Ny harentsika, Fanompoana be voninahitra
amin’ny andro ankehitriny
“Manana izao rakitra [harena, MN ] izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay.” — 2 KORINTIANA 4:7.
1. (a) Harena be voninahitra inona no mety ho azontsika, ary nahoana? (b) Amin’ny fomba ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny nanomezana ny Lalàn’i Mosesy?
HARENA tokoa, na fananana sarobidy indrindra, ny fanompoana atao mba hitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” mandritra ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Koa satria Jehovah dia Andriamanitra be voninahitra, ny asa fanompoana azy dia fanompoana be voninahitra, ka noho izany dia harena tokoa. (Matio 24:14, MN; 2 Korintiana 3:18–4:1) Momba ny nanomezana ny Lalàn’i Mosesy tamim-boninahitra, dia izao no voasoratra ao amin’ny Eksodosy 34:29, 30: “Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy [Jehovah]. Ary nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.”
2. Tandindon’ny inona ny asan’ny Lalàn’i Mosesy, ary nahoana ilay fanompoana farany no be voninahitra kokoa?
2 Manampy toy izao ny andininy faha-32 ka hatramin’ny faha-34: “Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’i Jehovah taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay. Ary rehefa vita ny teny nataon’i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. Ary raha niditra teo anatrehan’i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany.” Ny asan’ny Lalàn’i Mosesy dia tandindon’ny fanompoan’ny fanekena vaovao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanalalana. Noho izany, raha efa be voninahitra ilay fanompoana teo aloha, dia vao mainka ho lehibe kokoa ity farany, dia “ny fanompoana omban’ny fanahy”, raha ny amin’ny voninahitra! (2 Korintiana 3:7-11) Be voninahitra kokoa izy io satria voninahitra maharitra no ananany, ary ireo mpanara-dia an’i Jesosy kristy dia manana izany koa. — Romana 12:11.
3. (a) Inona no tsy maintsy ho marina raha ny amin’ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa nahoana no tsy miharihary amin’ny olona maro izany? (b) Inona no nanaporofo fa teo anatrehan’ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy?
3 Hita araka izany àry fa fanompoana be voninahitra ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy miharihary amin’ireo olona maro izay nohajambain’ny fivavahan-diso anefa izany. Na dia maro aza no manana Baiboly ary mety ho mamaky azy, izy ireo dia “jamba”. (2 Petera 1:5-9) Mba hanesorana ilay fisalobonana avy eo anoloan’ny masony, dia tsy maintsy mitodika any amin’i Jehovah Andriamanitra amim-pinoana izy, satria rehefa nankeo anatrehan’i Jehovah i Mosesy, dia nesoriny ilay fisalobonana izay nanafina ny tarehiny tamin’ireo Jiosy. (2 Korintiana 3:16) Natahotra ny hahita ny voninahitr’Andriamanitra teo amin’ny endrik’ilay mpanalalana azy ny Isiraelita ka nangataka ny hanafenana izany tamin’ny masony. Toy ny andefasan’ny tenan-javatra manome hazavana iray famirapiratana ao amin’ny haizina aorian’ny niatrehany fahazavana, dia toy izany koa no nandefasan’i Mosesy, ilay mpanelanelana teo aminy, taratry ny voninahitr’i Jehovah, ka nanaporofoany fa avy teo anatrehan’i Jehovah izy.
4. Amin’ny ahoana ireo tsy mino ankehitriny no manahaka ireo Jiosy fahizay, kanefa inona no tsy atahoran’ireo mpanara-dia an’ilay Mosesy Lehibe?
4 I Mosesy dia tandindon’ilay Mpaminany lehiben’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Toa an’ilay tandindony, io Mosesy Lehibe io dia tsy matahotra ny hifanatrika mivantana amin’ny voninahitr’i Jehovah. Mandraka androany, anefa, ireo tsy mino izay nohajambain’ny Devoly sy ny fivavahany babyloniana dia manahaka ireo Jiosy fahizay ka mandà tsy hijery, na hahita mazava, ny voninahitr’ilay Mosesy Lehibe, dia Jesosy Kristy. (2 Korintiana 3:12-15) Kanefa, ireo mpianany marina dia tsy matahotra ny hijery ny taratry ny voninahitr’i Jehovah alefan’ny tarehin’i Jesosy Kristy. Afaka tamin’ny fitaoman’i Babylona izy ireo ka nahazo fahasahiana mba hampiseho ny voninahitr’Andriamanitra. “Koa amin’izany”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa.” — 2 Korintiana 3:12.
Mpandefa taratry ny voninahitr’Andriamanitra
5. Amin’ny ahoana no ahafahantsika manome taratry ny voninahitr’Andriamanitra ka hitovy amin’i Mosesy teny an-tampon’ny tendrombohitra teo anatrehan’i Jehovah?
5 Nesorin’i Jesosy Kristy ny fisalobonana tamin’ny fampiharihariana sy fanambarana an’i Jehovah Andriamanitra tamintsika. (Jaona 1:14, 17, 18) Koa tsy maintsy mamirapiratra isika, ary ny voninahitr’Andriamanitra koa, araka izany, dia mamirapiratra amin’ny alalan’ny “fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra”, izay tsy maintsy ambarantsika. Ny famirapiratan’izany dia “ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.” Tsy maintsy manome taratr’io voninahitra io isika amin’ny firesahana ny amin’ny voninahitr’i Jehovah sy ny voninahitry ny Fanjakany entin’ny Zanany. (2 Korintiana 4:4-6) Toa an’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah teny an-tampon’ny tendrombohitra, ny Vavolombelony eto an-tany dia tsy manisy fisalobonana eo amin’ny fony mba hanafina izany amin’ny voninahitr’i Jehovah. Talanjona sady faly izy ireo mahita ny voninahitra tarafin’ny tavan’ny Zanak’i Jehovah sady Mpanjaka voatendriny, dia i Jesosy Kristy. Araka izany, izy ireo dia tsy maintsy mampiely ny fahazavana momba ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny hafa.
6. Amin’ny fomba ahoana no ilazalazan’i Paoly ny fanompoantsika be voninahitra ao amin’ny 2 Korintiana 3:18, ary amin’ny fomba ahoana avy no maha-“voaova” antsika?
6 Ho an’ireo namany rehetra vavolombelon’ny voninahitr’i Jehovah tahaka azy, dia amin’izao teny izao no anazavan’ny apostoly Paoly izany: “Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia nijery ny voninahitry ny Tompo [Jehovah, MN ] toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo [Jehovah, MN ], dia ny Fanahy.” (2 Korintiana 3:18) Arakaraka ny andraisantsika ny voninahitr’io fahazavana io, no tsy maintsy anomezantsika taratr’izany, ary iovantsika araka izany. Nohavaozina sy naverina amin’ny laoniny ny saintsika, na dia mety tsy hahitana fiovana aza eo amin’ny vatantsika na ny tarehintsika. Ny fahazavan’ilay hafatra be voninahitra izay aelintsika no mitondra ilay fiovana ao amintsika. Voaova hitovy amin’ny an’i Kristy ny fiainantsika, raha vonona ny hanatontosa ilay asa fanompoana sady tombontsoa hampiely io fahazavana be voninahitra io any amin’ny hafa isika. — Hebreo 13:15.
7. Inona no loharanon’ny tena voninahitra marina, ary amin’ny fomba ahoana no mety hanehoantsika izany voninahitra izany?
7 Izany fiovana rehetra izany dia noho ny fanahy, na hery, miasan’Andriamanitra. Ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy manome taratry ny voninahitr’i Jehovah Andriamanitra fa tsy maintsy mampiasa fisehoana ivelany mamitaka mba hanintonana ny sain’ny olona. Tsy voninahitsika io voninahitra io, ary tsy mila ny miravaka akanjon’ny mpitondra fivavahana kanto vita amin’ny landy sy volamena ary firavaka marevaka isika. Ny tena voninahitra marina dia azo avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ary aseho amin’ny fizarana ny fanambarana be voninahitra momba ilay Fanahy, dia i Jehovah.
Mpitondra fahazavana manana tombontsoa avokoa
8, 9. Fampirisihana inona no omen’i Paoly antsika ao amin’ny 2 Korintiana 4:1, 2, ary mitaky fahavononana inona avy amintsika izany?
8 Ao amin’ny 2 Korintiana 4:1, 2, dia izao no vakintsika: “Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka. Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.” Naneho famindrampo tamintsika Andriamanitra tamin’ny fanendrena antsika hanao io fanompoana io. Fampirisihana antsika izany mba hanohy amin-kerimpo, ary izany indrindra no hataontsika! Koa satria isika nomena tombontsoa hahazo ny fahazavana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia manana adidy hampamirapiratra izany any amin’ny hafa isika. — Ampitahao amin’ny Matio 5:14-16.
9 Ny zavatra izay mahamenatra ny olona, toy ny famitahana ohatra, dia afeniny amin’ny alalan’ny fanambakana sy ny hafetsen-dratsy. Kanefa isika dia tsy manana antony tokony hahamenatra antsika satria tsy mamitaka ny hafatra entintsika na ny asantsika fa rariny sy fahamarinana. Noho izany, isika dia mahazo mampamirapiratra ny voninahitra manontolon’ilay fahazavana. Tsy ampiasaintsika amim-pitaka ny Tenin’Andriamanitra. Ny fanaovana izany dia ho toy ny fampiasana azy io mba hahazoana amin’ny fomba feno fitiavan-tena, tombony sy voninahitra ary soa ho an’ny tenantsika manokana, sy fahefana eo amin’izao tontolo izao, ary koa mba handosirana fanoherana sy fanenjehana avy amin’izao tontolo izao. Ireo izay tsy matahotra ny hanatona an’i Jehovah amin’ny tarehy tsy misarona ka hibanjina ny fahazavana be voninahitry ny fahamarinana dia tsy hatahotra tahaka izany ihany koa ny hiantsoroka ny andraikiny. Havelany hitaratra eo amin’ny tenany ny fahazavana.
10. Nahoana no tsy fahadisoan’ny Vavolombelon’i Jehovah raha takona amin’ny mason’ny olona sasany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?
10 Raha toa ka takona amin’ny mason’ny olona sasany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, dia tsy noho ny fahadisoan’ny Vavolombelon’i Jehovah akory izany, fa noho ny fahadisoan’ny tenany ihany. Tsy afenina akory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Fantatra tsara ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Noho izany àry no ahafahan’izy ireo miteny toy ny apostoly Paoly hoe: “Tsy natao tao amin’ny takona izany.” Eny tokoa, araka ny nosoratany, ny vaovao tsara dia “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny.” — Asan’ny apostoly 26:26; Kolosiana 1:23.
11. Nahoana ilay vaovao tsara be voninahitra no takona amin’ny mason’ny olona maro be aoka izany?
11 Ireo izay miafina aminy ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra dia mpanohitra, dia izay nohajambain’ny Devoly. (Ampitahao amin’ny Matio 12:30.) Raha tsy manafa-tena hiala amin’ny fivavahan-diso sy ny fandriky ny Devoly izy ireo, dia anjarany izao ny ho ringana. Eo ambany fitaoman’ireo demonia, ny olona toy izany dia misintona fisalobonana ho eo anoloan’ny masony mihitsy, satria hoy ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4:3-5 hoe: “Fa raha miafina ny filazantsaranay [vaovao tsaranay, MN ], dia miafina amin’izay ho very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN ] voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra. Fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy.”
12. Mifanohitra amin’ireo jamba ara-tsaina, dia manao ahoana ny fandraisan’ny vahoakan’i Jehovah ireo teny ao amin’ny 2 Korintiana 4:6?
12 Ireo jamba ara-tsaina dia tsy maniry ny hino. Ny tsy finoany dia manokatra ny sainy ho mora tafihin’ny demonia. (1 Timoty 4:1) Tsy afaka mahita ny voninahitr’i Jehovah izy ireo na ny taratr’izany eo amin’ny tarehin’i Jesosy, ilay Mosesy Lehibe. Ny vahoakan’i Jehovah kosa dia mahazo ny fahazavana be voninahitra ao amin’ny Baiboly ary mandefa taratr’izany any amin’ny hafa. Ny mpanompon’Andriamanitra rehetra àry izany dia mpitondra fahazavana, ary Andriamanitra dia manome baiko mba hamirapiratan’ny fahazavana. Tsy maintsy mitaratra avy any amin’ny vahoakan’Andriamanitra ilay fahazavana ka ho any amin’ny olon-kafa izay ao amin’ny maizina ary tandindomin’ny fandringanana. Izany dia tena araka ny ilazan’ny 2 Korintiana 4:6 azy hoe: “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.” Mifanaraka amin’izany àry, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mankatò ny baikon’Andriamanitra ka mamela ny fahazavany hanazava ny hafa, ho voninahitr’Andriamanitra.
Hafatra be voninahitra ao anatin’ny fitaovana mora simba
13. Nitondra vokatra inona ny fanankinana ny asa voatahy mba ho mpitondra fahazavana tamina zavaboary ara-nofo?
13 Ao amin’io tomboantsoam-panompoana tsy hay lazaina io, dia iankinan’ny ain’ireo mpitondra io fahazavana io ny hiseho ho mendrika ny hahazo ilay fahazavana amin’ny fihazonana ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra. Mba hanatanterahana io tombontsoam-panompoana mahatalanjona io, dia tsy anjely masina, izay maniry ny handinika izany zavatra izany, no nampiasain’Andriamanitra, fa nankininy tamina zavaboary ara-nofo kosa io asa voatahy io. (1 Petera 1:12) Izany dia nataony mba hampiharihariana ny halehiben’ny heriny manokana eo anatrehan’ny fahalemen’olombelona. Araka ny anambaran’ny 2 Korintiana 4:7 azy hoe: “Fa manana izao rakitra [harena, MN ] izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay.”
14. (a) Inona moa “io harena amin’ny vilany tany io”? (b) Nahoana moa i Mosesy sy i Jesosy Kristy no ohatra tsara ho antsika raha ny amin’ny harena?
14 Nampiasaina matetika ho fitoeran-java-tsarobidy ny vilany tamin’ny andro fahiny. Inona io harena be voninahitra ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah io ka entiny ao amin’ny vilany tany mora vaky — dia ny tenany izany, izay zavaboary malemy avy tamin’ny vovoky ny tany? Tsy ilay fahazavana izay namirapiratra tao am-pony fotsiny akory io harena io. Izany kosa dia ilay fanompoana mifandray amin’io fahazavana io, fanompoana na asa izay tsy maintsy tanterahina ao amin’ny vatany avy amin’ny tany. Izany dia ny fanaparitahana ilay fahazavana izay naelin’Andriamanitra teo amin’ny fon’izy ireo. Harena tsara io fanompoana io, indrindra fa satria tombontsoam-panompoana sarobidy izay andraisan’ny sisa voahosotra amin’ny “ondry vitsy” anjara ankehitriny ary koa ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”-n’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry tsara dia tsara. (Lioka 12:32; Jaona 10:14-16; Apokalypsy 7:9) Mosesy sy ilay nasehony, Jesosy Kristy, dia ohatra tsara ho antsika, raha ny amin’ny fampifantohana ny fontsika amin’io asan’Andriamanitra toy ny harena io, satria “izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” — Matio 6:19-21; Hebreo 11:26.
15, 16. (a) Ahoana no ampisehoana fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy avy amintsika? (b) Nahoana ny fanoherana rehetra avy amin’izao tontolo izao no tsy hahapotika ny fitaovan’Andriamanitra vita avy amin’ny tany?
15 Ahoana àry no ampisehoana fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy avy amintsika? Izao: Ny fitaovana mora simba natao avy tamin’ny tany toa antsika izay nomena io asa sy fanendrena sarobidy io dia tsy mendrika ary tsy ho afaka na oviana na oviana ny hitondra izany voninahitra izany noho ny tenantsika manokana. Ambonin’izany, isika Vavolombelon’i Jehovah dia iharan’izao karazana fanerena avy amin’ny fahavalo rehetra izao izay mitady ny hanimba antsika sy hampitresaka antsika mba hahatonga antsika tsy ho mendrika ny hitondra ny asa nanendren’Andriamanitra antsika. Noho izany, dia tsy maintsy ny herin’ilay Mpanendry Lehibe no manampy antsika hahatohitra ny fitondrana ratsy dia ratsy avy amin’ity izao tontolo izao ity, ka hihazona mafy ilay fanendrena ary hiseho ho mendrika ny hohazonina ao amin’io asa io. Ny fanoherana rehetra avy amin’izao tontolo izao àry dia tsy hahapotika ny fitaovan’Andriamanitra vita avy amin’ny tany na hanala aminy ny hareny sarobidy, satria hoy ny voasoratra ao amin’ny 2 Korintiana 4:8-12 hoe:
16 “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty; mitondra ny fahafatesan’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy. Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana [amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana] kosa ao aminareo.”
Mihevitra “io harena io” ho sarobidy tokoa ny olona betsaka”
17. Ahoana no fiheveran’ny olona betsaka ‘io harena io’, dia ny fanompoana be voninahitra?
17 “Ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.” Io teny io dia mihatra amin’ny kristiana voahosotry ny fanahy. Kanefa, mety hampieritreritra antsika ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny sisa voahosotr’Andriamanitra sy ny vahoaka betsaka amin’ny ondry hafa koa izy io. Ireo voahosotra dia mahafantatra fa tsy maintsy hamarana ny fihazakazahany eto an-tany ao amin’ny fahafatesana izy amin’ny farany, toa an’i Jesosy ihany, kanefa manana namana izy ireo mba hiara-manao aminy io asa toy ny harena be voninahitra io, mba hanampy azy hanao ny ankamaroan’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Toy ny sisa voahosotra, ny olona betsaka amin’ny ondry hafa ankehitriny dia mahatakatra fa ny hany harena tsy ho levona amin’ny ady mivaivain’i Haramagedona ary hitohy tsy ho simba na ho may ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, dia io fanompoana voatahy toy ny harena io, dia ny asa atao ho an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny be voninahitra. Mihazona izany mafy ny olona betsaka, “ka manompo [an’Andriamanitra] andro aman-alina eo amin’ny tempoliny.” — Apokalypsy 7:15.
18. (a) Inona no hanjo tsy ho ela ny voninahitra sandok’ity izao tontolo izao ity? (b) “Voninahitra” inona no nolavin’i Jesosy, ary tamin’ny fanaovana inona no nahazoany voninahitra ambony kokoa?
18 Tsy ho ela izao Andriamanitra dia hamarana ny voninahitra sandok’ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity — “voninahitra” izay nitohy foana hatramin’ny fotoana nitondran’i Satana Devoly an’i Jesosy ho eny amin’ilay tendrombohitra avo ka nampisehoany azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao “mbamin’ny voninahiny.” (Lioka 4:5, 6) Nolavin’i Jesosy io voninahitra avy tamin’ny loharano toy izany natolotra azy io ka notohiziny ihany ilay fanaovana asa teto an-tany nankasitrahan’Andriamanitra. Noho ny fanaovana izany izy dia hosatrohana voninahitra ambony kokoa noho ilay voninahitra nananany tany an-danitra, tamin’ny naha-Zanaka Lahitokan’Andriamanitra azy, talohan’ny nandraisany ny fanendrena nomen’i Jehovah azy hataony etỳ an-tany. — Jaona 5:36; 17:5; Filipiana 2:9-11.
19. Tombontsoam-panompoana mendri-kaja inona no manakaiky ny fahatanterahany feno, ary inona no fahavononantsika raha ny amin’izany?
19 Ny faran’ity fandehan-javatry ny Devoly ity izay efa nambara mialoha dia tsy ho tonga raha tsy vita manerana ny tany ny asa fanaovana fanambarana ilay Fanjakana ka hahaforona ny fara tampony amin’ny asa ataon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, dia ireo Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14) Efa nandritra ny telo ampahefatry ny taonjato izao no nanaovana ny asa fanambarana ilay Fanjakana ary araka ny asehon’ny zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao amin’izao androntsika izao, dia tsy maintsy efa akaiky izany farany nambara mialoha izany. Noho izany àry, dia tokony ho efa hanakaiky ny fahatanterahany feno ilay tombontsoa mendri-kaja handray anjara amin’ny fanompoan’ilay fitondram-panjakana masina. (Matio, toko faha-24, sy faha-25; Marka, toko faha-13; Lioka toko faha-21) Ny tombontsoantsika mandray anjara amin’ny fanaovana fanambarana manerana ny tany momba ilay Fanjakana tafaorina dia tena harena be voninahitra tokoa izay heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho sarobidy tokoa, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ilay Zanany nahazo fiandrianana, azy ireo. Irin’izy ireo amin’ny fony rehetra ny hihazona izany mafy mandra-pahavitan’ny asa fanambarana ilay Fanjakana ka hamaranan’i Jehovah, Andriamanitra Tsitoha, ilay tarehin-javatra manerana izao rehetra izao amin’ny fanaovana ny fanambaran’ny tenany manokana momba ny fiandrianany manerana izao rehetra izao. — Zefania 3:8.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah no fanompoana be voninahitra?
◻ Nahoana no takona amin’ny mason’ny olona maro be aoka izany ny vaovao tsara?
◻ Inona moa ‘io harena amin’ny vilany tany io’?
◻ Nahoana Andriamanitra no mampiasa fitaovana mora simba, vita avy amin’ny tany, ho amin’io asa toy ny harena io?
◻ Ahoana no fiheveran’ny vahoakan’i Jehovah ‘io harena io’, ary nahoana?
[Sary, pejy 17]
Hita taratra teo amin’ny tarehin’i Jesosy Kristy, ilay Mosesy Lehibe, ny voninahitr’Andriamanitra. Manana tombontsoa hahazo ny fahazavana be voninahitr’Andriamanitra avy ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah ary manome taratr’izany amin’ny hafa