Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana Raha Manohitra ny Hanambadiako ny Ray Aman-dreniko?
Mikasa ny hivady i Lakesha sy ilay ankizilahy iarahany, nefa tsy mankasitraka izany ny renin’i Lakesha. “Ho feno 19 taona amin’itỳ taona itỳ aho”, hoy i Lakesha, “nefa manizingizina ny reniko fa tokony hiandry izahay mandra-pahafenoko 21 taona.”
RAHA mikasa ny hanambady ianao, dia ara-dalàna tsotra izao ny hanirianao ny hifalian’ny ray aman-dreninao noho ny aminao. Mety tena handratra anao rehefa tsy mankasitraka ny vady nofidinao ny ray aman-dreninao. Inona no tokony hataonao? Tsy hanisy fiheverana ny fanirian’izy ireo ve, ka hiroso ho amin’ny fanatanterahana ny fikasanareo hivady?a
Mety halaim-panahy hanao toy izany ianao raha efa ampy taona sady avelan’ny lalàna hanambady na dia tsy misy faneken’ny ray aman-dreny aza. Na dia izany aza, dia tsy misy taona voafetra nofaritan’ny Baiboly hanomezan’ny olona iray voninahitra sy fanajana ny ray aman-dreniny. (Ohabolana 1:8). Ary raha tsy manisy fiheverana ny fihetseham-pon’izy ireo ianao, dia mety hanimba maharitra ny fifandraisanao aminy. Ambonin’izany, dia eo koa ny hoe mety hanana — angamba aza azo inoana mihitsy fa manana — antony marim-pototra ny ray aman-dreninao, matoa manohitra ny hanambadianao.
Firy taona izany hoe kely loatra izany?
Ohatra, moa ve ny ray aman-dreninao milaza aminao fa mbola kely loatra ianao ka tsy tokony hanambady? Tsy mametra taona farany ambany ahafahana manambady ny Baiboly. Kanefa izy io manoro hevitra fa tokony ho “efa dila ny fahatanorana vao mivelatra” — ireo taona manarakaraka ny taona maha-maoty, izay maha-fara tampony ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy — ny olona iray alohan’ny hanambadiany. (1 Korintiana 7:36, NW ). Nahoana? Satria vao eo amin’ireo dingana voalohany amin’ny fampitomboana fahamatorana ara-pihetseham-po, fifehezan-tena, ary toetra ara-panahy tena ilaina mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fiainan’ny olona manambady, ny tanora toy izany. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11; Galatiana 5:22, 23.
Rehefa nanapa-kevitra ny hanambady i Dale, 20 taona, dia kivy izy noho ny fanoheran’ny ray aman-dreniny. “Nilaza izy ireo fa mbola kely loatra aho ary tsy ampy fanandraman-javatra”, hoy izy. “Nihevitra aho fa vonona izahay ary afaka miana-javatra arakaraka ny fandehan’ny fotoana, kanefa ny ray aman-dreniko ta hahazo antoka fa tsy nentanin’ny fihetseham-po fotsiny aho. Nametraka fanontaniana maro izy ireo. Moa ve aho vonona hiantsoroka ireo fanapahan-kevitra andavanandro, ny fitantanam-bola, ny tena famelomana ankohonana eo amin’ny ara-nofo sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy? Vonona ny ho tonga ray ve aho? Efa tena nianatra ny fomba fifampiresahana ve aho? Tena takatro ve izay zavatra ilain’ny vady? Nihevitra izy ireo fa tokony hanao izay hahafantarako ny tenako bebe kokoa amin’ny maha-olon-dehibe ahy aho, alohan’ny hanombohako hikarakara olon-dehibe iray hafa.
“Na dia tsy te hiandry aza izahay, dia nahemotray ny fanambadianay, mba hihamatotra aloha izahay. Rehefa tena nivady tokoa izahay tamin’ny farany, dia niditra tao amin’izany fifamatorana izany tamin’ny fananana fototra tsara kokoa sy toetra tsara kokoa hifanehoana.”
Rehefa tsy fitoviana ara-pivavahana no voakasika
Rehefa raiki-pitia tamin’ny lehilahy iray tsy nanaraka ny fivavahana nofidiny i Terri, dia niaraka taminy tamim-piafenana. Taorian’ny nanambarany ny fikasan’izy ireo hivady, dia nikorontan-tsaina i Terri rehefa nahita fa nanohitra an’ilay fanambadiana ny reniny. “Tsy tiako ny hananan’ny reniko fihetsika toy izany amiko”, hoy ny fitarainany. “Tiako ny mbola hisian’ilay fifandraisan’ny reny sy ny zanaka vavy eo aminay.”
Kanefa, iza moa no tena nisakana io fifamatorana io? Ratsy fanahy na nanao zavatra tsy ara-drariny ve ny renin’i Terri? Tsia, nanohana fotsiny ny torohevitry ny Baiboly momba ny hanambadian’ny Kristiana “ao amin’ny Tompo ihany”, izy. (1 Korintiana 7:39). Raha ny marina, dia mandidy toy izao ny Baiboly: “Aza mety hasiana [zioga tsy mitovy tantana, NW ] hikambanana amin’ny tsy mino.” (2 Korintiana 6:14, 15). Fa nahoana?
Ny antony iray dia satria anton-javatra iray tena lehibe ao amin’ny fanambadiana sambatra sy vanona ny firindrana ara-pivavahana. Milaza ireo manam-pahaizana fa matetika no mitarika ho amin’ny fisaraham-panambadiana ireo fanerena sy fihenjanana fahita eo amin’ny fanambadian’olona samy hafa finoana. Antony iray lehibe kokoa anefa ny mety hiharan’ny fanerena hampandefitra ireo zavatra inoan’ny tena ara-pivavahana — na hamela azy ireo tanteraka. Na dia tsy manakantsakana ny fivavahanao aza ny vady tsy mpino, dia mbola ho voatery hiaina ao anatin’ny alahelo ihany ianao noho ny tsy fahafahana mizara aminy ny hevitra ekenao mafy indrindra. Izany ve no atao hoe fahasambaram-panambadiana?
Noho izany, dia nanana fanapahan-kevitra sarotra tokony hatao i Terri. “Tiako i Jehovah Andriamanitra”, hoy izy, “kanefa tsy ta hamoy ilay ankizilahy iarahako koa aho.” Tsy afaka ny hahazo azy roa tsotra izao ianao. Tsy afaka mampandefitra ny fari-pitsipik’Andriamanitra ianao sady mbola hahazo sitraka sy fitahiana aminy ihany.
Angamba anefa manohitra ny hanambadianao namana kristiana iray ny ray aman-dreninao. Mety hitranga ve ny hoe zioga tsy mitovy tantana eo amin’ny mpino? Eny, raha toa izany olona izany ka tsy mitovy tanjona ara-panahy na fifikirana amin’Andriamanitra aminao. Raha izany no izy, na raha toa izany olona izany ka tsy “tsara laza” eo amin’ireo rahalahy ao amin’ny kongregasionany, dia mety ho rariny ny an’ny ray aman-dreninao raha manahy ny amin’ny hanambadianao izany olona izany, izy ireo. — Asan’ny Apostoly 16:2.
Ahoana ny amin’ny tsy fitoviana ara-pirazanana na ara-kolontsaina?
Antony hafa no nahatonga ny fanoheran’ny ray aman-drenin’i Lynn: Naniry hanambady lehilahy hafa firazanana izy. Inona no ampianarin’ny Baiboly momba izany? Milaza amintsika izy io fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” ary “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany”. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 17:26). Mitovy fiaviana ny olombelona ary mitovy ny hasarobidiny eo imason’Andriamanitra.
Na dia izany aza, raha miaritra ‘fahoriana amin’ny nofo’ ny mpivady rehetra, ireo mpivady samy hafa firazanana kosa dia mety hahita zava-tsarotra fanampiny. (1 Korintiana 7:28). Nahoana? Satria olona maro eo amin’ny tontolo feno fankahalana amin’izao andro izao no tsy manaiky ny fomba fiheveran’Andriamanitra momba ny firazanana. Na dia nihanitombo sy nanjary fahita aza ny fanambadian’olona samy hafa foko any amin’ny tany tandrefana sasany, dia mbola misy ihany faritra izay iatrehan’ny mpivady samy hafa firazanana, fitsarana an-tendrony mahery. Mety hatahotra àry ny ray aman-dreninao sao tsy voaomana hiatrika fanerena toy izany ianao.
“Nihevitra ny ray aman-dreniko fa ho tena mafy aminay izany”, hoy ny fieken’i Lynn. Naneho fahendrena i Lynn ka nanaja ny fihetseham-pon’izy ireo ary tsy nirotoroto niditra tao amin’ny fanambadiana. Arakaraka ny nanamarihan’ny ray aman-dreniny ny fahamatoran’i Lynn sy ny nahafantarany tsara kokoa an’ilay lehilahy tian’i Lynn, dia nanomboka nahatsapa tsikelikely fatokiana araka ny antonona izy ireo hoe ho afaka hiatrika ny fanerena hoentin’io fanambadiana io, izy. Hoy i Lynn: “Raha vao nahatsapa izy ireo fa ho afaka ny hiara-tsambatra tokoa izahay, dia faly noho ny aminay koa izy ireo.”
Tsy firazanana anefa indraindray no raharaha iadian-kevitra, fa kolontsaina. Mety hanahy ny ray aman-dreninao fa any aoriana any, dia ho hitanao fa sarotra ny hankafy fiaraha-miaina amin’olona izay manana fomba fiaina, fanantenana, fitiavan-tsakafo sy mozika ary fialam-boly, samy hafa aoka izany amin’ny anao. Na ahoana na ahoana, dia mety hitondra zava-tsarotra lehibe ny fanambadiana olona hafa firazanana na hafa kolontsaina. Tena vonona hiatrika izany ve ianao?
Rehefa toa tsy ara-drariny ny fanoheran’ny ray na ny reny
Ahoana anefa raha tsapanao fa tena tsy ara-drariny mihitsy ny fanoheran’ny ray aman-dreninao? Milaza toy izao momba an-dreniny ny vehivavy tanora iray antsoina hoe Faith: “Nisara-panambadiana imbetsaka i Mama. Milaza izy fa tsy ho afaka na oviana na oviana ny tena hahafantatra an’ilay olona novadinao ianao raha tsy rehefa diso aoriana loatra. Miaiky izy fa tsy ho sambatra ara-panambadiana aho.” Matetika ny ray aman-dreny nanana fanambadiana tsy nahomby no tsy afaka mijery ny fanambadian-janany araka ny tena zava-misy. Amin’ny toe-javatra sasany, dia antony mampisalasala no manosika ny ray aman-dreny hanohitra ny fanambadian-janany, toy ny faniriana hifehy hatrany ny fiainan-janany.
Raha toa ny ray aman-dreninao ka tsy vonona ny hanaiky ny fanazavana lojika, inona no azonao atao? Misy loholon’ny kongregasiona, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, azo angatahana fanampiana handaminana zava-manahirana ara-pianakaviana. Tsy miandany na amin’itsy na amin’iroa izy ireo, fa afaka manampy ny mpianakavy hiara-midinika mba handaminana ny raharaha amin’ny fomba tony sy ao anatin’ny fihavanana ary amin’ny fomba mandaitra. — Jakoba 3:18.
Fitadiavana fihavanana
Mazava ho azy fa misy anton-javatra hafa maro mety hampirehitra ny fanoheran’ny ray aman-dreninao ny hanambadianao, toy ny fanahiana ara-bola na ny toetran’ilay mety ho tonga vadinao. Ary amin’izao vanim-potoan’ny SIDA sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana izao, dia mety hanahy ara-drariny momba ny fahasalamanao ny ray aman-dreninao raha toa ilay fofombadinao ka efa nanao firaisana tamin’olona samy hafa talohan’ny nahatongavany ho Kristiana.b
Raha mbola mipetraka ao an-tokantranon’ny ray aman-dreninao koa ianao, dia tsy maintsy manaiky ny fahefany eo aminao. (Kolosiana 3:20). Kanefa, na dia efa mahaleo tena aza ianao ary efa lehibe ka afaka manao ny fanapahan-kevitrao manokana, dia aza maika hanilika ireo zavatra mampanahy ny ray aman-dreninao. Aoka ianao ho vonona hihaino. (Ohabolana 23:22). Tombano amim-pitandremana ny mety ho vokatra entin’ny fanambadiana. — Ampitahao amin’ny Lioka 14:28.
Rehefa avy nanao izany ianao, dia angamba hanapa-kevitra ny mbola hanambady ihany. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra toy izany ianao. (Galatiana 6:5). Raha efa nanao ny ezaka rehetra ianao mba handinihana ny fomba fihevitry ny ray aman-dreninao, dia angamba izy ireo ho voatosika hanohana ny fanapahan-kevitrao, na dia tsy an-tsitrapo aza. Kanefa raha manohy milaza fanoherana izy ireo, dia miezaha mba tsy hanjary ho feno lonilony na ho tezitra. Tadidio izao: Tia anao sy miahy ny amin’ny fahasambaranao ho avy ny ray aman-dreninao. Aza mitsahatra miezaka hihavana aminy. Arakaraka ny iezahanao hahavanona ny fanambadianao, dia angamba hihamalefaka ny fihetsik’izy ireo.
Etsy an-danin’izany, raha toa ianao ka tena mihevitra ny zavatra rehetra lazain’ny ray aman-dreninao ary mandinika akaiky ny tenanao sy ilay olona mahadodona anao erỳ ny hanambady azy, dia aza gaga raha manjary tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mahazendana ianao. Izao izany: Marina ihany angamba ny an’ny ray aman-dreninao, rehefa dinihina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miantefa amin’ireo tanora any amin’ny tany izay fomba mahazatra ny mifidy ny vadin’ny tena, ny fanazavana ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Comment aider les malades atteints du SIDA”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Martsa 1994.
[Sary, pejy 21]
Mety hihevitra ny ray aman-dreninao fa mbola kely loatra ianao ka tsy tokony hanambady