“Amin’ny Filaharan’ny Mpandresy”
FANKALAZANA makotroka ny fandresena fahavalo iray ny filaharan’ny mpandresy. Iray tamin’ireo voninahitra ambony indrindra nomen’ny Antenimieran-doholona (Sénat) romana ny jeneraly mpandresy iray ny fanomezana azy lalana hankalaza ny fandreseny tamin’ny alalan’ny filaharana ofisialy sy nandaniam-be toy izany. Indroa ny apostoly Paoly no nilaza ny amin’ny filaharan’ny mpandresy ao amin’ireo taratasiny. Alohan’ny handinihantsika ireo teniny anefa, dia manandrama maka sary an-tsaina ny filaharana toy izany. Eritrereto hoe vahoaka maro be no manemitra ny arabe raha eo am-pandehanana moramora manaraka ny Via Triumphalis ilay filaharana ary miakatra ny lalana miolakolaka mankany amin’ny tempolin’i Jopitera eny an-tampon’ny havoanan’ny Capitoline any Roma.
“Nisy hanitra namerovero avy tamin’ireo zava-manitra nodorana nihanaka nanerana ny tempoly sy teny amin’ny arabe, nameno ny rivotra tamin’ny fameroverony”, hoy ny nosoratan’ny manam-pahaizana atao hoe James M. Freeman. “Tao anatin’ilay filaharana ny antenimieran-doholona sy ireo olom-pirenena ambony tao amin’ilay fanjakana, izay nanome voninahitra ilay mpandresy tamin’ny fahatongavany. Ireo zavatra babo ambony vidy indrindra, toy ny volamena, volafotsy, izay mety ho fitaovam-piadiana azo heverina rehetra, faneva, zavakanto lafo vidy sady tsy fahita firy, ary izay rehetra noheverin’ny mpandresy na ny resy ho misy vidiny be indrindra, dia nentina an-karihary tao amin’ilay tanàna feno olona. Noterena handeha tao amin’ilay filaharana koa ireo olona babo an’ady. Ilay jeneraly izay nanaovana io fankalazana io, dia nitaingina kalesy nanana endrika hafakely sady notarihin’ny soavaly efatra. Nasiana petakofehy volamena ny fanamiany ary voninkazo ny akanjony. Nitana rantsan-kazo “laurier” tamin’ny tanany havanana izy, ary tehim-panjakana tamin’ny tanany havia, sady nisy satroboninahitra vita tamina “laurier” avy tany Delphes nirandrana teo amin’ny handriny. Teo anivon’ny horakoraky ny miaramila sy ny tehaky ny vahoaka, ilay mpandresy dia nentina namakivaky ny arabe nankany amin’ny tempolin’i Jopitera izay nanolorana fanatitra, ary avy eo dia nisy fankalazana ho an’ny vahoaka tao amin’ny tempoly.”
Nampiasa ny filaharan’ny mpandresy ho fanoharana i Paoly rehefa nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny kristiana tany Korinto tamin’ny taona 55 am.fan.ir. Hoy izy: “Isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy [filaharan’ny mpandresy, MN], ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay hovonjena sy izay ho very: amin’ny sasany dia hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana”. — 2 Korintiana 2:14-16.
Eto i Paoly sy ireo kristiana voahosotra hafa dia aseho ho toy ny vahoakan’Andriamanitra mifikitra aminy tanteraka “ao [miaraka, MN] amin’i Kristy”. Izy ireo dia lazalazaina ho toy ny zanaka, sy manamboninahitra ary miaramila manaraka ny fiaran’i Jehovah ary tarihiny ao amin’ny filaharan’ny mpandresy manaraka ny lalana mamerovero iray. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1990, pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-15.) Io fampiasana ara-panoharana ny filaharana toy izany io koa dia milaza fa ireo izay mandà ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy manana afa-tsy fahatsinjovana fahafatesana. Endrey anefa ny fahasamihafan’izany amin’ny an’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy! Manana fanantenana ny hovonjena ho amin’ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra miaraka amin’i Kristy izy ireo. Ary ahoana ny amin’ireo namany mahatoky izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra koa? Manana fanantenana mahafaly ny hiaina eo amin’ny paradisa an-tany izay ‘hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony, ary tsy hisian’ny fahafatesana intsony, sady tsy hisian’ny alahelo, na fitarainana, na fanaintainana’ izy ireny. (Apokalypsy 21:1-4; Lioka 23:43). Moa ve ianao anisan’io vahoaka sesehena falifaly io?
Sary hafa iray no aseho ao amin’ny Kolosiana 2:15 (MN), izay nanoratan’i Paoly toy izao: “Rehefa nampitanjaka ireo fitondram-panjakana sy fahefana izy [Andriamanitra], dia nampiseho azy ireo an-karihary toy ny olon-dresy tamin’ny fitarihana azy ireo ho ao amin’ny filaharan’ny mpandresy, noho izany [ny hazo fijaliana]”. Eto, ireo fitondram-panjakana sy fahefana fahavalo eo ambany fanapahan’i Satana Devoly, dia lazalazaina ho toy ny babo sy mpigadra ao amin’ny filaharan’ny mpandresy. Nampitanjahin’i Jehovah, ilay Mpandresy, izy ireo, ary nasehony an-karihary ho olon-dresy. Resy ‘noho ny hazo fijaliana’, dia ny an’i Jesosy, izy ireo. Ny fahafatesany teo amin’ny hazo dia nanome ny fototra ho amin’ny fanesorana “ny sora-tànan’ny didy” (ny faneken’ny Lalàna) sady nahatonga ny kristiana ho afaka amin’ny fanandevozan’ireo herin’ny fahamaizinana avy amin’i Satana. (Kolosiana 2:13, 14). Toy inona no tokony hankasitrahantsika ny fahafahana kristiana toy izany!