-
Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Olona Manambady sy Tsy Manambady?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
5. Fidio tsara izay ho vadinao
Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao ny hoe iza no ho vadinao. Vakio ny Matio 19:4-6, 9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Maninona ny Kristianina iray no tsy tokony ho maika hanambady?
Atoron’ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana no atao hoe vady tsara. Ny tena mila jerena dia hoe tia an’i Jehovah ve izy.b Vakio ny 1 Korintianina 7:39 sy ny 2 Korintianina 6:14, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana no Kristianina hoatr’antsika ihany no tokony ho vadintsika?
Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah raha manambady olona tsy tia azy isika?
-