Nahoana no Mitatitra Fanaovan-dratsy?
“IZAY mamaky bantsilana ny raharaha iray dia manjary fahavalon’ny olona”, hoy ny fitenenana iray atsy Afrika Andrefana. Izany no nitranga tamin’i Olu rehefa niampanga ny zokiny lahy ho nanao firaisana tamin’ny anabaviny, izy. “Mpandainga ialahy!”, hoy ny fivazavazan’ilay rahalahiny. Nikapoka an’i Olu tamin-kabibiana izy nony avy eo, nandroaka azy hiala tamin’ny tranon’ny fianakaviana, ary nandoro ny akanjo rehetra nananan’i Olu. Niandany tamin’ilay rahalahiny ny olona tao amin’ilay vohitra nisy azy. Noho izy nanaovana toeran-tsy zaka tao amin’ilay vohitra, dia tsy maintsy nandeha i Olu. Rehefa hita fa bevohoka razazavavy vao nahatakatra ny olona fa nilaza ny marina i Olu. Nibaboka ilay rahalahiny, ary niverina nankasitraka an’i Olu indray ny olona. Nety ho hafa tanteraka no niafaran’ilay raharaha. Nety ho novonoina ho faty i Olu.
Mazava fa ireo tsy manam-pitiavana an’i Jehovah dia tsy azo inoana fa hankasitraka ny hampiharihariana ny fahadisoany. Ny fironan’olombelona mpanota dia ny hanohitra fananarana sy ny tsy ho faly amin’izay rehetra manome azy io. (Ampitahao amin’ny Jaona 7:7.) Tsy mahagaga loatra raha maro no mikombom-bava tsy hampibaribary ny zava-dratsy ataon’ny hafa any amin’ireo manana ny fahefana hanitsy azy ireny.
Fankasitrahana ny vidin’ny fananarana
Eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah anefa, dia misy fihetsika hafa manoloana ny fananarana. Ireo lehilahy sy vehivavy tia an’Andriamanitra dia mankasitraka lalina ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hanampiana ireo naniasia ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Eken’izy ireo ho toy ny fanehoany hatsaram-panahy miharo fitiavana izany fifehezana izany. — Hebreo 12:6-11.
Izany dia azo hazavaina amin’ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Davida Mpanjaka. Na dia olo-marina efa hatramin’ny fahatanorany aza izy, dia nisy fotoana nahalatsaka azy tao anatin’ny fanaovan-dratsy lehibe. Voalohany aloha, dia nangala-badin’olona izy. Avy eo, ho fanandramana nanafina ny ratsy vitany, dia nataony izay hahafaty ny vadin’ilay vehivavy. Ny fahotan’i Davida anefa dia nambaran’i Jehovah tamin’i Natana mpaminany, izay niatrika tamin-kerim-po an’i Davida momba ilay raharaha. Nampiasa fanoharana mahery iray i Natana ka nanontany an’i Davida ny amin’izay tokony hatao amin’ny mpanan-karena iray izay nanana ondry maro, saingy naka sy namono ny hany zanak’ondry, biby tsy foy, nananan’ny lehilahy nahantra iray, mba haroso ho an’ny namany nivahiny tao aminy. Nirehitra ny fahatezeran’i Davida, izay mpiandry ondry taloha. Hoy izy: “Tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany”! Nampiharin’i Natana tamin’i Davida avy eo ilay fanoharana ka hoy izy: “Hianao no izy”! — 2 Samoela 12:1-7.
Tsy tezitra tamin’i Natana akory i Davida; sady tsy nanandrana hiaro tena izy no tsy nifotitra niampanga an’i Natana. Nanohina lalina ny feon’ny fieritreretany kosa ny teny mafy nataon’i Natana. Voatsindrona tam-pony i Davida ka nibaboka hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” — 2 Samoela 12:13.
Nitondra vokatra tsara ny nampibaribarian’i Natana ny fahotan’i Davida, izay narahiny fananarana araka an’Andriamanitra. Na dia tsy voaro tamin’ireo vokatry ny ratsy nataony aza i Davida, dia nibebaka sy nanjary nihavana indray tamin’i Jehovah izy. Nanao ahoana ny niheveran’i Davida an’izany fananarana izany? Hoy ny nosoratany: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahaleme[m]-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako”. — Salamo 141:5.
Amin’izao androntsika izao koa, ny mpanompon’i Jehovah dia mety hanjary ho voarohirohy amin’ny fanaovan-dratsy lehibe, eny fa na dia ireo izay nahatoky tao anatin’ny taona maro aza. Noho ny fahatakaran’ny ankamaroany fa afaka manampy azy ny loholona, dia izy no manao ny dingana voalohany hanatonana azy ireo mba hahazoana fanampiana. (Jakoba 5:13-16). Indraindray anefa, dia mety hanandrana hanafina ny fahotany ny mpanao ratsy iray, tahaka izay nataon’i Davida Mpanjaka. Inona no tokony hataontsika raha toa isika ka manjary mahafantatra momba ny fanaovan-dratsy lehibe iray ao anatin’ny kongregasiona?
Andraikitr’iza ilay izy?
Rehefa mahafantatra momba ny fanaovan-dratsy lehibe ny loholona, dia manatona ilay olona voakasika izy ireo mba hanome ny fanampiana sy ny fanitsiana ilaina. Andraikitry ny loholona ny mitsara ny olona toy izany ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Mailo hatrany izy ireo eo am-pandinihana ny toe-piainana ara-panahin’izy io, ka ampiany sy anariny izay rehetra manaraka lalana tsy maneho fahendrena na ratsy. — 1 Korintiana 5:12, 13; 2 Timoty 4:2; 1 Petera 5:1, 2.
Ahoana anefa raha tsy loholona ianao no manjary mahafanta-javatra momba ny fanaovan-dratsy lehibe ataon’ny Kristiana hafa iray? Misy toro lalana hita ao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny firenen’ny Isiraely. Manambara ny Lalàna fa raha misy olona vavolombelon’ny fivadiham-pinoana, fikomiana, vonoan’olona, na heloka bevava lehibe hafa, dia andraikiny ny mitatitra izany sy mijoro ho vavolombelona ny amin’izay fantany. Hoy ny ambaran’ny Levitikosy 5:1: “Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany”. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 13:7-9; Estera 6:2; Ohabolana 29:24.
Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristiana amin’izao andro izao, dia afaka mitarika azy ireo ny fotopoto-pitsipika fonosin’izy io. (Salamo 19:7, 8). Koa raha mahafantatra fanaovan-dratsy lehibe nataon’ny namana kristiana iray ianao, dia inona no tokony hataonao?
Fandaminana ilay raharaha
Voalohany indrindra, dia zava-dehibe ny isian’ny antony marim-pototra hinoana fa tena nisy fanaovan-dratsy lehibe nitranga. “Aza mety ho vavolombelona [tsy amin’antony, NW ] hanameloka ny namanao”, hoy ny fanambaran’ny lehilahy hendry iray. “Moa hamitaka amin’ny molotrao va hianao?” — Ohabolana 24:28.
Mety hanapa-kevitra ny handeha mivantana any amin’ny loholona ianao. Tsy ratsy akory ny manao izany. Mazàna anefa ny lalana feno fitiavana indrindra dia ny fanatonana ilay olona voakasika. Angamba tsy araka ny toa fisehoany ny tena zava-misy. Na angamba efa eo am-pandaminana ilay zava-manahirana ny loholona. Miresaha amim-pahatoniana amin’ilay olona momba ilay raharaha. Raha mbola misy antony hinoana fa nisy zava-dratsy lehibe natao, dia ampirisiho izy hanatona loholona mba hahazoana fanampiana, ary hazavao ny maha-fahendrena ny hanaovana izany. Aza miresaka amin’ny hafa ny amin’ilay raharaha, satria ho resadresa-poana izany.
Raha tsy mampahafantatra ny loholona ao anatin’ny fe-potoana antonona ilay olona, dia ianao no tokony hanao izany. Hiara-midinika ilay raharaha amin’ilay voampanga ny loholona iray na roa. Ireo loholona dia mila ‘mandinika sy mamotopototra ary manadina tsara’ mba hahitana raha nisy zava-dratsy natao. Raha nisy izany, dia handamina ilay raharaha araka ny toro lalana ao amin’ny Soratra Masina izy ireo. — Deoteronomia 13:13-15.
Vavolombelona roa fara fahakeliny no ilaina mba hahamafy orina ny fiampangana ho nanao ratsy. (Jaona 8:17; Hebreo 10:28). Raha lavin’ilay olona ilay fiampangana, ary ianao ihany no hany vavolombelona, dia havela ho eo am-pelatanan’i Jehovah ilay raharaha. (1 Timoty 5:19, 24, 25). Izany no atao dia noho ny fahalalana fa ‘miharihary’ amin’i Jehovah ny zavatra rehetra ary koa fa, raha meloka ilay olona, dia “hanody” azy ny fahotany amin’ny farany. — Hebreo 4:13; Nomery 32:23.
Andeha anefa hatao hoe tena lavin’ilay olona ilay fiampangana, ary ianao no hany vavolombelona nanameloka azy. Tsy mety ho ianao indray ve izao no hampangaina ho manendrikendrika? Tsia, raha tsy hoe nanao resadresa-poana tamin’ireo tsy voakasik’ilay raharaha angaha ianao. Tsy fanendrikendrehana ny mitatitra tarehin-javatra mahakasika ny kongregasiona, any amin’ireo manana fahefana sy andraikitra handinika sy hanitsy ilay raharaha. Raha ny marina, izany dia mifanaraka amin’ny faniriantsika hanao izay mahitsy sy tsy mivadika mandrakariva. — Ampitahao amin’ny Lioka 1:74, 75.
Fihazonana fahamasinana ao amin’ny kongregasiona
Ny antony iray hitaterana fanaovan-dratsy dia satria mandray anjara amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny kongregasiona izy io. I Jehovah dia Andriamanitra madio, Andriamanitra masina. Takiny ho madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena ireo rehetra manolotra fanompoam-pivavahana ho azy. Mananatra toy izao ny Teniny ara-tsindrimandry: “Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho’.” (1 Petera 1:14-16). Ireo olona zatra manao zavatra maloto na ratsy, dia afaka mitondra fandotoana sy mahatonga ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ny kongregasiona iray manontolo, raha tsy misy zavatra atao mba hanitsiana na hanesorana azy ireo. — Ampitahao amin’ny Josoa toko faha-7.
Ireo taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ny kongregasiona kristiana tany Korinto dia mampiseho fa nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny vahoakan’Andriamanitra tany ny nitaterana fanaovan-dratsy. Nanoratra toy izao i Paoly tao amin’ilay taratasiny voalohany: “Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny jentilisa aza, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.” — 1 Korintiana 5:1.
Tsy lazain’ny Baiboly amintsika hoe avy tamin’iza no naharaisan’ilay apostoly an’io tatitra io. Mety ho avy tamin’i Stefanasy sy i Fortonato ary i Akaïko, izay nanao dia avy tany Korinto nankany Efesosy nipetrahan’i Paoly, no nahafantarany ny amin’ilay tarehin-javatra. Naharay taratasy fangataham-panazavana avy tamin’ny kongregasiona kristiana tany Korinto koa i Paoly. Na inona na inona loharano nahafantarany izany, raha vantany vao notaterina tany amin’i Paoly ilay tarehin-javatra, tamin’ny alalan’ny vavolombelona azo nianteherana, dia afaka nanome fitarihan-dalana momba ilay raharaha izy nony avy eo. “Esory aminareo ilay mpanao ratsy”, hoy ny nosoratany. Voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona ilay lehilahy. — 1 Korintiana 5:13; 16:17, 18.
Nitondra vokatra tsara ve ny toromarik’i Paoly? Izany tokoa! Miharihary fa tonga saina ilay nanao ratsy. Ao amin’ilay taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana, dia nampirisika mafy ilay kongregasiona i Paoly mba ‘hamela heloka sy hampifaly’ ilay olona nibebaka. (2 Korintiana 2:6-8). Araka izany, ny nitaterana ilay fanaovan-dratsy dia nitarika ho amin’ny asa izay sady nanadio ny kongregasiona no namerina olona iray hahazo sitraka indray tamin’Andriamanitra, dia olona izay efa nanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra teo aloha.
Mahita ohatra hafa iray isika ao amin’ilay taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny kongregasiona kristiana tany Korinto. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia notononin’ilay apostoly ny anaran’ireo vavolombelona nitatitra ilay raharaha. Hoy ny nosoratany: “Efa voalazan’ny avy amin’ny ankohonan’i Kloa tamiko ny amin’ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.” (1 Korintiana 1:11). Fantatr’i Paoly fa io fifampiandaniana io, niaraka tamin’ny fanomezam-boninahitra olona tsy araka ny tokony ho izy, dia niteraka fitokotokoana izay nandrahona ny hanimba ny firaisan-tsain’ilay kongregasiona. Noho izany, noho ny fiahiana lalina ny amin’izay hahasoa an’ireo mpiray finoana taminy tany, dia nanao zavatra haingana i Paoly ka nanoratra torohevitra fanitsiana an’ilay kongregasiona.
Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny kongregasiona manerana ny tany, dia miezaka mafy mba hitandroana ny fahadiovana ara-panahin’ny kongregasiona, amin’ny fihazonan’ny isam-batan’olona toeram-pankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra. Nijaly ny sasany mba hanaovana izany; ny hafa aza maty mihitsy mba hihazonana tsy fivadihana. Azo antoka fa ny fanalan-tsiny na fanafenana fanaovan-dratsy dia hampiseho tsy fahampiam-pankasitrahana an’izany ezaka izany.
Fanampiana ho an’ireo naniasia
Nahoana ny sasany izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe no miahotra ny hanatona ireo loholon’ny kongregasiona? Mazàna dia satria tsy takatr’izy ireo ny soa azo amin’ny fandehanana any amin’ny loholona. Diso hevitra ny sasany noho ny fiheverana fa raha mibaboka izy ireo dia hibaribary amin’ny kongregasiona manontolo ny fahotany. Mamita-tena kosa ny hafa raha ny amin’ny halehiben’ny ratsy nataony. Ny hafa indray dia mieritreritra hoe afaka manarina ny tenany tsy misy fanampian’ny loholona izy.
Mila fanampiana feno fitiavana avy amin’ny loholon’ny kongregasiona anefa ireny mpanao ratsy ireny. Hoy ny nosoratan’i Jakoba: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.” — Jakoba 5:14, 15.
Izany ka fandaharana mahatalanjona hanampiana ireo naniasia mba hodian’ny fahasalamany ara-panahy! Amin’ny fanomezana torohevitra mampitony avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fivavahana ho azy ireo, ny loholona dia afaka manampy an’ireo marary ara-panahy mba hahatafarina azy amin’ny lalan-dratsiny. Araka izany, dia tsy mahatsiaro ho nomelohina ireo nibebaka fa matetika kosa no mahatsiaro ho velombelona sy maivamaivana rehefa mihaona amin’ireo loholona be fitiavana. Ny tovolahy iray avy atsy Afrika Andrefana dia nijangajanga ary nanafina ny fahotany nandritra ny volana maromaro. Rehefa nanjary niharihary ny fahotany, dia hoy izy tamin’ireo loholona: “Raha mba nisy olona nanontany ahy momba ny fiarahako tamin’iny ankizivavy iny mantsy! Mahatonga ny tena ho maivamaivana aoka izany ny fampibaribariana an’iny zavatra iny.” — Ampitahao amin’ny Salamo 32:3-5.
Fanaovan-javatra mampiseho fitiavana tapahin’ny fotopoto-pitsipika
“Tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” ireo mpanompon’Andriamanitra vita batisa. (1 Jaona 3:14). Raha manao fahotana lehibe anefa izy ireo, dia niverina indray amin’ny lalan’ny fahafatesana. Raha tsy ampiana izy ireo, dia mety hanjary ho mafy fo amin’ny fanaovan-dratsy, ka tsy haniry hibebaka sy hiverina amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina. — Hebreo 10:26-29.
Ny mitatitra fanaovan-dratsy dia fanaovan-javatra mampiseho fiahiana marina an’ilay nanao ratsy. Hoy ny nosoratan’i Jakoba: “Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny làlan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.” — Jakoba 5:19, 20.
Koa nahoana àry no mitatitra fanaovan-dratsy? Satria mitondra voka-tsoa izany. Raha ny tena izy, ny mitatitra fanaovan-dratsy dia fanaovan-javatra iray mampiseho fitiavana kristiana tapahin’ny fotopoto-pitsipika, aseho amin’Andriamanitra sy amin’ny kongregasiona ary amin’ilay nanao ratsy. Rehefa maneho tsy fivadihana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fanohanana ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra, i Jehovah dia hitahy amin’ny fomba tondraka ilay kongregasiona manontolo. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “[I Jehovah dia] hampiorina anareo koa hatramin’ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny hianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — 1 Korintiana 1:8.
[Sary, pejy 26]
Mampiseho fitiavana ny fampirisihana Vavolombelona iray naniasia mba hiresaka amin’ny loholona
[Sary, pejy 28]
Manampy an’ireo naniasia mba hahazo sitraka indray amin’Andriamanitra ireo loholona