‘Horesena ny Fahafatesana’
“Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” — 1 KORINTIANA 15:26.
1, 2. a) Fanantenana inona no nomen’ny apostoly Paoly, mahakasika ny maty? b) Fanontaniana inona momba ny fitsanganana amin’ny maty no novoaboasan’i Paoly?
“IZAHO mino (...) ny fitsanganan’ny tenan’ny maty ary ny fiainana mandrakizay.” Izany no voalazan’ny Fanekem-pinoan’ny Apostoly. Raisin’ny Katolika sy ny Protestanta ho adidy ny fanaovana tsianjery azy io, kanefa tsy fantany fa ny zavatra inoany anie ka be itoviana kokoa amin’ny filôzôfia grika fa tsy amin-javatra na inona izany na inona ninoan’ireo apostoly. Ny apostoly Paoly anefa dia nanda ny filôzôfia grika, ary tsy nino ny fanahy ho tsy mety maty. Na izany aza, dia nino mafy ny amin’ny fiainan-ko avy iray izy, ka nanoratra toy izao teo ambanin’ny tsindrimandry: “Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” (1 Korintiana 15:26). Midika ho inona izany ho an’ny olombelona mety maty?
2 Mba hamaliana izany, dia andeha hiverenantsika ilay famelabelarana nataon’i Paoly momba ny fitsanganana amin’ny maty, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-15. Tsaroanao fa tao amin’ireo andinin-teny fanokafana, dia noporofoin’i Paoly fa anisan’ny tena lehibe amin’ny foto-pampianarana kristianina ny fitsanganana amin’ny maty. Izao izy dia mivaofy fanontaniana voafaritra tsara iray: “Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?” — 1 Korintiana 15:35.
Karazam-batana manao ahoana?
3. Nahoana no nanda ny fitsanganana amin’ny maty ny sasany?
3 Rehefa nampipoitra io fanontaniana io i Paoly, dia mety ho nikasa hanohitra ny fitaoman’ny filôzôfian’i Platon izy. Nampianatra i Platon fa ny olona dia manana fanahy tsy mety maty izay manohy miaina aorian’ny hahafatesan’ny vatana. Ho an’izay nobeazina tao anatin’ny fiheverana toy izany, dia tsy isalasalana fa toa tsy ilaina ilay fampianarana kristianina. Raha toa ny fanahy ka manohy miaina aorian’ny fahafatesana, inona no ilana fitsanganana amin’ny maty? Ankoatra izany, dia azo inoana fa toa tsy araka ny lôjika ny fitsanganana amin’ny maty. Rehefa levona ho vovoka ny vatana, dia ahoana no mety hisian’ny fitsanganana amin’ny maty? Nilaza ilay mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly atao hoe Heinrich Meyer, fa ny fanoheran’ny Korintianina sasany dia mety ho niorina tamin’ilay “fanaporofoan-kevitra filôzôfika manao hoe tsy azo atao ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra mahaforona ny vatana”.
4, 5. a) Nahoana no mampiseho hadalana ny fanoheran’ireo tsy nanam-pinoana? b) Hazavao ilay fanoharan’i Paoly momba ny “voa fotsiny ihany”. d) Karazam-batana manao ahoana no omen’Andriamanitra ireo voahosotra hatsangana amin’ny maty?
4 Nahariharin’i Paoly ny naha poaka aty ny fisainan’izy ireo: “Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha; ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary, na voa hafa; fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.” (1 Korintiana 15:36-38). Tsy hanangana ireo vatana izay nananan’ny olona fony izy teto an-tany akory Andriamanitra. Hisy fiovana kosa.
5 Nampitaha ny fitsanganana amin’ny maty tamin’ny fitsimoky ny voa iray, i Paoly. Ny voam-bary kely dia kely iray, dia tsy misy itoviana mihitsy amin’ilay zavamaniry hivoaka avy aminy. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Rehefa manomboka mitsimoka ny voa iray, dia mifoka rano be dia be izy. Mahatonga fiovana simika maro ao anatin’ilay voa ny rano. Izy io koa dia mampibontsina ireo tambatsela anatin’ilay voa, ka mahavaky ilay fonom-boa.” Raha ny marina, dia maty ilay voa, amin’ny maha voa azy, ka tonga zavamaniry mipoitra. “Andriamanitra manome azy tena” na vatana, satria izy no mametraka ireo lalàna ara-tsiansa mifehy ny fitomboany, ka ny voa tsirairay dia mahazo vatana samy araka ny karazany avy. (Genesisy 1:11). Toy izany koa fa, maty amin’ny maha olombelona azy aloha ny Kristianina voahosotra. Avy eo, dia hovelomin’Andriamanitra indray hanana vatana vaovao tanteraka izy ireo, amin’ny fotoana voatondrony. Araka ny nolazain’i Paoly tamin’ireo Filipianina, dia “Jesosy Kristy (...) [no] hanova ny vatantsika mietry mba hitovy amin’ny vatany be voninahitra”. (Filipiana 3:20, 21, NW; 2 Korintiana 5:1, 2). Hatsangana hanana vatana ara-panahy izy ireo, ary hiaina any amin’ny faritra ara-panahy. — 1 Jaona 3:2.
6. Nahoana no mety ny inoana fa azon’Andriamanitra omena vatana ara-panahy sahaza azy ireo voahosotra hatsangana amin’ny maty?
6 Sarotra loatra ve izany, ka tsy mampino? Tsia. Nanjohy hevitra i Paoly fa manana karazam-batana samy hafa ny biby. Ho fanampin’izany, dia nampifanoheriny ny anjely any an-danitra sy ny olombelona nofo aman-dra, ka hoy izy: “Misy tenan’ny any an-danitra, ary misy tenan’ny etỳ an-tany”. Misy fahasamihafana lehibe koa eo amin’ny zavaboary tsy manana aina. “Ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray”, hoy i Paoly, ela be talohan’ny nahitan’ny siansa ireo zavatra eny amin’ny lanitra, toy ny kintana manga sy ny goavana mena ary ny bitika fotsy. Raha jerena amin’izany, dia tsy mety ve ny iheverana fa azon’Andriamanitra omena vatana ara-panahy sahaza azy, ireo voahosotra hatsangana amin’ny maty? — 1 Korintiana 15:39-41.
7. Inona no dikan’ny hoe tsy fahalovana? ary ny hoe tsy fahafatesana?
7 Niteny toy izao i Paoly avy eo: “Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty: Afafy amin’ny fahalòvana izy, atsangana amin’ny tsi-fahalòvana”. (1 Korintiana 15:42). Mety lo ny vatan’olombelona, na dia rehefa lavorary aza. Azo vonoina ho faty izy io. Nilaza, ohatra, i Paoly fa “tsy hiverina ho amin’ny lo intsony” i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 13:34). Tsy hovelomina indray hanana vatan’olombelona mety lo intsony izy, na dia hoe lavorary aza ilay vatana. Ny vatana izay omen’Andriamanitra an’ireo voahosotra hatsangana amin’ny maty, dia tsy mety lo — tsy tratran’ny fahafatesana na ny fihasimbana. Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana.” (1 Korintiana 15:43, 44, Fandikan-teny Katolika). Ankoatra izany, dia hoy i Paoly: “Ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.” Ny hoe tsy fahafatesana dia midika hoe fiainana tsy misy farany sady tsy manam-pahataperana. (1 Korintiana 15:53; Hebreo 7:16). Amin’izany fomba izany no itondran’ireo voahosotra tafatsangana “ny endrik’Ilay any an-danitra”, dia i Jesosy izay nahatonga ny fananganana azy ireo ho azo natao. — 1 Korintiana 15:45-49.
8. a) Ahoana no ahafantarantsika fa hanana ilay maha izy azy toy ilay nananany fony fahavelony teto an-tany ihany, ireo hatsangana amin’ny maty? b) Faminaniana inona avy no ho tanteraka rehefa hitranga ny fitsanganana amin’ny maty?
8 Na dia eo aza izany fiovana izany, dia mbola hanana ilay maha izy azy, toy ilay nananany talohan’ny nahafatesany ihany ireo hatsangana amin’ny maty. Hatsangana izy ireo, saingy hitovy amin’izay efa nananany ihany ireo zavatra hotsaroany sy ireo toetra kristianina ambony hananany. (Malakia 3:3; Apokalypsy 21:10, 18). Mitovy amin’i Jesosy Kristy izy ireo amin’io lafiny io. Fanahy izy no niova ho endrik’olombelona. Maty izy avy eo, ary dia natsangana ho fanahy. Na izany aza, ‘dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, i Jesosy Kristy’. (Hebreo 13:8). Tombontsoa be voninahitra tokoa no ananan’ireo voahosotra! Hoy i Paoly: “Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: ‘Ny fahafatesana noresena ka levona’. ‘Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?’ ” — 1 Korintiana 15:54, 55; Isaia 25:8; Hosea 13:14.
Fitsanganana eto an-tany?
9, 10. a) Raha jerena amin’ny teny manodidina ny 1 Korintiana 15:24, dia inona ilay “farany”, ary fisehoan-javatra inona avy no hitranga mifandray amin’izy io? b) Inona no tsy maintsy mitranga mba haharesy ny fahafatesana?
9 Hisy ve fiainan-ko avy ho an’ireo olona an-tapitrisany maro izay tsy mba manantena fiainana ara-panahy tsy mety maty any an-danitra? Misy tokoa! Rehefa avy nohazavain’i Paoly fa hitranga mandritra ny fanatrehan’i Kristy ny fitsanganana ho any an-danitra, dia nolazainy tamin’ny ambangovangony ireo fisehoan-javatra hanaraka izany, ka hoy izy: “Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.” — 1 Korintiana 15:23, 24.
10 “Ny farany” dia ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, rehefa hanolotra ilay Fanjakana ho an’ilay Andriamaniny sady Rainy i Jesosy, ka hanao izany amim-panetren-tena sy ho fanehoana tsy fivadihana. (Apokalypsy 20:4). Ho efa tanteraka amin’izay ilay fikasan’Andriamanitra ‘hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy’. (Efesiana 1:9, 10). Alohan’izany anefa, dia ho efa naringan’i Kristy “ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra” izay nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra fara tampony. Izany dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ilay fandringanana hatao ao Haramagedona. (Apokalypsy 16:16; 19:11-21). Hoy i Paoly: “Tsy maintsy manjaka [Kristy], mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” (1 Korintiana 15:25, 26). Eny, ho efa afaka avokoa izay rehetra soritry ny ota sy ny fahafatesana avy tamin’i Adama. Mazava ho azy fa amin’izay, dia tsy maintsy ho efa navoakan’Andriamanitra avokoa izay tao amin’ny “fasam-pahatsiarovana”, tamin’ny famelomana indray ny maty. — Jaona 5:28, NW.
11. a) Ahoana no ahafantarantsika fa azon’Andriamanitra foronina indray ny fanahy efa maty? b) Karazam-batana manao ahoana no homena ireo izay hatsangana eto an-tany?
11 Midika izany fa hisy fanahy olombelona hoforonina indray. Tsy mety ho vita ve izany? Tsia, satria manome toky antsika ny Salamo 104:29, 30, fa afaka manao izany Andriamanitra: “Alainao indray ny ainy, dia maty izy ka mody any amin’ny vovoka nanalana azy. Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy”. Na dia hanana ilay maha izy azy toy ilay nananany talohan’ny nahafatesany aza ireo hatsangana amin’ny maty, dia tsy voatery hanana ilay vatany taloha akory, izy ireo. Toy ny tamin’ireo izay natsangana ho any an-danitra ihany, dia homen’Andriamanitra vatana araka izay sitraky ny fony izy ireo. Tsy isalasalana fa ho vatana vaovao salama no ho azon’izy ireo ary hisy itoviana amin’ilay vatany tany am-boalohany mba hahafahan’ny havan-tiany hamantatra azy.
12. Rahoviana no hitranga ny fitsanganana eto an-tany?
12 Rahoviana no hitranga ilay fitsanganan’ny maty eto an-tany? Niteny toy izao momba an’i Lazarosy, anadahiny efa maty, i Marta: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24). Ahoana no nahafantarany izany? Tamin’ny androny, dia foto-dresaka nahatonga ady hevitra ny fitsanganana amin’ny maty, satria nino izany ny Fariseo, fa ny Sadoseo kosa tsy nino. (Asan’ny Apostoly 23:8). Na izany aza, dia tsy maintsy fantatr’i Marta ny amin’ireo vavolombelona talohan’ny andro kristianina izay nanantena ny fitsanganana amin’ny maty. (Hebreo 11:35). Afa-tsy izany koa, dia mety ho tsikariny avy tamin’ny Daniela 12:13, fa hitranga amin’ny andro farany ny fitsanganan’ny maty. Mety ho avy tamin’i Jesosy mihitsy aza no nahafantarany izany. (Jaona 6:39). Io “andro farany” io dia mifanitsy amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Apokalypsy 20:6). Alao sary an-tsaina ange ny fahataitairana mandritra izany “andro” izany, rehefa hanomboka io fisehoan-javatra lehibe io e! — Ampitahao amin’ny Lioka 24:41.
Iza no ho velona indray?
13. Fahitana inona momba ny fitsanganana amin’ny maty no voalazan’ny Apokalypsy 20:12-14?
13 Voarakitra an-tsoratra toy izao ao amin’ny Apokalypsy 20:12-14 ny fahitana azon’i Jaona momba ny fitsanganan’ny maty eto an-tany: “Nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.”
14. Iza no ho anisan’ireo hatsangana amin’ny maty?
14 Voafaoka ho anisan’ny hatsangana amin’ny maty “na ny lehibe na ny kely”, dia ireo olo-malaza sy ireo tsy be mpahalala izay efa niaina ka maty. Ho anisan’izany na dia ireo zaza madinika aza! (Jeremia 31:15, 16). Misy tsipiriany lehibe hafa iray aharihary ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15, manao hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” Hiavaka eo anivon’ireo “marina”, ny lehilahy sy vehivavy nahatoky fahiny, toa an-dry Abela, Enoka, Noa, Abrahama sy Saraha ary Rahaba. (Hebreo 11:1-40). Alao sary an-tsaina ange ny hoe ho afaka hifampiresaka amin’olona toy izany, ka hahafantatra ny tsipirian’ireo zava-nitranga ara-baiboly taloha ela be, avy amin’ny vavolombelona nanatri-maso e! Ho anisan’ireo “marina” koa ireo olona an’arivony maro natahotra an’Andriamanitra izay maty vao haingana kokoa, ary tsy manantena ny ho any an-danitra. Moa ve ianao manana havana na sakaiza tiana mety ho anisan’izy ireo? Mampionona erỳ ny mahafantatra fa ho afaka hahita azy ireo indray ianao! Iza kosa ireo olona “tsy marina” izay hovelomina indray koa? Anisan’izany ireo olona an-tapitrisany maro, angamba an’arivo tapitrisany maro mihitsy aza, izay maty kanefa tsy nanana fahafahana hianatra sy hampihatra ny fahamarinana ara-baiboly.
15. Inona ny dikan’ny hoe ‘hotsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany’ ireo hovelomina indray?
15 Amin’ny fomba ahoana no ‘hotsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany’ ireo hovelomina indray? Tsy ny firaketana an-tsoratra izay nataon’izy ireo tamin’ny lasa akory ireo boky ireo; tamin’ny fotoana nahafatesany, dia afaka madiodio tamin’ny ota nataony nandritra ny androm-piainany izy ireo. (Romana 6:7, 23). Mbola ho eo ambanin’ny fahotana avy tamin’i Adama anefa ny taranak’olombelona hatsangana amin’ny maty. Noho izany, ireo boky ireo dia tsy maintsy boky manazava ny toromarik’Andriamanitra izay tsy maintsy harahina mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny soron’i Jesosy Kristy. Rehefa ho foana ny soritra farany amin’ny fahotana avy tamin’i Adama, dia ‘ho resy amin’ny heviny feno ny fahafatesana’. Amin’ny faran’ny arivo taona, dia “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra”. (1 Korintiana 15:28, Kat.). Tsy hila ny fisalovanan’ny Mpisoronabe na Mpanavotra intsony ny olona. Ho tafaverina amin’ny fahalavorariana nananan’i Adama tany am-boalohany ny taranak’olombelona manontolo.
Fitsanganana milamina tsara
16. a) Nahoana no mety ny inoana fa hilamina tsara ny fizotran’ny fitsanganana amin’ny maty? b) Iza avy no azo inoana fa ho anisan’ireo voalohany hatsangana amin’ny maty?
16 Koa satria milamina tsara ny fitsanganana ho any an-danitra, “samy amin’ny filaharany avy”, dia miharihary fa ny fitsanganana eto an-tany dia tsy hiteraka fihoaran’ny isan’ny mponina izay hampisy fisafotofotoana. (1 Korintiana 15:23). Mazava fa hila fikarakarana ireo olona vao natsangana tamin’ny maty. (Ampitahao amin’ny Lioka 8:55.) Hila sakafo ara-nofo izy ireo — ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia hila fanampiana ara-panahy izy ireo mba hahazoany fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, dia fahalalana manome fiainana. (Jaona 17:3). Raha samy hovelomina indray miaraka ny rehetra, dia tsy ho vita mihitsy ny hikarakarana azy ireo araka ny tokony ho izy. Ara-dalàna ny hiheverana fa hitranga miandalana ny fitsanganana amin’ny maty. Azo inoana fa ho anisan’ireo voalohany hatsangana ireo Kristianina mahatoky izay maty aloha kelin’ny faran’ny fandehan-javatr’i Satana. Azontsika antenaina koa ny hananganana aloha an’ireo lehilahy nahatoky fahiny izay hanompo amin’ny maha “mpanapaka”. — Salamo 45:16.
17. Inona avy ireo raharaha iadian-kevitra momba ny fitsanganan’ny maty, izay tsy anomezan’ny Baiboly valiny, ary nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanahy be loatra ny amin’izany?
17 Na izany aza, dia tsy tokony hitompo teny fantatra ny amin’izany isika. Raharaha iadian-kevitra maro no tsy anomezan’ny Baiboly valiny. Tsy hazavainy ireo tsipiriany mahakasika ny fomba sy ny fotoana ary ny toerana hitrangan’ny fananganana ny tsirairay. Tsy lazainy amintsika ny fomba hanomezana trano sy sakafo ary fitafiana an’ireny hovelomina indray ireny. Ary tsy azontsika lazaina amin’ny fomba azo antoka koa hoe ahoana no handaminan’i Jehovah ny zava-manahirana toy ny fitaizana sy ny fikarakarana ireo ankizy hatsangana amin’ny maty, na hoe ahoana no hitantanany ny tarehin-javatra sasany mety hahakasika ny namantsika sy ny havan-tiantsika. Marina fa ara-dalàna ny haniriana hahafantatra ny zavatra toy izany; kanefa dia ho hadalana ny handaniana fotoana hiezahana hamaly fanontaniana izay tsy azo valiana amin’izao fotoana izao. Izay hanompoana amim-pahatokiana an’i Jehovah sy izay hahazoana fiainana mandrakizay no tokony hifantohantsika. Mametraka ny fanantenany amin’ny fitsanganana be voninahitra ho any an-danitra, ireo Kristianina voahosotra. (2 Petera 1:10, 11). Manantena lova mandrakizay eto an-tany, izay faritra hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16; Matio 25:33, 34). Raha ny amin’ireo tsipirian-javatra maro tsy fantatra momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia matoky an’i Jehovah fotsiny isika. Azo antoka ny fahasambarantsika ho avy raha eo an-tanan’Ilay afaka manome ‘fahafaham-po ny fanirian’ny zava-miaina rehetra’. — Salamo 145:16, NW; Jeremia 17:7.
18. a) Fandresena inona no nasongadin’i Paoly? b) Nahoana isika no matoky tanteraka ny fitsanganana amin’ny maty?
18 Nihiaka toy izao i Paoly raha namarana ny fanaporofoan-keviny: “Isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (1 Korintiana 15:57). Eny tokoa, azo ny fandresena manoloana ny fahafatesana avy tamin’i Adama, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, ka anisan’ny mahazo izany fandresena izany koa ny voahosotra sy ny “ondry hafa”. Mazava ho azy fa “ny ondry hafa” izay velona amin’izao andro izao dia manana fanantenana izay manokana ho an’izao taranaka izao. Noho izy ireo anisan’ny “olona betsaka” izay mihamitombo isa hatrany, dia mety ho tafita velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy izy ireo, ka tsy handia fahafatesana ara-batana mihitsy! (Apokalypsy 7:9, 14). Misy ireo maty noho ny “fotoana sy ny sampona” na novonoin’ireo solontenan’i Satana, kanefa na dia izy ireo aza, dia afaka mametraka ny fitokiany amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. — Mpitoriteny 9:11.
19. Fampirisihana inona no tsy maintsy arahin’ny Kristianina rehetra amin’izao andro izao?
19 Noho izany, dia dodona isika miandry io andro be voninahitra handresena ny fahafatesana io. Mahatonga antsika hanana fomba fijery zavatra araka ny tena izy, ny fananantsika toky tsy azo hozongozonina momba ny fampanantenan’i Jehovah fananganana amin’ny maty. Na inona na inona manjo antsika eto amin’itỳ fiainana itỳ — eny fa na dia ho faty aza isika — dia tsy misy afaka mandrombaka amintsika ilay valisoa nampanantenain’i Jehovah. Noho izany, ilay fampirisihana farany nataon’i Paoly ho an’ireo Korintianina, dia mety indrindra amin’izao andro izao, toy ny naha izany azy roa arivo taona lasa izay. Hoy tokoa mantsy izy: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — 1 Korintiana 15:58.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no namalian’i Paoly ilay fanontaniana momba ny vatana ho azon’ireo voahosotra rehefa hatsangana amin’ny maty izy?
◻ Amin’ny fomba ahoana, amin’ny farany, no handresena ny fahafatesana, ary rahoviana?
◻ Iza avy no ho anisan’ireo hatsangana eto an-tany?
◻ Ahoana no tokony ho fihetsitsika mahakasika ireo zavatra izay tsy anomezan’ny Baiboly valiny?
[Sary, pejy 20]
“Maty” ny voa iray noho ny fiovana be diaviny
[Sary, pejy 23]
Ho anisan’ireto tafatsangana amin’ny maty ireto, ny lehilahy sy vehivavy nahatoky fahiny, toa an-dry Noa, Abrahama sy Saraha ary Rahaba
[Sary, pejy 24]
Ho fotoam-pifaliana lehibe ny fitsanganana amin’ny maty!