maro be ireo ondry amin’izao andro farany izao. Olona betsaka amin’izy ireny miisa ho an-tapitrisany maro no niseho teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Sahala amin’ireo namany voahosotra, ireo toy ny ondry ireo dia tia ny mazava. ‘Nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo, ary niantso tamin’ny feo avo nanao hoe: “Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika [dia avy amin’Andriamanitsika, MN], izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny [avy amin’ny, MN] Zanak’ondry.” Noho izany, ny olona betsaka amin’ny maha-antokon’olona azy, dia hahazo didim-pitsarana tsara. Ireo mpikambana aminy dia hivoaka ‘avy amin’ny fahoriana lehibe”, ho tafita velona amin’ny fandringanana ireo tia ny maizina ao Haramagedona. — Apokalypsy 7:9, 10, 14.
“Zanaky ny mazava”
15. Amin’ny fomba ahoana ny asa ataontsika no mampiseho ny fanekentsika an’i Jesosy Kristy Mpanjaka?
15 Ahoana àry, amin’ny fomba azo ampiharina, no aneken’ireo tia ny mazava, na voahosotra izy na ondry hafa, an’i Jesosy ho ilay nomen’Andriamanitra fiandrianana ho Mpanjaka sy Mpitsara vonjimaika? Ny fomba iray dia amin’ny fiezahana ho tonga karazan’olona izay ankasitrahan’i Jesosy. Fony izy teto an-tany, i Jesosy dia naneho fankasitrahana ny toetra tsara toy ny fahatsorana, ny fanaovan-javatra amin’ny fo manontolo, ary ny firehetam-po ho an’ny fahamarinana, ary ny tenany mihitsy aza dia ohatra niavaka ny amin’izany. (Marka 12:28-34, 41-44; Lioka 10:17, 21). Raha maniry didim-pitsarana tsara isika, dia tsy maintsy mampitombo toetra tsara toy izany.
16. Nahoana no iankinan’ny aina ny hanariantsika ny asan’ny maizina?
16 Izany dia marina indrindra satria mikitroka hatrany ny haizin’izao tontolo izaon’i Satana arakaraka ny anatonan’ny farany. (Apokalypsy 16:10). Tena amin’ny ilàna azy àry ireo teny nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana hoe: “Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana.” (Romana 13:12, 13). Raha fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay, ny maha-marina ny finoantsika sy ny fitiavantsika ny mazava kosa dia ahariharin’ny asantsika. (Jakoba 2:26). Noho izany, ny didim-pitsarana hampiharina amintsika, dia hiankina be dia be amin’ny hoe hatraiza isika no manao asa tsara ary mandà ny asa ratsy.
17. Inona no dikan’ny hoe “itafio Jesosy Kristy Tompo”?
17 Taorian’ny nanomezany ny toroheviny ao amin’ny Romana 13:12, 13, ny apostoly Paoly dia namarana ny teniny tamin’ny filazana hoe: “Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.” (Romana 13:14). Inona no dikan’ny hoe “itafio Jesosy Kristy Tompo”? Izany dia midika fa tokony hanaraka akaiky an’i Jesosy ny kristiana, amin’ny fitafiana ny ohatra navelany sy ny toetrany, raha azo atao ny milaza izany, amin’ny fiezahana mafy mba ho sahala amin’i Kristy. “Fa ho amin’izany no niantsoana anareo”, hoy i Petera, “fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. — 1 Petera 2:21.
18. Fiovana tena lehibe inona no mety hilaina raha maniry ny hahazo didim-pitsarana tsara isika?
18 Matetika izany dia nahatafiditra fiovana tena lehibe teo amin’ny fiainan’ny kristiana. “Fa maizina hianareo fahiny”, hoy i Paoly, “fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana)”. (Efesiana 5:8, 9). Izay manao ny asan’ny maizina dia tsy tia ny mazava ary tsy hahazo didim-pitsarana tsara raha tsy manao fiovana.
“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”
19. Amin’ny fomba samy hafa inona avy no ahafahan’ny kristiana manome taratry ny mazava?
19 Farany, ny fitiavana ny mazava dia midika hoe manome taratr’ilay mazava mba hahafahan’ny hafa hahita azy ka ho voasintona ho aminy. “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy. Nanampy teny toy izao izy: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:14, 16). Ny asa tsara ataon’ny kristiana iray dia mahatafiditra ny fanehoana ny karazam-pahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana, satria ny fitondrantena tsara dia tsara toy izany dia manao fanambarana mahery ho an’ny fahamarinana. (Galatiana 6:10; 1 Petera 3:1). Izany dia mahatafiditra indrindra ny firesahana amin’ny hafa ny fahamarinana. Amin’izao andro izao, izany dia midika ho fandraisana anjara amin’ilay ezaka manokana maneran-tany ho fitoriana “amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. Izany koa dia midika ho fiverenana mitsidika amim-paharetana ireo olona liana, ny fiaraha-mianatra ny Baiboly amin’izy ireny, ary ny fanampiana azy ireny mba hamokarany ny asan’ny mazava ho setrin’izany. — Matio 24:14; 28:19, 20.
20. a) Toy inona ny fanjopiaky ny mazava mamirapiratra amin’izao andro izao? b) Fitahiana manana amby ampy inona no ifalian’ireo izay maneho fihetsika manaiky ny mazava?
20 Amin’izao androntsika izao, noho ny asa fitoriana amin-jotom-po ataon’ny kristiana mahatoky, dia re any amin’ny tany maherin’ny 200 ny vaovao tsara, ary mamirapiratra mbola tsy nisy toy izany ny mazava. Hoy i Jesosy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” (Jaona 8:12). Fifaliana toy inona moa izany hoe mandray anjara amin’ny fahatanterahan’io fampanantenana io! Feno kokoa ny fiainantsika izao satria tsy mijaly ao amin’ny haizin’izao tontolo izaon’i Satana intsony isika. Ary mahatalanjona marina tokoa ny zavatra antenaintsika rehefa manampo didim-pitsarana tsara avy amin’ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah isika. (2 Timoty 4:8). Hampalahelo tokoa, raha toa ka efa tonga tao amin’ny mazava isika, no hindaosina hiverina any amin’ny maizina indray ary hahazo fanamelohana! Horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba ahafahantsika mitoetra ho matanjaka amin’ny finoana.
Azonao hazavaina ve?
◻ Hifototra amin’inona ny fitsaran’ Andriamanitra?
◻ Anjara toerana lehibe inona no tanan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky an’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka nomen’i Jehovah fiandrianana azy isika?
◻ Ahoana no ahafahantsika manaporofo fa “zanaky ny mazava” ny tenantsika?
◻ Eo amin’ity tontolon’ny fahamaizinana ity, amin’ny ahoana ny mazava no mamirapiratra mbola tsy nisy toy izany?
[Sary, pejy 10]
Amin’ny farany, ny olombelona rehetra dia tsy maintsy manaiky ny fahefan’i Jesosy
[Sary, pejy 12]
Asehontsika fa tiantsika ny mazava rehefa manome taratr’ izy io eo amin’ny hafa isika