Ataovy noho ny vaovao tsara ny zavatra rehetra
“Izany rehetra izany dia ataoko noho ny vaovao tsara hahafahako mizara izany amin’ny hafa koa.” — 1 KORINTIANA 9:23, MN.
1. Toetra inona moa no iombonantsika rehetra, nefa fototra ho amin’ny inona moa nomen’Andriamanitra?
NA DIA samy hafa amin’ny lafiny maro aza isika rehetra dia manana toetra iray iombonana. Amin’ny maha-mpandova an’i Adama antsika, dia teraka mpanota isika, lavitra an’Andriamanitra Avo Indrindra, dia i Jehovah (Romana 5:12; Kolosiana 1:21). Araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” (Romana 3:23). Mba ho voavonjy àry ny olona avy amin’ny firazanana sy firenena rehetra dia mila ny hampihavanana amin’Andriamanitra indray. Ary tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny nampisehoan’i Jehovah fitiavana sy famindram-po tsy manam-paharoa ka nanomezany ny fototra mba hahafahantsika mihavana aminy indray!
2. a) Asa inona moa no nankinina tamin’ireo kristiana voahosotra? b) Ohatr’iza moa no afaka ianarantsika, ary nahoana (1 Korintiana 11:1)?
2 Taonjato 19 lasa izay, ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra dia nampanankinana ny “asa fampihavanana”. Hoy Paoly: “Solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo.” (2 Korintiana 5:18-20). Toe-tsaina nanao ahoana no nanaovan’ilay apostoly io asa io? “Na dia afaka amin’ny olona rehetra aza aho”, hoy izy, “dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.” (1 Korintiana 9:19). Tsy azo lavina fa vonona ny hanao fiezahana i Paoly mba hanambarana ny hafany tamin’ny fomba mandaitra, satria hoy izy hoe: “Izany rehetra izany dia ataoko noho ny vaovao tsara hahafahako mizara izany amin’ny hafa koa.” (1 Korintiana 9:23). Inona àry no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Paoly?
Nanampy ireo Jiosy feno fanetren-tena izy
3. Tamin’ny ahoana moa no nampisehoan’i Paoly ny fahavononany hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara teo amin’ny raharaha nahakasika an’i Timoty sy ireo Jiosy?
3 Jiosy ny fiavian’i Paoly, ary vonona ny hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara izy, ka ireo zavatra roa ireo dia nanome azy ny fitaovana nilaina mba hanampy ireo Jiosy feno fanetren-tena mba hanaiky fa i Jesosy no Mesia. Diniho, ohatra, izay nataon’ilay apostoly rehefa nifidy an’i Timoty hiara-dia taminy izy. Tsy voafora toy ny ankizilahy jiosy rehetra i Timoty, izay grika ny rainy (Levitikosy 12:2, 3). Fantatr’i Paoly fa mety ho tafintohina ireo Jiosy raha lehilahy tsy voafora no hitady hanampy azy ireo hihavana indray amin’Andriamanitra. Noho izany àry, mba tsy hanakanana ireo Jiosy tso-po tsy hanaiky an’i Jesosy, inona no nataon’i Paoly? “Nalainy izy [Timoty] ka noforany noho ny Jiosy. Izany no nataony na dia tsy zavatra notakina tamin’ny kristiana aza ny famorana. — Asan’ny apostoly 16:1-3.
4. Araka ny 1 Korintiana 9:20, inona moa ny zava-kendren’i Paoly?
4 Toy izany àry no nanaovan’i Paoly ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara rehefa nampiseho fiahiana feno fitiavana ireo Jiosy nitovy taminy izy. Nanoratra toy izao izy: “Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna.” (1 Korintiana 9:20). Eny tokoa, toy ny nasehon’ny zava-nitranga tamin’i Timoty, i Paoly dia nanao izay azony natao mba hahazoana ireo Jiosy, ka nanampy azy ireo ho tonga kristiana. Toy izany ve anefa no nataony tamin’ireo Jentilisa?
Niezaka ny hahazo ireo Jentilisa izy
5. Iza moa no nitorian’i Paoly tany Korinto, ary inona ny vokany?
5 Taorian’ny nahatongavany tao amin’ny tanànan’i Korinto teo tamin’ny fararanon’ny taona 50 am. fan. ir., i Paoly dia nanao lahateny isan-kerinandro tao amin’ny synagoga teo anoloan’ny mpanatrika voaforona Jiosy sy proselyta Grika nivadika ho amin’ny fivavahana jiosy. Ny fitoriany feno faharisihana anefa dia nampirehitra fanoherana aoka izany, hany ka nilaza toy izao tamin’ireo fahavalony izy: “Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; amin’izao sisa izao dia hankany amin’ny Jentilisa aho.” Notahin’i Jehovah izany fiovana izany, satria “maro (...) ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa” tamin’ny naha-kristiana. Raha ny marina, tao amin’ny fahitana iray, dia namporisika an’i Paoly mba tsy hiala amin’ny fanompoana nanendrena azy ny Tompo ka nilaza taminy hoe: “Manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho.” — Asan’ny apostoly 18:1-10.
6. Inona moa no nanesika an’i Paoly hampiseho fiheverana ireo izay tsy nitovy fiaviana taminy?
6 Ny faniriana amim-pahatsoran’i Paoly ny hahazo Jentilisa hivadika ho amin’ny kristianisma dia nanesika azy hampiseho fiheverana koa amin’ireo olona hafa dia hafa fihaviana aminy. “Tamin’izay tsy manana lalàna [Jentilisa], dia toy izay tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy, mba hahazoako izay tsy manana lalàna.” (1 Korintiana 9:21). Tamin’ny fomba ahoana no niezahan’ilay apostoly hahazoana ireo Jentilisa?
7. Raha ny amin’ny famorana, nahoana moa ny toe-javatra nisy an’i Titosy no samy hafa tamin’ny an’i Timoty?
7 Rehefa nankany Jerosalema i Paoly tany amin’ny 49 am. fan. ir. tany ho any mba hanatrehana fivoriana lehibe nataon’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana, dia nanara-dia azy ilay mpianatra grika atao hoe Titosy. Tamin’ireo rahalahy tafavory teo, dia nanao tatitra ny amin’ny asa fitoriany tany amin’ireo Jentilisa izy, ary nanoratra toy izao tatỳ aoriana: “Na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy.” (Galatiana 2:1-3). Tsy toy ny tamin’i Timoty, fa teo amin’ireo olona tsy voafora teo amin’ireo Jentilisa voalohany indrindra no nanaovan’i Titosy ny fanompoany. Noho izany dia tsy nitranga taminy ny fanontaniana momba ny famorana. — 2 Korintiana 8:6, 16-18, 23; 12:18; Titosy 1:4, 5.
8. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Paoly fanambarana tany Atena?
8 Rehefa nanao fanambarana tany Atena i Paoly dia nampiseho indray fa nanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara izy. Nihevitra ny fomba fijerin’ireo mponina tao amin’io renivohitr’i Grisia io izy ary niresaka taminy ny amin’ilay Andriamanitra tsy fantatr’izy ireo sy nanonona ireo mpanao tonon-kirany, Aratus sy Cléanthe, izay nilaza hoe: “Fa terany koa isika.” Tamin’izany àry ilay apostoly dia niezaka ny hanampy ireo mpihaino azy hahatakatra fa “tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataony ho tahaka ny (...) vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona”. Ambonin’izany dia nandrindra hevitra toy izao i Paoly: “Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka.” Hainy tokoa ny nitarika azy ireo ho amin’ilay “Tompon’ny lanitra sy ny tany,” dia i Jehovah. Ary inona no vokany? “Ny olona sasany niray taminy ka nino.” (Asan’ny apostoly 17:22-34). Eny tokoa, nahomby ireo fomba nampiasan’i Paoly!
9. Tamin’ny heviny ahoana moa i Paoly no tonga ‘malemy ho an’ny malemy’, ary nahoana?
9 Tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy”, hoy i Paoly (1 Korintiana 9:22a). Na dia nahery aza ny lahatenin’ilay apostoly, dia nanam-piheverana ny feon’ny fieritreretana malemin’ny Jiosy sy ny Jentilisa sasany tao amin’ny kongregasiona izy. Namporisika ireo kristiana romana toy izao izy: “Raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.” Tsy nitsara ny hafa i Paoly fa nilaza kosa hoe: “Aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.” (Romana 14:1, 13, 19). Nanome izao torohevitra izao izy: “Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.” (Romana 15:1). Tsapany ny andraikiny ny amin’ny tokony hanovàna ny fomba fiteniny sy fihetsiny mba hanampiana ny hafa, ka nanoratra izy hoe: “Efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra.” — 1 Korintiana 9:22b; Galatiana 3:28.
Hatsarao ny fahaizanao mitory
10. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Paoly ankehitriny?
10 Mila ny manahaka an’i Paoly ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny toy ny nanahafany an’i Kristy (1 Corinthiens 11:1). Mpitory mahay ilay apostoly io ary nanana ny toe-tsain’ny misionera. Mety ho marina koa izany ny amintsika, na dia tsy mamela antsika hanompo any amin’ny faritany ivelan’ny tanintsika aza ny toe-javatra misy antsika. Tahaka an’i Paoly, dia tsy maintsy “manao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara isika mba hahafahantsika mizara izany amin’ny hafa.” (1 Korintiana 9:23.) Inona anefa no afaka hanatsara ny fahaizantsika amin’ny maha-mpitory ny Fanjakana sy mpanao mpianatra antsika? — Matio 28:19, 20.
11. Amin’ny maha-minisitra antsika, nahoana isika no tokony hanatsara ny fahaizantsika mandini-javatra?
11 Miezaha mba hanatsara ny fahaizanao mandini-javatra. Amin’ny fahaiza-mandinika, dia afaka mianatra zavatra betsaka izay hanampy anao hampifanaraka ny fampisehoanao ny vaovao tsara amin’ireo tompon-trano iresahanao tsirairay avy ianao. Raha miresaka amin’ny olona any amin’ny tanàn-dehibe ianao, ohatra, dia diniho ireo hidim-baravarana, ireo haingon-trano ara-pivavahana, sy ireo soratra mipetaka eo amin’ny varavarankely. Afaka hanampy anao hanao fanambarana mety hanohina ny fon’ireo olona mipetraka amin’ny trano toy izany ireo zavatra ireo. Tsy misy isalasalana fa nahay nandini-javatra i Paoly. Tany Atena izy dia nampiasa alitara nisy soratra hoe “Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra” tao amin’ny fanambarana tsara dia tsara nataony momba ilay “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra”. (Asan’ny apostoly 17:22-25.) Afaka manao izany koa ianao eo amin’ny fanompoanao.
12. Inona no anjara asan’ny fahaiza-manavaka eo amin’ny fanompoantsika?
12 Manàna fahaiza-manavaka eo amin’ny fanompoana. Aza kivy amin’ny tsy toa fetezan’ny olona iray hanokatra varavarana sy hiresaka aminao avy hatrany. Aza mety ho ketraky ny tarehy sarotsarotiny fa mampisehoa kosa hatsaram-po ary manehoa fahaiza-manavaka. Miezaha hampifanaraka ny fanambaranao amin’ny tarehin-javatra miseho. Raha mivavaka fohy anaty koa ianao dia mety ho afaka hiteny zavatra mety hanohina ny fon’ilay olona ka hanosika azy hamaly tsara. — Ampitahao amin’ny Nehemia 2:4-6.
13. Ahoana no mety hanehoantsika fiheverana amin’ireo izay itoriantsika?
13 Manàna fiheverana ny hafa. Amin’io lafiny io, dia afaka manao zavatra maro samihafa ianao noho ny vaovao tsara. Ny fananana fiheverana ny hafa, ohatra, dia hanakana anao tsy hihazona olona be taona na marary ela eo am-baravarana. Afaka manipy hevitra aminy ianao fa azonareo atao koa ny miresaka ao an-tranony, satria mety aminy kokoa izany. Na afaka manapa-kevitra koa ny hanafohy ny fitsidihanao ianao noho io tarehin-javatra io. Na manao ahoana na manao ahoana, manàna fiheverana ny hafa. Asehoy fa miahy ny aminy ianao. — Matio 9:35, 36.
14. Rehefa manao fanambarana isika, amin’ny fomba ahoana moa no anaovantsika izay tsy hahasadaikatra ireo mihaino antsika?
14 Miresaha amin’ny fomba tsy hahatsiarovan’ireo mihaino anao ho sadaikatra. Atombohy amin’ny fiarahabana amim-pisakaizana azo ekena eo an-toerana ny fanambaranao (Matio 10:12). Hevero fa mety hisy tahotra na fitsarana an-tendrona ao amin’ilay olona. Miresaha amim-pahalalam-pomba sy amim-pisakaizana avy amin’ny fo. Izany dia hanampy ilay tompon-trano hahazo toky fa ny hanampy azy no hahatongavanao fa tsy manana antony manosika hafa akory ianao.
15. Nahoana moa ianao no tokony hanome fanazavana mety momba ny tenanao sy ny antony itsidihanao ilay olona?
15 Mila ny mahafantatra hoe iza no mitsidika ireo tompon-trano sy ny antony itsidihanao azy. Koa omeo fanazavana mety momba ny tenanao àry izy. Any amin’ny tany sasany toa an’ny any Afrika sy any Azia, dia mahaliana ny olona aoka izany ny mahita mpitsidika ka may ta-hahazo valiny amin’ny fanontaniana toy ireto izy: Iza moa ianao? Avy aiza ianao? Manam-bady ve ianao? Manan-janaka ve ianao? Mba hahatonga ny toe-javatra hahafinaritra, ny fahalalam-pomba dia mitaky ny hamalianao ireo fanontaniana ireo alohan’ny hanazavanao ny anton-dianao. Aza heverina ho toy ny zavatra tsy ilaina ireny teny fampidirana ireny, fa ampiasao kosa io fotoana io mba handinihana ilay olona ary jereo amin’ny maso izy nefa amin’ny fomba feno fanajana.
16. Amin’ny ahoana moa no mety hanampian’ny fanontaniana mety hihazona fifandraisana amin’ilay tompon-trano?
16 Mampiasà fanontaniana mety mba hihazonana ny fifandraisanao amin’ilay tompon-trano. Na dia efa mampiharihary zavatra sasany aza ny tarehin’ny olona iray, dia ilaina ho takatra ihany ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. Mba hahatongavana amin’izany, dia afaka mampiseho fahaizana manontany zavatra izay mety hanesika azy hilaza ny heviny sy izay tsapany ianao. Indro misy ohatra hanazavana izany: Nilaza izao manaraka izao momba ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny Ramatoa tsy manan-janaka iray izay nikarakara be ireo biby: “Ny zavatra tadidiko momba ny tarehiny nitsikitsiky dia ny fiadanany nasehony. Gaga aho. Nanontany ahy io ramatoa io ny amin’izay nampiahiahy ahy indrindra eo amin’ny zavatra mitranga eto an-tany. Nolazaiko izy fa mampanahy ny fomba fitondran’ny olona ny biby, ary dia nasehony ahy ny Isaia 11:6-9 izay miresaka momba ny biby miaina ao anatin’ny tena fiadanana. Naniry hahalala bebe kokoa aho.”
17. Nahoana isika no tokony ho mailaka hihaino izay mety holazain’ilay tompon-trano momba ny toe-javatra misy azy?
17 Mbà mailaka mihaino izay lazain’ilay tompon-trano mikasika ny tarehin-javatra misy azy, indrindra any amin’ny faritany voatsidika matetika. Amin’izany fomba izany, na dia fohy aza ny fotoana niresahanareo, dia angamba ianao hahafantatra zavatra mendrika ny ho fantatra momba ilay olona. Rehefa avy nandao ny tranony ianao, dia mariho vetivety eo amin’ny fandraisanao an-tsoratra izany. Ahoana anefa raha manontany zavatra tsy hainao valina ilay tompon-trano? Dia manaova fikarohana ao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower mba hahafantarana izay fomba tsara indrindra hizarana ny vaovao tsara amin’ilay olona amin’ny fitsidihanao azy manaraka.
Ohatra ho an’ireo misionera
18. Inona moa no afaka ianaran’ireo misionera sy ny hafa koa amin’ny ohatr’i Paoly?
18 Anisan’ireo manao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara ireo misionera nahazo fiofanana tany amin’ny Sekolin’i Gileada, ny Sekoly ara-baibolin’ny Fikambanana Watch Tower. Afaka mianatra amin’ny ohatr’i Paoly izay nanana toe-tsaina misionera tsara dia tsara izy ireo. Tsy naniry izy, ohatra, ny ho meloka ny hanisy vato misakana mety hanakana ireo Jiosy na ireo Jentilisa tsy hanaiky ny fahamarinana. Nitandrina tsara àry ilay apostoly ny amin’izay nohaniny, ary nananatra ireo kristiana korintiana koa izy mba hijery tsara mba tsy hanafintohina ny hafa na dia nanana zo hihinana sakafo sasany aza izy ireo (1 Korintiana 8:8, 9). Izao no nambaran’ny Profesora F. F. Bruce tao amin’ny Baibolin’ny taonjato vaovao (angl.): “Raha ny amin’ny raharaha tsy dia manao ahoana loatra (toy ny hanina izay fototry ny ady hevitra ao amin’ny [1 Korintiana] toko faha-8), [i Paoly] dia nanaraka ireo fomba fanaon’ireo niarahany tamin’iny fotoana iny, mba tsy hanisy vato misakana eo amin’ny fiezahany mba ‘hahazo’ azy ho an’ny filazantsara.” (Romana 14:21). Toy izany koa ireo misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manandrana manova ny fomba fanaon’ireo olona ao amin’ny faritany nanendrena azy, na dia omena fanampiana ara-panahy aza ireo vaovao mba hanao ireo fiovana ilaina mba hahazo sitraka amin’Andriamanitra. — Romana 12:1, 2.
19. Rehefa manao mpianatra isika, fanovana inona avy moa no mety tsy maintsy ataon’ireo a) misionera? b) mpitory ny Fanjakana rehetra?
19 Ireo misionera vao tonga eo amin’ny faritany nanendrena azy dia mila ny mianatra ny fomba fanaon’ny mponina ao zavatra. Fotoana ahitany fanandraman-javatra feno izany, ary afaka manampy azy mba hahomby kokoa eo amin’ny asa fitoriany. Raha ny tena izy, mba tsy hanafintohina ny hafa, dia mety hila ny hanao fiovana eo amin’ny fiakanjony sy ny fihaingony izy ireo. Raha vao tonga tany Afrika Andrefana, ohatra, ny anabavy misionera iray, dia nahamarika fa nampitovy azy mora foana tamin’ireo vehivavy ratsy fitondrantena teo an-toerana ny fomba fampiasany zavatra fihosotra hanatsaran-tarehy. Novàny haingana àry ny fomba fandravahany ny tarehiny mba tsy hampisalasala ny hafa momba ny antony manosika azy hanao zavatra. Marina fa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra no tokony haneho fahaiza-mitsara eo amin’ny fiakanjony sy ny fihaingony mba hanampiana ny hafa eo amin’ny ara-panahy. Azo antoka fa tsy haniry ny hanafintohina ny hafa na iza na iza ny kristiana izay anarina ‘mba tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy’ sy mba hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. — Romana 14:13, 19.
20. a) Ho famintinana, inona no hanampy antsika “hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara”? b) Fanontaniana inona avy no mbola tokony hovalina?
20 Miankina voalohany indrindra amin’ny fitahian’i Jehovah ny fahombiazantsika amin’ny maha-mpitory ny Fanjakana antsika (1 Korintiana 3:6, 7). Kanefa mila manao fiezahana koa isika. Koa mahaiza mandini-javatra àry, toy ny nataon’i Paoly teo amin’ny asa fitoriany. Mampiasà fahaiza-manavaka, mampisehoa fiheverana ny hafa, ataovy izay tsy hahasadaikatra ilay tompon-trano, ary mampiasà fanontaniana mety mba hihazonana ny fifandraisana aminy. Araho ireo fomba fanaon’ny hafa na dia mety ho hafahafa aza izy ireo fa tsy mifanipaka amin’ny Baiboly. Eny, aoka isika ‘hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara, mba hahafahantsika mizara izany amin’ny hafa’. (1 Korintiana 9:23.) Inona anefa no hatao amin’ireo efa anisan’ireo rahalahintsika kristiana? Amin’ny fomba ahoana no tokony handraisantsika azy ireo?
Inona no havalinao?
Inona no nataon’i Paoly mba hanampiana ireo Jiosy ho tonga kristiana?
Tamin’ny fomba ahoana no niezahan’i Paoly hahazo ireo Jentilisa?
Inona avy ireo fomba hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika mitory?
Ohatra inona no navelan’i Paoly ho an’ireo misionera sy mpitory ny Fanjakana hafa?