-
Izao no Andro Famonjena!Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 15 Desambra
-
-
17. a) Rehefa maneho toetra inona avy isika vao afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra? b) Inona no atao hoe “fiadian’ny fahamarinana”?
17 Sahala amin’i Paoly sy ny namany, dia afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra koa isika. Amin’ny fomba ahoana? “Amin’ny fahadiovana”, na fahadiovam-pitondran-tena, sy amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fahalalana marina ny Baiboly. Afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra isika “amin’ny fahari-po”, izany hoe rehefa miaritra amim-paharetana ny ratsy na ny filana ady atao amintsika, ary “amin’ny fahamoram-panahy” rehefa manao zavatra mahasoa ny hafa. Ambonin’izany, dia afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra isika, amin’ny fanekena ny tari-dalana omen’ny fanahiny, amin’ny fanehoana “fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” sy amin’ny filazana ny marina ary amin’ny fianteherana amin’ny heriny mba hanatanterahana ny fanompoana.
-