“Aza Matahotra, ry Ondry Vitsy”
“Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” — LIOKA 12:32.
1. Inona no fototr’ireo tenin’i Jesosy hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy”?
“KATSAHO hatrany ny fanjakan[’Andriamanitra]”. (Lioka 12:31, NW ). Rehefa nilaza ireo teny ireo tamin’ny mpianany i Jesosy, dia nanambara fotopoto-pitsipika iray izay nitari-dalana ny fomba fisainan’ireo Kristiana nanomboka tamin’ny androny ka hatramin’izao androntsika izao. Tsy maintsy maka ny toerana voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:33). Ao amin’ny fitantaran’i Lioka anefa, i Jesosy dia nanohy nilaza teny manohina ny fo sy feno fanomezan-toky tamin’ny antokona Kristiana manokana iray. Hoy izy hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32). Amin’ny maha-Mpiandry Tsara azy, dia fantatr’i Jesosy fa hisy fotoana hisamboaravoara miandry ireo mpianany akaiky azy. Kanefa, tsy nisy antony tokony hatahorany raha nikatsaka hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Koa amin’izany, ny fampirisihan’i Jesosy dia tsy didy henjana. Fampanantenana nampiseho fitiavana kosa izy io, izay nanome fatokiana sy herim-po.
2. Iza no mahaforona ny ondry vitsy, ary nahoana no mahazo tombontsoa manokana izy ireo?
2 Teo am-piresahana tamin’ireo mpianany i Jesosy, ary niantso azy ireo hoe “ondry vitsy” izy. Teo am-piresahana tamin’ireo izay ‘homen’i Jehovah ny fanjakana’ koa izy. Rehefa ampitahaina amin’ny vahoaka maro be izay hanaiky an’i Jesosy atỳ aoriana kokoa io antokon’olona io, dia tena vitsy an’isa tokoa. Noheverina ho sarobidy koa izy ireo satria nofidina ho amin’ny hoavy miavaka iray, mba hampiasaina amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpanjaka. Miantso ny ondry vitsy i Jehovah Rain’izy ireo, ilay Mpiandry Lehibe, mba handraisan’izy ireo lova any an-danitra mifandray amin’ilay Fanjakana Mesianikan’i Kristy.
Ny ondry vitsy
3. Fahitana be voninahitra manao ahoana ny amin’ny ondry vitsy no hitan’i Jaona?
3 Iza àry no mahaforona izany ondry vitsy izany izay manana fahatsinjovan-javatra mahatalanjona toy izany? Ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izay mahazo fanosorana amin’ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 2:1-4). Tamin’ny fahitana azy ireo tamin’ny naha-mpihira any an-danitra mitana lokanga eny an-tanany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Hitako fa, indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny. Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry. Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.” — Apokalypsy 14:1, 4, 5.
4. Toerana manao ahoana no ananan’ny ondry vitsy eto an-tany amin’izao andro izao?
4 Nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ireo voahosotra sady nateraky ny fanahy ireo dia nanompo tamin’ny naha-ambasadaoron’i Kristy teto an-tany. (2 Korintiana 5:20, fanamarihana ambany pejy). Amin’izao andro izao, dia sisa amin’izy ireo monja no tavela, miara-manompo amin’ny maha-kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. (Matio 24:45, NW; Apokalypsy 12:17). Nanomboka tamin’ny taona 1935 indrindra, dia niaraka tamin’izy ireo ny “ondry hafa”, ireo Kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany izay miisa an-tapitrisany maro ankehitriny. Manampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny tany manontolo izy ireto. — Jaona 10:16.
5. Manao ahoana ny fihetsik’ireo sisa amin’ny ondry vitsy, ary nahoana izy ireo no tsy mila ny hatahotra?
5 Manao ahoana ny fihetsik’ireo sisa amin’izany ondry vitsy izany mbola eto an-tany? Amin’ny fahafantarana fa handray “fanjakana tsy azo hozongozonina” ny tenany, dia manolotra ny fanompoany masina amin-tahotra sy fahatahorana miharo fanajana araka an’Andriamanitra izy ireo. (Hebreo 12:28, NW ). Takatr’izy ireo amim-panetren-tena fa tombontsoa tsy hay tombanana ny azy, izay miteraka fifaliana tsy misy fetra. Hitan’izy ireo ilay “vato soa iray saro-bidy” nasian’i Jesosy fitenenana fony izy niresaka momba ilay Fanjakana. (Matio 13:46). Arakaraka ny anatonan’ilay fahoriana lehibe, ireo voahosotr’Andriamanitra dia mijoro tsy manan-tahotra. Na dia eo aza izay madiva hihatra amin’ny tontolon’olombelona mandritra “ny andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza”, dia tsy manana tahotra mampihorohoro ny amin’ny hoavy izy ireo. (Asan’ny Apostoly 2:19-21). Nahoana izy ireo no tokony hatahotra?
Mihamihena ny isa
6, 7. a) Nahoana no tena vitsy ny isan’ny ondry vitsy mbola eto an-tany? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny tsirairay avy ny fanantenana kolokoloiny?
6 Tao anatin’ireo taona faramparany, ny isan’ny ondry vitsy mbola eto an-tany dia nanjary tena vitsy. Niharihary izany avy tamin’ny tatitra momba ny Fahatsiarovana 1994. Any amin’ireo kongregasiona 75 000 eo ho eo misy ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, dia 8 617 monja no nampiseho ny fitononany ho anisan’ny sisa, tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny marika. (Matio 26:26-30). Mifanohitra amin’izany, ny tontalin’isan’ny mpanatrika dia 12 288 917. Fantatr’ireo Kristiana voahosotra fa izany no tokony hampoizina. Nanorina isa voafetra, 144 000, i Jehovah mba hahaforona ny ondry vitsy, ary nanangona azy izy nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Araka ny lojika, ny fiantsoana ny ondry vitsy dia hadiva hifarana rehefa ho feno ilay isa, ary asehon’ny porofo fa nifarana tamin’ny 1935 ny fanangonana ankapobe ireo voatahy manokana ireo. Kanefa, nambaran’ny faminaniana fa hitombo ny ondry hafa amin’ny fotoan’ny farany ka ho tonga ‘olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’. Nanomboka tamin’ny 1935, ilay fanangonana ankapobe ataon’i Jehovah dia ny an’izany olona betsaka izany, izay ny fanantenany dia ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. — Apokalypsy 7:9; 14:15, 16; Salamo 37:29.
7 Ny ankamaroan’ireo anisan’ny ondry vitsy mbola eto an-tany dia eo amin’ny faha-70 sy faha-80 ary faha-90 taonany ankehitriny. Vitsivitsy no efa nihoatra ny faha-100 taonany. Fantatr’izy rehetra ireo, na firy taona izy na firy taona, fa amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty ho any an-danitra, dia ho tafaray amin’i Jesosy Kristy izy ireo amin’ny farany ary hiara-manapaka aminy ao amin’ny Fanjakany be voninahitra. Ho olom-pehezin’i Kristy Mpanjaka eto an-tany ireo anisan’ny olona betsaka. Aoka ny tsirairay avy hifaly amin’izay tahirizin’i Jehovah ho an’ireo izay tia azy. Tsy anjarantsika ny mifidy izay fanantenana tokony hokolokoloina. Anjaran’i Jehovah ny mamaritra izany. Ireo antokon’olona roa ireo dia samy afaka mifaly amin’ny fanantenany hoavy sambatra, na ho any amin’ny Fanjakana any an-danitra izany, na ho eto amin’ny tany zary paradisa eo ambanin’ny fanapahan’io Fanjakana io. — Jaona 6:44, 65; Efesiana 1:17, 18.
8. Tonga hatraiza ny fanisiana tombo-kase ny 144 000, ary inona no hitranga rehefa vita izy io?
8 Ny ondry vitsy miisa 144 000 voafaritra tsara no “Isiraelin’Andriamanitra”, izay nisolo toerana ny Isiraely ara-nofo tao amin’ny fikasan’Andriamanitra. (Galatiana 6:16). Noho izany, ny sisa dia mahaforona ny ambiny amin’io firenena ara-panahy mbola eto an-tany io. Asiana tombo-kase ireo sisa ireo mba hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra farany. Tao amin’ny fahitana iray, dia nahita io zava-nitranga io ny apostoly Jaona, ary nitantara hoe: “Hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika. Ary nahare ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely [ara-panahy] rehetra.” (Apokalypsy 7:2-4). Koa satria miharihary fa madiva hifarana io asa fanisiana tombo-kase ny Isiraely ara-panahy io, dia miseho ny fambaran’ireo fisehoan-javatra mampientana hitranga tsy ho ela. Voalohany aloha, “ny fahoriana lehibe”, izay fotoana hamotsorana amin’ny tany ireo rivotra efatry ny fandringanana, dia tsy maintsy tena akaiky. — Apokalypsy 7:14.
9. Ahoana no iheveran’ny ondry vitsy ny fitomboan’ny isan’ny olona betsaka?
9 Miisa an-tapitrisany maro ireo anisan’ny olona betsaka izay efa voangona. Manafana ny fon’ny sisa toy inona moa izany! Na dia mihena hatrany aza ny isan’ireo anisan’ny ondry vitsy mbola eto an-tany, dia nampiofana sy nanomana lehilahy mahafeno fepetra amin’ny olona betsaka izy ireo mba hiantsoroka ireo andraikitra mifandray amin’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany mihamiitatra. (Isaia 61:5). Araka ny nambaran’i Jesosy, dia hisy ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe. — Matio 24:22.
“Aza matahotra”
10. a) Fanafihana inona no ampoizina fa hatomboka amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hitarika ho amin’inona izany? b) Fanontaniana inona avy no mipetraka momba ny tsirairay avy amintsika?
10 Naetry ho etỳ amin’ny manodidina ny tany i Satana sy ireo demoniany. Tarihina mba hanao ny fanafihany ny vahoakan’i Jehovah amin’ny heriny rehetra izy sy ireo tafiny. Io fanafihana io, izay voambara mialoha ao amin’ny Baiboly, dia lazalazaina ho ny fanafihan’i Goga avy any Magoga. Amin’iza indrindra moa ny Devoly no mampifantoka ny fanafihany? Moa ve tsy amin’ireo sisa amin’ny ondry vitsy, ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy, izay monina amim-piadanana “ao amin’ny foiben’ny tany”? (Ezekiela 38:1-12). Eny, kanefa ny sisa amin’ny kilasin’ny voahosotra mahatoky, miaraka amin’ireo namany tsy mivadika, dia ny ondry hafa, dia hanatri-maso ny fomba hanapoahan’ny fanafihan’i Satana valiny mampitaintaina avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Hisalovana izy mba hiaro ny vahoakany, ary izany dia hampihetsika ny fipoahan’ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”. (Joela 3:4). Amin’izao andro izao, ny mpanompo mahatoky sy malina dia manatanteraka fanompoana iankinan’ny aina, mamonjy aina, izay mampitandrina ny amin’io fisalovanan’i Jehovah ho avy io. (Malakia 3:23; 1 Timoty 4:16). Manohana amim-paharisihana io fanompoana io ve ianao, ka mandray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah? Hanohy hanao izany amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana tsy manan-tahotra ve ianao?
11. Nahoana no iankinan’ny aina ny fananana fihetsika mampiseho herim-po amin’izao andro izao?
11 Rehefa jerena ny tarehin-javatra misy ny tontolo ankehitriny, dia tena amin’ny fotoany tokoa ny hanarahan’ny ondry vitsy ireto tenin’i Jesosy nataony ho azy ireto: “Aza matahotra, ry ondry vitsy”! Tena ilaina ny fananana fihetsika mampiseho herim-po toy izany rehefa jerena izay rehetra efa tanterahina ankehitriny mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah. Takatry ny tsirairay amin’ny ondry vitsy ny ilana hiaretana hatramin’ny farany mihitsy. (Lioka 21:19). Toy ny niaretan’i Jesosy Kristy Tompon’ny ondry vitsy sy nahitana azy ho nahatoky hatramin’ny namitany ny fiainany teto an-tany no tsy maintsy iaretan’ny tsirairay amin’ny sisa sy hahitana azy ho mahatoky. — Hebreo 12:1, 2.
12. Ahoana no nampirisihan’i Paoly, tahaka ny nataon’i Jesosy, an’ireo Kristiana voahosotra mba tsy hatahotra?
12 Tsy maintsy manana ny fomba fijery mitovy amin’ny nananan’ny apostoly Paoly ireo voahosotra rehetra. Mariho ny fomba ifanarahan’ny teniny tamin’ny naha-voahosotra mpitory ampahibemaso ny fitsanganana amin’ny maty azy, amin’ny fampirisihan’i Jesosy mba tsy hatahotra. Izao no nosoratan’i Paoly: “Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsarako, izay iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesosy, mbamin’ny voninahitra mandrakizay. Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handa antsika; fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.” — 2 Timoty 2:8-13.
13. Fiekena lalina inona avy no ifikiran’ireo anisan’ny ondry vitsy, ary manosika azy ireo hanao inona izany?
13 Tahaka ny apostoly Paoly, ireo sisa amin’ny ondry vitsy voahosotra dia vonona ny hiaritra fijaliana eo am-panambaran’izy ireo ilay hafatra mahery voasoritra mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Latsa-paka lalina ny fieken’izy ireo eo am-pifikirany amin’ny fampanantenan’Andriamanitra famonjena sy amin’ny hanomezana azy ireo “ny satroboninahitra fiainana”, raha hita ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo. (Apokalypsy 2:10). Rehefa hatsangana eo no ho eo izy ireo ka hovana, dia hampiraisina amin’i Kristy, mba hiara-manapaka aminy amin’ny maha-mpanjaka. Fandresena re izany noho ny fanarahany ny lalan’ny fihazonana tsy fivadihana amin’ny maha-mpandresy izao tontolo izao! — 1 Jaona 5:3, 4.
Fanantenana tsy manam-paharoa
14, 15. Ahoana no maha-tsy manam-paharoa ny fanantenan’ny ondry vitsy fitsanganana amin’ny maty?
14 Tsy manam-paharoa ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty kolokoloin’ny ondry vitsy. Amin’ny fomba ahoana avy? Voalohany aloha, izy io dia mialoha ny fitsanganana ankapoben’ny “marina sy tsy ny marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Raha ny marina, ny fitsanganan’ireo voahosotra amin’ny maty dia manaraka filaharana iray arakaraka izay lehibe, araka izay aorin’ireto teny hita ao amin’ny 1 Korintiana 15:20, 23 ireto mazava tsara: “Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany.” Amin’ny fananana ilay karazana fiaretana sy finoana nasehon’i Jesosy, dia fantatry ny ondry vitsy izay tahirizina ho azy ireo eo am-pamaranany ny fihazakazahany eto an-tany, indrindra fa nanomboka tamin’ny nahatongavan’ny tena Tompo tao amin’ny tempoliny mba hanao fitsarana tamin’ny 1918. — Malakia 3:1, NW.
15 Manome antony fanampiny hiheverana an’io fitsanganana amin’ny maty io ho tsy manam-paharoa i Paoly. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 1 Korintiana 15:51-53, dia izao no nosoratany: “Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra (...). Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.” Mihatra amin’ireo anisan’ny ondry vitsy izay maty mandritra ny fanatrehan’i Kristy ireo teny ireo. Tsy ho voatery hatory mandritra ny fe-potoana lava be ao amin’ny fahafatesana izy ireo fa tafina tsy fahafatesana “vetivety, toy ny indray mipì-maso”.
16, 17. Mahakasika ny fanantenan’ireo Kristiana voahosotra fitsanganana amin’ny maty, ahoana no maha-voatahy manokana azy ireo amin’izao andro izao?
16 Amin’ny fahazavan’io fahazoan-kevitra io, dia afaka mahatakatra ny hevitr’ireo tenin’ny apostoly Jaona hita ao amin’ny Apokalypsy 14:12, 13 isika. Izao no nosoratany: “Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.”
17 Valisoa tsy manam-paharoa toy inona moa no tahirizina ho an’ny sisa amin’ny ondry vitsy! Ho tonga faingana ny fitsanganan’izy ireo, aorian’ny natoriany ao amin’ny fahafatesana avy hatrany. Fiovana miavaka toy inona moa no ho hitan’izy ireo eo am-pandraisany ny fanendrena azy any amin’ny faritra ara-panahy! Noho izany fanomezam-boninahitra ny ondry vitsy izany mandroso sy noho ny fahatanterahan’ireo faminaniana lehibe ao amin’ny Baiboly efa lasa lavitra, dia tena mila tokoa ny ‘tsy hatahotra’ ny sisa farany amin’ny ondry vitsy. Ary ny tsy fananan’izy ireo tahotra dia mampahery ireo anisan’ny olona betsaka, izay tokony hamboly toe-tsain’ny tsy fananan-tahotra mitovy amin’izany koa, eo am-piandrasany amim-panantenana ny fanafahana mandritra ilay fotoam-pahoriana lehibe indrindra hitan’ny tany hatramin’izay.
18, 19. a) Nahoana no mahadodona ny andro misy antsika? b) Nahoana no samy tsy tokony hatahotra ireo voahosotra sy ny ondry hafa?
18 Ny fitanisana ireo asan’ny ondry vitsy dia manome fahafahana azy ireo sy ny olona betsaka mba hatahotra ilay Andriamanitra marina hatrany. Tonga ny ora fitsaran’Andriamanitra, ary sarobidy ny fotoana azo hararaotina sisa tavela. Voafetra tokoa ny fotoana hanaovan’ny hafa zavatra. Isika anefa dia tsy matahotra sao tsy hahomby ny fikasan’Andriamanitra. Azo antoka fa hahomby izany!
19 Efa re sahady ireo feo mafy avy any an-danitra manao hoe: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15). Azo antoka fa i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe, dia mitari-dalana ny ondriny rehetra amin’ny “làlan’ny fahamarinana noho ny anarany”. (Salamo 23:3). Tarihina amin’ny fomba tsy misy diso ho any amin’ny valisoany any an-danitra ny ondry vitsy. Ary hafahana soa aman-tsara amin’ny fahoriana lehibe ny ondry hafa mba hahazo ny fiainana mandrakizay eo amin’ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra be voninahitra eto an-tany, eo ambanin’ny fanapahan’i Kristy Jesosy. Koa amin’izany, na dia natao ho an’ny ondry vitsy aza ireo tenin’i Jesosy, dia azo antoka fa manana antony tokony hihainoana ireo teniny hoe “Aza matahotra”, ny mpanompon’Andriamanitra rehetra eto an-tany.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Nahoana no tokony hampoizintsika ny hihenan’ny isan’ny sisa amin’ny ondry vitsy?
◻ Manao ahoana ny tarehin-javatra misy ny sisa voahosotra amin’izao andro izao?
◻ Nahoana no tsy tokony hatahotra ireo Kristiana, na dia manakaiky aza ny fanafihan’i Goga avy any Magoga?
◻ Nahoana no tsy manam-paharoa ny fanantenan’ny 144 000 fitsanganana amin’ny maty, indrindra fa amin’izao andro izao?