“Halalaho ny Fonareo”
1 Andraikitsika tsirairay ny mampisy ny fitiavana eo anivon’ny fiangonana. (1 Pet. 1:22; 2:17) Misy io fitiavana io rehefa ‘halalahintsika ny fontsika’, ka mifaneho firaiketam-po isika. (2 Kor. 6:12, 13) Nahoana no ilaina ny mahafantatra tsara an’ireo rahalahy sy anabavintsika?
2 Lasa mpinamana tsara: Manjary hitantsika kokoa fa manana finoana sy fiaretana ary toetra tsara hafa ny mpiara-manompo amintsika, rehefa fantatsika tsara izy ireo. Lasa mpinamana tsara isika amin’izay, ka tsy hifantoka firy intsony amin’ny fahadisoany. Afaka mifampahery sy mifampionona bebe kokoa isika, satria mifankahalala tsara. (1 Tes. 5:11) Afaka mifanampy sy mifankahery isika ka hahatohitra ny fitaoman-dratsin’ny tontolon’i Satana. (Kol. 4:11) Miaina amin’ny andro farany feno zava-tsarotra isika izao ka faly erỳ manana namana tsara eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah!—Ohab. 18:24.
3 Manatanjaka sy mampionona antsika tokoa ny tena namana, rehefa iharam-pisedrana mafy isika. (Ohab. 17:17) Hoy ny Kristianina izay niady mafy tamin’ny fahatsiarovana ho tsy misy vidiny: “Nanampy ahy handresy an’io fihetseham-po io ny namana izay nilaza zavatra nampahery momba ahy.” Fitahiana avy amin’i Jehovah ny fananana namana toy izany.—Ohab. 27:9.
4 Manehoa fiheverana ny hafa: Inona no azo atao mba hahatonga ny fontsika hihamalalaka ka hanehoantsika firaiketam-po amin’ny mpiara-manompo? Miezaha miresaka tsara amin’ny olona any am-pivoriana, fa aza mianina amin’ny fiarahabana azy ireo fotsiny. Manehoa fiheverana azy ireo, nefa aza mitsabaka amin’ny raharahany manokana. (Fil. 2:4; 1 Pet. 4:15) Azonao atao koa ny manasa azy hisakafo. (Lioka 14:12-14) Na manaova fandaharana mba hiara-manompo aminy. (Lioka 10:1) Hampitombo ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana isika, raha miezaka hahafantatra tsara ny rahalahintsika.—Kol. 3:14.
5 Ireo mitovy taona amintsika, na ireo mitovy zava-mahaliana amintsika ihany ve no tiantsika ho namana? Tsy tokony hoferantsika toy izany anefa ny olona ataontsika namana. Mpinamana tsara, ohatra, i Davida sy Jonatana, toy izany koa i Rota sy Naomy, kanefa tsy nitovy na ny taonan’izy ireo na ny toerana nisy azy. (Rota 4:15; 1 Sam. 18:1) Azonao atao ve ny hanana namana maro kokoa? Mety handraisana fitahiana tsy ampoizina izany.
6 Hifampahery sy hihavana isika eo anivon’ny fiangonana rehefa mihamalalaka ny fontsika, ka haneho firaiketam-po amin’ny hafa. Mitahy antsika koa i Jehovah, satria tia ny rahalahintsika isika. (Sal. 41:1, 2; Heb. 6:10) Ataovy maro araka izay azo atao àry ny rahalahy fantatrao tsara.
[Fanontaniana]
1. Inona no andraikitsika tsirairay?
2. Nahoana no ilaina ny minamana tsara amin’ny mpiara-manompo?
3. Inona no azontsika atao mba hanampiana sy hankaherezana ny hafa?
4. Inona no azo atao mba hahafantarana tsara ny rahalahintsika?
5. Inona no azonao atao mba hananana namana maro kokoa?
6. Inona avy no soa raisintsika raha mihamalalaka ny fontsika, ka maneho firaiketam-po amin’ny rahalahintsika isika?