Faly Isika Miezaka Mafy Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah!
1 Faly ‘nanao sorona tanteraka ny fiainany’ ny apostoly Paoly, mba hanatontosana ny fanompoany. (2 Kor. 12:15) Kristianina maro koa ankehitriny no mazoto manao ny asan’ny mpisava lalana. Misy koa manana andraikitra ara-pianakaviana maro, nefa manokana fotoana hanompoana isan-kerinandro, na dia be atao aza. Tena tsy salama kosa ny sasany, nefa mampiasa ny hery kely ananany mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Mampahery tokoa ny mahita ny mpanompon’i Jehovah mikely aina amin’ny fanompoana azy, na firy taona izy na firy taona, ary na inona na inona toe-javatra misy azy!
2 Fitiavana ny mpiara-belona: Madio ny feon’ny fieritreretantsika, rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Asehontsika amin’izany fa tia azy sy ny mpiara-belona amintsika isika. Tsy nitsitsy aina tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara i Paoly, ka faly nilaza hoe: “Ataoko vavolombeloko ianareo anio fa afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho.” (Asa. 20:24, 26; 1 Tes. 2:8) Tsy hivesatra trosan-dra isika, raha manao izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana, arakaraka ny toe-javatra misy antsika.—Ezek. 3:18-21.
3 Mahasambatra antsika ny manampy ny hafa, araka izay azontsika atao. (Asa. 20:35) Hoy ny rahalahy iray: ‘Marina aloha fa vizana aho amin’ny hariva rehefa mody avy manompo. Mahatsiaro ho sambatra anefa aho, ary misaotra an’i Jehovah, satria nomeny fifaliana, izay tsy azo esorina amiko mihitsy.’
4 Fitiavana an’Andriamanitra: Ny antony lehibe indrindra iezahantsika mafy amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia satria mampifaly an’io Raintsika any an-danitra io izany. Ny fitiavantsika an’Andriamanitra no mandrisika antsika hankatò ny didiny. Anisan’izany ny didy hitory sy hanao mpianatra. (1 Jaona 5:3) Mahafaly antsika foana ny miasa mafy ho an’i Jehovah, na dia tsy miraika na manohitra aza ny olona.
5 Tsy izao mihitsy no fotoana tokony hampihenana ny fanompoantsika, satria fotoam-pijinjana izao. (Matio 9:37) Miasa mafy mandritra ny ora maro matetika ny mpamboly, rehefa tonga ny fotoam-pijinjana. Kely mantsy ny fotoana ananany hanangonana ny vokatra, dieny mbola tsy simba izy ireny. Kely koa sisa ny fotoana tavela ho antsika. Enga anie àry isika hitadidy an’izany hatrany, ka hiezaka mafy foana hanao ny fanompoantsika!—Lioka 13:24; 1 Kor. 7:29-31.