Sahirana Amin’ireo Asa Maty sa Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah?
“MIALA tsiny aho fa sahirana.” Izany dia iray amin’ireo fanoherana hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory ampahibemaso ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo. (Matio 24:14, NW). Ary na dia fialan-tsiny mora ampiasaina fotsiny aza indraindray ny filazana hoe “sahirana aho”, dia marina fa olona maro no sahirana. Izy ireo dia saiky lanin’ny “fiahiahiana izao fiainana izao” tanteraka — ny faneren’ny fameloman-tena, ny fandoavana ireo taratasim-bola, ny fivezivezena noho ny asa, ny fitaizana zanaka, ny fikarakarana tokantrano sy fiara ary fananana hafa. — Matio 13:22.
Na dia mety ho sahirana marina tokoa aza anefa ny olona, dia vitsy no raikitra amin’ny asa izay tena mamokatra na andraisan-tsoa. Izany dia araka ny nosoratan’i Solomona, lehilahy hendry, indray mandeha: “Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ny masoandro? Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.” — Mpitoriteny 2:22, 23.
Antsoin’ny Baiboly koa hoe “asa maty” ny asa tsy ahitam-bokany toy izany. (Hebreo 9:14). Moa ve ny asa toy izany manapaka ny fiainanao? Izany dia tokony hampisaintsaina mafy anao amin’ny maha-Kristiana anao, satria Andriamanitra dia ‘hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.’ (Salamo 62:12). Koa satria “fohy ny fotoana sisa tavela”, dia tokony hiahy indrindra isika ny tsy handanilany foana ny fotoana amin’ireo asa izay maty. (1 Korintiana 7:29, NW). Fa inona aloha no atao hoe asa maty? Ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? Ary ahoana no ahazoantsika antoka fa sahirana amin’ny asa izay tena misy vidiny tokoa isika?
Famantarana ireo asa maty
Ao amin’ny Hebreo 6:1, 2, i Paoly dia nanoratra hoe: “Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra, ary fampianarana ny amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tànana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.” Mariho fa “ny abidim-pianarana” dia nahafaoka “fibebahana hahafahana amin’ny asa maty”. Tamin’ny naha-Kristiana azy, ireo namaky ny taratasin’i Paoly dia efa nibebaka tamin’izany asa maty izany. Tamin’ny fomba ahoana moa?
Talohan’ny nanekeny an’i Kristy, ny sasany tamin’ny taonjato voalohany dia revo tamin’ny “asan’ny nofo” izay asa maty, izany hoe, “fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy” sy fanao ratsy hafa. (Galatiana 5:19-21). Raha tsy najanona izany asa izany dia ho nitarika azy ireo ho amin’ny fahafatesana ara-panahy. Soa ihany anefa fa niala tamin’ny làlana nanimba narahiny izy ireo, nibebaka ary “voasasa”. Tamin’izany izy ireo dia nitana toerana madio teo anatrehan’i Jehovah. — 1 Korintiana 6:9-11.
Tsy ny Kristiana rehetra anefa no nila nibebaka tamin’ny asa izay ratsy na naloto ara-pitondrantena. Ny taratasin’i Paoly dia nalefa voalohany indrindra ho an’ireo mpino jiosy, izay ny maro taminy dia tsy isalasalana fa nanaraka akaiky ny Lalàn’i Mosesy talohan’ny nanekeny an’i Kristy. Tsy maintsy nibebaka tamin’ny asa maty inona àry izy ireo? Azo antoka fa tsy nisy naha-ratsy azy ny nanarahan’izy ireo ny fepetra ara-pomba sy ara-tsakafo notakin’ny Lalàna. Moa tokoa ve ny Lalàna tsy ‘masina sady marina no tsara’? (Romana 7:12). Eny, kanefa ao amin’ny Romana 10:2, 3, dia niteny toy izao mikasika ny Jiosy i Paoly: “Fa vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.”
Eny, nino tamin’ny fomba diso ireo Jiosy fa izy ireo dia afaka nahazo ny famonjena tamin’ny fanarahana tamim-pitandremana fatratra ny Lalàna. Nanazava anefa i Paoly fa “tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy”. (Galatiana 2:16). Taorian’ny nanomezana ny avotr’i Kristy, ny asan’ny Lalàna — na nampiseho fanajana an’Andriamanitra izany, na mendri-kaja — dia asa maty sy tsy nisy vidiny na inona na inona, eo amin’ny fahazoana famonjena. Araka izany, ireo Jiosy tso-po dia nitady ny fankasitrahan’Andriamanitra tamin’ny fibebahana tamin’izany asa maty izany, ary tamin’ny fanekena hatao batisa ho fampisehoana ny fibebahany. — Asan’ny Apostoly 2:38.
Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny asa maty dia mety hahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fanaovan-javatra ratsy na maloto ara-pitondrantena; izany dia mahatafiditra izay mety ho asa maty, na manasa-poana, na tsy mitondra vokany ara-panahy. Kanefa, moa ve ny Kristiana rehetra tsy efa nibebaka tamin’ny asa maty toy izany talohan’ny batisany? Marina izany, nefa nisy Kristiana sasany tamin’ny taonjato voalohany lavo indray tao anatin’ny fitondrantena maloto tatỳ aoriana. (1 Korintiana 5:1). Ary teo amin’ireo Kristiana jiosy, dia nisy fironana hiverina tamin’ny fanarahana ireo asa matin’ny Lalàn’i Mosesy. Voatery nampahatsiaro ny olona toy izany mba tsy hiverina tamin’ny asa maty, i Paoly. — Galatiana 4:21; 5:1.
Mitandrema tena amin’ny asa maty
Tsy maintsy mitandrina àry ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao mba tsy ho lavo indray ao anatin’ny fandriky ny asa maty. Tafihin’ny fanerena saiky amin’ny lafiny rehetra isika mba hanaiky lembenana ara-pitondrantena, mba tsy hanao ny marina, ary mba hanana fitondrantena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mampalahelo ny milaza fa Kristiana an’arivony maro isan-taona no resin’ny fanerena toy izany ary, raha tsy mibebaka, dia roahina hiala amin’ny kongregasiona kristiana. Ny Kristiana àry, dia tsy maintsy mitandrina bebe kokoa mbola tsy nisy toy izany ilay torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:22-24 hoe: “Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny [filana mamitaka, NW ]; fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.”
Marina aloha fa, ireo Efesiana izay nanoratan’i Paoly ny taratasiny, dia efa nitafy ny toetra vaovao tamin’ny fetrany lehibe. Nanampy azy ireo anefa i Paoly hahatakatra tsara fa ny fanaovana izany dia fanaovan-javatra nitohy! Raha tsy misy fiezahana tsy tapaka, ireo Kristiana dia mety hiverina amin’ny asa maty indray noho ny filana mamitaka izay maharitra toy ny fitaomana manimba iray. Marina koa izany ho antsika amin’izao andro izao. Tsy maintsy mikely aina hatrany isika mba hitafy ny toetra vaovao, amin’ny tsy famelana izany ho voapentin’izay mety ho toetoetra azo tamin’ny fomba fiainantsika taloha. Tsy maintsy manalavitra — mankahala — izay mety ho endriky ny asan’ny nofo ratsy isika. “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”, hoy ny fampirisihan’ny mpanao salamo. — Salamo 97:10.
Mendri-piderana fa, ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao dia mitandrina io torohevitra io, ary mitoetra ho madio ara-pitondrantena. Ny sasany anefa, dia voavily lalana noho ny asa izay tsy ratsy amin’ny maha-izy azy, fa manasa-poana sy tsy misy vokany amin’ny farany. Ny sasany, ohatra, dia revo tanteraka tamin’ireo tetika hahazoam-bola be, na tamin’ny fahazoan-javatra ara-nofo. Mampitandrina toy izao anefa ny Baiboly: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” (1 Timoty 6:9). Ho an’ny hafa, dia ny fianarana tsy ara-pivavahana no tonga fandrika. Marina fa mety hilaina ny ambaratongam-pianarana tsy ara-pivavahana sasany mba hahitana asa. Kanefa nanimba ny ara-panahiny ny sasany tamin’ny fanarahana fianarana ambonin’izao tontolo izao izay mandany fotoana be.
Eny, misy asa maro izay mety tsy hanimba ara-pitondrantena amin’ny maha-izy aza. Na dia izany aza anefa, dia asa maty izy ireny raha tsy tena mitondra fanatsarana eo amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao, na mahatonga antsika hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra. Mandany fotoana sy hery ny asa toy izany kanefa tsy mitondra soa ara-panahy, na famelombelomana maharitra. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 2:11.
Tsy isalasalana fa mikely aina mafy ianao mba ho sahirana amin’ny asa ara-panahy izay mendrika ny handaniam-potoana sy hery. Manampy anefa ny fandinihanao tena tsy tapaka. Indraindray, dia azonao atao ny manontany tena toy izao: ‘Moa ve iharam-pahavoazana ny fandraisako anjara amin’ny asa fanompoana sy ny fanatrehako fivoriana noho ny nandraisako asa fivelomana tsy tena ilaina?’ ‘Moa ve aho manam-potoana hialana voly nefa tsy manam-potoana firy hanaovana fianarana manokana sy fianaram-pianakaviana?’ ‘Moa ve aho mandany fotoana sy hery be mba hiahiana fananana ara-nofo nefa tsy miahy ireo sahirana ara-pivelomana ao amin’ny kongregasiona, toy ireo marary sy be taona?’ Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia mety hampiharihary ny ilànao hametraka amin’ny loha laharana kokoa ireo asa ara-panahy.
Aoka ianao ho sahirana hatrany amin’ny fanompoana an’i Jehovah
Milaza ny 1 Korintiana 15:58 fa misy zavatra maro be atao “amin’ny asan’ny Tompo”. Ny voalohany dia ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra. Ao amin’ny 2 Timoty 4:5, i Paoly dia nampirisika hoe: “Ataovy ho anton’asa eo amin’ny fiainanao ny fitoriana ny Vaovao Tsara, amin’ny fanompoana feno”. (Baibolin’i Jerosalema). Manan-javatra maro atao koa ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa eo amin’ny fiahiana izay ilain’ny andian’ondry. (1 Timoty 3:1, 5, 13; 1 Petera 5:2). Ireo loham-pianakaviana koa — maro amin’izy ireny no mitaiza irery ny zanany — dia manana andraikitra mavesatra eo amin’ny fiahiana ny fianakaviany sy eo amin’ny fanampiana ny zanany mba hitombo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Mety handreraka ny asa toy izany, mety ho tafahoatra mihitsy aza indraindray. Kanefa tsy maty velively izy ireny fa mitondra tena fahafaham-po!
Izao no zava-manahirana: Ahoana no ahitana fotoana hanatanterahana ireny asa tena ilaina sy mendrika andaniam-potoana rehetra ireny? Zava-dehibe ny fifehezana ny tena sy fanaovana fandaminan-javatra manokana. Nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 9:26, 27: “Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” Ny fomba iray ampiharana ny fotopoto-pitsipika ao amin’io andininy io dia ny fandinihana tsy tapaka ny fahazaranao manokana sy ny fomba fiainanao. Mety ho hitanao fa misy zavatra tsy ilaina maro be mandany ny fotoana sy ny herinao, azonao foanana.
Ohatra, moa ve ny ankamaroan’ny hery sy fotoananao lany amin’ny fijerena televiziona, amin’ny fialam-boly, amin’ny famakiana bokin’izao tontolo izao, sa amin’ny fanalana andro? Araka ny lahatsoratra iray tao amin’ny The New York Times, ny olon-dehibe salasalany any Etazonia dia manaram-po amin’ny fijerena televiziona mandritra “30 ora mahery isan-kerinandro eo ho eo”. Azo antoka fa ny fotoana toy izany dia azo ampiasaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa! Nanao izao tatitra izao ny vadin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Saiky nesoriko avokoa izay mandanilany fotoana rehetra, toy ny fijerena televiziona.” Inona no vokany? Afaka namaky manontolo ireo boky firaketana roa momba ny Baiboly hoe Insight on the Scriptures izy!
Mety hilainao koa ny mandinika hoe hatraiza no ahafahanao manatsotra ny fomba fiainanao. Hoy i Solomona: “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:11). Betsaka amin’ny fotoana sy ny herinao ve no voatokana hikarakarana fananana ara-nofo tsy tena ilaina? Marina tokoa fa arakaraka ny ananantsika zavatra betsaka, no hahabetsaka ny zavatra tsy maintsy kojakojaintsika, iantohantsika, amboarintsika, ary arovantsika. Sao dia hahasoa anao ny fanesorana fotsiny fananana sasany tsy ho ao aminao?
Ny fananana fandaharam-potoana mihevitra ny zava-misy dia fomba hafa iray ahafahanao mampiasa tsara kokoa ny fotoananao. Izany fandaharam-potoana izany dia tokony hanisy fiheverana ny filan’ny tena fialan-tsasatra na fialam-boly. Tokony homena ny loha laharana anefa ireo zavatra ara-panahy. Tokony hisy fotoana hatokana mba hanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona rehetra. Ho azonao faritana mialoha koa ireo andro na takariva atokana ho an’ny asa fitoriana. Amin’ny fanaovana drafitra amim-pitandremana, dia mety ho azonao ampitomboina mihitsy aza ny fandraisanao anjara amin’ny fanompoana, angamba amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy indraindray. Ataovy azo antoka anefa fa misy fotoana voalamina ho an’ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana, tafiditra amin’izany ny fanomanana feno ho amin’ireo fivoriana. Rehefa voaomana ianao, dia tsy vitan’ny hoe handray zavatra bebe kokoa avy amin’ireo fivoriana ny tenanao, fa ho tsara toerana kokoa ianao mba “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” amin’ny alalan’ny valinteninao. — Hebreo 10:24.
Mety hitaky fanaovana sorona sasany ny fahitana fotoana mba hianarana. Ohatra, mifoha aloha isa-maraina ny fianakavian’ny Betela maneran-tany mba hanaovana dinidinika momba ny teny natao hovakina amin’ilay andro. Mety ho azonao atao ve ny mividividy fotoana kely isa-maraina ho an’ny fianarana manokana? Hoy ny mpanao salamo: “Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako.” (Salamo 119:147). Mazava ho azy fa ny fifohazana maraina dia hitaky ny handaharana fotoana antonony handehanana hatory mba hahafahanao hanomboka ny andro manaraka salama sy afa-bizana.
Ny soa raisina rehefa sahirana amin’ny fanompoana an’i Jehovah
Ny fananan-javatra maro be atao “amin’ny asan’ny Tompo” dia tena mitaky ny hanaovana drafitra, fifehezana, ary fandavan-tena. Ho vokany anefa, dia handray soa tsy tambo isaina ianao. Koa mitoera àry ho sahirana, tsy amin’ny asa maty na manasa-poana izay tsy mitondra afa-tsy fahatsapana fahabangana sy fahoriana, fa amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Fa amin’ny asa toy izany no anehoanao ny finoanao, ary ahazoanao sitraka amin’Andriamanitra sy ny valisoan’ny fiainana mandrakizay amin’ny farany!
[Sary, pejy 28]
Ny fanaovana fandaharam-potoana mihevitra ny zava-misy, dia manampy ny Kristiana iray hampiasa ny fotoanany amim-pahendrena kokoa