-
Ahoana no Hananganana ny Maty?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Desambra
-
-
3. Araka ny 1 Korintianina 15:30-32, nahavita inona i Paoly noho izy nino ny fitsanganana amin’ny maty?
3 Nahavita niatrika olana isan-karazany i Paoly, satria nino ny fitsanganana amin’ny maty. (Vakio ny 1 Korintianina 15:30-32.) Nilaza tamin’ny Korintianina izy hoe: “Tandindomin-doza isan’andro ny aiko.” Nilaza koa izy hoe “niady tamin’ny bibidia tany Efesosy.” Tena biby angamba no tiany horesahina, ary mety ho niady tamin’izany izy tamin’izy tao anatina kianja tany Efesosy. (2 Kor. 1:8; 4:10; 11:23) Mety ho ny Jiosy na ny olon-kafa nanenjika azy koa anefa no tiany horesahina tamin’izany, ary nohariny tamin’ny “bibidia” ry zareo. (Asa. 19:26-34; 1 Kor. 16:9) Na inona na inona nitranga, dia tena mafy ny nahazo an’i Paoly.
-
-
Ahoana no Hananganana ny Maty?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Desambra
-
-
5. Inona no mety hahatonga antsika tsy hino ny fitsanganana amin’ny maty?
5 Nieritreritra ny olona sasany tamin’ny andron’i Paoly hoe: “Raha tsy hatsangana ny maty, dia ‘aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.’” Nampidi-doza izany toe-tsaina izany ka nampitandrina ny mpiara-manompo taminy i Paoly. Efa talohan’izay anefa no nisy io toe-tsaina io. Namerina an’izay voalazan’ny Isaia 22:13 angamba i Paoly tamin’izay. Ny toe-tsain’ny Israelita no resahina ao. Naleon-dry zareo nanao fiainana toy izay niezaka hanatona an’Andriamanitra. Nieritreritra ry zareo hoe efa ho faty ihany dia aleo manararaotra mifalifaly. Be dia be koa no mieritreritra hoatr’izany amin’izao. Hitantsika ao amin’ny Baiboly anefa hoe tena ratsy ny vokatr’izany toe-tsaina izany tamin’ny firenen’Israely.—2 Tan. 36:15-20.
6. Olona hoatran’ny ahoana no tsy hataontsika namana raha mino ny fitsanganana amin’ny maty isika?
6 Fantatsika fa hanangana ny maty i Jehovah. Tokony hitadidy an’izany isika rehefa mifidy namana. Nila nitandrina ny Kristianina tany Korinto mba tsy hinamana amin’ny olona tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy miraharaha ny hoavy ny olona sasany, sady tsy mieritreritra afa-tsy ny hiala voly. Hanimba antsika ny minamana amin’ny olona hoatr’izany. Mety hahatonga antsika hanana toe-tsaina ratsy sy fahazaran-dratsy izy. Mety hanota mihitsy aza isika, nefa halan’Andriamanitra ny fahotana. Nampirisika mafy àry i Paoly hoe: “Aoka ianareo hifoha sy hahatsiaro saina ka hanao ny marina, ary aza zatra manota.”—1 Kor. 15:33, 34.
-