-
Fandresena ny Fahalemen’olombelonaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Martsa
-
-
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:12, 13). Isika rehetra, na tanora isika na antitra, na lahy na vavy, dia tojo fakam-panahy maro any am-pianarana, any am-piasana, na any an-toeran-kafa.
-
-
Fandresena ny Fahalemen’olombelonaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Martsa
-
-
7. Nahoana no mampionona ny mahafantatra fa nisy olon-kafa nahatohitra fakam-panahy tamim-pahombiazana?
7 Mampionona antsika erỳ ireto tenin’i Paoly ireto: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona”! (1 Korintiana 10:13). Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Tohero [ny devoly], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” (1 Petera 5:9). Eny, nisy olon-kafa tojo fakam-panahy mitovy amin’izay mahazo antsika, nefa nahatohitra tamim-pahombiazana ireny fakam-panahy ireny noho ny fanampian’Andriamanitra. Afaka manao toy izany koa isika. Miaina eo anivon’ny tontolo iray manana fitondran-tena ratsy anefa ny Kristianina marina, ka afaka manampo ny halaim-panahy isika rehetra na ho ela na ho haingana.
-
-
Fandresena ny Fahalemen’olombelonaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Martsa
-
-
12. Inona no angatahintsika amin’Andriamanitra rehefa mivavaka isika hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”?
12 Manome izao fanomezan-toky mampahery izao i Paoly: “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13). Ny fomba iray anampian’i Jehovah antsika dia ny famaliany ireo vavaka ataontsika rehefa mangataka ny fanampiany mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fakam-panahy isika. Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy Kristy: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” (Matio 6:13). Ho valin’ny vavaka amim-pahatsorana toy izany, dia tsy handao antsika ao anatin’ny fakam-panahy i Jehovah fa hanafaka antsika amin’i Satana sy ireo zavatra ataony feno hafetsen-dratsy. (Efesiana 6:11). Tokony hangataka amin’Andriamanitra isika mba hanampiany antsika hahay hanavaka ireo fakam-panahy sy hanan-kery hanoherana azy ireny. Raha mitalaho aminy isika mba tsy hamela antsika ho lavo rehefa alaim-panahy isika, dia hanampy antsika izy mba hahatonga antsika tsy ho resin’ilay “ratsy”, dia i Satana.
13. Inona no tokony hataontsika rehefa tojo fakam-panahy maharitra isika?
13 Tena mila mivavaka amim-kafanam-po isika rehefa tojo fakam-panahy maharitra. Mety hiteraka ady anaty mahery vaika ny fakam-panahy sasany, eny, ady amin’ny eritreritra sy ny fihetsika izay mampahatsiahy antsika mafy fa malemy isika raha ny marina. (Salamo 51:5). Inona, ohatra, no azontsika atao raha mampahory antsika tsy an-kijanona ny fahatsiarovana zava-dratsy nataontsika taloha? Ahoana raha alaim-panahy hiverina amin’izany isika? Aza mianina fotsiny amin’ny fifehezana ny fihetseham-po toy izany, fa ento eo anatrehan’i Jehovah amim-bavaka ilay raharaha—imbetsaka raha ilaina izany. (Salamo 55:22). Amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny fanahiny masina, dia afaka manampy antsika hanadio ny saintsika amin’ny fironana maloto izy.—Salamo 19:8, 9.
14. Nahoana no tena ilaina ny vavaka mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fahalemen’olombelona?
14 Rehefa voamarik’i Jesosy fa rendremana ireo apostoliny, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia nampirisika mafy toy izao izy: “Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Matio 26:41). Ny fomba iray handresena fakam-panahy dia ny fisehoana ho mailo amin’ireo endriny maro samihafa mety hisehoan’ny fakam-panahy, ary eo koa ny fahaiza-manavaka ireo endriny an-kolaka. Faran’izay zava-dehibe koa ny mivavaka tsy misy hataka andro momba ilay fakam-panahy, mba hahatonga antsika ho voaomana ara-panahy hiady amin’ilay izy. Tsy afaka hanohitra samirery ny fakam-panahy isika satria mamely antsika amin’izay mora ahavoazana antsika indrindra izy io. Tena ilaina ny vavaka, satria afaka manamafy ny fiarovantsika ny tenantsika amin’i Satana, ny herin’Andriamanitra. (Filipiana 4:6, 7). Mety hilaintsika koa ny fanohanana ara-panahy sy ny vavaka ataon’ny “loholon’ny kongregasiona”.—Jakoba 5:13-18, NW.
Manaova zavatra hoenti-manohitra ny fakam-panahy
15. Inona no tafiditra amin’ny fanoherana fakam-panahy?
15 Ankoatra ny fanalavirana fakam-panahy rehefa azo atao izany, dia tsy maintsy manao zavatra hoenti-manohitra azy io isika mandra-pahalasan’ilay izy na mandra-piovan’ny toe-javatra. Rehefa nalain’i Satana fanahy i Jesosy, dia nanohitra izy, mandra-pahalasan’ny Devoly. (Matio 4:1-11). Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Manomboka manohitra ny fakam-panahy isika rehefa manatanjaka ny saintsika amin’ny Tenin’Andriamanitra sy manapa-kevitra amin’ny fomba hentitra fa hifikitra amin’ireo fari-pitsipiny. Maneho fahendrena isika raha manao tsianjery sy misaintsaina ireo andinin-teny fototra mifandray amin’ny fahalemen’ny tenantsika manokana. Ho fahendrena ny mitady Kristianina matotra iray—angamba loholona—izay amborahantsika ny fanahiantsika sy azontsika itadiavana fanampiana rehefa sendra tojo fakam-panahy isika.—Ohabolana 22:17.
16. Ahoana no ahafahantsika manana fitondran-tena mahitsy hatrany?
16 Mampirisika mafy antsika mba hitafy ny toetra vaovao ny Soratra Masina. (Efesiana 4:24). Izany dia midika ho famelana an’i Jehovah hamolavola sy hanova antsika. Hoy i Paoly raha nanoratra tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao”. (1 Timoty 6:11, 12). Afaka ‘miezaka hitady fahamarinana’ isika, amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantarana tsara ny toetrany, ary koa mba hitondrantsika tena mifanaraka amin’ireo zavatra takiny. Faran’izay zava-dehibe koa ny fandaharam-potoana feno asa kristianina, toy ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanatrehana fivoriana. Hanampy antsika hitombo ara-panahy sy hanana fitondran-tena mahitsy hatrany ny fanatonana an’Andriamanitra sy ny fanararaotana amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy nataony.—Jakoba 4:8.
17. Ahoana no ahalalantsika fa tsy hahafoy antsika Andriamanitra mandritra ny fakam-panahy?
17 Manome toky antsika i Paoly fa tsy hihoatra mihitsy an’izay azontsika atrehina araka ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika, ny fakam-panahy rehetra mahazo antsika. ‘Hanisy lalana hahafahantsika hahazaka izany’ i Jehovah. (1 Korintiana 10:13). Eny tokoa, tsy hamela ny fakam-panahy hanjary hahery loatra Andriamanitra ka hoe tsy ho ampy hery ara-panahy hihazonana tsy fivadihana isika raha manohy miantehitra aminy. Iriny ny hahitantsika fahombiazana eo amin’ny fanaovan-javatra hoenti-manohitra ny fakam-panahy hanao izay ratsy eo imasony. Fanampin’izany, dia afaka mino izao fampanantenany izao isika: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.—Hebreo 13:5.
-