Ny fomba handresena amin’ny ady atao amin’ny fahaketrahana
“NY ZAVATRA nitambesatra tamiko indrindra tokony horeseko”, hoy ny fieken’i Lola, “dia ny fahatsapana ho meloka noho ny tsy fananako fanantenana, satria nihevitra aho fa, amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah aho, dia tsy tokony hanana izany fihetseham-po izany ahy.” Io fahadisoan-kevitra mahazatra io mazàna no fahavalo voalohany indrindra tokony horesen’ny kristiana iray voan’ny fahaketrahana. Nanampy toy izao i Lola: “Raha vao nitsahatra tsy nanamelo-tena noho izany fihetseham-po izany aho, ka nifantoka tamin’ny fomba hanatsarako ny fahasalamako, dia afaka niatrika ny fahaketrahako tsaratsara kokoa aho.” Eny, ny fahaketrahana dia tsy antony tokony hiheveranao fa nandiso fanantenana an’Andriamanitra ianao.
Araka ny nambara tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia mety ho ny zavatra mitranga ao amin’ny vatana no mahatonga ny fahaketrahana. Tamin’ny 1915, ela be talohan’ny fikarohana natao vao haingana ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny aretina ara-batana maro sy ny fahaketrahana, dia nanambara toy izao ny Ny Tilikambo Fiambenana: “Io fahatsapana ho reraka io, na fahatsapana ho manirery sy fahaketrahana, dia ara-dalàna indraindray eo amin’ny olombelona rehetra. (...) Hamafisin’ny toe-pahasalamana ara-batana ihany [izy io].” Araka izany àry, raha mitohy maharitra ny fahatsapana ho ketraka, dia mety hitondra soa ny fankanesana any amin’ny dokotera. Raha lasa lavitra loatra ny tarehin-javatra, dia mety haniry ny fitsaboan’ny manam-pahaizana manokana momba ny fahaketrahana ny olona iray.a
Kanefa, na dia tsy avy amin’ny toe-pahasalamana ara-batana aza ny fahaketrahana, dia tsy araka ny tena izy ny fiheverana fa tsy halahelo na ho kivy mihitsy ny mpanompon’Andriamanitra iray. Diniho fotsiny ny ohatr’i Hana nahatoky izay ‘nalahelo fanahy indrindra sady nitomany dia nitomany.’ (1 Samoela 1:7, 10) I Nehemia koa dia “nitomany sady niferinaina andro maro” ary voan’ny “alahelom-po”. (Nehemia 1:4; 2:2) Nanamavo ny ainy i Joba ary nihevitra fa nandao azy Andriamanitra. (Joba 10:1; 29:2, 4, 5) I Davida mpanjaka dia nilaza fa reraka ny fanahiny tao anatiny ary fadiranovana ny fony. (Salamo 143:4) Ary ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny ‘tahotra tao anatiny’ ary nilaza fa “nazera” na “potraka” teo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po izy. — 2 Korintiana 4:9; 7:5, 6, MN.
Na dia mpanompon’Andriamanitra nahatoky avokoa aza ireo rehetra ireo, dia voan’ny alahelo koa noho ny fahoriana samihafa, ny fanahiana, na ny fahadisoam-panantenana mafy tamin’ny fotoana sasany teo amin’ny fiainany. Tsy nandao azy anefa Andriamanitra, na nanala ny fanahiny masiny taminy. Tsy avy tamin’ny tsy fahombiazana ara-panahy akory ny fahatsiarovany ho ketraka teo amin’ny ara-tsaina. Tamin’ny fotoana iray nahatsapan’i Davida ny tenany ho ory, dia niangavy toy izao tamim-bavaka izy: “Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao.” Nampiononin’Andriamanitra i Davida tamin’io ‘andro fahoriana’ io ka nanampy azy hahita fifaliana indray izy, araka ny fandehan’ny fotoana. (Salamo 86:1, 4, 7) Hanampy ny mpanompony ankehitriny toy izany ihany koa i Jehovah.
Koa satria tsy porofon’ny tsy fahombiazana teo amin’ny lafiny ara-panahy na ny fahalemena ara-tsaina ny fahaketrahana, ny kristiana iray voan’izany dia tsy tokony ho sakodiavatra ny hiresaka ny amin’izany. Mifanohitra amin’izany kosa aza fa tokony hanao ny dingana lehibe indrindra amin’ny fiadiana amin’io fikorontanana eo amin’ny fahasalamany io izy. Inona izany?
Famborahana ny fihetseham-ponao
Tokony horesahiny amin’ny olon-kafa iray izany. Manambara toy izao ny Ohabolana 12:25: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” Tsy hisy olombelona hafa ho afaka hahafantatra ny halehiben’ny fanahiana ao am-ponao raha tsy miresaka ny amin’izany ianao. Raha miresaka momba izany amin’ny olona mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, izay afaka hanampy anao, ianao, dia azo antoka fa hahafantatra fa nisy olon-kafa maro koa nahatsapa fihetseham-po sy zava-manahirana toy izany. Ary koa, ny fanehoana ny fihetseham-ponao dia efa mitondra anao eo an-dalan’ny fahasitranana, satria manamaivana ny fo ny firesahana ny amin’ireo fitsapana mampijaly anao toy izay ny fanakombonana izany ao anatinao. Noho izany àry, ireo fanahy ketraka dia tokony hiresaka ny amin’izany amin’ny vadiny, ny rainy na ny reniny, na koa amin’ny sakaiza iray mahay mangoraka sady matotra eo amin’ny ara-panahy. — Galatiana 6:1.
Ny tapany tamin’ny zava-nanahirana an’i Marie (noresahintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha) dia avy tamin’ny nanakombonany tao anatiny ireo fihetseham-po nampahory azy izay nitarika ho amin’ny fahaketrahany. “Nandritra ny taona maro, dia tsy nanao afa-tsy ny nihatsaravelatsihy aho”, hoy izy. “Tsy ho nihevitra mihitsy ny hafa fa sarotra be aoka izany tamiko ny nandresy io fahatsapana ho tsy ilaina io.” Namboraka izany tamin’ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona anefa i Marie. Tamin’ny alalan’ny fanontaniana natao tamim-pahamalinana, dia hain’ilay loholona ny “nanovo” avy tao am-pony ny fanahiany ka nanampy azy hahatakatra izay mahazo ny tenany tsaratsara kokoa. (Ohabolana 20:5) Nanome toky azy indray ireo teny tsara avy tao amin’ny Soratra masina nataon’ilay loholona. “Vao voalohany aho tamin’izay no nanomboka nahazo fanampiana mba handresy ireo fihetseham-po sasany izay nitarika ho amin’ny fahaketrahako, hoy ny fanazavan’i Marie.
Ny firesahana amin’ny loholona iray mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa àry dia mety hanome “ranovelona” mamelombelona eo amin’ny lafiny ara-panahy ho an’ny olona iray izay ‘tahaka ny tany mangetana ny fanahiny’. (Isaia 32:1, 2; Salamo 143:6) Ny mpanolo-tsaina ara-panahy mahay manavaka iray dia mety hanampy anao hahita fa misy dingana mora ampiharina azonao atao mba handresena ny tarehin-javatra izay mety ho noheverinao fa tsy misy fanantenana. (Ohabolana 24:6) Misy zavatra hafa ilaina anefa ankoatra ny firesahana amin’ny olon-kafa iray.
Ekeo fa vidiny tokoa ianao
Ny fiheverana fa tsy misy vidiny firy ny tena no iray amin’ireo zavatra lehibe mahatonga ny fahaketrahana. Nety ho nijaly tamin’ny fahazazany ny kristiana sasany, ka manana fiheverana ambany dia ambany momba ny tenany. Kanefa, na dia namela holatra maro ara-pihetseham-po aza ny fitondrana ratsy ara-batana, ara-pihetseham-po na teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy tamin’ny lasa, izany akory tsy manova ny hasarobidin’ny olona iray. Araka izany àry, dia tsy maintsy miezaka mafy ianao mba hanana fiheverana voalanjalanja momba ny tena maha-ianao anao. “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony.” (Romana 12:3) Hitandrina isika mba tsy hieboebo, kanefa koa tsy hitady ny hilatsaka ao amin’ny mifanipaka indrindra amin’izany. Ireo izay manana fifandraisana amin’Andriamanitra dia sarobidy eo imasony sady iriny tokoa, satria mifidy olombelona mba ho tonga “rakitra soa” ho azy izy. Tombontsoa tsy manam-paharoa re izany! — Malakia 3:17; Hagay 2:7.
Ambonin’izany, voninahitra toy inona re izany hoe “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” izany, amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa kristiana fanaovana mpianatra. (1 Korintiana 3:9; Matio 28:19, 20) Kristiana voan’ny fahaketrahana maro be no nahita fa manatsara ny fomba fiheverany ny vidin’ny tenany izany. “Na dia taorian’ny nahatongavako ho kristiana aza, dia mbola nahatsapa tena ho tsy ampy fahaizana ihany aho”, hoy ny fieken’i Marie. Nanohy niezaka ihany anefa izy tamin’ny asa fitoriana, ary indray andro izy dia nahita ramatoa tanora voan’ny aretin’atidoha izay naniry ny hianatra ny Baiboly. “Nila olona izay hahay haharitra aminy izy, satria nila fotoana lava vao afaka nahatakatra zavatra iray”, hoy i Marie. “Koa satria naka ny fotoanako sy ny fahalianako aoka izany izy, dia hadinoko ny amin’ny tenako manokana sy ny fahatsapako ho tsy mahay. Nila ny fanampiako izy, ary tsapako fa afaka nanome azy izany aho noho ny herin’i Jehovah. Ny fahitana azy natao batisa dia nitondra fampaherezana tsy nisy toy izany ho ahy. Nihanatoky ny tenako aho, ary dia nanjavona tanteraka ilay fahaketrahana mafy.” Endrey ny fahamarinan’ny hoe “izay mandena dia mba holemana kosa”! — Ohabolana 11:25.
Kanefa mbola misy olona voan’ny fahaketrahana maro izay hanana fihetsika toy ny vehivavy kristiana voan’ny fahaketrahana mafy iray izay niaiky hoe: “Na dia miasa mafy aza aho amin’ny fanadiovana sy ny fahandroan-tsakafo ary ny fampisehoana fahaiza-mampiantrano vahiny, dia mbola manakiana tena mafy amin’ny fahadisoana kely rehetra tsy dia manao ahoana loatra.” Mandrava tanteraka ny fatokian-tena ny fanakianana tsy araka izay tokony ho izy toy izany. Tsarovy fa mahay mahatakatra ny mahazo antsika ilay Andriamanitsika ary “tsy mandaha-teny [tsy mahita hokianina, MN ] mandrakariva Izy.” (Salamo 103:8-10, 14) Raha tsy manorisory antsika noho izay fahadisoana kely rehetra ataontsika i Jehovah, izay mahafantatra ny rariny tsara kokoa noho isika, ka vonona ny hampiseho fahari-po, moa ve tsy tokony hanao fiezahana koa isika mba hanahaka azy raha ny momba ny tenantsika?
Manana kilema sy fahalemena avokoa isika rehetra. Kanefa misy lafiny mampahatanjaka antsika koa. Tsy nanantena hatsarana ambony dia ambony avy amin’ny tenany ny apostoly Paoly tamin’izay rehetra niezahany natao. “Na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany aho amin’ny fahalalana”, hoy izy. Tsy nihevitra i Paoly fa ambany noho ny hafa satria fotsiny hoe tsy mpandahateny nahay. (2 Korintiana 11:6) Tahaka izany koa, ireo voan’ny fahaketrahana dia tokony hifantoka amin’izay zavatra hainy.
“Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”, na koa hoe ao amin’ireo izay mahatsapa sy manaiky ny fetran’ny mety ho vitany. (Ohabolana 11:2) Ny tsirairay avy amintsika dia fanahy iray tsy manana ny mitovy aminy, samy hafa toe-piainana, hery ara-batana ary fahaizana. Eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah amin’ny fanahinao rehetra, raha manao izay rehetra azonao atao ianao, dia mahafaly azy izany. (Marka 12:30-33) Tsy hoe tsy mety afa-po mihitsy amin’ny fiezahana ataon’ireo mpanompony nanolo-tena ho azy akory Andriamanitra. Nilaza toy izao i Leora, vehivavy kristiana iray izay nandresy ny fahaketrahana nahavoa azy: “Tsy tsara ohatra ny ataon’ny hafa rehetra ny ataoko amin’ny zavatra sasany, toy ny fanaovana fanambarana eo amin’ny asa fitoriana. Kanefa miezaka aho, ary izay vitako dia izay tsara indrindra azoko omena.”
Ny fomba handaminana fahadisoana sy tsy fahazoan-dresaka
Ary raha manao fahadisoana lehibe ianao? Angamba ianao hanana fihetseham-po sahala amin’ny an’i Davida, izay ‘nisaona [nandeha tamin’alahelo, MN ] mandrakariva’ noho ny fahadisoany, na fahotany. Kanefa io fihetseham-po io ihany dia manome porofo fa tsy nanao zavatra tafahoatra akory ianao ka nanao fahotana tsy mendrika ny famelana! (Salamo 38:3-6, 8) Ny fahatsiarovana ho meloka dia mety hampiseho fa ilay nanota dia manana fo mahitsy ary feon’ny fieritreretana tsara. Amin’ny fomba ahoana àry no azo andaminana izany? Efa nivavaka tamin’Andriamanitra ve ianao mba hahazo ny famelany ka nanao dingana mba hanarenan-javatra? (2 Korintiana 7:9-11) Raha izany no izy, dia matokia fa hahazo ny famindrampon’Ilay mahay mamela heloka ianao, sady manaova fanapahan-kevitra mba tsy hamerina ilay fahotana. (Isaia 55:7) Raha nahazo famaizana ianao, dia ‘aza resi-lahatry ny anatra ataony ianao, fa izay tian’i Jehovah no faizany.’ (Hebreo 12:5, 6) Ny zava-kendren’ny famaizana toy izany dia ny mba hanampiana amin’ny fanarenana ilay ondry nania. Tsy mampihena ny vidiny amin’ny maha-olona akory izany.
Na dia manameloka antsika aza ny fontsika, dia tsy mila ny hanatsoaka hevitra avy amin’izany isika fa nanameloka antsika koa i Jehovah. “Izany no (...) hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” (1 Jaona 3:19, 20) Mahita mihoatra noho ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika i Jehovah. Fantany ireo anton-javatra mampihena ny helotsika, ny fiainantsika iray manontolo, ireo antony manosika antsika hanao zavatra ary ireo fikasantsika. Ny halehiben’ny fahalalany dia mahatonga azy hihaino amim-pangoraham-po ireo vavaka ataontsika amin-kafanam-po ho fangatahana famelan-keloka, toy ny nihainoany an’i Davida.
Ny tsy fahazoan-dresaka ary ny fiahiana tafahoatra ny amin’ny hahazoana ny fankasitrahan’ny hafa koa dia mitarika ho amin’ny tsy fananana fanajana ny tena, ary angamba ho amin’ny fahatsapana fa lavin’ny hafa ny tena. Noho ny tsy fahatanterahana, ny namana kristiana iray dia mety hiresaka aminao amin’ny fomba toa heverinao fa masiaka na tsy mampiseho hatsaram-panahy. Ny tsy fahazoan-dresaka maro dia azo hazavaina amin’ny filazana amin’ilay olona fa nampalahelo anao ilay zavatra noteneniny. (Ampitahao amin’ny Matio 5:23, 24.) Nanoro hevitra toy izao koa i Solomona: “Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina.” Nahoana moa? “Fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.” (Mpitoriteny 7:21, 22) Aza mitaky fahatanterahana amin’ny tenanao na amin’ny fifandraisanao amin’ny olombelona hafa izay tsy tanteraka, zavatra izay tsy araka ny tena izy. Aoka ianao ho mailaka ny hamela heloka ka hifandefitra. — Kolosiana 3:13.
Ankoatra izany, ny tena maha-ianao anao dia tsy miankina voalohany indrindra amin’ny fitiavan’ny sasany anao na tsia. ‘Tsy mba nahoana’ i Kristy, ary ambany dia ambany ny ‘nanombanana’ azy. (Isaia 53:3; Zakaria 11:13) Moa ve izany nanova ny tena vidiny na ny fomba niheveran’Andriamanitra azy? Tsia, satria na dia tanteraka aza isika, tahaka an’i Jesosy, dia tsy ho afaka ny hampifaly ny rehetra.
Hery mba hahafahana miaritra
Indraindray, dia mety haharitra ny fahaketrahana na dia miezaka mafy aza isika mba handresy azy. Ny fanaintainana ara-pihetseham-po dia mety hahatonga ny kristiana sasany hiteny toa an’i Jona hoe: “Aleoko ho faty toy izay ho velona.” (Jona 4:1-3) Tsy naharitra anefa ny fanahiany, fa resiny. Koa raha mahatonga ny fiainanao ho toa tsy azo zakaina ny fahaketrahana, dia tsarovy fa izy io dia toy ilay fahoriana izay nolazain’i Paoly hoe “vetivety foana.” (2 Korintiana 4:8, 9, 16-18) Tsy maintsy hifarana izy io! Tsy misy tarehin-javatra na dia iray aza tokony hahavery toky antsika. Mampanantena i Jehovah fa “hamelombelona ny fon’ny torotoro fo” izy.” — Isaia 57:15.
Aza mitsahatra ny mivavaka, na dia toa tsy misy valiny aza ireo vavaka ataonao. Nitalaho toy izao i Davida: “Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; (...) raha reraka ny foko. Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo ka tsy tratro.” (Salamo 61:1, 2) Amin’ny fomba ahoana no hitondran’Andriamanitra antsika ho amin’ny fahazoana fatokian-tena izay toa tsy ho tratrantsika amin’ny herintsika manokana? Namaly toy izao i Eileen, izay niady nandritra ny taona maro mba handresy ny fahaketrahana nahavoa azy: “Tsy navelan’i Jehovah ho kivy aho. Izany dia nanome ahy fanantenana fa raha manohy miezaka aho, dia hanohy hanampy ahy izy. Nitana ahy ho velona ara-bakiteny ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny alalan’ny fomba maro samihafa — ny vavaka, ny asa fanompoana, ireo fivoriana, ireo boky sy gazety, ny fianakaviana ary ny namana — no nanomezan’i Jehovah hery ahy mba hanohy hanao fiezahana.”
Raiso ho toy ny fitsapana ny finoanao io fikorontanana ara-pahasalamana io. “Mahatoky Andriamanitra”, hoy ny toky nomen’ny apostoly Paoly antsika. ‘Tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo izy; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.’ (1 Korintiana 10:13) Eny, hanome anao “hery mihoatra noho ny hery fahita” Andriamanitra mba hahafahanao mitondra izay entana ara-pihetseham-po mitambesatra aminao. — 2 Korintiana 4:7, MN.
Fandehan-javatra vaovao iray tsy hisy fahaketrahana!
Nampantena Andriamanitra fa tsy ho ela izy dia hanala, amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra, ireo tarehin-javatra mahaketraka rehetra eto ambonin’ny tany. Manambara toy izao ny Teniny: “Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho.” (Isaia 65:17, 18) Nisy fahatanterahany voalohany tamin’ny taona 537 al. fan. ir. ireo teny ireo, tamin’ny fotoana namerenana ny firenen’Isiraely fahizay tany amin’ny taniny. Nihira toy izao ny vahoakany tamin’izay: “Tahaka izay nanonofy isika. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika sy fihobiana ny lelantsika.” (Salamo 126:1, 2) Ho toy inona moa ny fahalehibeazan’ny fahatanterahana faran’io faminaniana mampihetsi-po ny amin’ny hahatongavan’ny izao tontolo izao vaovaon’Andriamanitra tsy ho ela io! — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.
Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra (ny “lanitra vaovao”), dia hisy fikambanan’olona marina eto an-tany (ny “tany vaovao”) izay hahazo fahasalamana ara-pihetseham-po, sy ara-batana ary ara-panahy tanteraka indray. Tsy midika akory izany fa tsy hahatsiaro izay nitranga tamin’ny lasa izy ireo, fa raha jerena kosa ireo zavatra hahafinaritra rehetra hoeritreretiny sy hahafaly azy amin’izay, dia tsy hisy antony hahatsiarovany na hampifantohana ny sainy amin’ireo toe-javatra nampalahelo niainany teo aloha. Alao sary an-tsaina ny hoe mifoha isa-maraina ka manana saina madio, may ny hanao ireo asa amin’io andro io — tsy ho voasembantsemban’ny fahaketrahana intsony!
Miaiky tanteraka ny hahatanterahan’io fanantenana io i Lola (noresahina tetsy am-boalohany), ary niteny hoe: “Ny fahatsiarovana fa halamin’ny Fanjakan’i Jehovah io zava-manahirana io no tena nanampy ahy indrindra. Fantatro tamin’izany fa tsy haharitra mandrakizay akory io fahaketrahana io.” Eny, afaka matoky ianao fa tsy ho ela intsony dia hataon’Andriamanitra izay handresena tanteraka ny fahaketrahana!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra hoe “Traitements médicaux contre la dépression grave” ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Oktobra 1981.