Mandrosoa Amim-pahatapahan-kevitra na dia Vita Amin’ny Vovoka Aza!
“Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” — SALAMO 103:14.
1. Marina ara-tsiansa ve ny Baiboly rehefa milaza fa ny olombelona dia vita amin’ny vovoka? Hazavao.
RAHA ara-batana, dia vovoka isika. “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.” (Genesisy 2:7). Io filazalazana tsotra mikasika ny famoronana ny olombelona io, dia mifanaraka amin’ny fahamarinana siantifika. Ireo foto-javatra rehetra maherin’ny 90 mahaforona ny vatan’olombelona dia hita ao amin’ny “vovo-tany”. Indray mandeha, dia nilaza ny mpanao fikarohana momba ny simia iray fa ny vatan’olon-dehibe iray dia ôksizenina ny 65 isan-jato aminy, karbônina ny 18 isan-jato, hidirôzenina ny 10 isan-jato, nitirôzenina ny 3 isan-jato, sokay ny 1,5 isan-jato, ary fôsfôro ny 1 isan-jato, ka ny sisa dia voaforon’ny foto-javatra hafa. Na araka ny marina tanteraka na tsia ireo tombantombana ireo, dia tsy zava-dehibe izany. Izao ihany no zava-misy: “Vovoka isika”!
2. Miteraka fihetsika manao ahoana eo aminao ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olombelona, ary nahoana?
2 Iza, ankoatra an’i Jehovah, moa no ho afaka hamorona zavaboary be kojakojany mifampidipiditra toy izany avy amin’ny vovoka fotsiny? Lavorary sy tsy misy tsininy ny asan’Andriamanitra, koa ny nifidianany ny hamorona ny olona tamin’izany fomba izany dia azo antoka fa tsy antony mahatonga fitarainana. Marina tokoa fa ny nahafahan’ilay Mpamorona Lehibe namorona ny olona avy amin’ny vovoka amin’ny tany tamin’ny fomba mahatahotra sy mahatalanjona dia mampitombo ny fankasitrahantsika ny heriny sy ny fahaizany ary ny tena fahendreny tsy hita fetra. — Deoteronomia 32:4; Salamo 139:14.
Fiovan’ny toe-javatra
3, 4. a) Tamin’ny famoronana ny olona avy amin’ny vovoka, dia inona no tsy nokasain’Andriamanitra? b) Nanisy firesahana ny amin’inona i Davida ao amin’ny Salamo 103:14, ary amin’ny ahoana ny teny manodidina no manampy antsika hanao io fanatsoahan-kevitra io?
3 Manana ny fetrany ny zavaboary avy amin’ny vovoka. Tsy nokasain’Andriamanitra mihitsy anefa ny hahatonga ireny fetra ireny havesatra na hamepetra tafahoatra. Tsy natao hahatonga fahakiviana na hiteraka tsy fahasambarana izy ireny. Na dia izany aza, ny teny manodidina an’ireo tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 103:14 dia milaza fa misy fetra mahazo ny olombelona afaka mahatonga fahakiviana ary miteraka tsy fahasambarana. Nahoana? Rehefa tsy nankato an’Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia nahatonga fiovan’ny tarehin-javatra ho an’ny fianakaviany ho avy izy. Nanomboka nanana heviny vaovao tamin’izay ny hoe vita amin’ny vovoka.a
4 I Davida dia tsy niresaka ny amin’ilay fetra voajanahary izay ho nanana azy na dia ny olombelona lavorary vita tamin’ny vovoka aza. Noresahiny kosa ny amin’ny maha-mora lavon’ny fakam-panahy ny olombelona vokatry ny tsy fahalavorariana nolovana. Raha tsy izany dia tsy ho nilaza ny amin’i Jehovah izy hoe: “Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, [Izay] tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika (...) na mamaly antsika araka ny helotsika.” (Salamo 103:2-4, 10). Na dia vita tamin’ny vovoka aza ny olombelona lavorary, raha nitoetra ho nahatoky izy ireo, dia tsy ho nanao heloka na ota mihitsy ka hoe ho nila famelan-keloka. Tsy ho nanana aretina nitaky fanasitranana koa izy ireo. Ambonin’izany rehetra izany, dia tsy ho voatery hidina tany an-davaky ny fahafatesana mihitsy izy ireo ka hoe tsy ho azo navotana avy tao raha tsy amin’ny fananganana amin’ny maty.
5. Nahoana no tsy sarotra amintsika ny mahazo ny hevitry ny tenin’i Davida?
5 Noho isika tsy lavorary, dia samy nandalo tamin’ireo zavatra noresahin’i Davida isika rehetra. Mahatsapa tsy an-kijanona ny fetran’ny tenantsika noho ny tsy fahalavorariana isika. Malahelo isika rehefa toa simban’izy ireny indraindray ny fifandraisantsika amin’i Jehovah na amin’ireo rahalahintsika kristiana. Malahelo isika fa indraindray ny tsy fahalavorariantsika sy ny fanerena ataon’ny tontolon’i Satana dia manosika antsika ho trotraka. Koa satria manatona haingana ny fiafarany ny fanapahan’i Satana, ny tontolony dia mampihatra fanerena vao mainka lehibe kokoa amin’ny olona amin’ny ankapobeny ary indrindra fa amin’ny Kristiana. — Apokalypsy 12:12.
6. Nahoana ny Kristiana sasany no mety hahatsapa fahakiviana, ary ahoana no mety hanararaotan’i Satana izany karazana fihetseham-po izany?
6 Tsapanao ve fa mihasarotra kokoa ny fananana fiainana kristiana? Nisy Kristiana sasany re nanao fanamarihana hoe: Arakaraka ny naha-ela azy tao amin’ny fahamarinana no toa nahatonga azy ireo ho tsy lavorary kokoa. Azo inoana kokoa anefa fa izany dia noho izy ireo nanjary nihanahatsapa kokoa ny tsy fahalavorarian’ny tenany sy ny tsy fahaizany manaraka araka izay iriny ny fari-pitsipika lavorarin’i Jehovah. Raha ny marina anefa, izany dia azo inoana fa vokatry ny fitomboana hatrany amin’ny fahalalana sy ny fahatakarana tsara ireo fepetra marina takin’i Jehovah. Tena zava-dehibe ny tsy hamelantsika mihitsy izay mety ho fahatakarana tsara toy izany hanakivy antsika ka hahatonga antsika hanao izay irin’ny Devoly hataontsika. Nandritra ireo taonjato, dia imbetsaka izy no nanandrana nanararaotra ny fahakiviana mba hanaovana izay handaozan’ny mpanompon’i Jehovah ny fanompoam-pivavahana marina. Na dia izany aza, ny fitiavana marina an’Andriamanitra, ary koa ny “fankahalana tanteraka” ny Devoly dia nisakana ny ankamaroan’izy ireo tsy hanao izany. — Salamo 139:21, 22, NW; Ohabolana 27:11.
7. Amin’ny lafiny inona no mety hahatonga antsika ho sahala amin’i Joba indraindray?
7 Na dia izany aza, dia mety hisy fotoana hahatsapan’ireo mpanompon’i Jehovah fahakiviana. Mety ho antony iray koa ny tsy fahafaham-po amin’ireo zava-bitantsika manokana. Mety ho tafiditra amin’izany ny anton-javatra ara-batana na ny fihenjanan’ny fifandraisana amin’ny mpianakavy na ny namana na ny mpiara-miasa. Nanjary kivy aoka izany i Joba nahatoky, hany ka nitalaho tamin’Andriamanitra toy izao izy: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy”. Raha afaka nanosika an’i Joba, ‘olona marina sy nahitsy sady natahotra an’Andriamanitra’, ho tratran’ny fahakiviana ny toe-javatra sarotra, dia tsy mahagaga raha mety hitranga amintsika ny zavatra toy izany. — Joba 1:8, 13-19; 2:7-9, 11-13; 14:13.
8. Nahoana no mety ho famantarana manorina ny fahakiviana tsindraindray?
8 Mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa mijery ny ao am-po i Jehovah ary tsy manao tsinontsinona ny antony manosika tsara izy! Tsy holaviny mihitsy ireo izay mikely aina amim-pahatsorana tanteraka mba hampifaly azy. Raha ny marina, ny fahakiviana tsindraindray dia mety ho famantarana manorina, famantarana manondro fa tsy manamaivana ny fanompoantsika an’i Jehovah isika. Raha jerena amin’io fomba fiheverana io, ireo izay tsy mba miady mafy mihitsy amin’ny fahakiviana, dia mety ho tsy mahatakatra tsara ny fahalemeny toy ny hahatakaran’ny hafa ny azy, raha ny lafiny ara-panahy no asian-teny. Tadidio izao: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” — 1 Korintiana 10:12; 1 Samoela 16:7; 1 Mpanjaka 8:39; 1 Tantara 28:9.
Vita tamin’ny vovoka koa izy ireo
9, 10. a) Finoan’iza no tokony hotahafin’ny Kristiana? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Mosesy teo anatrehan’ny asa nanendrena azy?
9 Ny Hebreo 11 toko faha-11 dia mitanisa vavolombelon’i Jehovah maromaro talohan’ny andro kristiana, dia vavolombelona izay naneho finoana natanjaka. Nanao toy izany koa ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany sy ireo amin’izao andro maoderina izao. Tsy hay tombanana ny lesona azo ianarana avy amin’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Hebreo 13:7.) Ny finoan’iza, ohatra, no azon’ireo Kristiana tahafina tsara kokoa noho ny an’i Mosesy? Nasaina nanambara hafatra nisy didim-pitsarana izy, ho an’ilay mpanapaka nahery indrindra teo amin’izao tontolo izao tamin’ny androny, dia i Faraon’i Egypta. Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy maintsy manambara hafatra misy didim-pitsarana mitovy amin’izany ho an’ny fivavahan-diso sy ireo fandaminana hafa izay manohitra ilay Fanjakan’i Kristy efa miorina. — Apokalypsy 16:1-15.
10 Tsy asa mora ny fanatanterahana io fanirahana io, araka ny nasehon’i Mosesy. “Iza moa aho no hankany amin’i Farao sy hitondra ny Zanak’Isiraely hivoaka avy any Egypta?”, hoy izy nanontany. Afaka mahatakatra ny fahatsapany tena ho tsy ampy fahaizana isika. Nanahy koa ny amin’izay ho fihetsik’ireo Isiraelita toa azy izy: “Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy”. Tamin’izay i Jehovah dia nanazava taminy ny fomba azony nanaporofoana ny fanomezan-dalana avy taminy. Nanan-java-nanahirana hafa iray anefa i Mosesy. Hoy izy: “Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.” — Eksodosy 3:11; 4:1, 10.
11. Sahala amin’i Mosesy, ahoana no mety ho fihetsitsika eo anoloan’ireo adidy teokratika, kanefa amin’ny fanehoana finoana dia afaka matoky ny amin’inona isika?
11 Indraindray, dia mety hanana fihetseham-po toy ny an’i Mosesy isika. Na dia ekentsika aza ireo adidintsika teokratika, dia mety hanontany tena ny amin’ny fomba ahafahantsika manatanteraka izany isika. ‘Iza moa aho no mba hanombo-dresaka amin’olona, ny sasany manana laharana ambony kokoa ara-tsosialy na ara-bola na ara-pahaizana? Iza moa aho no mba ho sahy hampianatra azy ireny ny lalan’Andriamanitra? Hanao ahoana ny fihetsik’ireo rahalahiko ara-panahy rehefa manome valin-teny aho any amin’ireo fivoriana kristiana na manao fampisehoana eny amin’ny lampihazo mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika? Tsy ho hitan’izy ireo ve ny tsy fahampian’ny fahaizako?’ Tadidio anefa fa i Jehovah dia nomba an’i Mosesy sy nanome azy fitaovana ampy ho amin’ilay asa nanendrena noho izy naneho finoana. (Eksodosy 3:12; 4:2-5, 11, 12). Raha manahaka ny finoan’i Mosesy isika, dia homba antsika i Jehovah ary hanome antsika fitaovana ampy ho amin’ny asantsika koa.
12. Ahoana no ahafahan’ny finoan’i Davida mampahery antsika eo anatrehan’ny fahakiviana noho ny ota na ny kileman-toetra?
12 Na iza na iza diso fanantenana na kivy noho ny ota na noho ny kileman-toetra dia azo antoka fa afaka mampifandray ny tenany amin’i Davida, rehefa nilaza izy hoe: “Tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.” Rehefa nitalaho tamin’i Jehovah i Davida, dia nilaza koa hoe: “Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy ny heloko rehetra.” Tsy navelany mihitsy anefa ny fahakiviana hanaisotra taminy ny faniriany hanompo an’i Jehovah. “Aza mamela ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.” Niharihary fa “vovoka” i Davida, kanefa dia tsy niala taminy i Jehovah noho izy naneho finoana an’ilay fampanantenan’i Jehovah tsy hanao tsinontsinona “ny fo torotoro sy mangorakoraka”. — Salamo 38:1-9; 51:3, 9, 11, 17.
13, 14. a) Nahoana isika no tsy tokony ho tonga mpanaraka olona? b) Amin’ny ahoana ny ohatr’i Paoly sy i Petera no mampiseho fa na dia izy ireo aza dia vita tamin’ny vovoka?
13 Mariho anefa fa na dia tokony hihevitra ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ ireo ho fampaherezana aza isika mba ‘hihazakazahana amim-paharetana amin’ilay fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika’, dia tsy asaina ho tonga mpanara-dia azy ireo isika. Asaina hanaraka ny dian’i “Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy [Mpandavorary, NW ] azy” isika, fa tsy hanaraka olombelona tsy lavorary — na dia ireo apostoly nahatoky tamin’ny taonjato voalohany aza. — Hebreo 12:1, 2; 1 Petera 2:21.
14 Ny apostoly Paoly sy Petera izay andrin’ny kongregasiona kristiana dia nanao fahadisoana indraindray. “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko”, hoy ny nosoratan’i Paoly. “Indrisy! olo-mahantra aho!” (Romana 7:19, 24). Ary niteny toy izao tamin’i Jesosy i Petera, tamin’ny fotoana iray natokiany tena tafahoatra: “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.” Rehefa nampitandreman’i Jesosy i Petera fa handa azy intelo, dia nanohitra ny Mpampianatra azy tamim-pahasahisahiana izy, ka nirehareha hoe: “Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handa Anao tokoa aho.” Kanefa dia nanda tokoa an’i Jesosy izy, dia fahadisoana izay nahatonga azy hitomany fatratra. Eny, vita tamin’ny vovoka i Paoly sy i Petera. — Matio 26:33-35.
15. Na dia eo aza ny maha-vita amin’ny vovoka antsika, fanentanana inona no ananantsika mba handrosoana amim-pahatapahan-kevitra?
15 Na dia teo aza anefa ny naha-mora lavon’ny fakam-panahy azy ireo, dia tafavoaka ho mpandresy i Mosesy sy i Davida sy i Paoly sy i Petera, ary ny hafa toa azy ireo. Nahoana? Satria naneho finoana natanjaka an’i Jehovah izy ireo, natoky azy tanteraka ary nifikitra akaiky taminy na dia teo aza ny fahavoazana nahazo azy ireo. Niantehitra taminy izy ireo mba hanome ilay “hery mihoatra noho ny mahazatra”. Ary dia nanao izany tokoa izy, tsy namela azy ireo mihitsy ho lavo tsy nisy fanafany. Raha manohy maneho finoana isika, dia afaka mahazo antoka fa, rehefa avoaka ny didim-pitsarana mahakasika antsika, izany dia hifanaraka amin’ireto teny ireto: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. Fanentanana toy inona moa izany mba handrosoana amim-pahatapahan-kevitra na dia eo aza ny maha-vita avy amin’ny vovoka antsika! — 2 Korintiana 4:7, NW; Hebreo 6:10.
Inona no dikan’ny hoe vita amin’ny vovoka ho antsika isam-batan’olona?
16, 17. Raha ny amin’ny fitsarana, ahoana no ampiharan’i Jehovah ilay fotopoto-pitsipika voazava ao amin’ny Galatiana 6:4?
16 Ny fanandraman-javatra dia nampianatra ray aman-dreny sy mpampianatra maro fa fahendrena ny itsarana ankizy na mpianatra arakaraka ny fahaizany manokana, fa tsy miorina amin’ny fampitahana atao amin’ireo iray tam-po aminy na iray kilasy aminy. Izany dia mifanaraka amin’ilay fotopoto-pitsipiky ny Baiboly nasaina narahin’ny Kristiana manao hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. — Galatiana 6:4.
17 Mifanaraka amin’io fotopoto-pitsipika io, na dia mifampiraharaha amin’ny vahoakany amin’ny maha-antokon’olona voalamina aza i Jehovah, dia mitsara azy ireo isam-batan’olona izy. Hoy ny Romana 14:12: “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.” Fantatr’i Jehovah tsara izay mahaforona ny toetra nolovain’ny tsirairay amin’ny mpanompony. Fantany izay mahaforona azy ara-batana sy ara-tsaina, ny fahaizany, ny lafiny mampahatanjaka azy sy fahalemena nolovainy, ny fahafahana ananany, ary fantany koa hoe hatraiza izy ireo no manararaotra ireny fahafahana ireny mba hamokarana vokatra kristiana. Ny fanazavana nataon’i Jesosy mikasika ilay mpitondratena izay nandatsaka farantsakely roa tao anatin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly sy ilay fanoharana nataony momba ilay voa nafafy tamin’ny tany tsara dia ohatra mampahery ho an’ireo Kristiana izay mety hahatsiaro tena ho ketraka satria tsy naneho fahendrena ka nampitaha tena tamin’ny hafa. — Marka 4:20; 12:42-44.
18. a) Nahoana isika no tokony hamaritra ny dikan’ny hoe vita amin’ny vovoka raha ny mahakasika antsika manokana? b) Nahoana no tsy mahatonga antsika hamoy fo ny fandinihan-tena amim-pahatsorana?
18 Tena zava-dehibe ny hamaritantsika ny dikan’ny hoe vita amin’ny vovoka raha ny mahakasika antsika manokana mba hahafahantsika hanompo amin’ny fahafahantsika mahavita zavatra feno indrindra. (Ohabolana 10:4; 12:24; 18:9; Romana 12:1). Rehefa tsapantsika lalina ny maha-mora lavon’ny fakam-panahy antsika sy ny fahalementsika manokana, dia amin’izay ihany isika vao afaka mitoetra ho mailaka hahatsikaritra ny ilana fanatsarana sy ireo fahafahana hanao izany. Rehefa manao fandinihan-tena isika, dia aoka tsy hanao tsinontsinona mihitsy ny herin’ny fanahy masina eo amin’ny fanampiana antsika hihatsara. Tamin’ny alalan’izy io no namoronana izao rehetra izao sy nanoratana ny Baiboly ary nampisy fitambaran’olon’ny tontolo vaovao mandry feizay eo anivon’izao tontolo izao miala aina. Koa azo antoka fa ny fanahy masin’Andriamanitra dia ampy hery hanome ny fahendrena sy ny tanjaka ilaina mba hitanana tsy fivadihana, ho an’izay mangataka izany. — Mika 3:8; Romana 15:13; Efesiana 3:16.
19. Tsy fialan-tsiny mba hanaovana inona ny maha-vita amin’ny vovoka antsika?
19 Mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa tadidin’i Jehovah ny maha-vovoka antsika! Tsy tokony hanjohy hevitra mihitsy anefa isika hoe izany dia fialan-tsiny ara-dalàna iray mba hampiraviravy tanana, na angamba mihitsy aza mba hanaovan-dratsy. Tsy izany mihitsy! Ny hoe tadidin’i Jehovah fa vovoka isika dia fisehoan’ny hatsaram-panahiny ho an’izay tsy mendrika akory. Tsy irintsika anefa ny ho “olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho [fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena tsy voafehy, NW ] sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika”. (Joda 4). Tsy fialan-tsiny mba hahatongavana ho olona ratsy fanahy ny maha-vita amin’ny vovoka antsika. Ny Kristiana dia mikely aina miady amin’ireo fironan-dratsy, amin’ny fanisiana mafy ny tenany sy amin’ny fitondrana azy io ho toy ny andevo, mba hanalavirana ny ‘hampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra’. — Efesiana 4:30; 1 Korintiana 9:27.
20. a) Amin’ny lafiny roa inona avy isika no manan-javatra ‘betsaka hefaina amin’ny asan’ny Tompo’? b) Nahoana isika no manana antony hijerena lafy tsaran-javatra?
20 Tsy izao, mandritra ireo taom-pamaranana ny fandehan-javatry ny tontolon’i Satana izao, no fotoana fampiadanana ny dia raha ny amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fampitomboana feno kokoa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Manan-javatra ‘betsaka hefaina’ isika amin’ireo lafiny roa ireo. Izao no fotoana tokony handrosoana amim-pahatapahan-kevitra satria fantatsika fa ‘tsy foana tsy akory ny fikelezantsika aina’. (1 Korintiana 15:58). Hanohana antsika i Jehovah satria niteny toy izao momba azy i Davida: “Tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22). Fifaliana toy inona moa ny mahafantatra fa i Jehovah dia mamela ny tenantsika manokana handray anjara amin’ilay asa lehibe indrindra nanendrena hataon’ny zavaboary olombelona tsy lavorary, na dia eo aza ny maha-vita amin’ny vovoka antsika!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa nanazava ny Salamo 103:14 ilay fanazavana ny Baiboly hoe Herders Bibelkommentar dia manao izao fanamarihana izao: “Fantany tsara fa namorona ny olombelona avy tamin’ny vovo-tany izy, ary fantany ny fahalemena sy ny hoe mihelina ny fiainan’izy ireo, izay mitambesatra mafy amin’izy ireo hatramin’ilay fahotana tany am-boalohany.” — Izahay no manao soramandry.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Amin’ny ahoana ny Genesisy 2:7 sy ny Salamo 103:14 no samy hafa rehefa manisy firesahana ny amin’ny olombelona ho vita tamin’ny vovoka?
◻ Nahoana no loharanom-pampaherezana ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao ny Hebreo 11 toko faha-11?
◻ Nahoana no hendry isika raha mampihatra ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Galatiana 6:4?
◻ Amin’ny ahoana ny Hebreo 6:10 sy ny 1 Korintiana 15:58 no afaka manampy mba hisorohana ny fahakiviana?
[Sary, pejy 10]
Manahaka ny finoan’ireo mpiara-mivavaka aminy ny Kristiana, saingy i Jesosy, ilay Mpandavorary ny finoany no arahiny