Tykiko, Mpiara-manompo azo Nitokiana
TAMIN’NY fotoana samihafa, i Tykiko dia nanao dia niaraka tamin’ny apostoly Paoly ary iraka nampiasainy. Iraka azo nanankinana vola sy andraikitra momba ny asa fiandraiketana izy. Koa satria ny Soratra Masina manasongadina ny fisehoany ho mendri-pitokiana — toetra iray tena lehibe amin’ny Kristianina rehetra — dia ho tianao angamba ny hahalala bebe kokoa ny momba azy.
Nilazalaza an’i Tykiko ho ‘rahalahiny malala sy mpanompo mahatoky ary namany manompo ao amin’ny Tompo’, i Paoly. (Kolosiana 4:7). Nahoana no nihevitra azy ho toy izany ilay apostoly?
Fitondrana fanampiana vonjy rano vaky ho any Jerosalema
Nisy fahasahiranana ara-nofo nitombo teo amin’ireo Kristianina tany Jodia, tokony ho tamin’ny 55 am.f.i. Noho ny fanampian’ireo kongregasiona tany Eoropa sy Azia Minora, dia nandamina famoriam-bola mba hanohanana azy ireo i Paoly. Nanana anjara asa tamin’io fitondrana fanampiana vonjy rano vaky io i Tykiko, avy tany amin’ny distrikan’i Azia.
Rehefa avy nanome toromarika mikasika ny fomba hitantanana an’io fanomezana io i Paoly, dia nanipy hevitra ny amin’ny handefasana lehilahy mendri-pitokiana hankany Jerosalema, na handehanan’izy ireo hiaraka aminy any, mba hitondra ny vola rehetra voangona. (1 Korintiana 16:1-4). Rehefa niainga ho amin’ilay dia lavitra avy tao Gresy nankany Jerosalema izy, dia nisy lehilahy maromaro niara-dia taminy, ary toa iray tamin’izy ireny i Tykiko. (Asan’ny Apostoly 20:4). Nety ho nilaina ny olona maro niara-dia toy izany, satria nitondra ny vola nankinin’ny kongregasiona maromaro taminy izy ireo. Nety ho anton-javatra tena lehibe ny nilana fiarovana, satria loza nananontanona teny an-dalana ny fisian’ireo jiolahy. — 2 Korintiana 11:26.
Koa satria niara-dia tamin’i Paoly nankany Jerosalema i Aristarko sy i Trofimo, dia mihevitra ny olona sasany fa azo inoana ho nanao toy izany koa i Tykiko sy ny hafa. (Asan’ny Apostoly 21:29; 24:17; 27:1, 2). Noho i Tykiko tafiditra tamin’io fandaharana fanampiana vonjy rano vaky io, dia izy no iray tamin’ireo maromaro noheverina ho ilay “rahalahy” niara-niasa tamin’i Titosy tany Gresy mba handamina ilay famoriam-bola, no sady ‘notendren’ny fiangonana ho naman’i Paoly hiara-mandeha aminy hitondra io [fanomezana, NW ] io’. (2 Korintiana 8:18, 19; 12:18). Raha nisy andraikitra ilay asa voalohany nanirahana an’i Tykiko, dia tsy latsaka noho izany ny faharoa.
Avy tao Roma nankany Kolosia
Nanantena ny hafahana avy tamin’ny fanaovana an-tranomaizina azy voalohany tany Roma i Paoly, dimy na enin-taona tatỳ aoriana (60-61 am.f.i.). Tonga teo aminy i Tykiko, tany amin’ny toerana an-jatony kilaometatra maro avy teo amin’ny fonenany. Hody any Azia izao i Tykiko. Izany dia nanome ho an’i Paoly fahafahana handefa taratasy ho an’ireo kongregasiona kristianina tany amin’io faritra io, ary handefa an’i Onesimosy hiverina tany Kolosia, satria mpanompon’i Filemona nandositra izy io. Taratasy telo fara faharatsiny no nentin’i Tykiko sy i Onesimosy. Anisan’ny kanônan’ny Baiboly izy ireo ankehitriny — ny iray ho an’ny Efesiana, ny faharoa ho an’ny Kolosiana ary ny fahatelo ho an’i Filemona. Nety ho nisy taratasy iray koa nentina ho an’ny kongregasionan’i Laodikia, tanàna iray tokony ho 18 kilaometatra avy tao Kolosia. — Efesiana 6:21; Kolosiana 4:7-9, 16; Filemona 10-12.
Tsy mpitondra taratasy tsotra fotsiny i Tykiko. Iraka manokana azo nitokiana izy, satria toy izao no nosoratan’i Paoly: “Ny toetro rehetra dia holazain’i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ny Tompo; ny anton’ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo”. — Kolosiana 4:7, 8.
Nanazava i E. Randolph Richards, manam-pahaizana iray, fa ny mpitondra taratasy “matetika dia olona mampifandray manokana ny mpanoratra sy ny anoratana, ho fanampin’ilay soratra ifandraisana. (...) [Ny antony iray] nilana mpitondra taratasy mendri-pitokiana dia [satria] nitondra fanazavana fanampiny izy io matetika. Ny taratasy dia mety hilazalaza fohy ny toe-javatra iray, mazàna araka ny ameran’ilay mpanoratra azy, fa ilay mpitondra taratasy kosa no antenaina hilaza ny tsipiriany rehetra amin’ilay olona anoratana”. Na dia mety hiresaka ny amin’ireo fampianarana sy raharaha maika aza ny taratasy iray, ny zavatra hafa kosa dia ilay iraka azo nitokiana no nampita izany am-bava.
Tsy miresaka firy momba izay nanjo an’i Paoly, ireo taratasy ho an’ny Efesiana sy ny Kolosiana ary ho an’i Filemona. I Tykiko, araka izany, no tsy maintsy nitondra fanazavana manokana, sy namelabelatra ny amin’ny tarehin-javatra nisy an’i Paoly tany Roma, ary nahafantatra tsara ny toe-piainan’ireo kongregasiona mba hahafahany hanome fampaherezana. Ny hafatra sy andraikitra tahaka izany dia tsy nankinina afa-tsy tamin’ireo izay azo nianteherana mba hisolo tena tamim-pahatokiana an’ilay mpaniraka. Lehilahy toy izany i Tykiko.
Asa fiandraiketana tany amin’ny toerana lavitra nanendrena azy
Rehefa nafahana avy tao an-tranomaizina tany Roma i Paoly, dia nieritreritra ny handefa an’i Tykiko na i Artema ho any amin’i Titosy, tany amin’ny nosy Kreta. (Titosy 1:5; 3:12). Naniraka indray an’i Tykiko ho any Efesosy ny apostoly Paoly, nandritra ny fanaovana an-tranomaizina azy fanindroany tany Roma (azo inoana fa tokony ho tamin’ny 65 am.f.i.), angamba mba hisolo toerana an’i Timoty izay afaka nandeha avy eo, mba ho any amin’i Paoly. — 2 Timoty 4:9, 12.
Tsy fantatra mazava raha sady nandeha tany Kreta no nandeha tany Efesosy koa i Tykiko nandritra an’io fe-potoana io. Na dia izany aza, ny loharanon-kevitra toy ireny dia toa manondro fa nitoetra ho iray tamin’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’i Paoly foana izy mandra-pahatongan’ireo taona farany nanompoan’ilay apostoly. Raha toa i Paoly ka nieritreritra ny handefa an’i Tykiko hanatontosa iraka misy andraikitra sy angamba sarotra, ho solon’i Timoty sy i Titosy, dia mazava fa efa nanjary mpiandraikitra kristianina matotra izy. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 1:3; Titosy 1:10-13.) Ny fahavononany hanao dia lavitra sy hampiasaina tany amin’ny toerana lavitra nanendrena azy dia nahatonga azy hahasoa an’i Paoly sy ny kongregasiona kristianina iray manontolo.
Amin’izao andro izao, ireo Kristianina feno fahafoizan-tena dia manompo an’Andriamanitra an-tsitrapo ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, na manao izay hananany fahafahana hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana any an-toeran-kafa. An’arivony maro no nanaiky tamim-pifaliana ny fanendrena azy ho misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, mpanompo iraisam-pirenena any amin’ireo tetik’asa fanorenana, any amin’ny Foibe Maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower, na any amin’ny iray amin’ireo sampany. Sahala amin’i Tykiko, dia tsy tia sehoseho izy ireo, kanefa dia mpiasa mazoto, “mpanompo mahatoky” izay sarobidy amin’Andriamanitra sady tian’ireo Kristianina namany, satria ‘namana mendri-pitokiana mpiara-manompo ao amin’ny Tompo’.