-
Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Aogositra
-
-
4. Inona no fitsapana tsy an-kiato niaretan’i Paoly, ary inona no mety ho vokatry ny fitsapana toy izany eo amintsika?
4 Diniho izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Nasiana tsilo ao amin’ny nofo aho, izany hoe anjelin’i Satana, mba hamely ahy tsy an-kijanona. Niangavy ny Tompo intelo aho, mba hialan’izany amiko.’ Ren’i Jehovah ny fiangaviany. Nilaza tamin’i Paoly anefa izy, fa tsy hanaisotra izany amin’ny fomba mahagaga. Tsy maintsy niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra kosa i Paoly, mba hizakany ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’b (2 Korintianina 12:7-9) Mety hiharam-pitsapana tsy an-kiato toa an’i Paoly koa ianao. Mety hilaza ianao hoe: ‘Toa tsy mba manao na inona na inona mihitsy i Jehovah manoloana izao fitsapana mahazo ahy izao. Tsy hitany àry ve ny manjo ahy, sa tsy miraharaha ahy izy?’ Tsy izany velively!
-
-
Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Aogositra
-
-
b Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona ilay ‘tsilo tao amin’ny nofon’i’ Paoly. Tsy nahita tsara angamba ny masony. Na io teny io mety ho nanondro ireo apostoly sandoka sy ireo nanamavo ny fanompoan’i Paoly sy ny naha apostoly azy.—2 Korintianina 11:6, 13-15; Galatianina 4:15; 6:11.
-