Eo Amin’ny Latabatr’iza Ianao no Mihinana?
“Tsy mahazo mihinana amin’ny latabatr[’i Jehovah, NW ] sy ny latabatry ny demonia hianareo.” — 1 KORINTIANA 10:21.
1. Latabatra inona avy no mivelatra eo anoloantsika, ary fampitandremana inona no omen’ny apostoly Paoly mikasika azy ireo?
ASEHON’IREO teny ara-tsindrimandry nataon’ny apostoly Paoly ireo fa misy latabatra ara-panoharana roa mivelatra eo anoloan’ny taranak’olombelona. Fantatra amin’ilay karazan-tsakafo ara-panoharana mipetraka eo amboniny ny latabatra tsirairay, ary isika rehetra dia samy mihinana eo amin’ilay iray na eo amin’ilay faharoa. Raha maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra anefa isika, dia tsy afaka ny hihinana eo amin’ny latabany sady hitsaingoka eo amin’ny latabatry ny demonia koa amin’izay fotoana izay. Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia hianareo. Tsy mahazo misotro amin’ny kapoak[an’i Jehovah, NW ] sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatr[’i Jehovah, NW ] sy ny latabatry ny demonia hianareo.” — 1 Korintiana 10:20, 21.
2. a) Latabatr’i Jehovah inona no nisy tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny, ary iza avy no nahazo anjara tamin’ireo fanati-pihavanana? b) Midika ho inona ny fihinanana eo amin’ny latabatr’i Jehovah amin’izao andro izao?
2 Mampahatsiaro antsika an’ireo fanati-pihavanana na sorona ho fiombonana (NW ) natolotr’ireo Isiraelita fahiny teo ambanin’ny Lalàn’i Jehovah, ireo tenin’i Paoly. Nantsoina hoe latabatra ny alitaran’Andriamanitra, ary izay nitondra biby hatao fanatitra dia nolazaina fa niombona tamin’i Jehovah sy ireo mpisorona. Tamin’ny ahoana izany? Voalohany, dia nahazo anjara tamin’ilay fanatitra i Jehovah satria nafafy teo ambonin’ny alitarany ilay ra, ary nolevonin’ny lelafo teo ambany ny jabora. Faharoa, dia nahazo anjara ilay mpisorona, tamin’ny hoe nihinana ny tratra natono sy ny fe havanan’ilay biby natao fanatitra izy (sy ny fianakaviany). Ary fahatelo, dia nahazo anjara ilay mpanolotra, tamin’ny fihinanana ny sisa tamin’ilay izy. (Levitikosy 7:11-36). Amin’izao andro izao, ny fihinanana eo amin’ny latabatr’i Jehovah dia midika ho ny fanomezantsika azy ilay karazana fanompoam-pivavahana izay takiny, araka ny ohatra nomen’i Jesosy sy ireo apostoliny. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy mamahan-tena ara-panahy amin’izay omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany isika. Ireo Isiraelita izay nanana fiombonana manokana tamin’i Jehovah teo amin’ny latabany, dia norarana tsy hanolotra fanatitra ho an’ny demonia teo amin’ny latabatr’izy ireo. Eo ambanin’ny fandrarana avy amin’Andriamanitra toy izany koa ny Isiraelita ara-panahy sy ny “ondry hafa” namany. — Jaona 10:16.
3. Ahoana no mety hahatonga olona iray ho meloka ho nihinana teo amin’ny latabatry ny demonia amin’izao androntsika izao?
3 Ahoana no mety hahatonga olona iray ho meloka ho nihinana teo amin’ny latabatry ny demonia amin’izao androntsika izao? Amin’ny fampandrosoana izay mety ho zavatra manohitra an’i Jehovah. Ny latabatry ny demonia dia mahatafiditra ny fampielezan-kevitra rehetra araka ny demonia, izay natao mba hamitahana sy hampialana antsika amin’i Jehovah. Iza no haniry hamahana ny fony sy ny sainy amin’ny poizina toy izany? Ny tena Kristiana dia tsy mety mandray anjara amin’ireo fanatitra atolotry ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao ho an’ireo andriamanitry ny ady sy ny harena. — Matio 6:24.
Fanalavirana “ny latabatry ny demonia”
4. Fanontaniana inona no atrehintsika rehetra, ary nahoana isika no tsy hinia haniry hihinana amin’ny latabatry ny demonia?
4 Ny fanontaniana atrehintsika rehetra dia ny hoe: Eo amin’ny latabatr’iza aho no mihinana? Tsy afa-mandositra izao zava-misy izao isika: voatery mihinana eo amin’ilay latabatra iray na eo amin’ilay faharoa isika. (Ampitahao amin’ny Matio 12:30.) Tsy hinia haniry hihinana eo amin’ny latabatry ny demonia isika. Mahatonga antsika hamoy ny fankasitrahan’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina sy velona, izany. Etsy an-danin’izany, dia mitarika ho amin’ny fahazoantsika fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana ny tsy fihinanana sakafo afa-tsy eo amin’ny latabatr’i Jehovah ihany! (Jaona 17:3). Misy fitenenana hoe izay haninao no maha-ianao anao. Na iza na iza àry maniry hitana fahasalamana tsara ara-batana sy ara-tsaina, dia tsy maintsy mitandrina ny sakafo hohaniny. Tsy mitondra fahasalamana ara-batana mitohy ho antsika ny sakafo tsizarizary be menaka, na dia atao matsiro noho ireo zavatra simika aharo aminy aza. Toy izany ireo fampielezan-kevitra eo amin’itỳ tontolo itỳ, izay nolaroana tamin’ireo hevitra araka ny demonia: sakafo tsizarizary ara-panoharana ratsy izay hanimba ny saintsika izy ireo.
5. Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny fihinanana amin’ireo fampianarana araka ny demonia?
5 Nilaza mialoha ny apostoly Paoly fa mandritra ny andro farany, dia ho voavily lalana ny olona noho ny “fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1). Tsy vitan’ny hoe hita ao amin’ireo zavatra inoana ara-pivavahana diso ihany izany fampianarana araka ny demonia izany, fa ambara ombieny ombieny amin’ny fomba hafa koa. Ilaintsika, ohatra, ny mamakafaka sy manombana izay boky sy gazetiboky vakin’ny tenantsika sy ny zanatsika, izay fandaharana ao amin’ny televiziona hitantsika, ary izay lalao sy sarimihetsika jerentsika. (Ohabolana 14:15). Raha mamaky tantara noforonina isika mba hialana voly, moa ve izy io manantitrantitra herisetra tsy mifaditra ovana, firaisana tsy ara-dalàna, sa asan’ny maizina? Raha mamaky tantara tena misy isika mba hahitana fianarana, moa ve izy io filozofia na fomba fiaina iray “tsy araka an’i Kristy”? (Kolosiana 2:8). Misy volavolan-kevitra poaka aty ve aseho ao, sa lazaina ao ny maha-mety ny fidirana amin’ny fihetsiketsehana ara-tsosialy araka an’izao tontolo izao? Mampandroso ny fahatapahan-kevitra ho tonga mpanankarem-be ve izy io? (1 Timoty 6:9). Zavatra vita an-tsoratra mampiseho an-kolaka fampianarana mampisaratsaraka izay tsy sahala amin’ny an’i Kristy ve izy io? Raha eny no valin’izany ary mbola manohy mamaky na mijery zavatra toy izany ihany isika, dia mety hihinana eo amin’ny latabatry ny demonia isika. Amin’izao andro izao dia misy zavatra vita an-tsoratra ana hetsiny maro izay mampandroso filozofia araka an’izao tontolo izao izay toa feno fahalalana sy eken’ny rehetra. (Mpitoriteny 12:12). Tsy misy tena vaovao anefa ny amin’izany fampielezan-kevitra izany; ary tsy mitondra tombontsoa sy fanatsarana ho an’ny tena koa izany, toy ny tsy nitondran’izay nolazain’i Satana tamin-kafetsen-dratsy fanatsarana ho an’i Eva. — 2 Korintiana 11:3.
6. Rehefa manasa antsika hanandrana ny sakafo tsizarizary araka ny demonia i Satana, dia ahoana tokoa no tokony ho fihetsitsika?
6 Noho izany, dia ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa manasa antsika hanandrana ny sakafony tsizarizary araka ny demonia i Satana? Toy izay nataon’i Jesosy fony izy nalain’i Satana fanahy hanova vato ho tonga mofo. Namaly toy izao i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra’.” Ary rehefa notoloran’ny Devoly “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny” i Jesosy raha niankohoka sy nanolotra fanompoam-pivavahana indray mandeha monja tamin’i Satana, dia namaly toy izao i Jesosy: “Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’.” — Matio 4:3, 4, 8-10.
7. Nahoana isika no mamita-tena raha mieritreritra fa afaka amim-pahombiazana ny sady mihinana eo amin’ny latabatr’i Jehovah no mihinana eo amin’ny latabatry ny demonia?
7 Tsy azo ampiombonina mihitsy ny latabatr’i Jehovah sy ny latabatra velarin’ireo demonia fahavalony! Eny tokoa, efa nisy nanandrana nanao izany taloha. Tsarovy ireo Isiraelita fahiny tamin’ny andron’ny mpaminany Elia. Nilaza ho nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ny vahoaka, kanefa nino izy ireo fa nisy andriamani-kafa, toa an’i Bala, nampanantena fanambinana. Nanatona ny vahoaka i Elia ary nilaza hoe: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” Tsy azo lavina fa ireo Isiraelita dia nanao tongo-dovia tamin’ny “tongony iray aloha, avy eo dia tamin’ilay ilany indray”. (1 Mpanjaka 18:21; The Jerusalem Bible). Nihaika an’ireo mpisoron’i Bala mba hanaporofo ny naha-andriamanitra ny andriamaniny, i Elia. Izay Andriamanitra afaka nandefa afo avy tany an-danitra teo ambonin’ny fanatitra no ho hita fa Andriamanitra marina. Na dia teo aza ny ezaka be nataon’ireo mpisoron’i Bala, dia tsy nahomby izy ireo. Avy eo, dia nivavaka fotsiny i Elia hoe: “Mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra [marina, NW ]”. Avy hatrany dia nisy afo avy tamin’i Jehovah nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay biby natao fanatitra izay dibo-drano. Taitra noho ilay fampisehoana nampiaiky mikasika ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah, ny vahoaka ka nankato an’i Elia ary dia namono ireo mpisoron’i Bala rehetra 450. (1 Mpanjaka 18:24-40). Koa ankehitriny, dia tsy maintsy manaiky an’i Jehovah ho ilay Andriamanitra marina isika ary tsy maintsy mikely aina amim-pahatapahan-kevitra mba tsy hihinana afa-tsy eo amin’ny latabany ihany, raha mbola tsy nanao izany isika.
Mandroso sakafo eo amin’ny latabatr’i Jehovah ‘ny mpanompo mahatoky’
8. Mpanompo manao ahoana moa no nolazain’i Jesosy mialoha fa hampiasainy hamahanana ara-panahy ny mpianany mandritra ny fanatrehany, ary iza ilay mpanompo?
8 Nilaza mialoha i Jesosy Kristy Tompo fa mandritra ny fanatrehany, dia hisy “mpanompo mahatoky sy malina” hanome sakafo ara-panahy an’ireo mpianany: “Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47, NW ). Hita fa tsy olon-tokana akory io mpanompo io, fa ny kilasin’ireo Kristiana nanolo-tena sy voahosotra kosa. Io kilasy io dia nametraka teo amin’ny latabatr’i Jehovah ny sakafo ara-panahy tsara indrindra ho an’ny sisa voahosotra sy ny “vahoaka betsaka”. Ny vahoaka betsaka, izay miisa maherin’ny efatra tapitrisa izao dia miandany, miaraka amin’ny sisa voahosotra, amin’ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao sy amin’ny Fanjakany izay hanamasinany ny anarany masina. — Apokalypsy 7:9-17, NW.
9. Fitaovana inona no nampiasain’ilay kilasin’ny mpanompo mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ahoana no nilazalazana ara-paminaniana ny fihinanan’izy ireo hanim-py?
9 Nampiasa ny Watch Tower Bible and Tract Society io kilasin’ny mpanompo mahatoky io mba hanomezana hanina ara-panahy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Raha mosarena ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny sisa amin’itỳ fandehan-javatra itỳ noho ny tsy fisian’ny sakafo ara-panahy mahavelona, ny vahoakan’i Jehovah kosa dia mihinana hanim-py. (Amosa 8:11). Izany dia ho fahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 25:6 hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.” Araka ny asehon’ny Is 25:7, 8 andininy faha-7 sy faha-8, dia hitohy mandrakizay io fanasana io. Fitahiana toy inona moa izany ho an’izay rehetra ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso amin’izao fotoana izao, ary mbola hitohy ho fitahiana toy inona moa izany amin’ny hoavy!
Mitandrema amin’ny sakafo voapoizina eo amin’ny latabatry ny demonia
10. a) Karazan-tsakafo inona no omen’ilay kilasin’ny mpanompo ratsy fanahy, ary inona no antony manosika azy ireo? b) Ahoana no itondran’ilay kilasin’ny mpanompo ratsy fanahy an’ireo mpanompo namany taloha?
10 Voapoizina ny sakafo eo amin’ny latabatry ny demonia. Diniho, ohatra, ny sakafo omen’ilay kilasin’ny mpanompo ratsy fanahy sy ireo nivadi-pinoana. Tsy mamelona na manatanjaka izy io; tsy mahasalama izy io. Tsy afaka ny ho toy izany izy io satria nitsahatra tsy nihinana teo amin’ny latabatr’i Jehovah ireo mpivadi-pinoana. Ho vokany, dia tsy eo intsony izay mety ho efa nampitomboiny tamin’ny toetra vaovao. Ny manosika azy ireo dia tsy ny fanahy masina, fa lonilony mahery vaika. Zava-kendrena tokana ihany no imatimatesany: hikapoka ireo mpanompo namany taloha, araka ny nolazain’i Jesosy mialoha. — Matio 24:48, 49.
11. Inona no nosoratan’i C. T. Russell mikasika ny safidin’ny olona iray eo amin’ny sakafo ara-panahy, ary ahoana no nilazalazany an’ireo izay nandao ny latabatr’i Jehovah?
11 Tany amin’ny taona 1909, ohatra, dia nanoratra mikasika ireo izay niala tamin’ny latabatr’i Jehovah sy nanomboka nanao ratsy fitondra ny mpanompo namany taloha, i C. T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1909 (anglisy): “Izay rehetra mampisaraka ny tenany amin’ny Fikambanana sy ny asany, dia tsy mampiroborobo ny tenany na mampahery ny hafa ao amin’ny finoana sy amin’ny fampitomboana ny vokatry ny fanahy, fa toa manao ny mifanohitra amin’izany — manandrana manisy ratsy ilay Foto-kevitra izay nijoroany taloha izy ireo, ary somary ao anatin’ny kotaba ihany no ilentehany tsikelikely any anatin’ny fanadinoana, tsy manao afa-tsy ny manimba ny tenany sy ny hafa izay itoeran’ny toe-tsaina tia ady toy izany. (...) Raha misy mihevitra fa afaka mahazo sakafo tsara toy izao na tsara kokoa izy ireo any an-databatra hafa, na hoe afaka mamokatra tsara toy izao na tsara kokoa ny tenany — dia aoka izy hizotra amin’ny lalany. (...) Kanefa, na dia avelantsika aza ny hafa handeha na aiza na aiza sy eny rehetra eny mba hahita sakafo sy fahazavana mahafa-po azy, dia mahagaga fa ireo izay tonga mpifanandrina amintsika dia mizotra amin’ny lalana hafa dia hafa. Tsy milaza araka ilay fihetsi-dehilahy eo amin’izao tontolo izao izy ireo manao hoe: ‘Nahita zavatra tiako kokoa aho; veloma!’ fa mampiseho fahatezerana kosa izy ireo, manao fo lentika, mampiseho fankahalana, fifandirana, dia ‘asan’ny nofo sy ny devoly’ izay mbola tsy rentsika akory hoe efa nataon’ny olona teo amin’izao tontolo izao. Toy ny hoe azon’ny fahadalana izany izy ireo, voan’ny hydrophobie [haromotana] avy amin’i Satana. Mikasi-tanana antsika ny sasany amin’izy ireo, ary avy eo dia lazainy fa isika indray no nanao ilay fikasihan-tanana. Vonona ny hilaza sy hanoratra lainga fanaratsiana izy ireo, ary mampietry tena amin’ny fanaovan-javatra mampiseho fahambaniana.”
12. a) Ahoana no ikapohan’ireo mpivadi-pinoana ireo mpanompo namany? b) Nahoana no mampidi-doza ny mihinana amin’ireo asa soratry ny mpivadi-pinoana noho ny fitiavana hahafanta-javatra?
12 Eny, ireo mpivadi-pinoana dia mamoaka zavatra vita an-tsoratra izay mampiasa fanolanan-kevitra sy fahamarinana sadasada ary lainga tsotra izao. Tonga manao loha laharana any amin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelona mihitsy aza izy ireo, manandrana mamandrika ny tsy malina. Noho izany, dia hampidi-doza ny hamelana ny fitiavantsika hahafanta-javatra hanosika antsika hihinana amin’ny asa soratra toy izany, na hihaino ny fitenenan-dratsy ataony! Na dia mety tsy hihevitra izany ho loza ho an’ny tenantsika manokana aza isika, dia eo ihany ny voina mety hihatra. Nahoana? Ny antony iray, dia satria ny sasany amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny mpivadi-pinoana dia mampiseho lainga amin’ny alalan’ny “teny malefaka” sy “teny mamitaka”. (Romana 16:17, 18; 2 Petera 2:3). Tsy izany ve no ampoizinao avy amin’ny latabatry ny demonia? Ary na dia mety hampiseho zava-misy sasany aza ireo mpivadi-pinoana, dia mazàna ireny no nalaina ivelan’ny faritra nisehoany, ho fikendrena ny hitaona ny hafa hiala amin’ny latabatr’i Jehovah. Manakiana sy manaratsy fotsiny ny asa soratra rehetra ataony! Tsy misy na inona na inona mampahery.
13, 14. Inona avy no voa entin’ny mpivadi-pinoana sy ny fampielezan-keviny?
13 Hoy i Jesosy: “Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:16). Inona avy izao no voa entin’ny mpivadi-pinoana sy ireo zavany vita an-tsoratra? Zavatra efatra no manamarika ny fampielezan-keviny. 1) Hafetsifetsena. Milaza ny Efesianina 4:14 (DIEM ) fa “mamorona tetika hampivaona ny sasany” izy ireo. 2) Fahakingan-tsaina feno avonavona. 3) Tsy fisiam-pitiavana. 4) Fanaovana ny tsy marina amin’ny endriny isan-karazany. Ireo indrindra no kanonkanona amin’ny sakafo eo amin’ny latabatry ny demonia, ka ireo rehetra ireo dia natao mba hanimbana ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah.
14 Ary misy lafiny hafa iray. Niverina taiza moa ireo mpivadi-pinoana? Tamin’ny toe-javatra maro, izy ireo dia niditra indray tao amin’ny haizin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ireo foto-pampianarany, toy ny finoana fa hankany an-danitra avokoa ny Kristiana rehetra. Ambonin’izany, ny ankamaroany dia tsy manana fijoroana mafy araka ny Soratra Masina intsony mikasika ny ra sy ny fialanalanana ary ny ilana hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Isika anefa, dia afa-nandositra ny haizin’i Babylona Lehibe, ary tsy maniry mihitsy ny hiverina any. (Apokalypsy 18:2, 4). Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah tsy mivadika antsika, nahoana moa isika no haniry akory hanopy maso amin’ny fampielezan-kevitra avoakan’ireny mpanilika ny latabatr’i Jehovah ireny izay mikapoka amin’ny teny ireo manampy antsika handray ny “teny mahasoa” izao? — 2 Timoty 1:13, NW.
15. Fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly inona no manampy antsika hizotra amin’ny lalam-pahendrena rehefa mandre fiampangana ataon’ny mpivadi-pinoana isika?
15 Ny sasany dia mety ho diso ta hahafanta-javatra loatra momba ireo fiampangana ataon’ny mpivadi-pinoana. Tokony handray am-po ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Deoteronomia 12:30, 31 anefa isika. Eto i Jehovah dia nampitandrina ireo Isiraelita, tamin’ny alalan’i Mosesy, mikasika izay tokony hohalavirina raha vantany vao voaroakany ireo mponina mpanompo sampy tao amin’ny Tany Nampanantenaina. “Mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony hianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny hianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. Aza manao toy izany amin’i Jehovah Andriamanitrao”. Eny, fantatr’i Jehovah Andriamanitra ny fomba fiasan’ny fitiavana hahafanta-javatra eo amin’ny olombelona. Tadidio i Eva ary koa ny vadin’i Lota! (Lioka 17:32; 1 Timoty 2:14). Aoka isika tsy hanongilan-tsofina na oviana na oviana amin’izay lazain’ireo mpivadi-pinoana, na amin’izay ataony. Aoka kosa isika ho variana amin’ny fampaherezana ny olona sy amin’ny fihinanana amim-pahatokiana eo amin’ny latabatr’i Jehovah!
Ny latabatr’i Jehovah ihany no hitoetra
16. a) Inona no hitranga tsy ho ela amin’i Satana sy ny demoniany ary ilay latabatra ara-panoharana nihinanan’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao? b) Inona no hitranga amin’ny olona rehetra izay manohy mihinana eo amin’ny latabatry ny demonia?
16 Tsy ho ela dia hipoaka tampoka ny fahoriana lehibe, handroso haingana ho amin’ny fiafarana iray amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. (Apokalypsy 16:14, 16). Hahatratra ny fara tampony izy io rehefa haringan’i Jehovah itỳ fandehan-javatra itỳ sy ilay latabatra ara-panoharana izay nihinanan’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. Haongan’i Jehovah koa ny fandaminan’i Satana Devoly tsy hita maso manontolo miaraka amin’ireo andiana demoniany. Ireo izay nanohy nihinana teo amin’ny latabatra ara-panahin’i Satana, ny latabatry ny demonia, dia ho voatery hanatrika fisakafoana ara-bakiteny iray, tsia, tsy ho mpihinana akory izy ireo, fa ho ny sakafo lehibe indrindra haroso kosa — ho fandringanana azy ireo! — Jereo ny Ezekiela 39:4; Apokalypsy 19:17, 18.
17. Fitahiana inona avy no ho tonga amin’ireo izay tsy mihinana afa-tsy eo amin’ny latabatr’i Jehovah ihany?
17 Ny latabatr’i Jehovah ihany no hitoetra. Ireo izay mihinana amim-pankasitrahana eo amin’izany dia hotsimbinina ary hahazo tombontsoa hihinana eo mandrakizay. Tsy handrahona azy ireo intsony ny tsy fahampian-tsakafo na karazany inona na karazany inona. (Salamo 67:6; 72:16). Hanompo an’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Paradisa izy ireo, ao anatin’ny fahasalamana tanteraka! Ho tanteraka amin’ny fomba mampitolagaga amin’izay ireo teny mampientam-po ao amin’ny Apokalypsy 21:4 hoe: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Koa satria tsy hisy fanoherana intsony, dia hekena hatraiza hatraiza sy ho mandrakizay doria ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Ary amin’izay, ny fitahian’Andriamanitra dia hirotsaka eo amin’ny taranak’olombelona navotana izay hitoetra eo amin’ny tany tonga Paradisa. Mba hahazoana izany valisoa izany, dia aoka isika rehetra samy ho tapa-kevitra ny tsy hihinana afa-tsy eo amin’ny latabatr’i Jehovah ihany, dia ilay latabatra izay feno sakafo ara-panahy tsara indrindra tondraka!
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny ho voafitak’ireo fampianarana araka ny demonia?
◻ Nahoana isika no tsy afaka amim-pahombiazana ny sady mihinana eo amin’ny latabatr’i Jehovah no mihinana eo amin’ny latabatry ny demonia?
◻ Karazan-tsakafo inona no omen’ny mpivadi-pinoana?
◻ Nahoana no mampidi-doza ny fitiavana hahafanta-javatra mikasika ireo fiampangana ataon’ny mpivadi-pinoana?
◻ Inona avy no voa entin’ny mpivadi-pinoana?
[Sary, pejy 10]
Feno sakafo ara-panahy tsara indrindra tondraka ny latabatr’i Jehovah