Tokony Hivavaka Amin’i Jesosy ve Ianao?
MIHEVITRA ny olona sasany fa araka ny tokony ho izy ny hivavahana amin’i Jesosy. Any Alemaina, dia olona maro no nampianarina, fony izy ireo mbola zaza, fa tokony hampifamihina ny tanany roa izy alohan’ny sakafo ka hisaotra an’i Jesosy Kristy.
Araka ny Baiboly, i Jesosy dia tena mitana toerana ambony marina tokoa any an-danitra. Midika anefa ve izany fa tokony hivavaka aminy isika? Angamba ianao anisan’ireo izay, noho ny fitiavana an’i Jesosy, dia manao vavaka mivantana aminy, kanefa ahoana ny hevitr’i Jesosy mihitsy momba ny vavaka toy izany?
Voalohany, nahoana no mipoitra tokoa izany fanontaniana izany? Satria milaza ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no ilay “Mpihaino vavaka”. Tsy mahagaga velively àry raha tsy nivavaka afa-tsy tamin’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny, toy ireo Isiraelita. — Salamo 5:1, 2; 65:2.
Niova ve ny toe-javatra rehefa tonga teto an-tany mba hanavotra ny taranak’olombelona tamin’ny ota sy ny fahafatesana i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra? Tsia, mbola navantana tamin’i Jehovah ihany ny vavaka. Fony i Jesosy teto an-tany, dia nivavaka matetika tamin’ny Rainy tany an-danitra ny tenany, ary nampianatra ny hafa hanao toy izany koa izy. Hevero fotsiny ilay vavaka modely, antsoina indraindray hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo na hoe Rainay Izay any An-danitra, izay iray amin’ireo vavaka fanta-daza indrindra eo amin’izao tontolo izao. Tsy nampianatra antsika hivavaka aminy i Jesosy; nanome antsika itỳ modely itỳ kosa izy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:6, 9; 26:39, 42.
Aoka isika izao hijery ilay foto-kevitra amin’ny fomba feno kokoa, amin’ny fandinihana izay atao hoe vavaka, raha ny marina.
Inona no atao hoe vavaka?
Ny vavaka rehetra dia endrika fanompoam-pivavahana iray. Manamarina izany ny The World Book Encyclopedia, amin’ny filazana hoe: “Ny vavaka dia endrika fanompoam-pivavahana iray izay ahazoan’ny olona iray manolotra fifikirana, fisaorana, fiekena heloka na fitalahoana amin’Andriamanitra.”
Tamin’ny tarehin-javatra iray dia hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’.” I Jesosy dia nifikitra tamin’ilay fahamarinana fototra hoe ny fanompoam-pivavahana — noho izany ireo vavaka koa — dia tokony hatao amin’i Jehovah Andriamanitra Rainy irery ihany. — Lioka 4:8; 6:12.
Fanekena an’i Jesosy ao amin’ny vavaka ataontsika
Maty ho sorom-panavotana ho an’ny taranak’olombelona i Jesosy, natsangan’Andriamanitra ary nasandratra ho amin’ny toerana ambony kokoa. Araka ny mety ho azonao alaina sary an-tsaina, izany rehetra izany dia tena nitondra fiovana raha ny amin’ireo vavaka azo ekena. Amin’ny lafiny inona?
Ny apostoly Paoly dia nilazalaza ny hery lehibe nentin’ny toeran’i Jesosy teo amin’ny vavaka, araka izao manaraka izao: “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” — Filipiana 2:9-11.
Moa ve ny teny hoe “amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra” midika fa tokony hivavaka aminy isika? Tsia. Ny fehezanteny grika tafiditra eto “dia milaza ilay anarana izay amin’ny alalany no miray saina izay rehetra mandohalika, ary amin’ny alalany no anoloran’izay rehetra tafaray (πᾶν γόνυ) fanompoam-pivavahana. Ilay anarana izay azon’i Jesosy dia manosika ny rehetra ho amin’ny fankalazana amim-piraisan-tsaina”. (A Grammar of the Idiom of the New Testament, nosoratan’i G. B. Winer). Tsy azo lavina fa mba hahatonga ny vavaka iray ho azo ekena, dia tsy maintsy atolotra “amin’ny anaran’i Jesosy” ilay izy, kanefa, na dia izany aza, dia atao amin’i Jehovah Andriamanitra mba ho voninahiny. Izany no antony nilazan’i Paoly hoe: “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra.” — Filipiana 4:6.
Toy ny itarihan’ny lalan-kely iray ho amin’izay toerana aleha, dia toy izany koa fa i Jesosy no “làlana” izay mitarika ho amin’ilay Andriamanitra Tsitoha. “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”, hoy ny nampianarin’i Jesosy an’ireo apostoly. (Jaona 14:6). Araka izany, dia tokony hanolotra ny vavaka ataontsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy isika, fa tsy amin’ny tenan’i Jesosy mivantana mihitsy.a
‘Kanefa’, hoy ny mety ho fanontanian’ny sasany, ‘moa ve ny Baiboly tsy mitantara fa i Stefana mpianatra sy ny apostoly Jaona dia samy niresaka tamin’i Jesosy tany an-danitra?’ Marina izany. Ireo fitrangan-javatra ireo anefa dia tsy nahatafiditra vavaka, satria samy nahita an’i Jesosy tao amin’ny fahitana ny tsirairay avy tamin’i Stefana sy i Jaona ary niresaka nivantana taminy. (Asan’ny Apostoly 7:56, 59; Apokalypsy 1:17-19; 22:20). Tadidio fa ny firesahana fotsiny, na dia amin’Andriamanitra aza, dia tsy mahaforona vavaka iray amin’ny maha-izany azy. Niresaka tamin’Andriamanitra i Adama sy i Eva, nanala tsiny ny tenany noho ny fahotana lehibe nataony rehefa nitsara azy ireo Izy taorian’ny nanotany tao Edena. Tsy vavaka akory ilay firesahan’izy ireo taminy tamin’izany fomba izany. (Genesisy 3:8-19). Noho izany, dia tsy ho marina ny hanononana ny niresahan’i Stefana sy i Jaona tamin’i Jesosy ho toy ny porofo fa tokony hivavaka aminy isika, raha ny marina.
Ahoana no ‘iantsoana’ ny anaran’i Jesosy?
Moa ve ianao manana fisalasalana tsy mety afaka ka mbola mihevitra ihany fa araka ny tokony ho izy ny hivavahana amin’i Jesosy? Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower toy izao ny vehivavy iray: “Mampalahelo fa mbola tsy miaiky foana aho fa hoe tsy nivavaka tamin’i Jesosy ireo Kristiana voalohany.” Tao an-tsain’io vehivavy io ilay tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 1:2 izay nilazany ny amin’“izay rehetra miantso ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra”. Tokony homarihina anefa fa ao amin’ny fiteny tany am-boalohany, ilay teny hoe “miantso” dia mety hidika ho zavatra hafa noho ny vavaka.
Tamin’ny fomba ahoana no ‘niantsoana’ ny anaran’i Kristy teny amin’ny tany rehetra? Ny fomba iray dia ny naneken’ny mpanara-dia an’i Jesosy avy any Nazareta azy an-karihary ho ny Mesia sy “Mpamonjy izao tontolo izao”, ka nanaovany asa mahagaga maro tamin’ny anarany. (1 Jaona 4:14; Asan’ny Apostoly 3:6; 19:5). Noho izany, ny The Interpreter’s Bible dia milaza fa ny fehezanteny hoe “miantso ny anaran’ny Tompontsika (...) dia midika ho fanekena ny maha-Tompo azy fa tsy fivavahana aminy”.
Ny fanekena an’i Kristy sy ny fanehoana finoana ny ra nalatsany izay mahatonga ny famelana ny ota hisy dia mahaforona koa ‘fiantsoana ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika’. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:43 ny 22:16.) Ary manonona ara-bakiteny ny anaran’i Jesosy isika isaky ny mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny alalany. Koa, na dia mampiseho aza ny Baiboly fa afaka miantso ny anaran’i Jesosy isika, dia tsy milaza kosa izy io fa tokony hivavaka aminy isika. — Efesiana 5:20; Kolosiana 3:17.
Izay azon’i Jesosy atao ho antsika
Nampanantena mazava tsara an’ireo mpianany i Jesosy hoe: “Na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany”. Moa ve izany mitaky ny hivavahana aminy? Tsia. Ilay fangatahana dia atao amin’i Jehovah Andriamanitra, kanefa amin’ny anaran’i Jesosy. (Jaona 14:13, 14; 15:16). Manao fangatahana amin’Andriamanitra isika mba hampiharan’i Jesosy Zanany ny heriny sy ny fahefany lehibe ho tombontsoantsika.
Amin’ny fomba ahoana no ifandraisan’i Jesosy amin’ireo tena mpanara-dia azy amin’izao andro izao? Azo ampiasaina ho fanoharana ny filazalazan’i Paoly ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra. Nohariny tamin’ny tena iray izy io ary i Jesosy Kristy kosa nohariny tamin’ny loha. Ny “Loha” dia manome izay ilain’ireo anisan’ilay tena ara-panahy amin’ny alalan’ny ‘famavany sy ny hozatra’, na ireo fomba sy fandaharam-pamatsiana ny kongregasionany amin’ny sakafo sy ny fitarihana ara-panahy. (Kolosiana 2:19). Amin’ny fomba mitovy amin’izany ihany, i Jesosy amin’izao andro izao dia mampiasa “fanomezana voaforona lehilahy” na lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy mba hitarika ao amin’ny kongregasiona, hampihatra famaizana mihitsy aza raha manjary tena ilaina izany. Tsy misy fandaharana natao mba hifandraisan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona mivantana amin’i Jesosy na mba hivavahana aminy, fa izy ireo dia tena tokony, eny tsy maintsy, mivavaka amin’ny Rain’i Jesosy, dia i Jehovah Andriamanitra. — Efesiana 4:8-12, NW.
Amin’ny fomba ahoana no hanajanao an’i Jesosy?
Mahakasika ny famonjena ny olombelona, dia anjara asa lehibe toy inona moa no tanan’i Jesosy! Nihiaka toy izao ny apostoly Petera: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena”. (Asan’ny Apostoly 4:12). Tsapanao ve ny maha-zava-dehibe ny anaran’i Jesosy?
Amin’ny tsy fanaovana vavaka mivantana amin’i Jesosy manokana dia tsy mampietry ny toerana tanany akory isika. Hajaintsika kosa aza i Jesosy rehefa mivavaka amin’ny anarany isika. Ary toy ny hanajan’ireo zanaka ny ray aman-dreniny amin’ny fankatoavana azy ireny, isika koa dia manaja an’i Jesosy Kristy amin’ny fankatoavana ny didiny, indrindra ilay didy vaovao mba hifankatiavana. — Jaona 5:23; 13:34.
Ireo vavaka azo ekena
Irinao ve ny hanolotra vavaka azo ekena? Ataovy mivantana amin’i Jehovah Andriamanitra àry izy ireny ary ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Zanany izany. Tongava amin’ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra, ary aoka ny vavaka ataonao hanome taratry ny fahazoanao izany hevitra izany. (1 Jaona 3:21, 22; 5:14). Manovoza tanjaka amin’ny teny ao amin’ny Salamo 66:20 manao hoe: “Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindrampony tamiko.”
Araka ny hitantsika, ny vavaka dia endrika fanompoam-pivavahana iray izay an’Andriamanitra Tsitoha irery ihany. Amin’ny fanaovana ireo vavaka rehetra tononintsika amin’i Jehovah Andriamanitra, isika dia manambara fa nalatsatsika am-po ny torohevitr’i Jesosy mba hivavaka hoe: “Rainay Izay any an-danitra”. — Matio 6:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mety hivavaka amin’i Jesosy ny olona sasany satria mino izy ireo fa i Jesosy no Andriamanitra. Kanefa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Rainy ny tenany mihitsy. (Jaona 20:17). Mba hahazoana fanazavana amin’ny tsipiriany momba io foto-kevitra io, dia jereo ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.