Ireo lovantsofina ara-pivavahana sy ny Baiboly
“FOANANAREO ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo [amin’ny lovantsofinareo, MN ].” Tsy iza fa Jesosy Kristy no nilaza ireo teny ireo (Marka 7:13). Sahala amin’ny olona maro amin’izao androntsika izao, ireo Jiosy velona tamin’ny andron’i Jesosy dia nanaraka tamim-pitandremana fatratra, fitambaram-panao sy fitsipika be kojakojany. Sahala amin’ny mpitondra fivavahana maro amin’izao androntsika izao, ireo filoha ara-pivavahana jiosy dia nihevitra ireny lovantsofina ireny ho sarobidy kokoa noho ny Baiboly.
Haka ohatra iray isika: Nandidy ny zanaka mba hanaja ny ray aman-dreniny ny Tenin’Andriamanitra (Eksodosy 20:12). Nazava àry fa tokony hanampy ireo ray aman-dreniny ny zanaka rehefa misy fahasahiranana ara-bola lehibe. Ny lovantsofina jiosy iray anefa dia nanome fomba malalaka hialana amin’io adidy voalazan’ny Baiboly io. Ampy ho an’ny olona tia tena iray ny nanaiky hanome any aoriana ny fananany manokana ho an’ny tempoly mba hanokanana izany sy hanambarana azy fa “korbana”, teny milaza “fanatitra ho an’Andriamanitra”. Toa sady afaka ny ho tompon’ny fananany “korbana” ihany izany Jiosy izany no nanana fahafahana tsy hampandray soa ny ray aman-dreniny tamin’izany. — Marka 7:9-12.
Nalan’i Jesosy sarona kosa izany fanao izany mbamin’ny ‘lovantsofina masina’ hafa narahin’ny Jiosy. Niteny mafy azy ireo toy izao izy: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ” — Matio 15:3-9.
Noho ny fahalalana ireo tenin’i Jesosy ireo, tena afaka mieritreritra ve ny kristiana iray fa mifanaraka amin’ny Baiboly daholo ny lovantsofina ara-pivavahana rehetra? Sarotra ny hanaiky izany. Na manao ahoana na manao ahoana fifikirany amin’ny fanao toy izao na izao, dia irin’ny kristiana ny hahafantatra alohan’ny zavatra hafa rehetra na mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra izany na tsia. Aoka hojerentsika momba izany ny sasantsasany amin’ireo fanao ara-pivavahana voalazalaza ao amin’ilay boky katolika mitondra ny anarana hoe Fianarana litorjia tsotra indrindra (anglisy), nataon’i María Lombillo Clark, ary aoka ampitahaintsika amin’izay tena lazain’ny Baiboly izany.
[Efajoro]
NY LITORJIA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Manolotra fanompoam-pivavahana “Anaka, arovy ny tenanareo
ho an’Andriamanitra amin’ny amin’ny sampy.” — 1 Jaona 5:21.
alalan’ny fankamasinana isika.” “Andriamanitra dia Fanahy; ary
izay mivavaka aminy tsy
maintsy mivavaka amin’ny
fanahy sy ny fahamarinana.”
— Jaona 4:24.
“Fa finoana no andehanantsika,
fa tsy fahitana.”
“Izaho no Jehovah, izany no
anarako, ka ny voninahitro
tsy homeko ny hafa, na ny
fiderana Ahy ho an’ny
sarin-javatra voasokitra.”
— Isaia 42:8.
“Tokony hankamasina an’i Maria “Aza manao sarin-javatra
Virijina Masina Indrindra isika. voasokitra ho anao, na ny
Izany fankamasinana rehetra izany mety ho endriky ny zavatra
anefa (...) amin’ny farany dia atao izay eny amin’ny lanitra
ho an’Andriamanitra, toy ny anomezam- ambony, na izay etỳ amin’ny
boninahitra mpanjaka iray rehefa tany ambany (...). Aza
manome voninahitra ireo minisiny.” miankohoka eo anatrehany,
ary aza manompo azy.”
“Ary izaho Jaona (...) dia
niankohoka hivavaka teo
anoloan’ny tongotr’ilay anjely
(...) Dia hoy izy tamiko:
Tandremo, aza manao izao;
(...) Andriamanitra ihany no
ivavaho.” — Apokalypsy
22:8, 9.
“Fa iray no Andriamanitra, ary
iray no Mpanalalana
amin’Andriamanitra sy ny
olona, dia Kristy Jesosy, Izay
olona.” — 1 Timoty 2:5.
“Tena ilaina ny hisian’ny Lakroa eo “Andriamanitra Izay nanao
amin’ny otely; raha tsy misy an’io dia izao tontolo izao sy ny eo
tsy azo atao ny mankalaza ny Lamesa aminy rehetra, Izy no
Masina. Ilaina koa ny lamban’otely Tompon’ny lanitra sy ny
telo, fanaovan-jiro roa sy ny takelaka tany ka tsy mba mitoetra
kely fahamasinana.” ao anaty tempoly nataon’
tànana.” — Asa. 17:24.
“Tsy mijery ny hita izahay,
fa ny tsy hita.”
“Ny 1 novambra (...) no ankalazana ny “Ny maty tsy mba hidera an’i
fetin’ny Toussaint. An’ny fanahy rehetra Jehovah, na izay midina
izay velona any an-danitra ao anatin’ny any amin’ny mangingina.”
fahatretrehana io andro io; ho avy ny — Salamo 115:17.
fotoana hahatonga izany ho antsika koa.” “Fa ny maty kosa tsy mba
mahalala na inona na
inona.” — Mpitoriteny 9:5.
“Ary izay [ny fanahy, Darby]
rehetra tsy hihaino izany
mpaminany izany dia
haringana.” — Asa. 3:23.
“Mba hanampiana ireny fanahy ireny, “Fa tsy misy asa na
[ny Eglizy] dia nanao ny 2 novambra fahalalana, na fahaizana,
ho Andron’ireo olo-mahatoky maty. na fahendrena any amin’ny
Amin’io andro io ny pretra dia manao seoly izay halehanao.”
lamesa telo mba hanamaivanana ny — Mpitoriteny 9:10,
fijalian’ireo fanahy voatany izay ao Fandikan-teny katolika.
amin’ny afo fandiovana sy mba “Aza mametraka ny
hanafainganana ny fidiran’izy ireo any fitokianareo amin’ny (...)
an-danitra.” zanak’olombelona (...)
“Rehefa fakafakaina farany, ny miverina amin’ny vovony izy,
fampianarana katolika ny amin’ny afo ary amin’izay andro izay
fandiovana dia miorina amin’ny ihany dia levona ny hevitra
lovantsofina, fa tsy amin’ny Soratra kasainy.” — Salamo
Masina.” — Firaketana katolika vaovao 146:2-4, Fandikan-teny
(anglisy), boky faha-11, pejy faha-1034. katolika.
Afaka amin’ny lovantsofina manimba
Araka izany, dia lovantsofina ara-pivavahana tiam-bahoaka maro no tsy ankasitrahan’Andriamanitra ka noho izany dia manimba. Kanefa, moa ve ny apostoly Paoly tsy nanoratra hoe: “Ary midera anareo aho, satria (...) hianareo (...) mitana tsara ny fampianarana natolotra [ny lovantsofina, MN ], araka ny nanolorako azy taminareo.” (1 Korintiana 11:2). Izany tokoa, kanefa niresaka ny amin’ny lovantsofina tsara sy mahasoa, miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, izy — fa tsy ny amin’ny fombafomba tsy misy heviny naorin’ny olona. Tamin’ny taonjato I, ireny lovantsofina ireny dia nisolo ny “fitondrantena adala” ‘nentin-drazan’ny’ maro talohan’ny nahatongavana ho kristiana. — 1 Petera 1:18.
Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, ny olona iray izay matahotra an’Andriamanitra dia tokony hamakafaka ireo lovantsofina ka hanary izay rehetra miharihary fa tsy araka ny Baiboly. Tsy azo lavina fa sarobidy lavitra noho izay rehetra mety ho endri-panompoam-pivavahana noforonin’olombelona ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra! Marina fa tsy mora velively akory ny miala amin’ny lovantsofina tsy araka ny Baiboly, satria mandrakariva dia voakasika amin’izany ny fahazarana tranainy. Nahatsapa izany ity tanora kolombiana katolika vonton’ny lovantsofina ara-pivavahana aoka izany. Hatramin’ny fahazazany, dia namelona faniriana mafy ny ho tonga pretra izy. ‘Nanao lamesa’ no kilalao niarahany nanao tamin’ireo anabaviny, ary nihaino ny “konfesy” nataon’izy ireo aza izy. Taona maro tatỳ aoriana, dia voaray tao amin’ny sekoly fanombohana amin’ny seminera izy, ary farany dia niditra tao amin’ny oniversite katolika. Tao, dia tafalentika lalina kokoa ihany teo amin’ny fiainany ireo lovantsofina ara-pivavahana.
Indray andro, dia tonga tao an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Na dia tsy namela loatra ilay mpitsidika hiresaka aza ireo ray aman-dreniny, dia nanamarika an’io zazalahy tia fivavahana io ny teniny vitsivitsy. Tatỳ aoriana, dia nandamina fotoana izy mba hiaraha-mianatra mangingina tamin’ilay Vavolombelona. Hoy izy nahatsiahy izany: “Niriko tamim-pahatsorana ny hianatra hahafantatra ny Baiboly tamin’ny lafiny hafa, nefa tsy hiala amin’ny fivavahako. Tiako alohan’ny zavatra rehetra ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny maha-pretra, ka hanandrana hanova ny fon’ny olona. Rehefa avy nianatra iray volana aho, dia nanomboka niady saina, satria nifanipaka tamin’ireo fotopoto-pitsipika madio ao amin’ny Soratra masina ireo lovantsofina sy fombafomban’ny fivavahako.”
Nanery azy hitsahatra tsy hianatra Baiboly ny fianakaviany, ary tamin’ny farany, dia voatery nandao ny tokantranony izy. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia hoy izy: “Rehefa roa volana no nianarako Baiboly, dia niaiky aho fa tao anatin’ny fahadisoan-kevitra tanteraka. Nialako àry ny oniversite sy ny toerana nampianarako tao amin’ny sekolim-pivavahana iray mba hanokanan-tena tamin’ny fitoriana isan-trano. Amin’izao andro izao, dia miova ny fiainako sy ny fahazarako. Endrey ny fahasambarana tsapako tamin’ilay andro tsy hay hadinoina nanamarihako ny fanolorako ny tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa!” Amin’izao fotoana izao io zazalahy io dia manokana ny fotoanany rehetra hanampiana ny mpiara-belona aminy hanafa-tena amin’ny lovantsofina manala baraka an’Andriamanitra.
Raha mafana fo amin’ny fitandremana ireo lovantsofina ara-pivavahana ianao, dia angamba hoheverinao fa ilaina koa ny hanaovana fiovana eo amin’ny fiainanao. Tadidio izay nolazain’i Jesosy indray andro tamin’ilay vehivavy Samaritana teo akaikin’ny fantsakana. Hatramin’ny taonjato maro ny Samaritana dia zatra ny nivavaka tamin’Andriamanitra teo an-tendrombohitra Gerizima. Nampahafantarin’i Jesosy azy anefa fa izany dia lovantsofina tsy misy vidiny rehefa nanambara taminy toy izao izy: “Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. (...) ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” — Jaona 4:19-23.
Moa ve ianao anankiray amin’ireo ‘tadiavin’ny Ray’? Maniry fatratra ny hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana ve ianao? Raha izany no izy, ny fampitandreman’i Paoly voarakitra ao amin’ny Kolosiana 2:8 dia mahakasika anao indrindra: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry razana [ny lovantsofin’olombelona, Grosjean et Léturmy]. Araho kosa ireo fampianaran’ny tena kristianisma. Hitondra ho anao ny fiainana mandrakizay izany. — Jaona 17:3.