Andriamanitra no Mampitombo — Manao ny Anjaranao ve Ianao?
ALAO sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra. Ao anaty zaridaina kanto iray ianao, voahodidin’ny hazo mijoalajoala, kirihitra mandrobona fatratra, ary fitambaram-boninkazo miloko marevaka. Misy ahi-maitso mavana midina misolampy mankeo amin’ny moron-drenirano iray voakarakara amim-pitandremana, renirano mampiboiboika rano madio mangarangarana. Tsy misy na inona na inona manimba ilay fahitana. Talanjona ianao, ka manontany hoe iza no nanao io toerana tsara tarehy io. Ho valiny, dia milaza aminao amim-panetren-tena ilay mpikarakara zaridaina fa Andriamanitra no manao izay itomboan’ny zava-drehetra.
Mazava ho azy fa fantatrao izany. Ary tsaroanao ny tenin’ilay mpikarakara zaridaina rehefa tonga tany an-trano ianao ka nahita ny tokotaninao tsy voakarakara, izay tsy misy na inona na inona manintona maniry, sy feno fako mivangongo, ary rano avy amin’ny orana mameno ireo lavadavaka amin’ny tany tsy maha-te-hijery. Maniry mafy mba hanana zaridaina toy ilay vao avy notsidihinao ianao. Koa, noho ianao mino mafy ny tenin’ilay mpikarakara zaridaina, dia mandohalika ianao ary mivavaka amin-kafanam-po amin’Andriamanitra mba hampaniriany voninkazo tsara tarehy ao an-tokotaninao. Inona no mitranga? Tsy misy na inona na inona, mazava ho azy.
Ahoana ny amin’ny fitomboantsika ara-panahy? Mety haniry fatratra hahita zavatra hitombo ara-panahy ianao, toy ny mpianatra vaovao mandray tsara ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, na ny fandrosoana ara-panahy ataonao manokana. Ary mety hivavaka amin-kafanam-po amin’i Jehovah ianao mba hahatonga izany fitomboana izany, amin’ny fiekena mafy fa manana ny hery anaovana izany izy. Kanefa, moa ve ny fanirianao fatratra sy ny vavaka amin-kafanam-po ary ny fitokianao amin’ny herin’Andriamanitra dia hitondra fitomboana amin’izao fotsiny?
Andriamanitra no mampitombo
Angamba ianao mihevitra fa kely dia kely na tsy misy dikany mihitsy aza ny anjara raisinao eo amin’ny fanaovana izay hisian’ny fitomboana ara-panahy. Moa ve ny apostoly Paoly tsy nanolotra izany hevitra izany ao amin’ny 1 Korintiana 3:5-7? Izao no nosoratany: “Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.”
Niaiky ara-drariny i Paoly fa rehefa mitombo ny zavatra, dia Andriamanitra no tokony homena ny voninahitra rehetra. Mety hanomana ny taniny sy hamafy ny voany ary hikarakara amim-pitandremana ireo voly ny mpikarakara zaridaina iray. Amin’ny farany anefa, dia noho ny hery famoronana mahatalanjona ananan’Andriamanitra no mampitombo ny zavatra. (Genesisy 1:11, 12, 29). Inona anefa no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena”? (“Tsy ireo mpikarakara zaridaina amin’ny famboleny sy ny fanondrahany akory no inona”, The New English Bible.) Moa ve izy manamaivana ny maha-zava-dehibe ny anjaran’ny minisitra tsirairay eo amin’ny fanaovana mpianatra vaovao, ary te hilaza fa amin’ny farany, dia tsy mampiova zavatra firy ny fomba fanaovantsika ny fanompoantsika?
“Tsinontsinona izay mamboly”
Tadidio fa, ao amin’io tapan’ny taratasiny io, i Paoly dia tsy niady hevitra momba ny fanompoana kristiana fa momba ny maha-hadalana ny fanarahana olona fa tsy i Jesosy Kristy. Ny sasany tany Korinto dia nihevitra ny mpanompon’i Jehovah niavaka, toa an’i Paoly sy i Apolosy, ho lehibe tamin’ny fomba tafahoatra. Ny hafa dia nahatonga fitokotokoana ary nanandratra olona izay nihevi-tena ho ambony kokoa noho ireo rahalahiny kristiana. — 1 Korintiana 4:6-8; 2 Korintiana 11:4, 5, 13.
Tsy mahasoa ny fanomezam-boninahitra olona amin’izany fomba izany. Fomba fisaina araka ny nofo izany, ary miteraka fialonana sy fifandirana. (1 Korintiana 3:3, 4). Nasehon’i Paoly ny vokatry ny fisainana toy izany. Hoy izy: “Misy fifampiandaniana eo aminareo. Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’i Paoly, na: Izaho an’i Apolosy, na: Izaho an’i Kefasy, na: Izaho an’i Kristy”. — 1 Korintiana 1:11, 12.
Noho izany, rehefa nanoratra izy hoe “ny mpamboly sy ny mpanondraka dia tsinontsinona” (Phillips), ilay apostoly dia niady tamin’izany fisainana araka ny nofo izany, ka nanantitrantitra ny ilana hiankina amin’i Jesosy Kristy ho Mpitarika, ka hiaiky fa ny voninahitra rehetra noho ny fitomboana ao amin’ny kongregasiona dia tokony homena an’Andriamanitra. Mpanompo ao amin’ny kongregasiona fotsiny ireo apostoly sy ireo loholona hafa. Tsy misy tokony hasandratra na hitady voninahitra na laza. (1 Korintiana 3:18-23). Koa tsinontsinona ilay mpamboly sy ilay mpanondraka, hoy i Paoly, “raha ampitahaina amin’ilay manome aina ny voa”. — 1 Korintiana 3:7, Phillips.
Mpiara-miasa amin’Andriamanitra
Tamin’ny filazana izany àry, ny apostoly Paoly dia tsy nanamaivana ny maha-zava-dehibe ny anjarantsika eo amin’ny fambolena sy ny fanondrahana. Tsy nilaza tamintsika izy mba hanomboka hieritreritra hoe: “Hampitombo ny zavatra amin’ny fotoany Andriamanitra”, ka dia hiala sasatra fotsiny ary hiandry ny hanaovany izany isika. Fantany fa izay ataontsika sy ny fomba anaovantsika izany dia misy heriny eo amin’ny fomba itomboan’ireo zavatra.
Izany no antony nampirisihan’i Paoly tsy an-kijanona ny Kristiana mba hiasa mafy amin’ny fanompoany sy hanatsara ny fahaizany amin’ny maha-mpampianatra. Eritrereto ilay torohevitra nomeny an’ilay zatovolahy atao hoe Timoty. “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16). “Izao no anafatrafarako anao mafy (...) torio ny tenin’Andriamanitra, ka mazotoa amin’izany (...) [amin’ny] fahari-po sy fahaiza-mampianatra (...) Ataovy lavorary ny fanompoanao”. (2 Timoty 4:1, 2, 5, DIEM ). Tsy nisy dikany ny fiasan’i Timoty mafy mba hanatsarana ny fahaizany, raha toa ka tsy nisy heriny teo amin’ny fampitomboana zavatra ny famboleny sy ny fanondrahany.
Sahala amin’i Paoly sy Apolosy, dia afaka manana ilay tombontsoa tsy hay tombanana hanompo amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra ianao. (1 Korintiana 3:9; 2 Korintiana 4:1; 1 Timoty 1:12). Amin’ny maha-izany anao, dia zava-dehibe ny asanao. Ilay mpikarakara zaridaina dia tsy manantena ny hampisian’Andriamanitra zaridaina kanto iray amin’ny fomba mahagaga, tsy misy ezaka avy amin’ny tenany. Tokony ho hafa noho izany ve ny amin’ny fitomboana ara-panahy? Azo antoka fa tsia. Sahala amin’ilay mpamboly izay “miandry ny voka-tsoan’ny tany” amim-paharetana, dia tsy maintsy milofo amin’ny fambolena sy ny fanondrahana aloha isika, sady miandry ny hampitomboan’Andriamanitra izany. — Jakoba 1:22; 2:26; 5:7.
Ataovy ny anjaranao
Koa satria “samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany” ny olona, araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, dia tokony hanontany tena isika ny amin’ny fomba fiasantsika mafy. — 1 Korintiana 3:8.
Hoy ilay manam-pahaizana manokana momba ny fikarakarana zaridaina atao hoe Geoffrey Smith: “Tsy misy fahaizana manokana ilaina mba hahatongavana ho mpikarakara zaridaina, fa fahalianana amin’ny voly fotsiny.” (Shrubs & Small Trees). Toy izany koa fa tsy misy fahaizana manokana raikitra ao amintsika ilaina mba hahatongavantsika ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra, fa fahalianana marina amin’ny olona sy fahavononana ny hampiasain’Andriamanitra fotsiny. — 2 Korintiana 2:16, 17; 3:4-6; Filipiana 2:13.
Diniho ny sasany amin’ny torohevitra tsara nomen’ireo mpikarakara zaridaina mahay. Milaza ny manam-pahaizana iray fa raha vonona ny hihaino an’ireo izay manana fanandraman-javatra bebe kokoa noho ny tenany ny mpikarakara zaridaina vaovao iray, dia “mety ho tonga manam-pahaizana vetivety ilay mpianatra”. Ary hoy ihany io manam-pahaizana io hoe: “Ny manam-pahaizana manokana dia mahita zava-baovao ianarana foana.” (The Encyclopedia of Gardening). Moa ve ianao manaiky an-tsitrapo ny fanampiana sy ny fampiofanana izay omen’i Jehovah mba hahafahanao hamboly sy hanondraka amin’ny fomba mandaitra? Raha manao izany ianao, na vaovao ao amin’ilay asa ianao na efa ampy fanandraman-javatra, dia afaka mampitombo fahaizana fanampiny ianao amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra anao, ary amin’izany dia “hahay mampianatra ny sasany kosa”. — 2 Timoty 2:2.
Raha vonona ny hihaino sy hianatra izy, hoy i Geoffrey Smith, “ny vaovao iray dia hanalavitra ireo fandrika ratsy indrindra”. Raha mihaino ny fitarihana izay omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany isika, dia hanao zavatra araka izay tiany. Amin’izay isika dia hanalavitra, ohatra, ny fandrika toy ny ady hevitra tsy amim-piheverana amin’ireo izay tsy mitady afa-tsy ny hifamaly sy hiady amin-teny fotsiny. — Ohabolana 17:14; Kolosiana 4:6; 2 Timoty 2:23-26.
Torohevitra tsara hafa iray momba ny fikarakarana zaridaina ny fieritreretana tsara, alohan’ny hihazakazahana hiasa ny tany. “Alohan’ny hanombohanao hiasa ny tany”, hoy ny The Encyclopedia of Gardening, “dia mandania fotoana amim-pilaminana mba hanombanana [izay andrandrainao].” Moa ve ianao latsaka ao anatin’ny fandriky ny fihazakazahana ho ao amin’ny fanompoana kristiana tsy misy fieritreretana amim-pitandremana sy amim-bavaka mialoha ny amin’izay irinao hotanterahina sy ny amin’ny fomba tsara indrindra hanaovana izany? Ataovy mazava tsara alohan’ny hanombohanao, ireo zava-kendrenao. Eritrereto, ohatra, ny amin’ny karazan’olona mety hifanena aminao sy ireo zava-manahirana izay mety hatrehinao, ary dia miomàna mba handamina izany. Izany dia hahatonga anao “hahazo olona faran’izay betsaka [eo am-pahatongavanao] ho zavatra rehetra amin’ny karazan’olona rehetra”. — 1 Korintiana 9:19-23, NW.
“Aza atsahatra ny tànanao”
Raha mankasitraka ny tombontsoa hanompo amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika, dia tsy hametra ny fandraisantsika anjara amin’ny fiaraha-miasa aminy. “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” (Mpitoriteny 11:6). Eo am-pelatanan’i Jehovah ny vokatra farany, kanefa dia tsy hijinja isika raha tsy mamafy amim-pitandremana. — Mpitoriteny 11:4.
Tsy misy mihitsy zaridaina tonga tsara tarehy noho ny fiasana ny tany sy ny famafazam-boa atao kitoatoa. Toy izany koa, fa be kokoa no takina ao amin’ny fanompoana kristiana noho ny fandraisana anjara anarany fotsiny amin’ny fizarana ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra antsika, dia ilaintsika ny manambara amim-pitandremana sy amin’ny fomba feno ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fitadiavana ireo izay manana fironan’ny saina tsara. (Asan’ny Apostoly 13:48, NW ). Tsarovy ilay fotopoto-pitsipika nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 9:6 manao hoe: “Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany”.
Sahala amin’ny mpikarakara zaridaina tsara rehetra, dia miezaka mamboly eo amin’ny tany tsara isika. Raha vao misy zavatra nambolena, na dia eo amin’ny tany tsara indrindra aza, dia tsy mifarana hatreo akory ny raharaha. Hoy i Geoffrey Smith: “Izany akory tsy midika hoe rehefa avy namboly dia tsy misy na inona na inona fanampiny takina amin’ilay olona tompon’andraikitra afa-tsy ny mividy seza azo aforitra sy elo be [mba hialan-tsasatra].” Tsia, satria takina ny ezaka mba hanondrahana sy hiarovana ny voly, mba hitomboany. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 6:10, 11.
Raha ny marina, ny fanompoana kristiana dia mety hidika ho vanim-potoana lava hiasana mafy nefa toa tsy misy zavatra firy mitranga. Tampoka anefa, ary indraindray amin’ny fomba tsy ampoizina, dia mety hisy vokatra mahatalanjona hanaraka. Hoy i Geoffrey Smith: “Ny fikarakarana zaridaina dia voaforon’ny vanim-potoana lava anaovana asa mafy amim-pahazarana izay elanelanin’ny fotoana faran’izay kanto aoka izany, hany ka hadino avokoa ny fiasana ny tany sy ny fiavana ary ny fanahiana faran’izay mafy.” Afaka hanana fotoana faran’izay mahafa-po koa ianao rehefa misy fo mandray tsara ilay hafatra momba ny fahamarinana — raha toa ianao ka vonona ny hanao ny fiasana ny tany sy ny fambolena sy ny fiavana ary ny fanondrahana voalohany. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 20:4.
Fantatr’i Paoly sy i Apolosy fa tsy nahatonga azy ireo hahazo laza manokana sasany tao amin’ny kongregasiona kristiana akory ny asa fitorian’izy ireo ilay Fanjakana sy ny fanaovany mpianatra. Takany fa Andriamanitra no mampitombo. Na dia izany aza, dia namboly izy ireo ary nanondraka — tamim-pitandremana. Enga anie isika hanaraka ny ohatr’izy ireo ary hanao izay hahazoan’Andriamanitra mampiasa antsika amin’ny maha-‘mpanompo izay mahatonga ny hafa ho mpino’. — 1 Korintiana 3:5, 6.
[Sary, pejy 23]
Andriamanitra no mampitombo ny zava-drehetra — kanefa manao ny anjarany koa ilay mpikarakara zaridaina