Katsaho hatrany ny fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra
“Fa katsaho hatrany àry aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ireo zavatra hafa rehetra ireo.” — MATI0 6:33, MN.
1, 2. Nahodin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ho inona moa ny asa izay tsara amin’ny maha-izy azy, ary fampitandremana inona no nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy?
NY mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia nitady fahamarinana araka ny fombany, izay tsy fomban’Andriamanitra. Tsy izany ihany anefa fa, rehefa tena nanao asa izay tsara amin’ny maha-izy azy izy ireo, dia nahodiny ho fahavitan-javatra feno fihatsarambelatsihy izany mba ho hitan’ny olona. Tsy nanompo an’Andriamanitra izy ireo, fa ny fireharehan’ny tenany ihany. Nampitandrina ny mpianany tamin’ny fihamboana toy izany i Jesosy ka nanao hoe: “Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo”. — Matio 6:1.
2 Ankasitrahan’i Jehovah ireo izay manome ho an’ny mahantra — fa tsy ireo izay manome toy ny nataon’ny Fariseo. Nampitandrina ny mpianany tamin’ny fanahafana azy ireny i Jesosy hoe: “Koa amin’izany, raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dàlambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany [feno, MN].” — Matio 6:2.
3. (a) Tamin’ny fomba ahoana no naha-voaloa tanteraka tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny valim-pitiany noho ny fanomezany? (b) Ahoana no naha-hafa ny toerana notanan’i Jesosy momba ny fanomezana?
3 Ny teny grika nadika hoe ‘azony ny valim-pitiany feno’ (a·peʹkho) dia teny izay hita matetika eo amin’ny rosian’ny raharaham-barotra. Ny fampiasana azy ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia manambara fa ‘efa nahazo ny valim-pitiany izy’, izany hoe, ‘efa nataony sonia ny rosian’ny valim-pitiany: ny zony hahazo ny valim-pitiany dia azo antoka, toy ny hoe efa nomena tokoa rosia iray ny amin’izany sahady izy ireo”. (Rakibolana Fanazavana ny teny ao amin’ny Testamenta Vaovao [anglisy], nosoratan’i W. E. Vine) Nampanantenaina an-karihary teny an-dalambe ny fanomezana ho an’ny mahantra. Notononina tany amin’ny synagoga ny anaran’ireo mpanome. Ireo izay nanome betsaka dia nomena voninahitra manokana tamin’ny fitoerana teo akaikin’ny raby nandritra ny fanompoam-pivavahana. Nanome izy ireo mba ho hitan’ny olona; nahita sy nanome voninahitra azy ireo ny olona; noho izany dia azony notombohana hoe “Voaloa tamin’ny fomba feno” ilay rosian’ny valim-pitia avy tamin’ny fanomezany. Toy inona moa ny naha-hafa ny toerana notanan’i Jesosy! Omeo “ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao”. — Matio 6:3, 4; Ohabolana 19:17.
Vavaka sitrak’Andriamanitra
4. Nahoana ny vavaky ny Fariseo no nahatonga an’i Jesosy hiantso ireny lehilahy ireny ho mpihatsaravelatsihy?
4 Ankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka atolotra azy — kanefa tsy toy ny fivavaky ny Fariseo. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany [feno, MN]”. (Matio 6:5) Ny Fariseo dia nanana vavaka maro natao tsianjery isan’andro, tamin’ny fotoana hentitra, na taiza na taiza nisy azy. Araka ny fiheverana, dia tokony ho nanao izany nitokana izy. Nataony fanahy iniana anefa ny naha- “teo an-joron-dàlana” azy, tazan’ny mpandalo avy tamin’ny vazan-tany efatra, rehefa tonga ny fotoana fivavahana.
5. (a) Fanao fanampiny inona avy no nahatonga ny vavaky ny Fariseo ho tsy ren’Andriamanitra? (b) Zavatra inona no napetrak’i Jesosy teo amin’ny toerana voalohany tao amin’ilay vavaka môdely nomeny, ary manaraka izany ve ny olona amin’izao androntsika izao?
5 Tamin’ny fampisehoana fahamasinana sandoka, dia ‘nanao vavaka lavareny mba ho fiolahana’ izy ireo. (Lioka 20:47) Nilaza toy izao ny lovantsofina iray: “Ny lehilahy iray tia fivavahana taloha dia niandry adiny iray talohan’ny nilazany ny Tefillah [vavaka].” (Mishnah) Amin’izany dia azo antoka fa hahita ny fitiavany fivavahana ny rehetra ka ho talanjona amin’izany! Tsy lasa ambony kokoa noho ny tampondohany ny vavaka toy izany. Nasain’i Jesosy nivavaka mitokana, tsy misy famerimberenan-teny tsy misy antony izy ireo ary nomeny ohatra tsotra. (Matio 6:6-8; Jaona 14:6, 14; 1 Petera 3:12) Nametraka ny zavatra araka ny laharam-pahamehana ny vavaka môdely nomen’i Jesosy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao”. (Matio 6:9-13) Olona vitsy ankehitriny no mahafantatra ny anaran’Andriamanitra, ary mbola vitsy kokoa ihany no maniry ny hanamasinana izany. Amin’izany no anaovany azy ho andriamanitra tsy manana anarana. Ho tonga anie ny Fanjakanao hoe? Maro no mihevitra fa efa eo izy io, ao anatin’izy ireo. Mety hivavaka ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, nefa ny ankamaroany dia manao ny sitrapon’ny tenany. — Ohabolana 14:12.
6. Nahoana no nomelohin’i Jesosy ho tsy nisy heviny ny fifadian-kanina nataon’ny Jiosy?
6 Azo ekena eo imason’i Jehovah ny fifadian-kanina — fa tsy toy ny nanaovan’ny Fariseo azy. Toy ny tamin’ny fiantrana sy ny vavaka nataon’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia nolavin’i Jesosy ho tsy nisy heviny koa ny fifadian-kanina nataon’izy ireny: “Ary raha mifady hanina hianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.” (Matio 6:16) Ambaran’ny lovantsofiny fa nandritra ny fifadian-kanina nataony, ny Fariseo dia tsy tokony hisasa na hanosotra diloilo ny tenany fa hihosotra lavenona eo amin’ny lohany. Rehefa tsy nifady hanina ny Jiosy dia nisasa sy nanosotra ny vatany tamina diloilo tsy tapaka.
7. (a) Ahoana no tokony hitondran’ny mpanara-dia an’i Jesosy tena rehefa mifady hanina? (b) Mikasika ny fifadian-kanina, inona no nirin’Andriamanitra tamin’ny andron’i Isaia?
7 Momba ny fifadian-kanina, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady, fa ho hitan’ny Rainao”. (Matio 6:17, 18) Tamin’ny andron’i Isaia, ny Jiosy lavo matetika tao amin’ny fanaovan-dratsy dia finaritra erỳ tamin’ny fifadian-kanina nataony, tamin’ny fampahoriana ny fanahiny, tamin’ny fanondrehana ny lohany, ary tamin’ny fipetrahana tao anaty gony sy lavenona. Nirin’i Jehovah anefa izy ireo hanafaka ny nampahorina, hanome hanina ny noana, hampiantrano ny tsy manan-kialofana, ary hampitafy ny mitanjaka. — Isaia 58:3-7.
Miharia harena any an-danitra
8. Inona no nahatonga ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo tsy hiraharaha ny fomba fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary fotopoto-pitsipika inona nambaran’i Paoly taty aoriana no tsy noraharahainy?
8 Tamin’ny fikatsahany ny fahamarinana, ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia tsy niraharaha ny fomba fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra ary nampifantoka ny sainy tamin’ny fideran’ny olona. Nanjary variana aoka izany tamin’ny lovantsofin’olombelona izy ireo ka nolaviny ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Naniry fatratra toerana eto an-tany fa tsy harena any an-danitra izy ireo. Tsy noraharahainy ny fahamarinana tsotra toy izay nosoratan’ny Fariseo niova ho kristiana iray, taona maro tatỳ aoriana nanao hoe: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny”. — Kolosiana 3:23, 24.
9. Loza inona avy no mety handrahona ny harena etỳ an-tany, fa inona kosa no hiaro ny tena harena?
9 Mahaliana an’i Jehovah ny fifikiranao aminy, fa tsy ny volanao any amin’ny banky. Fantany fa ny fonao dia any amin’izay itoeran’ny harenanao. Azon’ny harafesina sy ny kalalao simbana ve ny harenanao? Azon’ny mpangalatra atao ve ny mandavaka rindrin-tany ary mangalatra azy? Na, amin’ny andro ankehitriny isian’ny fihilangilanana ara-toekarena izao, moa ve mety hahenan’ny fitotonganan’ny sandam-bola ny fahafahany mividy, sa azon’ny firodanan’ny tsenam-bola foanana izany? Moa ve ny hafaingan’ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava hahatonga ny harenanao hangalarina? Tsia, raha toa ka voatahiry any an-danitra izany. Tsia, raha toa tsotra ny masonao — jiro iray izay manazava ny tenanao manontolo —, ary mifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Manana fironana hanjavona ny harena. “Aza manasa-tena hanankarena, aza entina amin’izany ny fahendrenao. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” (Ohabolana 23:4, 5) Koa nahoana ianao no tsy hahita tory amin’ny harena? “Fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:11) Tsarovy ny fampitandreman’i Jesosy hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny Harena, MN] hianareo”. — Matio 6:19-24.
Finoana mampisava fanahiana
10. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hanananao finoana an’Andriamanitra fa tsy ny fananana ara-nofo, ary torohevitra inona no nomen’i Jesosy?
10 Irin’i Jehovah ho izy no hinoanao fa tsy ny fananana ara-nofo. “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Hoy i Jesosy: “Fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany”. (Lioka 12:15) Ny vola an-tapitrisany maro any amin’ny banky dia tsy hitana ny havokavoka marary hiasa na ny fo reraka iray hipaompy. Koa “noho izany dia lazaiko aminareo hoe”, hoy ny nanohizan’i Jesosy ny Toriteniny teny an-tendrombohitra: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?” — Matio 6:25.
11. Taiza no nahitan’i Jesosy ny maro tamin’ny fanoharana nataony, ary ahoana no nampisehoana izany tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra?
11 Nanam-pahaizana tamin’ny fanaovana fanoharana am-bava i Jesosy. Nieritreritra ireny izy na taiza na taiza nojereny. Nahita vehivavy nametraka jiro nirehitra teo amin’ny fitoeranjiro izy ary nanodina izany ho fanoharana. Nahita mpiandry ondry nanavaka ny ondry tamin’ny osy izy; lasa fanoharana izany. Nahita ankizy nilalao teny an-tsena izy; lasa fanoharana izany. Ary toy izany koa tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Raha niresaka ny amin’ny fanahiana mikasika ny zavatra ilaina ara-nofo izy, dia nahita fanoharana teo amin’ny vorona nanidintsidina nanodidina teo sy ny lilia nandrakotra ny ilan-kavoana. Moa ve ny vorona mamafy sy mijinja? Tsia. Moa ve ny lilia mamoly na manenona? Tsia. Andriamanitra no nanao azy ireo; mikarakara azy izy. Ianao anefa dia misy vidiny kokoa noho ny vorona sy lilia. (Matio 6:26, 28-30) Nomeny ny Zanany ho anao, fa tsy ho azy ireo. — Jaona 3:16.
12. (a) Moa ve ny fanoharana ny amin’ny vorona sy ny voninkazo nidika fa tsy tokony hiasa ny mpianatr’i Jesosy? (b) Hevitra inona no nasehon’i Jesosy mikasika ny asa sy ny finoana?
12 Eto i Jesosy dia tsy nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy akory hoe tsy voatery hiasa izy ireo mba hamelomana sy hampitafiana ny tenany. (Jereo Mpitoriteny 2:24; Efesiana 4:28; 2 Tesaloniana 3:10-12.) Tamin’io marainan-dohataona io, ny vorona dia nihehy mafy ny tany hahitana hanina, nitady vady, nanamboatra akany, nikotrika atody, namahana ny zanany kely. Niasa izy ireo fa tsy nisy fanahiana. Ny voninkazo koa dia nanosika mafy ny fakany tany anaty tany mba hitadiavana rano sy mineraly ary nandefa ny raviny hanatratra ny hazavan’ny masoandro. Tsy maintsy nihamatotra sy namony ary nandatsaka ny voany izy talohan’ny nahafatesany. Niasa izy ireo fa tsy nisy fanahiana. Manome izay ilain’ny vorona sy ny lilia Andriamanitra. ‘Tsy mainka va izy hanome anareo izay ilainareo, ry kely finoana?’ — Matio 6:30.
13. (a) Nahoana no nety ny nampiasan’i Jesosy refy hakiho iray rehefa niresaka ny amin’ny fampitomboana ny androm-piainan’ny tena izy? (b) Ahoana no azonao analavana ny fiainanao kilaometatra an-tapitrisany maro tsy manam-pahataperana, raha azo atao ny milaza izany?
13 Koa manàna àry finoana. Aza manahy. Tsy hampiova na inona na inona ny fanahiana. “Iza aminareo, amin’ny fanahiana”, hoy ny fanontanian’i Jesosy, “no afaka manampy iray hakiho amin’ny faharetan’ny androm-piainany?” (Matio 6:27, MN) Nahoana anefa i Jesosy no mampifandray refin-kalavirana ara-batana, iray hakiho, amin’ny refim-potoana raha ny amin’ny faharetan’ny androm-piainana? Angamba satria matetika ny Baiboly dia mampitaha ny faharetan’ny androm-piainan’olombelona amin’ny dia lavitra iray, amin’ny fampiasana fomba fiteny toy ny hoe “ny làlana falehan’ny mpanota”, “ny làlan’ny marina”, ‘ny làlana malalaka mankany amin’ny fahaverezana’, ary ‘ny làlana tèry izay mankany amin’ny fiainana’. (Salamo 1:1; Ohabolana 4:18; Matio 7:13, 14) Ny fanahiana ny amin’ny zavatra ilaina isan’andro dia tsy afaka manalava ny androm-piainan’ny tena na dia ampahany kely monja aza, “iray hakiho”, raha azo atao ny milaza izany. Misy anefa fomba fanalavana ny fiainanao ho kilaometatra an-tapitrisany maro tsy manam-pahataperana, raha azo atao ny milaza izany. Tsy amin’ny fanahiana sy amin’ny fitenenana hoe: “Inona no hohaninay?” na “Inona no hosotroinay?” na “Inona no hotafinay?”, fa amin’ny fananana finoana sy amin’ny fanaovana izay asain’i Jesosy ataontsika: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ireo zavatra hafa rehetra ireo”. — Matio 6:31-33, MN.
Fanatrarana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
14. (a) Inona no foto-kevitry ny Toriteny teo an-tendrombohitra? (b) Tamin’ny fomba diso ahoana no nikatsahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny Fanjakana sy ny fahamarinana?
14 Tao amin’ny fehezanteny fanokafana tamin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra hoe an’ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy. Eo amin’ny fehezanteny fahefatra, dia nilaza izy fa hovokisana ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana. Eto i Jesosy dia mametraka ny Fanjakana sy ny fahamarinan’i Jehovah miaraka, amin’ny toerana voalohany. Izy ireo no foto-kevitry ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Izy ireo no vahaolana ny amin’izay ilain’ny taranak’olombelona manontolo. Fa amin’ny fanaovana inona no azo anatrarana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinan’Andriamanitra? Ahoana no hikatsahantsika izany hatrany? Tsy amin’ny fomba narahin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo akory. Izy ireo dia nikatsaka ny Fanjakana sy ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny Lalàn’i Mosesy, izay nihamboan’izy ireo ho nahafaoka ny lovantsofina, satria ninoany fa na ny Lalàna voasoratra na ny lovantsofina dia samy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy teny amin’ny Tendrombohitra Sinay.
15. (a) Araka ny filazan’ny Jiosy, oviana no tena niandohan’ny lovantsofiny, ary ahoana no nanandratany izany ho ambonin’ny Lalàn’i Mosesy voasoratra? (b) Oviana no tena nanombohan’ireny lovantsofina ireny, ary inona no vokany tamin’ny Lalàn’i Mosesy?
15 Izao no nolazain’ny lovantsofiny mikasika izany: “Tao Sinay i Mosesy no nandray ny Lalàna [fanamarihana ambany pejy: “Ny ‘Lalàna am-bava’ ”] ka nanankina izany tamin’i Josoa izy, ary i Josoa tamin’ireo loholona, ary ny loholona tamin’ireo Mpaminany; ary ny Mpaminany nanankina izany tamin’ireo lehilahy tao amin’ny Synagoga Lehibe.” Tamin’ny farany, dia nasandratra ho ambonin’ny Lalàna voasoratra mihitsy aza ny lalàna am-bava nananan’izy ireo: “[Raha] mandika ny tenin’ny Lalàna [voasoratra] izy, dia tsy meloka”, fa raha “manampy amin’ny tenin’ny Mpanora-dalàna [lovantsofina] izy, dia meloka”. (Mishnah) Tsy nanomboka tao Sinay ny lovantsofin’izy ireo. Raha ny marina, izany dia nanomboka nisavovona haingana taonjato roa teo ho eo talohan’i Kristy. Nampiany, nanesorany ary nofoanany ny Lalàn’i Mosesy voasoratra. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 4:2; 13:1 [12:32, MN].
16. Ahoana no ahazoan’ny taranak’olombelona ny fahamarinan’Andriamanitra?
16 Azo ny fahamarinan’Andriamanitra, tsy amin’ny alalan’ny Lalàna fa ivelan’izany: “Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota. Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy”. (Romana 3:20-22) Koa ny fahamarinan’Andriamanitra dia avy amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy — izany dia ‘nambaran’ny lalàna sy ny mpaminany’ be dia be. Ireo faminaniana momba ny Mesia dia tanteraka tao amin’i Jesosy. Nanatanteraka ny Lalàna koa izy; nesorina tsy ho eo izy io tamin’ny famantsihana azy teo amin’ny hazo fijaliany. — Lioka 24:25-27, 44-46; Kolosiana 2:13, 14; Hebreo 10:1.
17. Araka ny apostoly Paoly, tamin’ny ahoana ireo Jiosy no tsy nahatratra ny fahalalana ny fahamarinan’Andriamanitra?
17 Noho izany dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly ny amin’ny tsy fahombiazan’ny Jiosy tamin’ny fikatsahana ny fahamarinana: “Fa vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy saingy tsy araka ny fahalalana. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Fa Kristy no faran’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.” (Romana 10:2-4) Nanoratra ny amin’i Kristy Jesosy toy izao koa i Paoly: “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika”. — 2 Korintiana 5:21.
18. Ahoana no fahitan’ny Jiosy mpitana ny fombandrazana sy ny filôzôfa grika ary “izay voantso”, an’i “Kristy voahombo”?
18 Noheverin’ny Jiosy ho tsinontsinona ny Mesia iray teo am-pahafatesana. Naneso ny Mesia toy izany ho fahadalana ny filôzôfa grika. Izany anefa dia araka ny nambaran’i Paoly hoe: “Ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa, fa amin’izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona”. (1 Korintiana 1:22-25) Fanehoana ny hery sy ny fahendren’Andriamanitra i Kristy Jesosy, ary fomba anomezan’Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò. “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” — Asan’ny apostoly 4:12.
19. Inona no hasehon’ny lahatsoratra manaraka?
19 Ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho fa raha irintsika ny ho afa-mandositra ny fandringanana ka hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy mikatsaka hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany isika. Tsy maintsy atao izany, tsy amin’ny fihainoana fotsiny izay nolazain’i Jesosy, fa amin’ny fanaovana izany koa.
Fanontaniana famerenana
◻ Nahodin’ny mpanaraka akaiky ny fivavahana jiosy ho inona ny fiantrany sy ny vavaka ary ny fifadian-kanina nataony?
◻ Aiza ny toerana tsy misy loza hitehirizana ny harenanao?
◻ Nahoana no tokony hariantsika ny fanahiana ny amin’izay ilaintsika ara-nofo?
◻ Fihamboana diso inona no nataon’ireo Jiosy momba ny niandohan’ny lovantsofiny?
◻ Amin’ny alalan’ny inona no hiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany?
[Sary, pejy 16]
Tian’ny Fariseo ny nivavaka nitsangana teny an-joron-dalana, izay nety ho nahitan’ny olona azy