“Fisedrana ny fahatsoran’ny fitiavanao”
MILAZA inona ho anao ireo teny ireo? Fanenjehana sy fitsapana ve? Sa fiaretana fijaliana noho ny finoana? Ny apostoly Paoly no nanoratra ireo teny ireo tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ireo kristiana tany Korinto fahizay. Tena zava-dehibe ho an’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny koa ireo teny ireo satria voasedra toy izany koa ny ‘fahatsoran’ny fitiavany’. Fa amin’ny fomba ahoana anefa? Mba hamaliana izany, dia aoka isika handinika ny tarehin-javatra nanoratan’i Paoly azy ireo.
Ny fototr’ilay fisedrana
Teo amin’ny roapolo taona taorian’ny nanorenana ny kristianisma, dia tafalatsaka tao anatin’ny fahasahiranana ara-bola lehibe ny kongregasiona tany Jerosalema. Noho izy ireo niaina tao amin’io toerana nifaharan’ny fanoherana sy fitompoan-teny fantatra avy tamin’ireo Jiosy nandritra ny taona maro io, ireo kristiana dia ‘niaritra ny ady mafy tamin’ny fahoriana’, ary na dia ny ‘fandrobana ny fananany’ mihitsy aza. (Hebreo 10:32-34.) Nanjary tsy maintsy nilaina ny fanampiana avy tany ivelany.
Azo antoka fa tokony ho nahatsiaro ho voatosika hanampy azy tao amin’io toe-javatra nahonena io ireo rahalahiny jentilisa. Tsy “nanan-trosa” manokana tokony haloa tamin’ireo kristiana tany Jerosalema tokoa ve izy ireo? Tsy avy tao Jerosalema ve no niparitaka nankany amin’ny Jentilisa ny vaovao tsara? Nanazava toy izao i Paoly: “Raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.” — Romana 15:27.
Ny fandaminana ny famoriam-bola
Nahazo baiko avy tamin’ny kolejy foibe mba ‘hahatsiaro ireo [kristiana] nalahelo i Paoly (Galatiana 2:10). Nandefa teny tany amin’ireo kristiana tany Eoropa sy tany Azia Minora àry izy mba handaminana ny toe-javatra tany Jerosalema. Izao no toromarik’i Paoly: “Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia. Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.” — 1 Korintiana 16:1, 2.
Raha nahay nitantana tsara ny volany toy izany izy ireo, dia tsy ho nisy na dia iray taminy aza ho latsaka tao anatin’ny fahasahiranana rehefa tena natao ny famoriam-bola. Tsy ho natahotra ny amin’ny volany mihitsy ireo rahalahy, satria tsy ho voahodinkodina na hampiasaina amin’ny fomba ratsy izany. Lehilahy ‘nahazo sitraka’ ihany no nomen-dalana hanatitra ilay vola voangona, ary raha toa ka nilaina izany, dia ho nanaraka azy i Paoly. — 1 Korintiana 16:3-5.
Ahoana no nandraisan’ireo Korintiana izany? Na dia toa nanaiky ny fananaran’i Paoly aza ireo rahalahy, dia tsy lasa mihitsy ilay vola voangona (2 Korintiana 8:6, 10, 11). Sahirana nandamina ireo fisaratsarahana, fahalotoam-pitondrantena ary zava-manahirana hafa tao amin’ny kongregasiona izay noresahin’i Paoly taminy tao amin’ny taratasiny angamba ireo loholona.
‘Mitomboa amin’ny fanomezana avy amin’ny fo’
Na izany na tsy izany, dia nanoratra taratasy iray hafa ho azy ireo i Paoly nanao hoe: “Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana any Makedonia; fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny hitsim-pony. Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany, sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany; ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra; ka dia nangataka an’i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha. Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’izao fahasoavana izao.” — 2 Korintiana 8:1-7.
Nampieritreritra ireo Korintiana ny ohatra nampiseho fahafoizan-tena nomen’ireo Makedoniana. Nalaza noho ny harenany, ny rendrarendrany sy ny varotra i Korinto. Nety ho nahantra ihany angamba ny rahalahy sasany tao, kanefa tamin’ny ankapobeny, dia tsy isalasalana fa nanan-karena kokoa noho ireo kristiana tany Makedonia izay tao anatin’ny ‘hamafin’ny fahantrana’ ny kongregasiona tany Korinto. Kanefa dia nanome “mihoatra noho izay zakany” ireo Makedoniana. Tsy niandry famporisihana avy amin’i Paoly mba hanao izany izy ireo. ‘Nangataka mafy’ an’i Paoly mihitsy aza izy mba hikambanany amin’izany fanomezana izany koa! Izany dia manaporofo fa tena ‘nanolotra ny tenany ho an’ny Tompo [tamin’ny fanoloran-tena tsy misy fepetra] ary ho an’[i Paoly sy ny namany]’ ireo kristiana tany Makedonia ka nanaiky ny fitarihana teokratikan’izy ireo.
Voasedra ny fitiavan’izy ireo sy ny fahalalan-tanany
Ho voatosika ‘hitombo amin’ny fanomezana avy amin’ny fo’ toy izany ve ireo Korintiana? Tamin’ny fitsidihany an’i Korinto voalohany i Paoly dia voatery niasa nanao lay mba hamelomana ny tenany (Asan’ny apostoly 18:1-3). Nanohy namelon-tena toy izany izy na dia efa nisy kongregasiona tafaorina aza tao, mba tsy hampiasana ny “fahefany” hahazo fanampiana ara-bola amin’ny maha-mpitory ny filazantsara manontolo andro azy. — 1 Korintiana 9:3-12.
Izao no nolazain’i Thomas Scott, mpanazava ny Baiboly iray: “Mety ho nahita zavatra sasany momba ny toe-tsain’ireo kristiana tany Korinto izy ka izany no nanosika azy tsy hanaiky fanampiana avy amin’izy ireo mihitsy, tamin’ny voalohany.” Nanan-kery teo amin’ireo Korintiana nanan-karena angamba ny fitiavan-javatra ara-nofo sy ny fitiavan-tena nanodidina azy, ka nety ho tsy voatosika halala-tanana fotsiny izy ireo. Nety ho natahotra ny fomba fisainan’ireo Korintiana tia raharaham-barotra koa angamba i Paoly satria nety ho nisalasala ny amin’ny antony nanosika azy izy ireo raha nanaiky fanampiana ara-bola izy. Nety ho nisy olona kamo tahaka ny tany Tesalonika koa tao, izay nitady fialan-tsiny mba hiankinana amin’ireo kristiana namany. — 2 Tesaloniana 3:7-12.
Na manao ahoana na manao ahoana, dia nifidy ny hamelon-tena i Paoly sy ireo namany, “fandrao hisakana ny filazantsaran’i Kristy”. (1 Korintiana 9:12.) Tatỳ aoriana, anefa, dia latsaka tao anatin’ny fahasahiranana ara-bola i Paoly, ary ren’ireo rahalahy nahantra tany Filipy ny momba izany. Nilaza toy izao tamin’ireo Korintiana i Paoly: “Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo. Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia [toa avy tany Filipy] ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.” — 2 Korintiana 11:8, 9; ampitahao amin’ny Filipiana 4:15, 16.
Marina aloha fa ny tenan’i Paoly mihitsy no niaiky fa tsy ‘handray karama’ avy tamin’ireo Korintiana izy. Kanefa rehefa nanandrana ny handa ny fahalalahan-tanan’i Lydia, nonina tany Filipy, izy dia ‘nanery azy ireo izy’. (Asan’ny apostoly 16:15.) Naneho fiahiana feno ny amin’izay hahasoa an’i Paoly teo amin’ny ara-panahy toy izany ve ireo Korintiana? Azo atao ny misalasala ny amin’izany. Na manao ahoana na manao ahoana, dia tsapan’i Paoly fa ny tarehin-javatra nisy ny kongregasionan’i Jerosalema dia nanolotra fahafahana hitsapa raha toa ireo Korintiana nanana fironana ny ho kahihitra na efa namboly fahalalahan-tanana bebe kokoa izy ireo. Namporisihina toy izao àry izy ireo:
“Tsy milaza izany ho didy aho, fa (...) mba hizaha toetra ny hamarinan’ny fitiavanareo koa. Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany [izany hoe mba hitondra fanamaivanana ho an’ny sasany ary fampijaliana ho anareo], fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’izao ankehitriny izao ny haben’ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ireo, ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe: “Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.” — 2 Korintiana 8:8, 13-15.
Hita niharihary fa niaritra io fitsapana io tamim-pahombiazana ireo Korintiana. Nanoratra toy izao i Paoly tatỳ aoriana: “Fa efa sitrapon’i Makedonia sy Akaia [tany no nisy an’i Korinto] ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ny olona masina any Jerosalema.” — Romana 15:26.
Fanatrehana io fitsapana io amin’izao andro izao
Ary isika ankehitriny anefa, moa ve isika miaritra ny fitsapana ny fitiavantsika sy ny fahalalahan-tanantsika amim-pahombiazana? “Andro mahory” no iainantsika izao. (2 Timoty 3:1-5.) Mianjady amin’ny maro be amintsika ireo fanerena ara-bola. Ary indraindray, “ny filan’ny nofo, sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” dia mamorona fanerena hafa amboniny (1 Jaona 2:16). Mora aoka izany àry ny ho latsaka ao anatin’ny fitiavan-tena, sy ny tsy hiraharaha izay zavatra ilain’ny hafa!
Amin’ny ankapobeny, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny dia niaritra ny fitsapana ny fitiavany ireo rahalahiny tamin’ny fomba miavaka. Tamin’ny 3 marsa 1985, ohatra, rehefa namely an’i Santiago, any Chili, ny horohorontany, dia rahalahy an-jatony maro no namoy ny tranony sy ny fananany. Vetivety kely taorian’izay, dia nandamina fandaharam-panampiana ireo kongregasiona. “Tao anatin’ny ora vitsivitsy monja”, hoy ny fitantaran’ireo rahalahy, “dia tonga nanatitra sakafo, fitafiana, bodofotsy ary zavatra maro hafa ilaina ny rahalahy sasany.” Nandefa fanomezana koa ireo rahalahy maneran-tany. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nitranga imbetsaka ny fisehoan-javatra toy izany.
Tsy tokony hiandry ny fisian’ny loza anefa isika vao hampiseho ny fitiavantsika ireo rahalahintsika. Raha ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola ny kristiana namantsika iray, dia afaka ny hahay handinika izay ilainy isika, ka hanao zavatra mihoatra noho ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa.” (Jakoba 2:15, 16). Ary ahoana ny amin’ireo ao amin’ny fanompoana manontolo andro izay “mahazo fivelomana amin’ny filazantsara”? Toa an’i Paoly, izy ireny dia sady tsy mitaky no tsy miandry fanampiana ara-bola avy amin’ireo izay tompoiny. Kanefa, maro no voatosika hampiseho fahalalahan-tanana amin’ireo izay miasa mafy mba ‘hamafy zava-panahy’ ho azy. — 1 Korintiana 9:11, 14.
Ary ahoana ny amin’izay zavatra ilain’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany? Mitantara ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1989 fa “nandritra ny taom-piasana 1988, ny Fikambanana Watch Tower dia nandany 29 834 676, 97 dôlara (eo amin’ny 45 000 000 000 FMG eo ho eo) mba hikarakarana ireo mpitory maharitra manokana, ireo misionera ary ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’ny asa fanompoana nanendrena azy.” Vola be dia be ihany koa no lany tamin’ny fikarakarana sy ny fividianana toerana, entana, milina ary taratasy ilain’ireo sampana, ary tsy ho voambara eto ny vola lany ho an’ny fiveloman’ireo mpianakavin’ny Betela maneran-tany izay miisa 9000 izao. Ambonin’izany, dia misy eo amin’ny 18 eo ny asa fanorenana na fanavaozana atao any amin’ny sampana samihafa amin’izao fotoana izao, ary misy 19 izany any amin’ny foibentsika any Brooklyn, any New York. Mandray anjara ara-bola amin’izany asa maneran-tany izany ve ianao?
Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia samy mandray anjara amin’ny fanatontosana io andraikitra io ny rehetra, anisan’izany ireo mahantra kokoa, ary ny fanomezana kely avy amin’ireo indrindra no mahaforona ny fototry ny fanohanana ara-bola ny Fikambanana. Mihevitra ny sasany fa mahasoa ny fanarahana ny torohevitra voatonona ao amin’ny 1 Korintiana 16:2 ary mitantana ny volany manokana mba hanaovana fanomezana ao amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana. Mety hanapa-kevitra koa ny sasany ny handefa vola mivantana any amin’ny Fikambanana Watch Tower, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, na any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampany.
Matokia fa hitan’i Jehovah ireo izay mampiseho ny fahatsoran’ny fitiavany amin’ny fisehoana ho malala-tanana. Aza ampiatahana aminao ireo fitahian’i Jehovah! Nampanantena toy izao i Paoly: “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Korintiana 9:8.
[Efajoro, pejy 26]
NY FOMBA FANOLORANA FANOMEZANA (ARAKARAKA NY TANY)
◻ FANOMEZANA: Ny fanomezana dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, Etazonia, na any amin’ny sampan’ny Fikambanana ao amin’ny taninao. Azo atao koa ny manome fananana tsy azo afindra toy ny trano na tany, firavaka, na fananana hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny mba hilazana fa fanomezana an-tsitrapo izany.
◻ FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fanasiana fepetra mba hampamerina izany raha ilaina.
◻ FANEKEM-PIANTOHANA: Azo atao ny mampanao fanekem-piantohana raha mbola velona koa, ho an’ny Fikambanana Watch Tower. Raha izany no izy, dia tokony hampandrenesina ny Fikambanana.
◻ FIDÉICOMMIS: Any amin’ny tany sasany, dia azo atao ny manokatra kaonty any amin’ny fametraham-bola mba hampiasain’ny Fikambanana Watch Tower. Ilaina amin’izay ny mampandre azy. Azo atao koa ny manome “actions”, “obligations” sy fananana, ka manome fepetra ilay mpanome mba ho afaka hanana izany raha mbola velona. Io fomba io dia manafoana ny fandaniana sy ny tsy fahazoana antoka ny hanekena ho ara-dalàna ny didim-pananana, sady manome antoka ho an’ny Fikambanana Watch Tower fa ho afaka handray ny fananana izy raha misy fahafatesana.
◻ DIDIM-PANANANA: Any amin’ny tany sasany (fa tsy any Frantsa), ny fananana tsy azo afindra toy ny trano na tany na ny vola dia azo ampandovaina ny Fikambanana amin’ny alalan’ny didim-pananana atao ara-dalàna. Tokony halefa any amin’ny Fikambanana amin’izay ny kopian’ny didim-pananana.
Raha tianao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na torohevitra momba izany, dia manorata amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, Etazonia, na ao amin’ny sampan’ny Fikambanana ao amin’ny taninao.