Aza atao tsirambina ny vadinao!
MANDAO ny Efitrano Fanjakana ny mpivady iray. Ny endrika miramiran’ilay lehilahy sy ny vadiny dia mampiseho taratry ny fahasambarana ananany amin’ny maha-“nofo iray ihany” azy, tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamaniny. (Matio 19:6) Tsy nifaly tamin’izany firaisan-tsaina na fananana finoana mitovy izany foana anefa izy ireo. Nisy fotoana nanatrehan’i Atsuko, ilay vehivavy, irery ny fivoriana. Nody tany an-tranony izy avy teo, tany amin’ny vady iray sosotra sy nivazavaza taminy. Tezitra aoka izany i Kazutaka vadiny, indray mandeha ka noraisiny tampoka ny latabatra fihinanana ary, indray nanosika monja, dia raraka tamin’ny tany ny sakafo hariva rehetra.
Toy ny efa nambaran’i Jesosy mialoha, dia nitondra fisaratsarahana teo amin’ny ankohonana sasany ny kristianisma marina. (Matio 10:34, 35) Sahala amin’dry Kazutaka sy Atsuko anefa, dia mifaly amin’ny firaisan-tsaina ara-pivavahana sy fahasambarana ao an-tokantranony ny sasany izao. Mazava ho azy fa tsy tonga ho azy ny firaisan-tsaina toy izany. Inona no nataon’ireo mpino mba handresena ny fanoherana sy hampisy tena fifanarahana eo amin’ny fianakaviana? Alohan’ny handinihantsika izany, dia aoka hojerentsika vetivety ny antony anoheran’ny vady sasany.
Nahoana izy ireo no nanohitra?
“Rehefa mitodika any amin’ny lasa aho”, hoy ny nambaran’i Atsuko, “dia takatro fa nandeha nankany amin’ny fivoriana tsy nanazava mihitsy ny antony tamin’ny vadiko aho.” Noho izy navela irery tsy nisy fanazavana, dia nanjary tezitra i Kazutaka.
Mety hipoaka koa ny afon’ny fanenjehana noho ny fahasarotam-piaro. Nampitombo fiahiahiana tsy marim-pototra ny amin’ireo namana vaovaon’ny vadiny i Shigeo, lehilahy vady tanora iray. “Noho izy nihosotrosotra tamin’ny tarehiny ary lasa tany amin’ireo fivoriana, dia nihevitra aho fa nanana lehilahy hafa ny vadiko.” “Tsy mbola nanana fahafahana marina hiresaka manokana mihitsy izahay roa”, hoy ny fieken’i Masako, vadiny. “Tsy mbola nasehoko mihitsy ny faniriako lalina hahita azy koa mianatra ny fahamarinana kristiana.”
Nahatsapa fihetseham-po nitovy tamin’ny an’i Shigeo i Toshiko, vehivavy mpikarakara tokantrano iray. “Rehefa nanomboka nianatra niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko, dia notoheriko satria nampitomboiny tsikelikely ny fotoana nolaniny niaraka tamin’ny kongregasiona. Nisotro aho mba hanadinoana ny fihetseham-poko rehefa lasa izy.”
Nilaza tsy mivantana antony hafa iray ny tenin’i Toshiko — fahatsapana ho manirery. Izany no tsapan’ny mpanenjika taloha sasany rehefa nandeha tsy tapaka tany amin’ny fivoriany ny vadiny. “Nahatsiaro ny tenako ho nafoy aho rehefa irery tao an-trano”, hoy ny fahatsiarovan’ny lehilahy vady iray. “Tsapako ho toy ny nandao ahy ny vady aman-janako.” hoy ny iray hafa. Satria sarotra amin’ny ankamaroan’ny lehilahy ny hiteny hoe: “Manirery aho, mba mijanòna re ato an-trano”, dia manjary manohitra ny fanao ara-pivavahan’ny vadiny ny sasany.
Indraindray, ny fanerena avy amin’ny namana sy ny havana dia mety hitarika vady mahataka-javatra amin’ny fotoana hafa rehetra, hanohitra. Lazaina fa any Atsinanana, saika mandrakariva ny vehivavy dia “raisina ao amin’ny fianakaviana fa tsy tafaray amin’ny vadiny.” Mety hiteraka tsy fifanarahana mora foana ny faneren’ny havana. Tsy nety nandray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana teo amin’ny alitaram-pianakaviana bodista ilay vehivavy kristiana vadin’i Takashi. “Mba hanasaro-javatra”, hoy ny fanazavan’i Takashi, “dia nipetraka teo akaikin’ny havako izahay. Nanery ahy ny reniko ka norahonako ny vadiko ary nampiasa herisetra aho.”
Ny tsy fifankahazoan-kevitra, nanjary lehibe noho ny tsy fisian’ny fifampiresahana, ny fahasarotam-piaro, ny fahatsapana ho manirery, na ny fanerena avy amin’ny fianakaviana dia mety hipoaka ho amin’ny herisetra. Niaiky toy izao ny lehilahy iray izay zatra namono ny vadiny: “Tsy niriko hafoy ho an’ny fivavahana iray ny fianakaviako.” Hoy ny iray hafa: “Halako ny nody tao amin’ny trano foana iray.” Angamba nanjohy hevitra toy izao izy ireo: ‘Raha tsy afaka mampitsahatra io firehetana ara-pivavahana io ny teny, dia hahavita izany ny totohondry vitsivitsy.’
Soa ihany fa, ireo mpivady rehetra voatonona etsy ambony ireo dia tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana tatỳ aoriana. Anisan’ny lasa izao ny fanandraman-javatra nahasosotra hitany. Nefa noho ny fandalovany tamin’ny zavatra toy izany, dia tsara toerana izy ireo mba hanome fanipazan-kevitra azo ampiharina izay afaka mampitony miandalana ny tarehin-javatra madiva hipoaka ary mety hiteraka firaisan’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fianakaviana izay mbola misaraka eo amin’io lafiny io.
Mifikira amin’ny fahamarinana
Rehefa maninjitra ny tananao mba hisintonana olona madiva ho faty an-drano avy ao anaty rano ianao, dia tsy maintsy mamahatra tsara ny tongotry ny tenanao. Raha tsy izany, dia mety ho any anaty rano koa no hiafaranao. Toy izany koa, fa ny fanalahidin’ny fanampiana ny vadinao dia ny fihazonan’ny tenanao mafy ny fahamarinana mamonjy ny aina. “Rehefa tonga teo amin’ny faran’izay ratsy ny fanoherako”, hoy ny mpanohitra taloha iray, “dia mbola nitantana ireo ankizy ihany ny vadiko ary nankany amin’ny fivoriana. Raha nihanalaina izy, dia nety ho nisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny finoany aho.”
Ampahafantarin’i Kazutaka, ilay nanjera ny latabatra fihinanana, izay nampiova ny fihetsiny rehefa nilaza ny tohin’ny tantarany izy: “Tamin’ny farany, dia tsy nety nanome vola an’i Atsuko ho amin’ny fitaterana aho. Na dia izany aza, dia nankany amin’ny fivoriana rehetra izy ary nentiny niaraka taminy ny ankizy. Mba hanaovana izany, dia namidiny tsikelikely ny fananany manokana. Nahatsiaro tena ho adaladala aho ary nafoiko ny faniriana hanohitra azy. Ho solon’izany, dia nanomboka novakiko ireo gazety izay navelany teny mba ho hitako.”
Mifampiresaha amin’ny vadinao
“Tokony ho nanasa ny vadiko hiaraka tamiko aho ary namela azy hahafantatra fa niriko ny hianaranay miaraka ny Baiboly”, hoy i Atsuko, vadin’i Kazutaka. “Nitebiteby ny amiko sy ny fianakaviana izy. Ho nanamaivana betsaka ny ahiahiny ny fifampiresahana tsara.” Eny, ny fifampiresahana tsara no fanalahidin’ny fifankahazoana. Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina [resaka manokana, MN ].” (Ohabolana 15:22). Ao amin’io toe-javatra io, ny “resaka manokana” miaraka amin’ny vadinao ny amin’ny asa ara-pivavahana ataonao dia tsy maintsy voasaintsaina tsara ary aroso amim-pahaiza-mandanjalanja. “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena [fahaiza-mampiaiky, MN ] eo amin’ny molony”, hoy ny Baiboly (Ohabolana 16:23). Zava-dehibe toy izany koa ny fahamalinana eo am-pifidianana ny fotoana mety hitenenana. — Mpitoriteny 3:7.
Ny fomba fiteninao dia angamba ho zava-dehibe sahala amin’izay lazainao. Mananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kolosiana 4:6) Rehefa miresaka amin’ny fomba mahafinaritra ianao, amin’ny fomba mahay mifidy zavatra tsara, dia tsy hirona kokoa hanampin-tsofina amin’izay ambaranao ny vadinao.
Hitan’ny lehilahy vady maro fa sarotra izany hoe ampianarin’ny vadiny izany. Noho izany, dia mila mahay mitady hevitra ny vehivavy vady. Nampiasa tsara ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower i Kikuyo. Hoy izy: “Raha vao tonga avy amin’ny paositra ny gazetiko Mifohaza!, dia vakiko amim-pitandremana izany mba hahitana izay zavatra mahaliana ny vadiko. Avy eo, dia mivavaka aho mba hahita fahafahana hizara izany aminy.” Napetrany tao amin’ny efitrano fandroana ilay gazety ary nohamarininy isan’andro ireo pejy mba hahitana raha namaky lahatsoratra iray ny vadiny. Rehefa toa tsy namaky izy, dia novany ilay gazety. Mpikarakara momba ny asa sady mpitory maharitra izao ny vadin’i Kikuyo.
Ny herin’ny fitondrantena tsara dia tsara
Ahoana anefa raha tsy vonona ny hiresaka fivavahana aminao ny vadinao? Ny fahafantarany kristiana hafa dia mety hamono ny fanoherana mivaivay ataon’ny vadinao ary hanosika azy hianatra ny Baiboly. Nisy fotoana nandraran’i Masao, izay loholona izao, ny Vavolombelon’i Jehovah tsy handia ny tokonam-baravarany. Izao no tsaroany: “Tamin’ny farany dia nanaiky ny hianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona aho rehefa avy niangavy ahy ny vadiko mba hanampy tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana. Nanohina mafy ny foko ny nahita ny rehetra niara-niasa tamim-pifaliana — tsy nisy karama.”
Inona no azonao atao raha tsy mety miresaka fivavahana na amin’iza na amin’iza ny vadinao? “Raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny”, hoy ny fampirisihan’ny apostoly Petera, dia mety “ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza”. Karazana fitondrantena manao ahoana ananan’ny vehivavy kristiana ohatra, no afaka hitaona ny vadiny? ‘Fahadiovan’ny fitondrantena amin’ny fahatahorana [miaraka amin’ny fanajana lalina, MN ]’ izay mampiseho “ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana [saina tony sy malefaka, MN ]”, hoy i Petera. — 1 Petera 3:1-4.
Nampihatra io fotopoto-pitsipika io ny vehivavy kristiana iray rehefa tafiditra tao amin’ny raharaha nanala baraka iray ny vadiny nanohitra. Na dia nitondra henatra ho azy teo amin’ny fiaraha-monina sy fahavoazana ara-bola aza izany, dia tsy nandre teny fitarainana avy tamin’ny vadiny na avy tamin’ireo ankizy izy. “Fantatro fa ny fihetsika niavaka nasehony dia avy tamin’ny fianarany ny Baiboly”, hoy ny fieken-dralehilahy vady. Taorian’ny taona maro nanoherany, dia nanomboka namaky ny Baiboly izy. Ny lehilahy vady hafa izay lasa Vavolombelona tatỳ aoriana, dia nilaza hoe: “Lehilahy nentina tamin’ny sangako aho, nefa tampoka teo dia nanaja ahy toy ny filohan’ny tokantrano ny vadiko.” “Rehefa tonga tany an-tranonay ny mpiara-miasa tamiko, dia nandray azy tamin-kafanana ny vadiko. Tiako izany.”
Afaka mampahalefaka ny fon’ny mpanohitra koa ny fitondrantena tsara dia tsaran’ny ankizy. Rehefa nanontaniana ny amin’izay nampiova fihetsika azy ny ray iray nanohitra ny vadiny taloha, dia hoy izy: “Rehefa tsapan’ny zanako lahy kely roa taona sy tapany fa efa ho tezitra aho, dia nikiakiaka mafy be izy ary nanao tsianjery hoe: ‘Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy.’” (1 Korintiana 13:4-7) Nanosika ny rainy handalina ny Baiboly io zazalahy tsara ofana io. Raim-pianakaviana maro no nanapa-kevitra handinika ny Baiboly satria niangavy azy mba hianatra ireo zanany.
Farany, ny fanatonana amin’ny fomba sariaka sy ny fahaizana mivazivazy dia afaka manao zava-mahagaga eo amin’ny fihetsiky ny vadinao. Nilaza tamin’ny vadiny mpino mba haka izay rehetra tiany sy handeha ary tsy hiverina intsony ny lehilahy iray. “Tsy ilaiko na ny zanako, na vola, na zavatra ara-nofo”, hoy ny navalin’ny vadiny”. Avy eo dia namelatra furoshiki (lamba fampiasa any Japana mba hamonosana sy hitondrana entana) lehibe iray izy sady niteny hoe: “Tsy misy zava-tsarobidy kokoa ho ahy mihoatra noho ianao. Midira ianao ato anatin’ny furoshiki! Ianao no tiako hoentina miaraka amiko.” Nitsahatra tsy nanohitra ralehilahy, nanomboka nianatra ny Baiboly, ary izao dia manompo amin’ny maha-loholona.
Raha mifikitra amin’ny fahamarinana ianao, mitana fifampiresahana tsara, manolotra fiarahana mahafinaritra, ary mitondra tena amin’ny fomba tsara dia tsara, dia mety ho afaka hanampy ny vadinao ho tonga mpino ianao. “Na dia toa tsy manome taratra ny ho tonga mpino aza ny vadinao”, hoy ny mpanohitra taloha iray, dia “mety hiova ny fony”. Noho izany dia aza kivy. Raiso am-po ny fampaherezan’ny apostoly Paoly ho an’izay rehetra manambady tsy mpino manao hoe: “Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao na tsia?” — 1 Korintiana 7:16.