Azo Antoka ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty!
‘Manantena amin’Andriamanitra aho, fa hisy fitsanganana.’—ASAN’NY APOSTOLY 24:15.
1. Nahoana isika no afaka manantena fa hitsangana ny maty?
NANOME antsika antony marim-pototra anantenana fitsanganana amin’ny maty i Jehovah. Eo ny teniny izay milaza fa hitsangana ny maty, eny, hitsangana ho amin’ny fiainana indray. Ary azo antoka fa ho tanteraka ny fikasany momba ireo matory ao amin’ny fahafatesana. (Isaia 55:11; Lioka 18:27). Raha ny marina aza, dia efa nampiseho ny heriny hanangana ny maty Andriamanitra.
2. Inona no soa azontsika raisina avy amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?
2 Afaka manohana antsika amin’ny fotoana isian’ny fanerena, ny finoana ilay fandaharan’Andriamanitra hanangana ny maty amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Azo antoka ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ka izany dia afaka manampy antsika hihazona tsy fivadihana amin’ilay Raintsika any an-danitra, na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Azo inoana fa hihamafy ny fanantenantsika fitsanganana, rehefa mandinika famerenana ho amin’ny fiainana, voarakitra ao amin’ny Baiboly, isika. Natao tamin’ny alalan’ny hery avy amin’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana ireny fahagagana rehetra ireny.
Nandray ny azy efa maty, izay natsangana ho velona indray, izy ireo
3. Nomena hery hanao inona i Elia rehefa maty ny zanaky ny mpitondratena iray tany Zarefata?
3 Nanaovan’ny apostoly Paoly jery todika tamin’ny fomba mampientam-po ny finoana nasehon’ireo vavolombelon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina, ka hoy ny nosoratany: “Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray”. (Hebreo 11:35; 12:1). Ny iray tamin’ireny vehivavy ireny dia mpitondratena nahantra iray tany Zarefata, tanàna fenisianina. Noho izy naneho fahaiza-mandray vahiny tamin’i Elia, mpaminanin’Andriamanitra, dia naharitra tamin’ny fomba mahagaga ny kobany sy ny diloilony, nandritra ny mosary iray izay nety ho nahafaty azy sy ny zanany. Rehefa maty ilay zanany tatỳ aoriana, dia nampandry azy teo ambonin’ny fandriana i Elia, nivavaka sy niampatra intelo teo amin’ilay zazalahy, ka nitalaho toy izao: “Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ity zaza ity.” Tena nampodian’Andriamanitra tokoa ny ain’ilay zazalahy. (1 Mpanjaka 17:8-24). Alao sary an-tsaina ny fifalian’io mpitondratena io rehefa novalian-tsoa ny finoany, tamin’ny alalan’ilay fitsanganana tamin’ny maty noraketina an-tsoratra voalohany, dia ny fitsanganan’ilay zanany malalany!
4. Fahagagana inona no nataon’i Elisa tany Sonema?
4 Ny vehivavy hafa iray nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray, dia nonina tao amin’ny tanànan’i Sonema. Vadin’ny lehilahy be taona iray izy, ary nampiseho hatsaram-panahy tamin’i Elisa mpaminany sy ilay mpanompony. Novalian-tsoa ravehivavy, ka niteraka zazalahy. Taona maromaro tatỳ aoriana anefa izy dia niantso an’ilay mpaminany, izay nahita fa maty tao an-tranon-dreniny ilay zazalahy. Rehefa avy nivavaka sy nanao zavatra sasany i Elisa, dia “nafana ny tenan’[ilay] zazalahy”. “Nievina impito [ilay] zazalahy, ary nihiratra ny masony.” Tsy isalasalana fa nahafaly be azy sy ny reniny io fitsanganana tamin’ny maty io. (2 Mpanjaka 4:8-37; 8:1-6). Ho lehibe lavitra anefa ny fifalian’izy ireo rehefa hatsangana eto an-tany ao amin’ilay “fitsanganana tsara lavitra” izy ireo, dia fitsanganana izay hanome azy ireo fahafahana ny tsy ho faty intsony mihitsy! Izany ka antony tokony hisaorana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana sy Andriamanitry ny fitsanganana amin’ny maty!—Hebreo 11:35.
5. Tafiditra tamina fahagagana inona i Elisa na dia taorian’ny nahafatesany aza?
5 Na dia taorian’ny nahafatesan’i Elisa sy ny nandevenana azy aza, dia nataon’Andriamanitra nanan-kery tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ny taolan’i Elisa. Izao no vakintsika: “Nisy [Isiraelita] nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady [moabita] izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony.” (2 Mpanjaka 13:20, 21). Tsy maintsy ho gaga sy faly tokoa io lehilahy io! Alao sary an-tsaina ny fifaliana ho tsapa rehefa hatsangana ho amin’ny fiainana ireo havan-tiantsika, mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra tsy maintsy to!
Nanangana ny maty ilay Zanak’Andriamanitra
6. Fahagagana inona no nataon’i Jesosy teo akaikin’ny tanànan’i Naina, ary inona no mety ho akon’io zava-nitranga io eo amintsika?
6 I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia nanome antsika antony marim-pototra inoana fa azo atsangana ny maty, ka hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. Ny zava-nitranga iray teo akaikin’ny tanànan’i Naina dia afaka manampy antsika hahatakatra fa azo atao ny fahagagana toy izany, noho ny hery omen’Andriamanitra. Indray mandeha i Jesosy dia tojo mpandevina maro nitondra ny fatin’ny tovolahy iray nivoaka ny tanàna mba halevina. Zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray izy io. Hoy i Jesosy tamin’ilay mpitondratena: “Aza mitomany.” Avy eo dia nikasika ny tranovorona i Jesosy ka nilaza hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Tamin’izay, dia niarina sy niteny izy. (Lioka 7:11-15). Azo antoka fa io fahagagana io dia vao mainka mampiaiky antsika fa azo antoka ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
7. Inona no nitranga mahakasika ilay zanakavavin’i Jaïro?
7 Diniho koa ny zava-nitranga iray nahakasika an’i Jaïro, mpanapaka ny synagoga tao Kapernaomy. Nangataka an’i Jesosy izy mba ho avy hamonjy ilay zanany vavy malalany 12 taona, izay efa teo ambavahoanan’ny fahafatesana. Tsy ela dia nolazaina fa maty ilay zazavavy. Vonton’alahelo i Jaïro. Nampirisika azy haneho finoana i Jesosy, ary niaraka taminy nankany an-tranony, izay nisy olona maro nitomany. Nihomehy fotsiny izy ireo rehefa nilazan’i Jesosy hoe: “Tsy maty razazavavy, fa matory.” Tena maty ilay zazavavy, nefa nadiva hampiseho i Jesosy fa azo atsangana ho amin’ny fiainana ny olona, tsy misy hafa amin’ny hoe azo fohazina avy amin’ny torimaso lalina. Nandray ilay zazavavy tamin’ny tanany àry izy, ka nilaza hoe: “Ry zazavavy, miarena.” Niarina avy hatrany ilay zazavavy, ary “talanjona [indrindra] ny ray aman-dreniny”. (Marka 5:35-43; Lioka 8:49-56). Tsy isalasalana fa ho “talanjona” ny mpianakavy rehefa hatsangana ho amin’ny fiainana ao amin’ny tany paradisa ireo havan-tiany efa maty.
8. Inona no nataon’i Jesosy teo amin’ny fasan’i Lazarosy?
8 Efa maty efatra andro i Lazarosy rehefa nanatona ny fasany i Jesosy ka nampanala ilay vato teo am-pidirana. Nilaza toy izao tamin’ny feo avo i Jesosy rehefa avy nivavaka ampahibemaso, mba hahafantaran’ny mpitazana fa niankina tamin’ny hery nomen’Andriamanitra izy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Ary dia nivoaka izy! Mbola nifatotra lambam-paty ny tongony aman-tanany, ary rakotra lamba ny tavany. “Vahao izy, ka avelao handeha”, hoy i Jesosy. Maro tamin’izay teo mba hampionona an’i Maria sy i Marta, anabavin’i Lazarosy, no nanjary nino an’i Jesosy rehefa nahita an’io fahagagana io. (Jaona 11:1-45). Moa ve io fitantarana io tsy mahatonga anao ho velom-panantenana hoe azo atsangana ho amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ireo havan-tianao efa maty?
9. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa afaka manangana ny maty i Jesosy izao?
9 Fony i Jaona Mpanao Batisa tany am-pigadrana, dia nandefa taminy izao hafatra mampahery izao i Jesosy: “Mahiratra ny jamba, (...) atsangana ny maty”. (Matio 11:4-6). Koa satria nanangana ny maty i Jesosy fony izy teto an-tany, dia azo antoka fa afaka manao izany izy izao, noho izy zavaboary ara-panahy matanjaka, izay nomen’Andriamanitra hery. I Jesosy no “fananganana ny maty sy fiainana”, ary mampahery erỳ ny mahafantatra fa amin’ny hoavy tsy ho ela, dia ‘handre ny feony izay rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana’!—Jaona 5:28, 29, NW; 11:25.
Fitsanganana hafa manamafy ny fanantenantsika
10. Ahoana no hilazalazanao ilay fitsanganana tamin’ny maty, izay ny voalohany voalaza ho nataon’apostoly?
10 Rehefa naniraka ny apostoliny ho mpitory ilay Fanjakana i Jesosy, dia nilaza hoe: “Atsangano ny maty”. (Matio 10:5-8). Mba hanaovana izany, dia mazava ho azy fa tsy maintsy niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra izy ireo. Tany Jopa, tamin’ny 36 am.f.i., dia natory tao amin’ny fahafatesana i Dorkasy (Tabita), vehivavy tia an’Andriamanitra. Anisan’ny asa tsara nataony ny fanaovana akanjo ho an’ireo mpitondratena nahantra, ary nampitomany mafy azy ireny ny nahafatesany. Nikarakara ny handevenana azy ny mpianatra, ary nampaka ny apostoly Petera, angamba mba hitondra fampiononana. (Asan’ny Apostoly 9:32-38). Nasain’i Petera nivoaka ilay efitra ambony rihana ny rehetra, dia nivavaka izy, ary nilaza hoe: “Ry Tabita, mitsangàna.” Nanokatra ny masony i Dorkasy, nipetraka sy nandray ny tanan’i Petera, ary dia nampitsangana azy i Petera. Nahatonga olona maro ho mpino io fitsanganana tamin’ny maty io, izay ny voalohany voalaza ho nataon’apostoly. (Asan’ny Apostoly 9:39-42). Manome antsika antony fanampiny anantenana fitsanganana koa izy io.
11. Inona no fitsanganana farany voarakitra ao amin’ny Baiboly?
11 Ny fitsanganana farany voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia nitranga tany Troasy. Rehefa nijanona tao i Paoly tamin’ny dia misionera fahatelo nataony, dia naharitra nandahateny hatramin’ny misasakalina izy. Trotraka, ary angamba valaky ny hafanana avy tamin’ny jiro maro sy ny hamaroan’ny olona tao amin’ilay toeram-pivoriana, ny tovolahy iray antsoina hoe Eotyka, ka resin-tory ary nianjera avy teny amin’ny varavarankelin’ny rihana fahatelo. “Nony narenina izy, dia indro fa efa maty”, fa tsy hoe tsy nahatsiaro tena fotsiny. Niantoraka taminy sy namihina azy i Paoly, ka niteny toy izao tamin’ny mpitazana: “Aza mihorikorika hianareo, fa mbola misy aina ihany izy.” Ny tian’i Paoly holazaina dia hoe nody taminy ny ain’ilay tovolahy. “Nahazo fampiononana lehibe” (NW ) ireo nanatrika teo. (Asan’ny Apostoly 20:7-12). Ankehitriny, dia mahita fampiononana lehibe ireo mpanompon’Andriamanitra, noho ny fahafantarana fa ho tanteraka amin’ireo mpiara-miasa tamin’izy ireo taloha tao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
Fitsanganana amin’ny maty—Fanantenana efa hatramin’ny ela
12. Fiekena mafy inona no nambaran’i Paoly fony izy teo anatrehan’i Feliksa governora romanina?
12 Fony notsaraina teo anatrehan’i Feliksa governora romanina i Paoly, dia nanambara hoe: “Inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ny lalàna sy ny mpaminany, ary manantena amin’Andriamanitra aho, (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:14, 15). Misy ampahany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, toy “ny lalàna”, manondro fa hitsangana ny maty. Ahoana no anondroany izany?
13. Nahoana no azo lazaina fa nilaza an-kolaka momba ny fitsanganana amin’ny maty Andriamanitra, rehefa nanome ilay faminaniana voalohany?
13 Andriamanitra mihitsy no nilaza an-kolaka momba ny fitsanganana amin’ny maty, fony izy nanome ny faminaniana voalohany tany Edena. Nilaza toy izao Andriamanitra, rehefa nanameloka an’ilay “menarana ela”, dia i Satana Devoly: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:14, 15). Midika ho famonoana an’i Jesosy Kristy ny fanorotoroana ny ombelahin-tongotr’ilay taranaky ny vehivavy. Raha tiana hanorotoro ny lohan’ilay menarana io Taranaka io atỳ aoriana, dia tsy maintsy hatsangana amin’ny maty i Kristy.
14. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no “tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona”?
14 Nanambara toy izao i Jesosy: “Mosesy aza nanambara teo amin’ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’. Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” (Lioka 20:27, 37, 38; Eksodosy 3:6). Efa maty i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, nefa tena azo antoka ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra hanangana azy ireo, ka toy ny hoe velona ihany izy ireo aminy.
15. Nahoana i Abrahama no nanana antony ninoana ny fitsanganana amin’ny maty?
15 Nanana antony nanantenana ny fitsanganana amin’ny maty i Abrahama, satria rehefa antitra be izy sy i Saraha vadiny, ka maty raha ny amin’ny fahafahana hiteraka, dia naverin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga ny fahafahan’izy ireo hiteraka. Toy ny fitsanganana amin’ny maty izany. (Genesisy 18:9-11; 21:1-3; Hebreo 11:11, 12). Rehefa 25 taona teo ho eo i Isaka zanak’izy ireo, dia nasain’Andriamanitra hanao sorona azy i Abrahama. Nosakanan’ny anjelin’i Jehovah anefa ny tanan’i Abrahama, raha iny izy nadiva hamely an’i Isaka ho faty iny indrindra. “Nihevitra [i Abrahama] fa Andriamanitra dia mahay manangana [an’i Isaka amin’ny] maty aza; ary ny nandraisany azy teo koa dia tamin’ny heviny ara-panoharana.”—Hebreo 11:17-19, NW; Genesisy 22:1-18.
16. Miandry inona, ankehitriny, i Abrahama, izay matory ao amin’ny fahafatesana?
16 I Abrahama dia nanantena fitsanganana amin’ny maty eo ambanin’ny fanapahan’ny Mesia, ilay Taranaka nampanantenaina. Avy tany amin’ny toerana nisy azy talohan’ny naha olombelona azy, dia nahamarika ny finoan’i Abrahama ilay Zanak’Andriamanitra. Niteny toy izao tamin’ny Jiosy àry i Jesosy Kristy, olombelona: “Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko”. (Jaona 8:56-58; Ohabolana 8:30, 31). Matory ao amin’ny fahafatesana i Abrahama ankehitriny, ka miandry fitsanganana ho amin’ny fiainana eto an-tany, eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra.—Hebreo 11:8-10, 13.
Porofo avy ao amin’ny Lalàna sy ny Salamo
17. Ahoana no nanondroan’izay “voasoratra eo amin’ny lalàna” fa hitsangana amin’ny maty i Jesosy Kristy?
17 Mifanaraka amin’izay “voasoratra eo amin’ny lalàna” ny fanantenan’i Paoly ny fitsanganana amin’ny maty. Hoy Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita: “Mitondrà amboara iray amin’ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ny mpisorona (...); ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’i Jehovah izy [amin’ny 16 Nisana], hankasitrahana anareo”. (Levitikosy 23:9-14). Io lalàna io angamba no tao an-tsain’i Paoly rehefa nanoratra toy izao izy: “Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry.” Amin’ny maha ‘santatra’ an’i Jesosy, dia natsangana tamin’ny maty tamin’ny 16 Nisana 33 am.f.i. izy. Atỳ aoriana, mandritra ny fanatrehany, dia hisy fitsanganan’ireo manarakaraka ilay ‘santatra’, dia ireo mpanara-dia an’i Kristy voahosotry ny fanahy.—1 Korintiana 15:20-23; 2 Korintiana 1:21; 1 Jaona 2:20, 27.
18. Ahoana no nampisehoan’i Petera fa efa nambara mialoha ao amin’ny Salamo ny fitsanganan’i Jesosy?
18 Manome porofo manohana ny fitsanganana amin’ny maty koa ny Salamo. Tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., dia naka teny avy ao amin’ny Salamo 16:8-11 ny apostoly Petera, ka nilaza hoe: “Davida milaza [an’i Kristy] hoe: ‘Nijery an’i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo an-kavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa hitoetra amin’ny fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao.’ ” Nanampy teny toy izao i Petera: “Raha nahita rahateo [i Davida], dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo. Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra”.—Asan’ny Apostoly 2:25-32.
19, 20. Oviana i Petera no naka teny avy ao amin’ny Salamo 118:22, ary ahoana no nampifandraisana azy io tamin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany?
19 Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nitsangana teo anatrehan’ny Synedriona i Petera ka naka teny avy ao amin’ny Salamo indray. Izao no navalin’ilay apostoly, rehefa nanontaniana ny amin’ny fomba nanasitranany mpangataka nandringa iray izy: “Aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo. ‘Ity [Jesosy] no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro’. Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.”—Asan’ny Apostoly 4:10-12.
20 Naka teny avy ao amin’ny Salamo 118:22 i Petera teo, ka nampihariny tamin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ny voalazan’izy io. Nanda an’i Jesosy ny Jiosy, noho ny fampirisihan’ireo mpitarika ara-pivavahana. (Jaona 19:14-18; Asan’ny Apostoly 3:14, 15). Nahatonga an’i Kristy ho faty ny ‘nandavan’ny mpanao trano ilay vato’, fa nidika kosa ho fitsanganany ho amin’ny voninahitry ny zavaboary ara-panahy any an-danitra, ny ‘nahatongavan’ilay vato ho vato fehizoro’. Araka ny nambaran’ilay mpanao salamo mialoha, dia “avy tamin’i Jehovah izany”. (Salamo 118:23). Ny fahatongavan’ilay “vato” ho vato fehizoro dia nahafaoka ny fanandratana azy ho Mpanjaka voatendry.—Efesiana 1:19, 20.
Notohanan’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty
21, 22. Fanantenana inona no nambaran’i Joba, araka ny voarakitra ao amin’ny Joba 14:13-15, ary ahoana no ahafahan’izany mampionona ireo nidonam-pahoriana ankehitriny?
21 Na dia mbola tsy nahita mihitsy olona natsangana tamin’ny maty aza ny tenantsika, dia nanamarika fitantarana sasany ao amin’ny Soratra Masina, izay manome antoka antsika ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Afaka manana ilay fanantenana nambaran’i Joba, lehilahy marina, àry isika. Rehefa nijaly izy, dia nitalaho toy izao: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao [Jehovah] (...)! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy! Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? (...) Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:13-15). ‘Halahelo ny asan’ny tanany’ Andriamanitra, ka haniry mafy hanangana an’i Joba. Mahavelom-panantenana antsika tokoa izany!
22 Mety hanjary harary mafy, sahala amin’i Joba, ny olona iray matahotra an’Andriamanitra ao anatin’ny fianakaviana iray, ary mety ho resin’ilay fahavalo, dia ny fahafatesana, mihitsy aza. Mety ho latsa-dranomaso noho ny alahelo, sahala amin’i Jesosy, izay nitomany noho ny nahafatesan’i Lazarosy, ireo nidonam-pahoriana. (Jaona 11:35). Mampionona erỳ anefa ny mahafantatra fa hiantso Andriamanitra, ary ireo ao amin’ny fitadidiany dia hamaly! Ho toy ny hoe tafaverina avy amin’ny dia lavitra iray izy ireo, tsy marary tsy mari-koditra, fa salama tanteraka.
23. Ahoana no nanambaran’ny sasany ny fatokisany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?
23 Ny nahafatesan’ny Kristianina zokiolona nahatoky iray dia nahatonga an’ireo mpiray finoana taminy hanoratra toy izao ho an’ny zanany: “Miara-miory tokoa aminao izahay noho izao namoizanao ny reninao izao. Kely sisa dia hitsena azy hiverina isika, ary ho tsara tarehy sy ho tomady erỳ izy amin’izay!” Hoy ny ray aman-dreny iray izay namoy ny zanany lahy: “Tsy andrinay mihitsy ny andro hifohazan’i Jason! Hijery ny manodidina azy izy ka hahita ilay Paradisa efa niriny mafy. (...) Mandrisika antsika tia azy mba ho ao koa izany.” Eny, afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa isika, satria azo antoka ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty!
Ahoana no Havalinao?
• Inona no soa azontsika raisina avy amin’ny finoana ilay fandaharan’Andriamanitra hanangana ny maty?
• Zava-nitranga inona avy, voarakitra ao amin’ny Soratra Masina, no manome antsika antony anantenana fitsanganana amin’ny maty?
• Nahoana no azo lazaina fa fanantenana efa hatramin’ny ela ny fitsanganana amin’ny maty?
• Inona no fanantenana momba ny maty azontsika saintsainina hatrany, dia fanantenana izay manohana antsika?
[Sary, pejy 10]
Noho ny hery avy amin’i Jehovah, dia naverin’i Elia ho amin’ny fiainana ilay zazalahy zanaky ny mpitondratena iray
[Sary, pejy 12]
Rehefa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ilay zanakavavin’i Jaïro, dia talanjona indrindra ireo ray aman-dreniny
[Sary, pejy 15]
Tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., dia nanambara tamim-pahasahiana ny apostoly Petera fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy