-
Fantatrao Ve?Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Aogositra
-
-
Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina amin’ny hoe “filaharan’ny mpandresy”?
▪ Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra mitarika antsika eo amin’ny filaharan’ny mpandresy, miaraka amin’i Kristy! Ary ataony mamerovero eny rehetra eny amin’ny alalantsika ny hanitry ny fahalalana azy. Fa amin’Andriamanitra, dia hanitr’i Kristy eo amin’ireo hovonjena sy eo amin’ireo ho ringana isika: Amin’ireo ho ringana, dia fofona avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana, ary amin’ireo hovonjena dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana.’—2 Korintianina 2:14-16.
Ny filaharana fanaon’ny Romanina ho fanomezam-boninahitra ny jeneraly naharesy ny fahavalon’ny Fanjakana no tao an-tsain’i Paoly. Aderadera, amin’izay fotoana izay, ireo zavatra sy olona azo babo ary misy omby entina hatao sorona. Ilay jeneraly sy ny tafiny kosa hobin’ny vahoaka. Atao sorona ireo omby ary vonoina ny maro amin’ireo babo, rehefa vita ilay filaharam-be.
Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) fa “mety ho avy amin’ilay fandoroana emboka manitra fanaon’ny Romanina mandritra ilay filaharana” ilay sarin-teny momba ny “hanitr’i Kristy”, izay midika ho fiainana ho an’ny sasany fa fahafatesana ho an’ny hafa. “Midika ho fandresena ho an’ireo mpandresy ilay hanitra, nefa mampahatsiahy an’ireo babo fa mety hovonoina tsy ho ela izy ireo”, hoy ilay boky.a
-
-
Fantatrao Ve?Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Aogositra
-
-
a Manazava ny hevitr’ilay fanoharana nampiasain’i Paoly Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1991, pejy 27.
[Sary, pejy 23]
Sary mivohitra mampiseho filaharan’ny mpandresy romanina, tamin’ny taonjato faharoa
[Sary nahazoan-dalana]
Photograph taken by courtesy of the British Museum
-