Hamaly ny Fitiavan’i Jesosy ve Ianao?
“Ny fitiavan’i Kristy dia manery anay.” — 2 KORINTIANA 5:14, NW.
1. Ahoana no mety hilazalazana ny fitiavan’i Jesosy?
MARINA indrindra fa mahatalanjona aoka izany ny fitiavan’i Jesosy! Rehefa mandinika ny fijaliany tsy hay lazalazaina fony izy nanome ny avotra, izay ny hany fomba mety hahazoantsika fiainana mandrakizay, isika, dia azo antoka fa voatosika ho velom-pankasitrahana azy ny fontsika! Nanao ny dingana voalohany i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy mihitsy. Tia antsika voalohany izy ireo, na dia mbola mpanota aza isika. (Romana 5:6-8; 1 Jaona 4:9-11). Ny fahafantarana “ny fitiavan’i Kristy”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, dia “mihoatra noho ny fahalalana”. (Efesiana 3:19). Tena mihoatra lavitra noho ny fahalalana be ao an-tsaina fotsiny tokoa ny fitiavan’i Jesosy. Mihoatra noho izay zavatra hafa rehetra hitan’ny olombelona na niainany izy io.
2. Inona no tsy afaka mitana an’i Jesosy tsy ho tia antsika?
2 Rehefa nanoratra tany amin’ireo kristiana tany Roma i Paoly dia nanontany hoe: “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?” Tsy misy na dia iray amin’ireo aza afaka mitana an’i Jesosy tsy ho tia antsika. “Matoky aho”, hoy i Paoly nanohy ny teniny, “fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Romana 8:35-39.
3. Inona ihany no mety hahatonga an’i Jesosy sy ny Rainy handao antsika?
3 Mahery toy izany ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy anao. Tsy misy afa-tsy zavatra iray ihany afaka misakana azy ireo tsy ho tia anao, ary izany dia ny fandavan’ny tenanao an-tsitrapo ny fitiavan’izy ireo amin’ny tsy fanekena ny hanao izay angatahiny. Nanazava toy izao tamin’ny mpanjaka jodiana iray ny mpaminanin’Andriamanitra iray indray andro: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.” (2 Tantara 15:2). Iza amintsika no haniry handao sakaiza mahatalanjona sy miantra toa an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany?
Ny fomba amaliana ny fitiavan’i Jesosy araka ny tokony ho izy
4, 5. a) Tokony hisy heriny inona eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpiara-belona amintsika ny fitiavan’i Jesosy antsika? b) Tokony ho voatosika ho tia an’iza koa isika noho ny fitiavan’i Jesosy antsika?
4 Misy heriny eo aminao manokana ve ny fitiavan’i Jesosy anao tsy misy fetra? Tokony hanao ahoana moa ianao? Nasehon’i Jesosy ny hery tokony hananan’ny nampisehoany fitiavana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpiara-belona amintsika. Rehefa avy nanompo ireo apostoliny tamim-panetren-tena tamin’ny fanasana ny tongotr’izy ireo i Jesosy dia nanao hoe: “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” Nanampy teny toy izao izy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” (Jaona 13:15, 34). Nianatra ireo mpianany ary voatosika hiezaka hanao toy ny nataony izy ireo. “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony [manana adidy, MN] hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.” — 1 Jaona 3:16.
5 Na dia izany aza, dia ho diso ny zava-kendren’ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany isika raha voatosiky ny ohatra nomeny mba ho tia sy hiahy ny amin’ny tombontsoan’ireo mpiara-belona amintsika fotsiny. Moa ve ny fitiavan’i Jesosy antsika tsy tokony hahatonga antsika ho tia azy koa ary indrindra fa ho tia ny Rainy, izay nampianatra azy ny zavatra rehetra fantany? Moa ve ianao hamaly ny fitiavan’i Kristy ka hanompo ny Rainy toy ny nataony? — Efesiana 5:1, 2; 1 Petera 1:8, 9.
6. Inona no herin’ny fitiavan’i Jesosy an’i Paoly teo aminy?
6 Diniho ny ohatr’i Saoly, izay nanjary fantatra ho Paoly tatỳ aoriana. Nisy fotoana nanenjehany an’i Jesosy, rehefa “nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatra” izy. (Asan’ny apostoly 9:1-5; Matio 25:37-40). Nefa rehefa tena nanjary nahafantatra an’i Jesosy i Paoly, dia velom-pankasitrahana aoka izany noho ny nahazoany famelan-keloka, ka tsy vitan’ny hoe nanaiky an-tsitrapo ny hijaly ho an’i Jesosy fotsiny izy, fa vonona ny ho faty ho azy koa. “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho”, hoy ny nosoratany. “Tsy izaho intsony no velona, (...) fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” — Galatiana 2:20.
7. Tokony hanery antsika hanao inona ny fitiavan’i Jesosy antsika?
7 Tokony ho hery manosika eo amin’ny fiainantsika toy inona moa ny fitiavan’i Jesosy antsika! “Ny fitiavan’i Kristy dia manery anay”, hoy ny nosoratan’i Paoly tamin’ireo Korintiana, ‘mba tsy ho velona ho an’ny tenantsika intsony isika, fa ho an’ilay maty ho antsika sy natsangana’. (2 Korintiana 5:14, 15). Tena tokony hanosika antsika hanao izay rehetra angatahiny tokoa ny fankasitrahana an’i Jesosy noho ny nanomezany ny ainy ho antsika. Amin’izany fomba izany ihany no ahafahantsika manaporofo fa tia azy marina isika. “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko”, hoy i Jesosy. “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy.” — Jaona 14:15, 21; ampitahao amin’ny 1 Jaona 2:3-5.
8. Inona no herin’ny fitiavan’i Jesosy teo amin’ny fiainan’ny mpanao ratsy maro?
8 Raha vao nianatra ireo didin’i Jesosy ireo mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, lehilahy mpandry amin’ny lehilahy, mpangalatra, mpimamo ary mpanao an-keriny tany Korinto fahizay, dia namaly ny fitiavan’i Jesosy tamin’ny famelana ireo fanao ireo. Nanoratra toy izao ho azy ireo i Paoly: “Efa voasasa hianareo, (...) efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy.” (1 Korintiana 6:9-11). Toy izany koa, ny fitiavan’i Jesosy dia nanery olona maro amin’izao andro izao hanao fiovana miavaka teo amin’ny fiainany. “Ny tena fandresen’ny kristianisma dia hita teo amin’ny fanovana ireo izay nanaraka ireo foto-pampianarany ho olona tsara”, hoy ny nosoratan’i John Lord, mpanoratra tantara iray. “Manana porofo ny amin’ny fiainany tsy misy tsiny, ny fari-pitondrantenany tsy misy hokianina, ny maha-olom-pirenena tsara azy ary ny toetrany kristiana tsara, isika.” Hafa dia hafa tokoa ny fampianaran’i Jesosy!
9. Inona no voafaoka amin’ny hoe mihaino an’i Jesosy?
9 Azo antoka fa tsy misy fianarana azon’ny olona iray atao amin’izao andro izao izay lehibe kokoa noho ny fianarana ny amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany. ‘Jereo tsara i Jesosy’, hoy ny nampirisihan’ny apostoly Paoly. ‘Jereo akaiky tsara tokoa izy io.’ (Hebreo 12:2, 3, MN). Nandritra ny niovan’i Jesosy tarehy, dia nanome izao baiko izao mihitsy Andriamanitra momba ny Zanany: “Mihainoa azy.” (Matio 17:5, MN). Tokony hohamafisina anefa fa mahafaoka zavatra betsaka kokoa noho ny hoe mandre izay lazainy fotsiny ny hoe mihaino an’i Jesosy. Izy io dia midika hoe manaraka ireo toromarika nomeny, eny, manahaka azy amin’ny fanaovana izay nataony amin’ny fomba nanaovany azy. Mamaly ny fitiavan’i Jesosy isika amin’ny fandraisana azy ho môdelintsika, amin’ny fanarahana akaiky ny diany.
Izay tian’i Jesosy hataontsika
10. Iza no nampiofanin’i Jesosy ary noho ny zava-kendrena inona?
10 Ny asa nasain’Andriamanitra hataon’i Jesosy dia ny fitoriana momba ny Fanjakan’ny Rainy, ary nampiofana ireo mpanara-dia azy hanao izany asa izany koa izy. “Andeha isika ho any amin’ny toerana hafa”, hoy ny nolazainy tamin’ireo mpianany voalohany, “mba hitoriako any koa, fa noho izany zava-kendrena izany no nahatongavako.” (Marka 1:38, MN; Lioka 4:43). Tatỳ aoriana, rehefa avy nampiofana apostoly 12 tamin’ny fomba lalina i Jesosy dia nanome azy ireo izao toromarika izao: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7). Volana vitsivitsy taorian’izay, rehefa avy nampiofana 70 hafa izy, dia nandefa azy ireo tamin’izao baiko izao: “Lazao amin’ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:9). Mazava fa tian’i Jesosy ho mpitory sady mpampianatra ny mpanara-dia azy.
11. a) Amin’ny ahoana no hanaovan’ireo mpianatr’i Jesosy asa lehibe kokoa noho ny azy? b) Inona no nanjo an’ireo mpianatra rehefa novonoina i Jesosy?
11 Nanohy nampiofana ny mpianany ho amin’io asa io i Jesosy. Tamin’ny takariva farany talohan’ny hahafatesany, dia nampahery azy ireo tamin’ireto teny ireto izy: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.” (Jaona 14:12). Ho lehibe noho ny azy ny asan’ireo mpanara-dia azy satria, amin’ny fanompoana hataony izy ireo dia hahatratra olona betsaka lavitra amin’ny faritra midadasika lavitra ary mandritra ny fe-potoana lava kokoa. Kanefa, rehefa novonoina i Jesosy, dia tsy nahahetsika noho ny tahotra ireo mpianany. Lasa niafina izy ireo ary tsy nanohy ilay asa nampiofanany azy ireo mba hataony. Ny sasany aza niverina nanao ny asa fanjonoana indray. Nosoritany tamin’ireo fito ireo, tamin’ny fomba tsy hay hadinoina anefa izay tiany hataon’izy ireo sy ny mpianany rehetra.
12. a) Fahagagana inona no nataon’i Jesosy teo amin’ny Ranomasin’i Galilia? b) Inona no miharihary fa tian’i Jesosy holazaina rehefa nanontany an’i Petera izy raha tia Azy “mihoatra noho ireo” i Petera?
12 Naka vatan’olombelona i Jesosy ary niseho teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Tao anaty sambo teny ambony ranomasina ireo apostoly fito nefa tsy nahazo na dia trondro iray aza ny alina tontolo. Niantso avy teny amoron-drano i Jesosy ka nanao hoe: “Alatsaho eo amin’ny sisiny havanan’ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo.” Rehefa nanjary feno trondro ka nila hitriatra ilay harato, tamin’ny alalan’ny fahagagana, dia takatr’ireo tao anaty sambo fa i Jesosy ilay teo amoron-drano ary dia nanatona haingana ilay toerana nisy azy izy ireo. Rehefa avy nanolotra sakafo maraina azy ireo i Jesosy, dia azo inoana fa nitodika tany amin’ireo hazandrano maro be vao azo ka nanontany an’i Petera hoe: “Simona, zanak’i Jaona, tianao mihoatra noho ireto ve aho?” (Jaona 21:1-15). Tsy isalasalana fa ny tian’i Jesosy holazaina dia hoe: Miraiki-po amin’ny raharahan’ny mpanjono mihoatra noho ny amin’ny asa nanomanako anao mba hataonao ve ianao?
13. Ahoana no nanasoritan’i Jesosy tamin-kery tamin’ireo mpanara-dia azy ny fomba tokony hamalian’izy ireo ny fitiavany?
13 Namaly i Petera hoe: “Eny, Tompo ô, ianao mahalala fa manana firaiketam-po aminao aho.” Namaly i Jesosy hoe: “Fahano àry ny zanak’ondriko.” Nanontany fanindroany i Jesosy hoe: “Simona, zanak’i Jaona, tia ahy ve ianao?” Namaly indray i Petera, tsy isalasalana fa tamim-panomezan-toky mafy kokoa, hoe: “Eny, Tompo ô, ianao mahalala fa manana firaiketam-po aminao aho.” Nanome ilay baiko indray àry i Jesosy hoe: “Andraso àry ny ondry keliko.” Nanontany fanintelony i Jesosy hoe: “Simona, zanak’i Jaona, manana firaiketam-po amiko ve ianao?” Izao i Petera dia tena nalahelo mafy. Andro vitsivitsy monja talohan’izay mantsy izy dia nanda intelo ho tsy nahafantatra an’i Jesosy, ka nety ho nanontany tena tsara mihitsy izy izao raha nisalasala ny amin’ny fahatokiany i Jesosy. Noho izany, fanintelony izao, dia namaly i Petera, azo ampoizina fa tamin’ny feo feno fitalahoana, hoe: “Tompo ô, ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa manana firaiketam-po aminao aho.” Hoy fotsiny ny navalin’i Jesosy: “Fahano àry ny ondry keliko.” (Jaona 21:15-17, MN). Mety hisy fisalasalana ny amin’izay tian’i Jesosy hataon’i Petera sy ireo niaraka taminy ve? Tamin-kery toy inona moa no nanasoritany tamin’izy ireo — ary amin’izay rehetra ho mpianany amin’izao andro izao koa — fa, raha tia azy izy ireo, dia handray anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra!
14. Tamin’ny toe-javatra hafa inona avy no nampisehoan’i Jesosy ny fomba tokony hamalian’ireo mpianany ny fitiavany?
14 Andro vitsivitsy taorian’io fifampiresahana teo amoron-drano io, dia niseho teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia i Jesosy ary nanome izao toromarika izao tamin’ny mpanara-dia azy teo amin’ny 500 teo ho eo nahaforona fitambaran’olona falifaly: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20; 1 Korintiana 15:6). Eritrereto ange izany e! Na lehilahy, na vehivavy, na ankizy dia samy nasaina hanao izany asa izany avokoa. Ary tatỳ aoriana kokoa, taloha kelin’ny hiakarany ho any an-danitra, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany i Jesosy: “Ho vavolombeloko ianareo (...) hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:8, MN). Taorian’izany fananarana maro be izany, dia tsy mahagaga raha nilaza toy izao i Petera, taona maromaro tatỳ aoriana: “[I Jesosy] nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanamarina amin’ny fomba lalina.” — Asan’ny apostoly 10:42, MN.
15. Momba ny inona no tsy mety hisy fisalasalana mihitsy?
15 Tsy mety hisy fisalasalana mihitsy ny amin’ny fomba tokony hamaliantsika ny fitiavan’i Jesosy. Nilaza izany toy izao tamin’ireo apostoliny izy: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako (...) Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.” (Jaona 15:10-14). Ny fanontaniana dia hoe: Haneho fankasitrahana ny fitiavan’i Jesosy ve ianao amin’ny fankatoavana ny baikony handray anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra? Marina aloha fa mety tsy ho mora aminao izany noho ny antony maro samihafa. Kanefa tsy mora tamin’i Jesosy koa izany. Hevero ireo fiovana notakina taminy.
Araho ny ohatr’i Jesosy
16. Ohatra mahatalanjona inona no nomen’i Jesosy?
16 Nanana toeram-boninahitra niavaka tany an-danitra, ambony noho ireo anjely rehetra, ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra. Tena nanankarena tokoa izy! Kanefa nanaiky an-tsitrapo ny hanafoana ny tenany izy, ho teraka tao amina fianakaviana nahantra ary hihalehibe teo anivon’olombelona narary sy mora maty. Nanao izany ho antsika izy, araka ny nohazavain’ny apostoly Paoly hoe: “Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo [mahantra, MN] noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony [fahantrany, MN].” (2 Korintiana 8:9; Filipiana 2:5-8). Ohatra re izany! Fanehoana fitiavana re izany! Tsy misy na dia iray aza nahafoy zavatra betsaka kokoa na nijaly kokoa ho an’ny hafa noho izy. Ary tsy misy na dia iray aza nahatonga ny hafa hanana harena lehibe noho izany, eny, fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana!
17. Lalana inona no napetraka eo anoloantsika, ary inona no ho fiafaran’ny fanarahana azy io?
17 Afaka manaraka ny ohatr’i Jesosy isika ka hitondra soa toy izany koa ho an’ny hafa. Namerimberina nampirisika ny olona mba ho mpanara-dia azy i Jesosy. (Marka 2:14; Lioka 9:59; 18:22). Nanoratra toy izao mihitsy i Petera: “Fa ho amin’izany [lalana izany, MN] no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo [akaiky, MN] ny diany.” (1 Petera 2:21). Hamaly ny fitiavan’i Kristy ve ianao ka ho tonga hatramin’ny fijaliana mba hanompoana ny Rainy toy ny nataony? Afaka ny hitondra soa ho an’ny hafa toy inona moa ny fanarahana izany lalana izany! Eny tokoa, amin’ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy, amin’ny fampiharana amin’ny fomba feno ireo fampianarana noraisiny avy tamin’ny Rainy, dia “hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao” ianao. — 1 Timoty 4:16.
18. a) Ohatra inona no nomen’i Jesosy momba ny fihetsiny tamin’ny olona? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anatrehan’ny toetran’i Jesosy?
18 Mba hitondrana fanampiana be indrindra amin’ny olona, dia tsy maintsy manana fihetseham-po toy ny nananan’i Jesosy tamin’izy ireo isika. Hoy ny faminaniana iray momba azy: “Hangoraka ny madinika sy ny mahantra izy.” (Salamo 72:13, MN). Voamarik’ireo nanara-dia azy fa “tia” ireo olona niresahany izy sady naniry marina ny hanampy azy ireo. (Marka 1:40-42, MN; 10:21). “Nony nahita ny vahoaka Jesosy”, hoy ny Baiboly, “dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36). Na dia ireo mpanota ankarihary aza dia nahatsapa ny fitiavany ka voatarika hanatona azy. Ny feony, ny fihetsiny ary ny fomba fampianarany dia nahatonga azy ireo tsy hahatsiaro tena ho saikatsaikatra. Ho vokatr’izany, na dia ireo mpamory hetra sy vehivavy janga nohamavoina aza dia nitady azy. — Matio 9:9-13; Lioka 7:36-38; 19:1-10.
19. Ahoana no nanahafan’i Paoly an’i Jesosy, ary inona no ho vokany raha manao toy izany koa isika?
19 Nanahaka ny ohatra feno fitiavan’i Jesosy ireo mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany. Nanoratra toy izao tamin’ny sasany tamin’ireo nampiany i Paoly: “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany (...) Tahaka ny ray amin’ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo.” (1 Tesaloniana 2:7-11). Moa ve ianao mahatsapa fiahiana feno fahatsorana an’ireo olona ao amin’ny faritaninao mitovy amin’izay tsapan’ny ray aman-dreny be fitiavana amin’ireo zanany malalany? Ny fanehoanao izany fiahiana izany amin’ny feonao, ny toetry ny tarehinao ary ny zavatra ataonao dia hahatonga ny hafatra momba ilay Fanjakana hanintona ho an’ireo olona toy ny ondry.
20, 21. Olona iza avy amin’izao androntsika izao no nanome ohatra ny amin’ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy raha ny amin’ny fitiavana?
20 Indray andro nangatsiaka izay, tany Espaina, ny Vavolombelon’i Jehovah roa dia nahita ramatoa efa antitra nampiasa tehina tao an-tranony izay nangatsiaka namirifiry satria tsy nanan-kitay hamindroana intsony izy. Niandry ny zanany lahy hiverina avy tany am-piasana izy mba hikapa kitay fanampiny. Nikapa ilay kitay ireo Vavolombelona, ary namela gazety koa hovakiny. Rehefa tafaverina ny zanany, dia nanohina ny fony aoka izany ny fiahian’ireo Vavolombelona tamim-pitiavana ny reniny ka namaky ireo zavatra vita an-tsoratra izy, nanomboka nianatra ny Baiboly, natao batisa ary tsy ela dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra.
21 Tany Aostralia, dia nanazava tamin’ireo Vavolombelona tonga nitsidika azy ny lehilahy iray sy ny vadiny fa tsy nanam-bola hamelomana ny fianakaviany izy ireo. Rehefa niala teo ilay mpivady Vavolombelona dia nividy sakafo isan-karazany, anisan’izany ny vatomamy ho an’ireo ankizy. Tsy naharitra ireo ray aman-dreny ka nitomany ary nilaza fa namoy fo aoka izany izy ireo ka nieritreritra ny hamono tena. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy mivady, ary natao batisa vao haingana ilay vehivavy. Ny vehivavy iray tany Etazonia izay nitsara an-tendrony ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza toy izao rehefa avy nifankahita tamin’ny iray tamin’izy ireo: “Tsy tadidiko mihitsy izay noresahinay, fa ny tadidiko dia hoe tsara fanahy aoka izany tamiko izy, sady nahay nampiantrano vahiny sy nanetry tena aoka izany. Tena nahatsiaro ho voatarika hanatona azy noho ny maha-izy azy aho. Mbola ankamamiko hatramin’izao ny fisakaizany.”
22. Rehefa avy nandinika ny fiainan’i Jesosy isika, dia inona no fanatsoahan-kevitra ataontsika momba azy?
22 Rehefa mamaly ny fitiavan’i Jesosy amin’ny fanaovana ny asa nataony amin’ny fomba nanaovany azy isika, dia fitahiana mahatalanjona toy inona moa no azontsika raisina! Miharihary sady mambabo ny tena manontolo ny fahalehibeazan’i Jesosy. Voatosika hamerina ireto tenin’ilay governora romana, Pontio Pilato, ireto isika: “Indro ny Lehilahy!” Eny tokoa, “Ny lehilahy”, dia ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany! — Jaona 19:5.
Ahoana no Havalinao?
◻ Manao ahoana ny halehiben’ny fitiavan’i Jesosy?
◻ Tokony hanosika antsika ho tia an’iza ny fitiavan’i Jesosy, ary tokony hanery antsika hanao inona ny fitiavany?
◻ Asa inona no tian’i Jesosy hataontsika?
◻ Tamin’ny ahoana no naha-nanankarena an’i Jesosy, ary nahoana izy no nanjary nahantra?
◻ Amin’ny fomba ahoana no tokony hanahafantsika an’i Jesosy raha ny amin’ny fomba nanampiany ny olona?
[Sary, pejy 29]
Nanome ny môdely ny amin’ny fanehoana fitiavana i Jesosy
[Sary, pejy 31]
Nampiseho an’ohatra tamin-kery ny amin’ny tokony hanehoan’ireo mpianany fitiavana azy i Jesosy