-
Natsangana Tamin’ny Maty Tokoa ve i Jesosy?Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 1 Martsa
-
-
Fa raha tsy natsangana i Kristy, dia tena very maina ny fitoriantsika, ary very maina ny finoantsika.
-
-
Natsangana Tamin’ny Maty Tokoa ve i Jesosy?Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 1 Martsa
-
-
Raha tsy natsangana anefa i Kristy, dia tsy hisy dikany ny hitoriana ny vaovao tsara, satria lainga be ilay hafatra torina. Anisan’ny fototry ny fampianarana kristianina koa ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa Andriamanitra ihany no manana zo hitondra. Ampianarina ao koa ny anarany sy ny Fanjakany ary ny fomba hamonjena antsika. Misy ifandraisany amin’izany fampianarana izany ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Raha tsy nisy izany, dia ho zava-poana sy tsy hisy dikany ny hafatra notorin’i Paoly sy ny apostoly hafa.
Raha tsy natsangana koa i Jesosy, dia mino lainga fotsiny ny Kristianina. Tsy vitan’izay fa hoatran’ny hoe nandainga be i Paoly sy ny namany rehefa nitory hoe natsangana i Jesosy, ka toy ny hoe namoron-dainga momba an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nanangana azy, koa izy ireo.
-