Inona no Hafoinao Noho ny Raharaham-barotra Hataonao?
NY VADIN’NY filoha ao amin’ny tany iray any Amerika Atsimo dia voampanga ho nanodinkodina an-jatony tapitrisa dolara tamin’ny fifanekena natao tamin’ny kompania sandoka naorin’ny mpianakaviny. Ny mpijirika iray 38 taona any India dia nosamborina ary nesorina taminy ny tranony kanto sy ireo fiarakodiany 29, noho izy voaporofo fa voarohirohy tamin’ny raharaha maloto fametraham-bola 1,6 arivo tapitrisa dolara tamin’ny banky sy tamin’ny tsenam-bola. Any Philippines, ireo mponina an’arivony maro ao amin’ny nosy iray dia mivelona amin’ny alalan’ny fanamboarana basy poleta tsy ara-dalàna. Mba hanohizana io varotra mampanan-karena io dia voalaza fa zatra manome tsolotra ireo manam-pahefana izy ireo mba tsy hanembantsembanana azy.
Eny, miely maneran-tany ny fanaovana ny tsy marina sy ny famitahana amin’ny raharaham-barotra. Ary matetika dia namoizan’ireo olona voakasika ny toerany sy ny lazany ary koa ny volany izany.
Ahoana ny aminao? Manao raharaham-barotra ve ianao? Sa mieritreritra ny hanomboka raharaham-barotra iray? Inona no hafoinao amin’izy io? Tsy azo lavina fa hamoy zavatra ianao amin’ny fanaovana raharaham-barotra. Tsy voatery ho ratsy izany. Kanefa, fahendrena ny hiheverana izay ho lany, alohan’ny hanombohana raharaham-barotra ahazoam-bola mampisalasala, na alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra mahakasika ny raharaham-barotra iray efa miorina. (Lioka 14:28). Ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-31 dia mampiseho ireo zavatra sasany hafoy izay ho tianao ny hihevitra azy.
Mazava fa tsy mora ny fanaovana raharaham-barotra. Ho an’ny Kristiana iray, dia misy adidy ara-panahy sy ara-pitondran-tena tokony hoheverina. Ho afaka ny hiatrika amim-pahombiazana izay ho lany ve ianao sady hahay handanjalanja ara-panahy hatrany? Moa ve mihoatra noho izay azonao ekena ara-pitondran-tena ny zavatra ho lany sasany? Inona avy ireo fotopoto-pitsipika sasantsasany izay hanampy anao hamantatra hoe zavatra ho lany inona avy no azo ekena sy tsy azo ekena?
Hazony ho eo amin’ny toerany ny vola
Ilaina ny vola mba hampandehanana ny raharaham-barotra iray, ary antenaina mba hitondra vola ampy hamelomana ny fianakavian’ny tena izany. Mety hivaona mora foana anefa ireo tanjona mahakasika ny vola. Mety hanjary ho antony iray mahatonga izany ny faniriana mihoa-pampana. Ho an’ny olona maro be, ny zavatra hafa rehetra dia ailika rehefa tafiditra ny vola. I Agora, iray amin’ny mpanoratra ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly anefa dia naneho fomba fihevitra voalanjalanja fony nilaza toy izao: “Aza manome ahy alahelo na harena; fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy”. (Ohabolana 30:8). Tsapany ny hasarobidin’ny fianinana amin’ny fomba fivelomana ampy — tsy naniry ho mpanefohefo izy, araka izay lazain’ny sasany amin’ny raharaham-barotra.
Ny faniriana mihoa-pampana anefa dia mety hahatonga ny olona iray hanadino io fotopoto-pitsipika io rehefa mipoitra izay lazaina fa fahafahana hampitombo harena. Ny minisitra Vavolombelon’i Jehovah mpitety faritany any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana iray dia nanao tatitra ny amin’ny toe-javatra toy izany. Ny kompania iray nitady olona hampiasa renivola ao aminy dia toa nampino ireo mpampiasa vola fa hitombo haingana avo roa heny ny volany, angamba ao anatin’ny volana vitsivitsy monja. Izany fahafahana hahazo vola mora foana izany dia nitarika olona maro hampiasa ny volany. Hoy ilay minisitra mpitety faritany: “Maimay loatra hiditra tamin’izy io ny sasany. Tsy namotopototra ny amin’ilay raharaha tamin’ny fomba feno izy ireo, ary nandeha nisambo-bola [hampiasaina].”
Nifanohitra tamin’izany, dia nisy olona roa nandeha namotopototra tany amin’ny biraon’ilay kompania, talohan’ny hampiasany ny volany. Nolavina ny fangatahany hitsidika ny ozinina famokarana. Nahatonga azy ireo hisalasala ny amin’ny fananan’ilay kompania laza tsara izany. Hita fa fiarovana ho azy izany, satria tao anatin’ny herinandro vitsivitsy dia nalana sarona izay niharihary fa tetika mamitaka, ary nisy olona nosamborina. Eritrereto fotsiny ange izay nafoin’ireo izay tsy namotopototra aloha e. Izy ireo dia namoy, tsy vola ihany, fa angamba ireo namana izay nampisambo-bola azy mihitsy aza, kanefa tsy afaka nahazo indray ny volany rehefa nirodana ilay tetika. Amin’ny raharaham-bola, dia fahendrena toy inona moa ny mampihatra ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Ohabolana 22:3 manao hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa”!
Tano ny teny nataonao
Ahoana raha nihodina ho ratsy ilay raharaham-barotra? Ny Salamo 15:4 dia manao teny fiderana ny olona iray izay mitana ny fanekena nataony na dia tsy hahazoany tombony aza ny fanaovana izany: “Tsy mivadika amin’ny fianianany [izy], na dia maningotra ny tenany aza”. Mora ny mitana ny teny nataon’ny tena rehefa mandroso ny raharaham-barotra. Manjary fitsapana ny tsy fivadihana anefa izany rehefa mahafaty antoka ara-bola ny tenanao.
Tadidio ny ohatra iray ao amin’ny Baiboly, tamin’ny andron’i Josoa. Ireo Gibeonita dia nampiasa tetika mba hahatonga ireo mpifehy teo amin’ny Isiraely hanao fanekena taminy ka tsy handringana azy. Anisan’ny firenena iray, izay noheverina fa nandrahona ny Isiraely tokoa izy ireo. Rehefa tra-tehaka ilay fitaka dia “tsy namely azy ny Zanak’Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy”. (Josoa 9:18). Na dia avy tany amin’ny faritany fahavalo aza io antokon’olona io, dia tsapan’ireo mpifehy fa zava-dehibe ny hitanan’izy ireo ny teniny. Ary ireo fisehoan-javatra nanaraka dia mampiseho fa nampifaly an’i Jehovah izany. — Josoa 10:6-11.
Hitana ny fifanarahana sy ny fifanekena ara-barotra nataonao koa ve ianao na dia tsy mandeha araka izay nantenainao aza ny zavatra?a Ny fanaovana toy izany dia hahatonga anao hanahaka kokoa an’i Jehovah, izay mitana foana ny teny nataony. — Isaia 55:11.
Manaova ny marina
Ny fanaovana ny marina dia tahaka ny karazana iray tandindomin’ny fahafoanana, raha tsy efa foana aza, ao amin’ny tontolon’ny raharaham-barotra, amin’izao andro izao. Ireo olon-kafa ao amin’ny raharaham-barotra mitovy amin’ny anao dia mety hampiasa fomba tsy marina mba hampitomboana ny tombom-barony. Mety hanao ny tsy marina izy ireo amin’ny dokam-barotra. Mety hangalatra ny anaran’ny kompania hafa izy ireo, ka hametraka izany eo amin’ny zavatra vokariny. Na mety hampiseho ny vokatra iray ambany karazana ho toy ny ambony karazana izy. Endrika fanaovana ny tsy marina avokoa ireo rehetra ireo. Ireo izay manao izany dia toy ny “olona ratsy fanahy” izay, araka ny tenin’i Asafa, dia miharihary fa “mitombo harena” amin’ny fomba mamitaka. — Salamo 73:12.
Hampiasa ny fomba fanao tsy ara-dalàna toy izany ve ianao amin’ny maha-Kristiana? Sa kosa hotarihin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, toy ny hoe: “Tsy nanao izay tsy marina tamin’olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona”; “nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena (...) izahay”; “fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny vato samy hafa, ary ny mizana mandainga dia tsy tsara”? (2 Korintiana 4:2; 7:2; Ohabolana 20:23). Tadidio fa ilay niandohan’ny fanaovana ny tsy marina dia tsy iza fa i Satana Devoly, “rain’ny lainga”. — Jaona 8:44.
Mety handa ny sasany ka hilaza hoe: ‘Sarotra ny mijanona amin’ny raharaham-barotra raha tsy mampiasa fomba fanao tsy marina toy ny ataon’ny hafa.’ Eo no ahafahan’ny Kristiana maneho ny finoany an’i Jehovah. Tsapaina ny fanaovana ny marina rehefa misy zavatra hafoy. Ny filazana fa ny olona iray dia tsy afaka mivelona raha tsy manao ny tsy marina, dia toy ny milaza fa Andriamanitra dia tsy miraharaha ireo izay tia azy. Ny olona iray manam-pinoana marina an’i Jehovah dia mahafantatra fa Andriamanitra dia afaka manome izay ilain’ny mpanompony na aiza na aiza tany misy azy ireo ary na inona na inona tarehin-javatra misy azy ireo. (Hebreo 13:5). Marina fa angamba ny olona iray dia tsy maintsy mianina amin’ny fidiram-bola kely kokoa noho izay mety ho azon’ireo manao ny tsy marina, nefa moa ve izany tsy vidiny mendrika haloa mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra?
Tadidio fa ny fanaovana ny tsy marina dia toy ny boomerang, izay rehefa atsipy, dia miverina amin’ilay nanipy azy. Raha hita fa tsy marina ny mpandraharaha iray, dia matetika hiala aminy ireo mpividy sy ireo mpamatsy azy. Mety hamitaka azy ireo indray mandeha izy fa mety ho izay no ho farany. Etsy an-kilany, ny mpandraharaha manao ny marina dia mazàna mahazo ny fanajan’ny hafa. Mitandrema tsara mba tsy ho voataonan’ny fanjohian-kevitra diso manao hoe: ‘Ny olona hafa rehetra dia manao ny tsy marina daholo, koa tsy mampaninona izany.’ Ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy”. — Eksodosy 23:2.
Aoka hatao hoe ilay mpiara-miasa aminao amin’ny raharaham-barotra efa hatramin’ny ela dia tsy namana Kristiana ary tsy mifikitra foana amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Hety ve ny hampiasana izany ho toy ny fialan-tsiny mba tsy hiantsorohana ny andraikitrao manokana rehefa misy zavatra atao tsy araka ny Soratra Masina? Tadidio ny ohatra toy ny an’i Adama sy ny an’i Saoly. Tsy nanalavitra ny fahotana izy ireo fa nilefitra kosa tamin’ny fanerena nataon’ny hafa sy ireo olona niaraka taminy. Vidiny lafo tokoa no naloan’izy ireo! — Genesisy 3:12, 17-19; 1 Samoela 15:20-26.
Mifampiraharahà araka ny tokony ho izy amin’ireo namana mpino
Misy zavatra hafoy tokony hoheverina ve rehefa miditra amin’ny fifampiraharahana ara-barotra amin’ireo namana mpiara-mivavaka amin’i Jehovah? Fony i Jeremia mpaminany nividy saha iray tamin’ny zanak’olo-mpirahalahy taminy tao Anatota, tanàna nahabe azy, dia tsy hoe nanome azy ny vola fotsiny izy ary nifandray tanana taminy. Tsia, hoy kosa izy hoe: “Nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola.” (Jeremia 32:10). Ny fanaovana fifanarahana an-tsoratra toy izany dia ahafahana misoroka ireo tsy fifankahazoan-kevitra mety hipoitra any aoriana, raha miova ny toe-javatra.
Inona anefa no tokony hatao raha toa ka nentin’ny rahalahy kristiana iray tsy ara-drariny tamin’ny raharaham-barotra ianao? Tokony hoentinao eo anatrehan’ny fitsarana ve izy? Tena mazava ny hevitry ny Baiboly momba izany. “Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina?”, hoy ny fanontanian’i Paoly. Ahoana raha tsy voalamina avy hatrany amin’ny fomba mahafa-po ilay zava-manahirana? Nanampy teny toy izao i Paoly: “Kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” Eritrereto fotsiny ny laza ratsy mety hoentin’izany ho an’ny fandaminana kristiana, raha toa ka mahare ny olona eny ivelany fa mandamina ny adiny eny amin’ny fitsarana ny Kristiana marina! Nety ho nanjary mafy kokoa noho ny fitiavan-drahalahy ve ny fitiavam-bola? Sa nety ho voaloto ve ny lazan’ny tena ka ny famaliana faty no voalohany ao an-tsaina? Ny torohevitr’i Paoly dia mampiseho fa amin’ny toe-javatra toy izany dia ho tsara kokoa ny hiharam-pahavoazana toy izay hankany amin’ny fitsarana. — 1 Korintiana 6:1, 7; Romana 12:17-21.
Mazava ho azy fa misy fomba araka ny Soratra Masina ahafahana mandamina ny fifanolanana toy izany ao anatin’ny faritry ny kongregasiona. (Matio 5:37; 18:15-17). Amin’ny fanampiana ireo rahalahy voakasika hanaraka ireo dingana voalaza, ireo mpiandraikitra kristiana dia mety hanolotra torohevitra mahasoa ho an’izay rehetra tafiditra. Mety ho toa mora, mandritra izany fiaraha-midinika izany, ny manaiky ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, nefa moa ve ianao avy eo tena hampiseho fa nihaino, amin’ny fampiharana ny torohevitra nomena? Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namantsika kristiana dia hanosika antsika hanao toy izany.
Tsy misy isalasalana fa hisy zavatra hafoinao amin’ny fanaovana raharaham-barotra. Soa ihany fa ny vidiny haloanao dia tsy tafahoatra. Rehefa tojo fanapahan-kevitra na tarehin-javatra mampiahiahy ianao, dia tadidio ao an-tsaina fa misy zavatra maro eo amin’ny fiainana izay sarobidy lavitra noho ny vola. Amin’ny fihazonana ny vola ho eo amin’ny toerany, amin’ny fitanana ny teny nataon’ny tena, amin’ny fanaovana ny marina, sy amin’ny fifampiraharahana amin’ny fomba kristiana amin’ireo mpiara-miasa amin’ny raharaham-barotra, dia afaka mahazo antoka isika fa ireo zavatra lany amin’ny raharaham-barotra dia tsy hamoizana fotoana sy vola mihoatra noho izay tena ilaina, sady ho afaka hitahiry ireo fisakaizantsika sy ny feon’ny fieritreretana madio ary fifandraisana tsara dia tsara amin’i Jehovah isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny amin’ny ohatra maoderina momba ny fitanana ny teny ataon’ny tena amin’ny raharaham-barotra, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Une parole, un engagement” ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 May 1988, pejy faha-11–13.
[Efajoro, pejy 31]
Ireo Zavatra Mety Hafoinao Noho ny Raharaham-barotra Hataonao
Fotoana: Ny fampandehanana ny raharaham-barotry ny tena manokana dia saika mila fotoana bebe kokoa foana noho ny fiasana ho an’ny kompania iray. Hanembantsembana anao amin’ny fandaharanao ve izany, ka tsy hamela fotoana firy ho an’ireo asa ara-panahy lehibe? Amin’ny lafiny manorina, ho afaka handamina ny raharahanao ve ianao mba handaniana fotoana bebe kokoa hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? Raha izany no izy, dia tsara tokoa. Tandremo anefa! Mora lazaina fa tsy mora atao izany.
Vola: Ilaina ny vola mba hahazoana vola. Vola ampiasaina inona no takina amin’ny raharaham-barotra ataonao? Efa manana ilay vola ve ianao? Sa tsy maintsy mbola hisambotra? Afaka ny hamoy vola sasany ve ianao? Sa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny raha toa hita fa tsy handeha araka ny nanampoizana azy ny zavatra?
Namana: Noho ireo olana mety hipoitra amin’ny fandehanan-draharaha rehefa mandeha ny fotoana, dia mpandraharaha maro no namoy ny namany. Na dia mety hisy aza fahafahana hahazo namana ao, dia tena azo inoana ny hisian’ny fifandraisana mihenjana. Ahoana raha toa ka rahalahintsika kristiana ireny namana ireny?
Feon’ny fieritreretana madio: Amin’ny ankapobeny, ny fomba fanaovana raharaham-barotra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia ny hoe “fifaninanana tsy misy indrafo” na “Inona no tombony ho azoko ao?” Maherin’ny 70 isan-jaton’ny mpianatra nanaovana fanadihadiana iray tany Eoropa, no nanambara fa ny fahatsaram-pitondran-tena dia tsy manana toerana firy na tsy manana toerana mihitsy aza eo amin’ny fiainana ara-barotra. Tsy mahagaga raha nanjary hita hatraiza hatraiza ny famitahana sy ny fanaovana ny tsy marina ary ny fanao ara-barotra mampiahiahy. Halaim-panahy hanara-drian-drano ve ianao?
Fifandraisanao amin’i Jehovah: Izay zavatra rehetra atao amin’ny raharaham-barotra nefa manohitra ireo lalàna sy ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, na dia hoe mahazatra amin’ny raharaham-barotra aza, dia hanimba ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny Mpanao azy. Mety hamoizany ny fahatsinjovany fiainana mandrakizay izany. Moa ve izany tsy miharihary fa vidiny lafo loatra haloan’ny Kristiana tsy mivadika iray, na inona na inona tombony ara-nofo mety ho azo?
[Sary, pejy 31]
Inona no hanampy amin’ny fisorohana ny tsy fifankahazoan-kevitra any aoriana? Ny fifanarahana fotsiny sa ny fifanekena an-tsoratra?