Ireo Mpanome Amin’ny Fifaliana no Tian’i Jehovah
“Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’ ”. — 2 KORINTIANA 9:7.
1. Tamin’ny fomba ahoana avy no nisehoan’Andriamanitra sy Kristy ho mpanome amim-pifaliana?
JEHOVAH no mpanome amim-pifaliana voalohany. Tamim-pifaliana, dia nomeny fiainana ny Zanany lahitokana, ary nampiasainy izy io mba hampisy ny anjely sy ny olombelona. (Ohabolana 8:30, 31; Kolosiana 1:13-17). Nomen’Andriamanitra antsika ny aina sy fofonaina ary ny zava-drehetra, anisan’izany ny ranonorana avy any an-danitra sy ny taon-jina, ka mameno ny fontsika amin’ny fifaliana. (Asan’ny apostoly 14:17; 17:25). Tsy azo lavina fa samy Mpanome amim-pifaliana Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy. Manome amin-kafaliana amin’ny toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena izy ireo. Tia aoka izany izao tontolo izaon’ny olombelona i Jehovah, hany ka “nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. Ary i Jesosy dia ‘nanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro’, tsy nisy fahalainana mihitsy. — Jaona 3:16; Matio 20:28.
2. Araka ny voalazan’i Paoly, karazana mpanome manao ahoana no tian’Andriamanitra?
2 Ireo mpanompon’Andriamanitra sy Kristy àry, dia tokony ho mpanome amim-pifaliana. Ny fanomezana toy izany dia nampirisihana tao amin’ny taratasin’ny apostoly Paoly faha-2 ho an’ireo kristiana tany Korinto, nosoratana tany amin’ny taona 55 am.fan.ir. tany ho any. Azo inoana fa nanisy fitenenana ny amin’ny fanomezana ara-bola an-tsitrapo sady manokana izay natao indrindra mba hanampiana ireo kristiana sahirana tany Jerosalema sy Jodia i Paoly rehefa niteny hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’ ”. (2 Korintiana 9:7; Romana 15:26; 1 Korintiana 16:1, 2; Galatiana 2:10). Nanao ahoana ny fihetsiky ny olon’Andriamanitra rehefa nisy fahafahana hanome? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny torohevitr’i Paoly momba ny fanomezana?
Atosiky ny fo vonona hanao zavatra
3. Tonga hatraiza moa ireo Isiraelita tamin’ny fanohanana ny fanorenana ilay tabernakely ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah?
3 Ny fo vonona hanao zavatra dia manosika ny olon’Andriamanitra hanome avy amin’ny tenany sy ny fananany ho fanohanana ny fikasan’Andriamanitra. Ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy, ohatra, dia nanohana tamim-pifaliana ny fanorenana ilay tabernakely ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Ny fon’ny vehivavy sasany dia nanosika azy ireo hamoly volon’osy, ary niasa toy ny mpanao taozavatra ny lehilahy sasany. Nanome tamim-pifaliana volamena, volafotsy, hazo, rongony fotsy, sy zavatra maro hafa ho “fanatitra ho an’i Jehovah” an-tsitrapo ny vahoaka. (Eksodosy 35:4-35). Nalala-tanana aoka izany izy ireo hany ka ireo fitaovana nomena dia “ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza”. — Eksodosy 36:4-7.
4. Toe-tsaina nanao ahoana no nentin’i Davida sy ny hafa nanao fanomezana ho an’ny tempoly?
4 Taonjato maro tatỳ aoriana, i Davida mpanjaka dia nanao fanomezana tsy toko tsy forohana ho an’ny tempolin’i Jehovah izay haorin’i Solomona zanany. Noho i Davida ‘tia ny tranon’i Jehovah’, dia nomeny izay ‘nananany’ manokana tamin’ny volamena sy volafotsy. Ireo filoha sy ny lehibe ary ny hafa dia ‘nitondra fanatitra ho an’i Jehovah’. Inona no vokatr’izany? “Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’i Jehovah”. (1 Tantara 29:3-9). Mpanome tamim-pifaliana izy ireo.
5. Ahoana no nanohanan’ireo Isiraelita ny fanompoam-pivavahana marina nandritra ireo taonjato?
5 Nandritra ireo taonjato, ireo Isiraelita dia nanana tombontsoa hanohana ny tabernakely, ny tempoly tatỳ aoriana, ary ny fanompoana nataon’ireo mpisorona sy Levita tao. Tamin’ny andron’i Nehemia, ohatra, ireo Jiosy dia nanapa-kevitra ny hanao fanomezana mba hikarakarana ny fanompoam-pivavahana madio, noho ny fahafantarany fa tsy tokony hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitra izy ireo. (Nehemia 10:33-40). Toy izany koa amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao fanomezana an-tsitrapo amim-pifaliana mba hanorenana sy hikarakarana ireo toeram-pivoriana ary mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana marina.
6. Manomeza ohatra ny amin’ny fanomezana amim-pifaliana nataon’ny kristiana?
6 Mpanome tamim-pifaliana ireo kristiana voalohany. I Gaio, ohatra, dia nanao “asa mahatoky” tamin’ny fampiantranoana ireo nanao dia lavitra noho ny tombontsoan’ilay Fanjakana, toy ny ampiantranoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo mpiandraikitra mpitety faritany izay irahin’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society. (3 Jaona 5-8). Misy fandaniana amin’ny fandefasana ireny rahalahy mitety kongregasiona ireny sy amin’ny fampiantranoana azy, kanefa dia mitondra soa ara-panahy toy inona moa izany! — Romana 1:11, 12.
7. Ahoana no nampiasan’ireo Filipiana ny fananany ara-nofo?
7 Nisy kongregasiona iray manontolo nampiasa ny fananany ara-nofo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. I Paoly, ohatra, dia nilaza tamin’ireo mpino tany Filipy hoe: “Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa hianareo hamonjy ahy. Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho”. (Filipiana 4:15-17). Nanome tamim-pifaliana ireo Filipiana. Anton-javatra inona avy anefa no manosika hanome amim-pifaliana toy izany?
Inona no manosika hanome amim-pifaliana?
8. Ahoana no hanaporofoanao fa ny fanahin’Andriamanitra dia manosika ny vahoakany ho tonga mpanome amim-pifaliana?
8 Ny fanahy masin’i Jehovah, na hery miasa, dia manosika ny vahoakany ho tonga mpanome amim-pifaliana. Rehefa sahirana ireo kristiana tany Jodia, dia nanosika ireo mpino hafa mba hanampy azy ireo ara-nofo ny fanahy masin’Andriamanitra. Mba hampirisihana ireo kristiana tany Korinto mba hanao izay farany azony natao tamin’izany fanomezana izany, dia nanonona ny ohatry ny kongregasiona tany Makedonia i Paoly. Na dia niaritra fanenjehana sy fahantrana aza ireo mpino tany Makedonia, dia naneho fitiavan-drahalahy izy ireo tamin’ny fanomezana mihoatra noho izay azony natao. Nangataka mafy mihitsy aza izy ireo mba hanana tombontsoa hanome! (2 Korintiana 8:1-5). Tsy miankina fotsiny amin’ny fanomezana avy amin’ireo manankarena akory ny asan’Andriamanitra. (Jakoba 2:5). Ireo mpanompony vita fanoloran-tena izay mahantra ara-nofo no mpanohana mafana fo indrindra ara-bola ny asa fitoriana ilay Fanjakana. (Matio 24:14). Tsy mijaly noho ny fahalalahan-tanany akory izy ireo, satria Andriamanitra dia manome amin’ny fomba tsy mety diso izay ilain’ny vahoakany manao io asa io, ary ny hery mahatonga ny fitohizan’izy io sy ny fitomboany dia ny fanahiny masina.
9. Ahoana no ifandraisan’ny finoana sy ny fahalalana ary ny fitiavana amin’ny fanomezana amim-pifaliana?
9 Ny fanomezana amim-pifaliana dia atosiky ny finoana, ny fahalalana, ary ny fitiavana. Hoy i Paoly: “Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’izao fahasoavana izao. Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ny fitiavanareo koa”. (2 Korintiana 8:7, 8). Ny fanaovana fanomezana ho an’ny asan’i Jehovah, indrindra rehefa voafetra ny fananan’ilay mpanome, dia mitaky finoana ireo fanomezan’Andriamanitra amin’ny hoavy. Ireo kristiana be fahalalana dia maniry ny hiasa ho an’ny fikasan’i Jehovah, ary ireo be fitiavana an’Andriamanitra sy ny vahoakany dia mampiasa amim-pifaliana ny fananany mba hampandrosoana ny asany.
10. Nahoana no azo lazaina fa manosika ny kristiana hanome amim-pifaliana ny ohatr’i Jesosy?
10 Manosika ny kristiana hanome amim-pitiavana ny ohatr’i Jesosy. Rehefa avy nampirisika ny Korintiana mba hanome amim-pitiavana i Paoly dia niteny hoe: “Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo [nahantra, MN] noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony [fahantrany, MN]”. (2 Korintiana 8:9). Nanankarena kokoa noho izay zanak’Andriamanitra hafa rehetra tany an-danitra i Jesosy. Nesoriny tamin’ny tenany avokoa izany rehetra izany, ary nandray fiainan’olombelona izy. (Filipiana 2:5-8). Tamin’ny fahatongavana ho mahantra tamin’izany fomba tsy nisy fitiavan-tena izany anefa, dia nandray anjara tamin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah i Jesosy ary namoy ny ainy ho sorom-panavotana ho fanasoavana ny olombelona izay manaiky izany. Mifanaraka amin’ny ohatr’i Jesosy, moa ve isika tsy tokony hanome amim-pifaliana mba hanampiana ny hafa sy handraisana anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah?
11, 12. Amin’ny ahoana ny fanaovana planina tsara no mahatonga antsika ho mpanome amim-pifaliana?
11 Ny fanaovana planina tsara dia mahatonga ny fanomezana amim-pifaliana ho azo atao. Hoy i Paoly tamin’ireo Korintiana: “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako”. (1 Korintiana 16:1, 2). Amin’ny fomba manokana sy an-tsitrapo mitovy amin’izany, ireo izay maniry hanao fanomezana mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana amin’izao andro izao, dia hanao tsara raha manokana ny sasany amin’izay vola azony ho amin’izany fikasana izany. Ho vokatry ny fanaovana planina tsara toy izany, ny Vavolombelona isam-batan’olona, ireo fianakaviana, ary ireo kongregasiona dia afaka manao fanomezana mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina.
12 Ny fanatanterahana ireo planina mba hanaovana fanomezana dia mahatonga antsika ho falifaly. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. (Asan’ny apostoly 20:35). Koa afaka nampitombo ny fifaliany ireo Korintiana tamin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly mba hanatanteraka ilay planina nataon’izy ireo hatramin’ny herintaona, dia ny handefa vola ho any Jerosalema. “Araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany”, hoy izy. Rehefa manao fanomezana araka izay ananany ny olona iray, dia tokony hoheverina ho ambony vidy izany. Raha matoky an’Andriamanitra isika, dia afaka mampitovy tantana ny zavatra Izy ka, ireo izay manam-be dia malala-tanana, tsy manarinary foana akory, ary ireo manana kely dia tsy hiharan’ny tsy fahampiana izay hampihena ny tanjany sy ny fahafahany manompo an’i Jehovah. — 2 Korintiana 8:10-15.
Fitantanana amim-pitandremana ny fanomezana
13. Nahoana ireo Korintiana no afaka natoky ny fitantanan’i Paoly ireo fanomezana?
13 Na dia nitantana ilay fandaharam-panomezana aza i Paoly mba hahafahan’ireo mpino sahirana hahazo fanampiana ara-nofo ka hirotsaka amin-kery kokoa ao amin’ny asa fitoriana, dia tsy naka tamin’izany vola izany ho an’ny fanompoany manokana na ny tenany, na ny hafa. (2 Korintiana 8:16-24; 12:17, 18, MN). Niasa mba hahazoany izay nilainy ara-nofo i Paoly, fa tsy nanome enta-mavesatra ara-bola ho an’ny kongregasiona na iza na iza. (1 Korintiana 4:12; 2 Tesaloniana 3:8). Tamin’ny fanolorana ireo fanomezana hokarakarain’i Paoly anefa, ireo Korintiana dia nanankina izany tamin’ny mpanompon’Andriamanitra iray mendri-pitokiana sy niasa mafy.
14. Raha ny amin’ny fampiasana ireo fanomezana, inona no zavatra fantatra momba ny Fikambanana Watch Tower?
14 Hatramin’ny nitsanganan’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society tamin’ny 1884, dia hitan’ireo mpanao fanomezana ny porofo fa izy io dia mpitantana mendri-pitokiana ireo fanomezana rehetra nankinina taminy ho tombontsoan’ny asan’ny Fanjakan’i Jehovah. Mifanaraka amin’ny lalàm-panorenany, dia mikely aina ny Fikambanana mba hanome izay zava-dehibe indrindra ilain’ny olona, dia ny filana zavatra ara-panahy. Izany dia atao amin’ny endriky ny zavatra vita an-tsoratra sy toromarika ara-Baiboly mikasika ny fomba hahazoana famonjena. Amin’izao andro izao, dia manafaingana ny fanangonana ireo olona toy ny ondry ao anatin’ny fandaminany miitatra hatrany i Jehovah, ary ny fitahiany ny fampiasana amim-pahendrena ireo fanomezana ho an’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, dia manaporofo mazava ny fankasitrahany. (Isaia 60:8, 22). Matoky isika fa hanohy hanosika ny fon’ireo mpanome amim-pifaliana izy.
15. Nahoana moa ity gazety ity no manisy fitenenana ny amin’ny fanomezana indraindray?
15 Indraindray ny Fikambanana dia mampiasa ireo tsanganana amin’ity gazety ity mba hanairana ireo mpamaky ny amin’ny tombontsoa ananany hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany. Tsy fangatahana akory izany, fa fampahatsiarovana kosa ho an’izay rehetra maniry hanohana “ilay asa masina ho fitoriana ny vaovao tsara” araka izay anambinan’Andriamanitra azy. (Romana 15:16, MN; 3 Jaona 2). Ny Fikambanana dia mampiasa ny vola fanomezana rehetra amim-pitsitsiana araka izay farany azo atao, mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany. Ny fanomezana rehetra dia raisina, ekena fa voaray sady anaovana fisaorana, ary ampiasaina amim-pankasitrahana mba hampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izany, ohatra, no anohanana ny asan’ireo misionera any amin’ny tany maro, ary ikarakarana sy anitarana ireo kojakoja amin’ny fanontam-pirinty tena ilaina amin’ny fanomezana fahalalana momba ny Baiboly. Ankoatra izany, ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany dia ampiasaina mba hisahanana ny fandaniana tsy toko tsy forohana eo amin’ny famoahana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, ary koa horonam-peo amin’ny “cassette” sy horonan-tsary amin’ny “videocassettes”. Amin’izany fomba izany no ampandrosoan’ireo mpanome amim-pifaliana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.
Tsy amin’ny fanerena
16. Na dia vitsy amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah aza no manankarena ara-nofo, nahoana no ankasitrahana ny fanomezan’izy ireo?
16 Vitsy ny Vavolombelona manankarena ara-nofo. Na dia mety ho vola kely aza no omeny mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ny fanomezan’izy ireo dia zava-dehibe na dia izany aza. Rehefa hitan’i Jesosy ilay vehivavy mpitondratena nandatsaka farantsa kely roa tsy nisy vidiny firy tao amin’ny fitoeran-drakitry ny tempoly, dia hoy izy: “Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. Fa ireo rehetra ireo [ireo mpanome hafa], dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany”. (Lioka 21:1-4). Na dia kely aza ny fanomezany, dia mpanome tamim-pifaliana izy — ary nankasitrahana ny fanomezany.
17, 18. Inona no votoatin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 9:7, ary inona no asehoan’ny teny grika nadika hoe “amim-pifaliana”?
17 Raha ny amin’ilay asa fanampiana ireo kristiana tany Jodia, dia hoy i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’ ”. (2 Korintiana 9:7). Ilay apostoly dia nety ho nanisy fitenenana ny amin’ny Ohabolana 22:8 ao amin’ny fandikan-tenin’ny Septante izay milaza hoe: “Andriamanitra dia mitahy ny mpanome amim-pifaliana; ary hameno izay tsy ampy amin’ny asany.” (Ny Baibolin’ny Septante, nadikan’i Charles Thomson.) Nosoloan’i Paoly tamin’ny hoe “tia” ny hoe “mitahy”, kanefa dia misy ifandraisany ireo satria ny fijinjana fitahiana dia avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
18 Tena sambatra amin’ny fanomezana tokoa ny mpanome amim-pifaliana. Avy amin’ilay teny grika nadika hoe “amim-pifaliana” ao amin’ny 2 Korintiana 9:7, no niavian’ilay teny hoe “mampihomehy”! Rehefa avy nanazava izany ilay manam-pahaizana atao hoe R. C. H. Lenski, dia nilaza hoe: “Andriamanitra dia tia ny mpanome sariaka, falifaly, sambatra (...) [izay] manam-pinoana feno tsiky rehefa miseho aminy ny fahafahana hanome indray.” Ny olona manana toe-tsaina falifaly toy izany dia tsy manome tsy fidiny na eo ambany fanerena, fa manome amin’ny fony kosa. Moa ve ianao falifaly toy izany mikasika ny fanomezana ho fanohanana ny tombontsoan’ilay Fanjakana?
19. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’ireo kristiana voalohany fanomezana?
19 Ireo kristiana voalohany dia tsy nampandalo lovia fanatazan-drakitra na nandoa ny ampahafolon-karena tamin’ny fanomezana ny ampahafolon’izay vola niditra taminy ho an’ny raharaha ara-pivavahana. Ny fanomezana nataon’izy ireo kosa dia an-tsitrapo. I Tertullien, izay niova ho kristiana tany amin’ny taona 190 am.fan.ir. tany ho any, dia nanoratra hoe: “Na dia nanana ny vatan-drakitray aza izahay, izany dia tsy voaforon’ny vola hividianana famonjena akory, toy ny amin’ny fivavahana iray azo vidim-bola. Amin’ny andro iray ao anatin’ny volana [azo inoana fa indray mandeha isam-bolana], raha tiany izany, ny tsirairay dia mandrotsaka fanomezana kely; kanefa raha mahafaly azy ihany izany, ary raha afaka manao izany ihany izy; satria tsy misy fanerena; an-tsitrapo ny zava-drehetra.” — Apologétique Toko faha-39.
20, 21. a) Inona no nambaran’ity gazety ity raha ny amin’ny tombontsoa hanohana ara-bola ny asan’Andriamanitra, ary ahoana no iharan’izany na dia amin’izao fotoana izao aza? b) Inona no mitranga rehefa mankalaza an’i Jehovah amin’ny fananantsika isika?
20 Fanao mahazatra mandrakariva eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao ny fanomezana an-tsitrapo. Indraindray anefa, dia tsy nanararaotra tamin’ny fomba feno ny tombontsoa ananany eo amin’ny fanohanana ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanomezana ny sasany. Tamin’ny Febroary 1883 ohatra, dia hoy ity gazety ity: “Ny sasany dia mizaka andraikitra ara-bola be loatra ho an’ny hafa, hany ka nihena ny fahafahany manome fanampiana ara-bola noho izany miasa loatra sy lany tanteraka, ary noho izany dia mihena ny fahafahana mampiasa azy; ary tsy izany ihany fa, ireo izay (...) tsy nahatakatra tsara ny toe-javatra, dia matiantoka noho ny tsy fanaovana na inona na inona tamin’izany lafiny izany.”
21 Arakaraka ny itanjozoran’ny vahoaka betsaka ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro izao, sy itaran’ny asan’Andriamanitra any Eoropa Atsinanana sy any amin’ny faritra voarara taloha, dia mitombo hatrany ny ilàna hanitarana ireo trano sy fitaovana fanontam-pirinty sy kojakojany hafa. Betsaka kokoa ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra hafa tsy maintsy atao pirinty. Fikasana teokratika maro izao no efa an-dalana; kanefa dia ho azo atao haingankaingana kokoa ny sasany raha misy vola ampy. Marina aloha fa mino isika hoe hanome izay ilaina Andriamanitra, ary fantatsika fa ireo izay ‘mankalaza an’i Jehovah amin’ny fananany’ dia handray fitahiana. (Ohabolana 3:9, 10). Tsy azo lavina fa “izay mamafy be, dia hijinja be koa”. ‘Hampanan-karena antsika amin’izao karazana fahalalahan-tanana rehetra izao’ i Jehovah, ary ny fanomezantsika amim-pifaliana dia hahatonga olona maro hisaotra sy hidera azy. — 2 Korintiana 9:6-14, MN.
Asehoy ny fankasitrahanao ny fanomezan’Andriamanitra
22, 23. a) Inona ilay fanomezan’Andriamanitra tsy hay lazalazaina? b) Koa satria ankasitrahantsika ny fanomezan’i Jehovah, inona no tokony hataontsika?
22 Natosiky ny fankasitrahana lalina, dia niteny toy izao i Paoly: “Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina [tsy hay lazaina, MN]”. (2 Korintiana 9:15). Noho izy “sorom-panavotana” noho ny fahotan’ireo kristiana voahosotra sy ny an’izao tontolo izao, dia i Jesosy no fototra sy fomba ifandraisana amin’ilay fanomezan’i Jehovah tsy hay lazaina. (1 Jaona 2:1, 2, MN). Io fanomezana io dia “ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra” izay naseho tamin’ny vahoakany teto an-tany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary lehibe dia lehibe izany ho famonjena azy ireo sy ho voninahitra ary ho fanamarinana an’i Jehovah. — 2 Korintiana 9:14.
23 Mankany amin’i Jehovah ny fankasitrahantsika lalina noho ny fanomezany tsy hay lazaina sy ireo fanomezana ara-panahy sy ara-nofo maro hafa ho an’ny vahoakany. Mahatalanjona aoka izany ny hatsaram-pon’ny Raintsika any an-danitra ka izany dia mihoatra ny fahaizan’ny olombelona milaza zavatra! Ary azo antoka fa izany dia tokony hanosika antsika ho tonga mpanome amim-pifaliana. Amin’ny fankasitrahana mampiseho fahatsorana àry, dia aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hampandrosoana ny asan’i Jehovah, ilay Andriamanitsika malala-tanana, ilay Mpanome amim-pifaliana lehibe indrindra!
Tadidinao Ve?
◻ Nanosika ny vahoakan’i Jehovah hanao inona ny fo vonona hanao zavatra?
◻ Inona no manosika hanao fanomezana amim-pifaliana?
◻ Ahoana no ampiasan’ny Fikambanana Watch Tower ireo fanomezana rehetra voarainy?
◻ Mpanome manao ahoana no tian’Andriamanitra, ary ahoana no tokony hanehoantsika ny fankasitrahantsika noho ireo fanomezana maro be nataony?
[Sary, pejy 25]
Fony naorina ny tabernakely, dia niasa tamin-jotom-po ary nanao fanomezana tamim-pahalalahan-tanana ho an’i Jehovah ny Isiraelita
[Sary, pejy 28]
Ankasitrahana sady lehibe ireo fanomezana toy ny nataon’ilay vehivavy mpitondratena sahirana