Araho ny Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana
SARY velona mampiseho ny fitiavana i Jehovah Andriamanitra. (1 Jaona 4:8). Nilaza i Jesosy Kristy Zanany fa tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika. (Matio 22:37-40). Eny, nahavita izao rehetra izao manontolo Andriamanitra, noho io toetra tsara io! Koa mba hahazoana fiainana mandrakizay, na aiza izany na aiza, dia tsy maintsy manaraka ny lalan’ny fitiavana isika.
Nampiseho fitiavana tamin’ny firenen’ny Isiraely Andriamanitra, kanefa tatỳ aoriana, dia nolaviny io fandaminana io satria nivadika taminy. Avy eo dia nampahafantariny fa ny kongregasiona nisy ireo mpianatr’i Jesosy no fandaminany vaovao. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny fampisehoana manokana ny fiasan’ny fanahy masina izay nanome azy ireo hery hitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy haminaniana. Araka izany, tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nisy Jiosy sy proselyta 3 000 tonga mpino, ary nandao ilay fandaminana taloha ho ao amin’ny fandaminana vaovaon’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 2:1-41). Koa satria tatỳ aoriana ny fanomezam-pahasoavana avy tamin’ny fanahy masina dia nomena tamin’ny alalan’ireo apostolin’i Jesosy, ny fampisehoana toy izany dia nitsahatra rehefa maty ireo. (Asan’ny Apostoly 8:5-18; 19:1-6). Tamin’izay anefa, ireo fanomezam-pahasoavana dia efa nanaporofo fa teo amin’ny Isiraely ara-panahy ny fankasitrahan’Andriamanitra. — Galatiana 6:16.
Nahasoa ireo fahagagana vokatry ny fanomezam-pahasoavana avy tamin’ny fanahy masina. Ny fanehoana fitiavana sy fiahiana ny hafa tsy misy fitiavan-tena anefa dia mbola zava-dehibe kokoa noho ny fananana fanomezam-pahasoavana avy tamin’ny fanahy masina. Nasehon’ny apostoly Paoly izany ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana (55 am.f.i. tany ho any). Ao izy dia niresaka ny amin’ny fitiavana ho toy ny “làlana tsara indrindra”. (1 Korintiana 12:31). Izany lalana izany dia fakafakaina ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-13.
Raha tsy misy fitiavana, dia tsinontsinona isika
Nanao izao fanjohian-kevitra izao i Paoly: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.” (1 Korintiana 13:1). Raha tsy misy fitiavana, dia tsy misy dikany ny firesahana amin’ny fitenin’olombelona, na fitenin’anjely any an-danitra izay nampitain’ny fanahy masina. Naleon’i Paoly nilaza teny mampandroso dimy, toy izay teny iray alina amin’ny fiteny tsy azon’ny olona. (1 Korintiana 14:19). Ny olona iray tsy manam-pitiavana dia ho toy ny “varahina maneno” — feo mikitrana mitabataba sy manorisory — na toy ny feo tsy mirindra ananan’ny “kipantsona mikarantsana”. Ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra raha tsy ombam-pitiavana, dia tsy fomba mampionona na mampandroso ara-panahy entina manome voninahitra an’Andriamanitra sy manampy ny vahoakany. Amin’izao andro izao isika dia maneho fitiavana amin’ny fampiasana fomba fiteny mora azo eo amin’ny fanompoana kristiana.
Hoy ilay apostoly nanaraka izany: “Na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.” (1 Korintiana 13:2). Ny faminaniana amin’ny fomba mahagaga sy ny fahatakarana manokana ireo zava-miafina masina, ary ny fahalalana nampitain’ny fanahy masina dia mety hahasoa ny hafa, fa tsy izay manana izany fanomezam-pahasoavana izany, raha tsy manam-pitiavana izy. Nampiasa ny fahatakarana ireo zava-miafina masina mba hanampiana ny hafa i Paoly, ary ny fanomezam-pahasoavana momba ny fahalalana dia nahatonga azy ho afaka hilaza mialoha fa ho tafita velona ireo olona vaky sambo. (Asan’ny Apostoly 27:20-44; 1 Korintiana 4:1, 2). Kanefa, raha nanana ‘ny fahalalana rehetra sy ny finoana rehetra’ izy fa tsy nanam-pitiavana, dia ho tsinontsinona teo imason’i Jehovah izy.
Amin’izao andro izao, ny fanahin’i Jehovah dia mahatonga ny Vavolombelony ho afaka hahatakatra ny hevitry ny faminaniana ao amin’ny Baiboly sy zava-miafina masina, ary mitarika azy ireo eo amin’ny fampitana izany fahalalana izany amin’ny hafa. (Joela 3:1, 2). Ny fanahy masina koa dia manome ny finoana ilaina mba handresena ireo vato misakana toy ny tendrombohitra. (Matio 17:20). Koa satria ny fanahy masina no manao ireo zavatra ireo, dia tsy mety ny hitadiavana ny voninahitry ny tena manokana avy amin’izany. Ho tsinontsinona isika raha tsy manao zavatra ho voninahitr’Andriamanitra sy noho ny fitiavana azy sy ny mpiara-belona amintsika. — Galatiana 5:6.
Tsy andraisan-tsoa ny sorona tsy ombam-pitiavana
Hoy i Paoly: “Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.” (1 Korintiana 13:3). Raha tsy nanam-pitiavana i Paoly, dia tsy ho nandray soa na dia nanome izay nananany rehetra hohanin’ny hafa aza. Mamaly soa antsika Andriamanitra noho ilay fitiavana fonosin’ny fanomezana ataontsika, fa tsy noho tokom-bidin’izany na noho isika mitady voninahitra amin’ny maha-mpanome, sahala amin’i Ananiasy sy i Safira izay nandainga. (Asan’ny Apostoly 5:1-11). Namela ohatra tsara dia tsara i Paoly tamin’ny fandaniana ny fotoanany sy ny heriny tamim-pitiavana teo amin’ilay fanompoana nanampiana ireo mpino tany Jodia. — 1 Korintiana 16:1-4; 2 Korintiana 8:1-24; 9:7.
Na dia ny fahafatesana ho maritiora amin’ny maha-vavolombelon’ny fahamarinana aza dia tsinontsinona amin’Andriamanitra raha tsy misy fitiavana. (Ohabolana 25:27). Niresaka ny amin’ny sorona hataony i Jesosy fa tsy nirehareha ny amin’izany. Tsy nirehareha izy fa, tamim-pitiavana kosa, dia natolony an-tsitrapo ny tenany. (Marka 10:45; Efesiana 5:2; Hebreo 10:5-10). Ireo rahalahiny ara-panahy dia ‘manolotra ny tenany ho fanatitra velona’ eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, tsy amin’ny fahafatesana ho maritiora ho fitadiavam-boninahitra akory, fa amin’ny fomba tsy misehoseho izay manome voninahitra an’i Jehovah sy mampiseho mazava ny fitiavan’izy ireo azy. — Romana 12:1, 2.
Fomba sasany izay hanosehan’ny fitiavana antsika hiasa
Izao no nosoratan’i Paoly: “Ny fitiavana mahari-po sady [tsara, NW ] fanahy”. (1 Korintiana 13:4a). Ho an’ny maro, ny fahari-pon’Andriamanitra hatramin’ny nanotan’i Adama dia nahatonga fibebahana izay mitarika ho amin’ny famonjena. (2 Petera 3:9, 15). Raha manam-pitiavana isika, dia hampianatra amim-paharetana ny fahamarinana amin’ny hafa. Hohalavirintsika ny fipoahan’ny fihetseham-po tsy voafehy ary haneho fiheverana sy hamela heloka isika. (Matio 18:21, 22). Tsara fanahy koa ny fitiavana, ary voasintona ho amin’Andriamanitra isika noho ny hatsaram-panahiny. Ny hatsaram-panahy izay vokatry ny fanahiny dia manakana antsika tsy hitaky be loatra amin’ny hafa toy ny tsy hanaovany izany amintsika. (Efesiana 4:32). Mahatonga antsika ho tsara fanahy amin’ny olona tsy mahay mankasitraka mihitsy aza ny fitiavana. — Lioka 6:35.
Nanampy teny toy izao i Paoly: “Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo”. (1 Korintiana 13:4b). Ny fialonana dia asan’ny nofo izay mahatonga olona iray tsy ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Galatiana 5:19-21). Ny fitiavana dia manakana antsika tsy hialona noho ny fananan’ny hafa na ny toe-piainana tsara misy azy. Raha nahazo tombontsoam-panompoana izay nirintsika izy, ny fitiavana dia hahatonga antsika hifaly miaraka aminy sy hanome ny fanohanantsika azy, ary hisaotra an’Andriamanitra noho izy azo ampiasaina mba hahasoa ny kongregasiona.
Koa satria ny fitiavana “tsy mirehareha”, dia tsy manosika antsika hirehareha ny amin’izay avelan’Andriamanitra hataontsika ao amin’ny fanompoana azy izy io. Nisy Korintiana sasany nirehareha toy ny hoe izy ireo no niavian’ireo fanomezam-pahasoavana avy tamin’ny fanahy masina, kanefa dia tamin’Andriamanitra ireny, toy ireo tombontsoa ao amin’ny fandaminany amin’izao andro izao. Toy izay hirehareha ny amin’ny toerana tanantsika ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, dia aoka àry isika hitandrina mba tsy ho lavo. (1 Korintiana 1:31; 4:7; 10:12). Ny fitiavana dia “tsy mieboebo”, fa ny sain’ny olona iray tsy manam-pitiavana kosa dia mety hirehaka noho ny fiheveran-tena ho zavatra. Ny olona manam-pitiavana dia tsy mahatsiaro tena ho ambony noho ny hafa. — 1 Korintiana 4:18, 19; Galatiana 6:3.
Mendrika, tsy tia tena, tsy mora sosotra
Ny fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra”. (1 Korintiana 13:5a). Mampirisika hanana fahalalam-pomba, fitondrantena araka an’Andriamanitra, fanajana ny fahefana ary fihetsika mendrika any amin’ireo fivoriana kristiana, izy io. (Efesiana 5:3-5; 1 Korintiana 11:17-34; 14:40; ampitahao amin’ny Joda 4, 8-10.) Koa satria ny fitiavana mahatonga ny tsirairay hahatsiaro tena ho ilaina, toy ireo faritra rehetra amin’ny vatan’olombelona, ny kongregasiona anjakan’ny fitiavana dia toeram-piadanana sy fialofana. (1 Korintiana 12:22-25). Tsy “mitady ny azy” amim-pitiavan-tena ny fitiavana, fa mahatonga antsika kosa hanao sorona ny zontsika indraindray ary haneho fiheverana ny hafa sy ny amin’izay hahasoa azy. (Filipiana 2:1-4). Ny fitiavana dia mahatonga antsika ho ‘tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra, mba hamonjentsika ny sasany’ amin’ny alalan’ny fanompoantsika. — 1 Korintiana 9:22, 23.
“Tsy mora sosotra” ny fitiavana. Ny fipoahan’ny fahatezerana dia asan’ny nofo mpanota, fa ny fitiavana kosa dia mahatonga antsika “ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19; Galatiana 5:19, 20). Na dia tezitra ara-drariny aza isika, ny fitiavana dia tsy mamela antsika hitoetra ho sosotra, ka amin’izay dia hanome toerana ho an’ny Devoly. (Efesiana 4:26, 27). Ireo loholona indrindra no tsy maintsy manalavitra ny fahatezerana raha misy mpiray finoana aminy tsy manatanteraka fanipazan-kevitra sasany.
Izao koa no nambaran’i Paoly momba ny fitiavana: “Tsy manao otripo”. (1 Korintiana 13:5b). Ny fitiavana dia tsy mitana lisitra iray ny amin’ireo ratsy natao tamin’ny tena, toy ny fanoratana ao anatin’ny boky misy ny kaonty. Mijery ny tsara eo amin’ireo mpiray finoana ny fitiavana, ary tsy mamaly ny ratsy izay tena nisy na noforonin’ny saina fotsiny. (Ohabolana 20:22; 24:29; 25:21, 22). Manampy antsika “hitady ny momba ny fiadanana” ny fitiavana. (Romana 14:19). Nisy fifandirana teo amin’i Paoly sy i Barnabasy, ary nisara-dalana izy ireo teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Namitrana ny fihavanana tapaka anefa ny fitiavana, ary nanakana azy ireo tsy hitahiry lolompo. — Levitikosy 19:17, 18; Asan’ny Apostoly 15:36-41.
Mirona ho amin’ny rariny sy ny fahamarinana
Mikasika ny fitiavana, dia nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Tsy mifaly amin’ny [tsy rariny, NW ] , fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa”. (1 Korintiana 13:6). Misy olona sasany mahita fahafinaretana aoka izany amin’ny tsy rariny hany ka “tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy”. (Ohabolana 4:16). Ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra anefa, isika dia tsy mifandrafy na mifaly rehefa voafandriky ny fahotana ny hafa. (Ohabolana 17:5; 24:17, 18). Raha ampy fitiavana an’Andriamanitra sy ny rariny ny kongregasiona tany Korinto, dia tsy ho noleferina tao ny fahalotoam-pitondrantena. (1 Korintiana 5:1-13). Ankoatra ny zavatra hafa, ny fitiavana ny rariny dia manakana antsika tsy hifaly amin’ny fampisehoana ny tsy rariny ao amin’ny televiziona, any amin’ny sinema, na any amin’ny teatira.
“Mifaly amin’ny fahamarinana” ny fitiavana. Eto ny fahamarinana dia ampifanoherina amin’ny tsy rariny. Miharihary fa izany dia midika hoe ny fitiavana dia mahatonga antsika hifaly noho ny herin’ny fahamarinana izay mampirona ny olona ho amin’ny rariny. Mahita fifaliana isika eo amin’ireo zavatra izay mampandroso ny olona sy mampiroborobo ny fahamarinana sy ny rariny. Ny fitiavana dia manakana antsika tsy hilaza lainga, manome antsika fifaliana rehefa hita fa tsy manan-tsiny ny olona mahitsy, ary mahatonga antsika hifaly amin’ny fandresen’ny fahamarinan’Andriamanitra. — Salamo 45:4.
Ny fomba handaminan’ny fitiavana ny zava-drehetra
Raha nanohy ny famaritany ny fitiavana i Paoly, dia nanoratra toy izao: “Mandefitra [“mizaka”, NW ] ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, [miaritra, NW ] ny zavatra rehetra”. (1 Korintiana 13:7). Noho izy “mizaka ny zavatra rehetra”, ny fitiavana dia mitana ny fahatezerana ho any ivelany toy ny ataon’ny tafontrano tsara iray amin’ny orana. Raha misy olona manafintohina antsika kanefa mangataka famelana avy eo, ny fitiavana dia mahatonga antsika hizaka fahavoazana, amin’ny famelana ny helok’ilay nanafintohina fa tsy amin’ny fanaovana resadresa-poana manimba ny amin’ilay raharaha. Amim-pitiavana, dia manandrana manao izay ‘hahazoana ny rahalahintsika’ isika. — Matio 18:15-17; Kolosiana 3:13.
Ny fitiavana dia “mino ny zavatra rehetra” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary mahatonga antsika hankasitraka ny sakafo ara-panahy omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45-47). Na dia tsy olona minomino foana aza isika, ny fitiavana dia miaro antsika tsy hanana fo tsy mino ary manakana antsika tsy hihevitra an’ireo mpiray finoana ho manana antony manosika ratsy. (Mpitoriteny 7:21, 22). “Manantena ny zavatra rehetra” voarakitra ao amin’ny Soratra Masina, toy ireo fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra koa, ny fitiavana. Atosiky ny fitiavana isika ka manantena sy mivavaka mba ho tsara fiafara ireo toe-javatra misedra. Manosika antsika hilaza amin’ny hafa ny anton’ny fanantenantsika koa ny fitiavana. (1 Petera 3:15). Fanampin’izany, ny fitiavana dia “miaritra ny zavatra rehetra”, tafiditra amin’izany ny fahotana natao tamintsika. (Ohabolana 10:12). Manampy antsika hiaritra fanenjehana sy fitsapana hafa koa ny fitiavana an’Andriamanitra.
Nanampy teny toy izao i Paoly: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8a). Tsy mety hifarana na ho lefy mihitsy ny fitiavana, toy ny tsy hetezan’ny hitrangan’izany amin’i Jehovah mihitsy. Koa satria sary velona mampiseho ny fitiavana ilay Andriamanitsika mandrakizay, dia tsy hitsahatra ny hisy mihitsy io toetra tsara io. (1 Timoty 1:17; 1 Jaona 4:16). Hotapahin’ny fitiavana foana izao rehetra izao. Aoka àry isika hivavaka mba hanampian’Andriamanitra antsika handresy ireo toetoetra feno fitiavan-tena ary haneho io vokatry ny fanahiny tsy mety lefy io. — Lioka 11:13.
Ireo zavatra izay hifarana
Raha nanondro ny hoavy i Paoly, dia nanoratra hoe: “Fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.” (1 Korintiana 13:8b). Ny fanomezam-pahasoavana hanao “faminaniana” dia nahatonga ireo nanana izany ho afaka nilaza faminaniana vaovao. Na dia nifarana aza ireny fanomezam-pahasoavana ireny rehefa voamarina fa fandaminan’Andriamanitra ny kongregasiona kristiana, dia tsy hifarana mihitsy akory ny herin’Andriamanitra amin’ny faminaniana, ary ny Teniny dia mirakitra ireo faminaniana rehetra ilaintsika amin’izao andro izao. Ny fahaizana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izay nampitain’ny fanahy masina dia nitsahatra koa, ary ireo fahalalana manokana dia “foana” araka ny nambara mialoha. Ny Tenin’i Jehovah iray manontolo anefa dia manome izay ilaintsika hofantarina mba ho voavonjy. (Romana 10:8-10). Ambonin’izany, dia feno ny fanahiny ny vahoakan’Andriamanitra ary maneho ny vokatr’izany fanahy izany.
Nanohy toy izao i Paoly: “Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; fa rehefa tonga ny [feno, NW ] , dia tsy hisy sombintsombiny intsony.” (1 Korintiana 13:9, 10). Tsy feno ny fanomezam-pahasoavana momba ny fahalalana sy ny faminaniana. Toa tsy niditra tamin’ny antsipiriany loatra ny faminaniana toy izany, ary ny mpaminany tsirairay dia tsy nahavita nampiharihary tamin’ny fomba feno ny hoavy, noho izy tsy nanana fahalalana tanteraka ny amin’izay nambarany mialoha. Izao anefa dia mihafeno miandalana ny fahatakarana ny hevitry ny faminaniana. Ohatra, ireo zava-misy izay fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manamarina fa nandray ny fahefan’ny mpanjaka eo amin’ny taranak’olombelona i Jesosy tamin’ny 1914. Hatramin’izay, dia ao anatin’ny “andro farany” isika, ary mahita fitomboana tsy an-kijanona eo amin’ny fahalalana ara-panahy sy eo amin’ny fahatakarana ny hevitry ny faminanian’ny Baiboly. (Daniela 12:4). Noho izany, dia tonga eo amin’ny fahalalana tanteraka isika ary tsy maintsy ho madiva ho tonga ny “feno”.
Mitoetra ilay toetra tsara lehibe indrindra
Rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny fandrosoan’ny kongregasiona i Paoly dia nanoratra hoe: “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.” (1 Korintiana 13:11). Koa satria ny zaza manao zavatra miankina amin’ny fahalalana voafetra ananany sy ny fitomboan’ny vatany, dia mety hihilangilana atsy sy aroa izy, toy ny hoe atsingevingevina ao anatin’ny fandrian-jazakely. Ny olon-dehibe kosa anefa, dia lehibe lavitra ara-batana, manana fahalalana betsaka kokoa, ary mazàna dia tsy mora mihilangilana. Nofoanany ireo eritreritra sy fihetsika ary fomba fanaovan-javatra toy ny an’ny zaza. Toy izany koa, rehefa niala tamin’ny fahazazana ny fandaminan’Andriamanitra teto an-tany, dia noheverin’Andriamanitra fa tsy ilaina ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny fanahy masina mikasika ny faminaniana, ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, ary ny fahalalana. Na dia tsy mahatsapa ho mila izany fanomezam-pahasoavana izany koa aza ireo anisan’ny kongregasiona, izay efa ao amin’ny fahanterany izao, dia faly izy ireo manompo an’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny fanahiny.
Nanampy teny toy izao i Paoly: “Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina [“mahita endrika manjavozavo”, NW ] ; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.” (1 Korintiana 13:12). Nandritra ny fahazazan’ny kongregasiona, dia mbola tsy tonga ny fotoana hanambaran’Andriamanitra ny zavatra sasany. Noho izany, izy ireny dia endrika nanjavozavo, toy ny hoe nijery teo amin’ny fitaratra metaly izay tsy nanana fahafahana hanome taratra tsara, ireo Kristiana. (Asan’ny Apostoly 1:6, 7). Isika kosa anefa dia lasa lavitra kokoa noho ny fahitana manjavozavo iray. Miharihary mazava tsara ny fahatanterahan’ny faminaniana sy ireo zavatra naseho ho tandindona, satria izao no fotoana anaovan’Andriamanitra fanambarana. (Salamo 97:11; Daniela 2:28). Na dia nahafantatra an’Andriamanitra aza ny tenan’i Paoly, dia ho tonga ny fara tampony amin’ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fifandraisana faran’izay akaiky Aminy, rehefa hatsangana amin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra ilay apostoly, ka handray amin’izay ny valisoa feno noho ny fihazakazahana kristiana nataony.
Rehefa namarana ny fanazavany fohifohy ny amin’ny fitiavana i Paoly dia nanoratra hoe: “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” (1 Korintiana 13:13). Na dia tsy eo aza ireo fanomezam-pahasoavana mahagaga avy amin’ny fanahy masina, ny kongregasiona amin’izao fotoana izao dia manana fahalalana feno kokoa sy finoana, fanantenana ary fitiavana bebe kokoa. Mino izy fa izay rehetra nampanantenain’Andriamanitra dia efa azo lazaina hoe tanteraka. (Hebreo 11:1). Misy endrika mampiavaka ny finoana hifarana, arakaraka ny hahatanterahan’ireo zavatra nambara mialoha ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Misy lafiny amin’ny fanantenana hitsahatra rehefa ho hitantsika ireo zavatra nantenaina. Ny fitiavana anefa dia hitoetra mandrakizay. Noho izany, dia aoka ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra hanohy hanaraka ilay lalana tsara indrindra, dia ny fitiavana.