Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] ho anao.” — JEREMIA 31:3.
1. Tamin’ny ahoana ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny sarambaben’olona tamin’ny androny no tsy nitovy tamin’ny an’ny Fariseo?
AFAKA nahita izany teny amin’ny masony izy ireo. Tsy nisy nitoviany tamin’ireo filohan’izy ireo ara-pivavahana io lehilahy io, i Jesosy izany; niahy azy ireo izy. Onena an’ireo olona ireo izy, satria “nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36). Tokony ho mpiandry be fitiavana solontenan’ny Andriamanitra iray be fitiavana sy be famindram-po ny filohan’izy ireo ara-pivavahana. Tsy izany no nataony, fa nanambany ny sarambaben’olona ho kilasin’olona faran’izay ambany saranga sy voaozona kosa izy ireo!a (Jaona 7:47-49; ampitahao amin’ny Ezekiela 34:4.) Mazava fa ny fomba fiheverana mivilana sy tsy araka ny Soratra Masina toy izany dia tena tsy mitovy amin’ny fiheveran’i Jehovah ny olony. Niteny toy izao tamin’ny fireneny, dia ny Isiraely izy: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao”. — Jeremia 31:3.
2. Ahoana no nanandraman’ireo naman’i Joba telo lahy nampiaiky azy fa tsy nisy vidiny teo imason’Andriamanitra izy?
2 Tsy ny Fariseo velively anefa no voalohany nanandrana nampiaiky an’ireo ondry tian’i Jehovah hoe tsy nisy vidiny izy ireo. Hevero ny ohatr’i Joba. Tamin’i Jehovah, dia marina sy tsy nanan-tsiny izy, fa ireo “mpampionona” telo lahy kosa dia nilaza an-kolaka fa mpivadi-pinoana ratsy fanahy sy maloto fitondran-tena izay ho faty lany tamingana i Joba. Nilaza marimarina izy ireo fa Andriamanitra dia tsy hihevitra ho sarobidy izay mety ho fahamarinana nataon’i Joba, satria Andriamanitra dia tsy natoky na dia ireo anjeliny aza, sady nihevitra ny lanitra mihitsy ho tsy madio! — Joba 1:8; 4:18; 15:15, 16; 18:17-19; 22:3.
3. Fomba inona avy no ampiasain’i Satana amin’izao andro izao mba hanandramana hampiaiky olona fa tsy misy vidiny sy tsy maha-te ho tia izy ireo?
3 Amin’izao andro izao i Satana dia mbola mampiasa io ‘asa feno hafetsen-dratsy’ io ihany, dia ny fanandramana mampiaiky olona fa tsy tiana sy tsy misy vidiny izy ireo. (Efesiana 6:11, NW, fanamarihana ambany pejy). Marina fa matetika izy dia mitaona olona amin’ny fanairana ny fireharehany sy ny fieboeboany. (2 Korintiana 11:3). Kanefa dia mahita fahafinaretana koa izy amin’ny fanapepoana ny fanajan-tenan’ireo olona mora andairan-javatra. Izany indrindra no izy amin’izao “andro farany” sarotra izao. Olona maro amin’izao andro izao no mihalehibe ao anatin’ny fianakaviana izay tsy isian’ny “firaiketam-po voajanahary”; maro no tsy maintsy mifanandrina isan’andro amin’ireo izay lozabe sy tia tena ary mafy hatoka. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ireo taona maro nisian’ny fitondrana ratsy, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny fankahalana na ny fanebatebahana dia mety ho nampiaiky ny olona toy izany fa tsy misy vidiny sy tsy maha-te ho tia izy ireo. Nanoratra toy izao ny lehilahy iray: “Tsy mahatsiaro ho tia na iza na iza aho, na mahatsiaro ho tian’iza na iza. Tena sarotra amiko ny mino fa miahy ny amiko na amin’inona na amin’inona Andriamanitra.”
4, 5. a) Nahoana no mifanohitra amin’ny Soratra Masina ilay hevitra hoe tsy misy vidiny ny tena manokana? b) Inona no vokany mampidi-doza iray avy amin’ny finoantsika fa tsy misy amin’ny ezaka ataontsika mendrika na inona na inona?
4 Ilay hevitra hoe tsy misy vidiny ny tena manokana, dia manindrona ny votoatin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny fampianarana mahakasika ny avotra. (Jaona 3:16). Matoa Andriamanitra nandoa vidiny lafo toy izany — ny aina sarobidin’ny Zanany manokana — mba hividianana fahafahana hiaina mandrakizay ho antsika, dia azo antoka fa tsy maintsy tia antsika izy; azo antoka fa misy vidiny eo imasony isika!
5 Ankoatra izany, dia mahakivy toy inona moa ny fahatsapana fa tsy mampifaly an’Andriamanitra isika, fa tsy misy amin’ireo ezaka ataontsika mendrika na inona na inona! (Ampitahao amin’ny Ohabolana 24:10.) Amin’ny fomba fiheverana tsy manorina toy izany, na dia ireo fampaherezana noho ny antony nanosika tsara aza, izay natao mba hanampiana antsika hampitombo ny fanompoantsika an’Andriamanitra eo amin’izay azo anaovana izany, dia mety ho toy ny fanamelohana kosa ho an’ny sasany. Izany dia mety ho toa mamerina ilay fiekentsika manokana ao anatiny fa na inona na inona ataontsika dia tsy ampy.
6. Inona no fanafody tsara indrindra ho an’ny eritreritra faran’izay tsy manorina momba ny tenantsika?
6 Raha mahatsapa fihetseham-po tsy manorina toy izany ianao ao anatinao, dia aza mamoy fo. Maro amintsika no masiaka tsy araka ny antonona amin’ny tenantsika indraindray. Ary tadidio fa ny Tenin’Andriamanitra dia natao ho “fanitsiana izay diso” sy mba “handravana fiarovana mafy”. (2 Timoty 3:16; 2 Korintiana 10:4). Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” (1 Jaona 3:19, 20). Aoka àry isika handinika fomba telo ampianaran’ny Baiboly antsika fa sarobidy amin’i Jehovah isika.
Mihevitra anao ho sarobidy i Jehovah
7. Ahoana no nampianaran’i Jesosy ny Kristiana rehetra ny amin’ny hasarobidin’izy ireo eo imason’Andriamanitra?
7 Voalohany, ny Baiboly dia mampianatra mivantana fa misy vidiny eo imason’Andriamanitra ny tsirairay amintsika. Hoy i Jesosy: “Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Lioka 12:6, 7). Tamin’izany andro izany, dia ny tsintsina no vorona mora indrindra namidy hatao sakafo, kanefa dia tsy nisy tamin’izy ireny tsy voamarik’ilay Mpamorona azy. Araka izany dia miorina ny fototra ho amin’ny fampifanoherana manaitra iray: Raha ny amin’ny olombelona — izay misy vidiny lavitra — dia mahafantatra ny tsipiriany rehetra Andriamanitra. Izany dia toy ny hoe ny volon-dohantsika mihitsy no voaisa tsirairay!
8. Nahoana no fiheverana ny zava-misy ny fiheverana fa afaka manisa ny volon-dohantsika i Jehovah?
8 Isaina hoe ny volon-doha? Raha miahiahy ianao fa tsy mihevitra ny zava-misy io lafiny amin’ny fanoharan’i Jesosy io, dia diniho izao: Andriamanitra dia mahatadidy tanteraka aoka izany ireo mpanompony mahatoky, hany ka afaka manangana azy ireo amin’ny maty izy — afaka mamorona indray azy ireo miaraka amin’ny tsipiriany rehetra, tafiditra amin’izany ny rafi-pandovan-toetra be kojakojany eo amin’izy ireo sy ireo fahatsiarovana sy fanandraman-javatra nananany nandritra ireo taona rehetra niainany. Raha ampitahaina amin’izany, ny fanisana ny volon-dohantsika (izay misy 100 000 eo ho eo mitsiry amin’ny loha antonontonona iray) dia ho fanaovan-javatra tsotra ihany! — Lioka 20:37, 38.
Inona no hitan’i Jehovah eo amintsika?
9. a) Inona avy no toetra sasany izay heverin’i Jehovah ho sarobidy? b) Nahoana ianao no mihevitra fa sarobidy amin’i Jehovah ny toetra toy izany?
9 Faharoa, dia ampianarin’ny Baiboly antsika izay heverin’i Jehovah fa sarobidy eo amintsika. Raha tsorina, dia finaritra izy amin’ireo toetrantsika manorina sy amin’ireo ezaka ataontsika. Izao no nolazain’i Davida Mpanjaka tamin’i Solomona zanany: “Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” (1 Tantara 28:9). Raha eo am-pandinihana ireo fon’olombelona an’arivo tapitrisany maro eto amin’itỳ tontolo mahery setra sy feno fankahalana itỳ Andriamanitra, dia tsy maintsy finaritra toy inona moa izy rehefa mahita fo izay tia fihavanana sy fahamarinana ary rariny! (Ampitahao amin’ny Jaona 1:47; 1 Petera 3:4.) Inona no mitranga rehefa mahita fo safononoky ny fitiavana azy Andriamanitra, dia fo izay mitady hianatra ny momba azy sy mizara izany fahalalana izany amin’ny hafa? Ao amin’ny Malakia 3:16, dia milaza amintsika i Jehovah fa izy dia mihaino izay miresaka amin’ny hafa ny momba azy, ary manana ‘boky fahatsiarovana’ mihitsy aza izy ho an’ireo “izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany”. Sarobidy amin’i Jehovah ny toetra toy izany!
10, 11. a) Ahoana no mety hironan’ny sasany tsy hino ny porofo fa mihevitra ho sarobidy an’ireo toetrany tsara i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ilay ohatra ny amin’i Abia no mampiseho fa i Jehovah dia mihevitra ho sarobidy ny toetra tsara na toy inona na toy inona fatrany?
10 Ny fo tia manameloka ny tenany anefa, dia mety hanohitra izany porofon’ny maha-sarobidy antsika eo imason’Andriamanitra izany. Izy io dia mety hisisika hibitsibitsika hoe: ‘Ka maro be anie ny hafa fakan-tahaka kokoa eo amin’ireo toetra ireo noho ny tenako e. Tsy maintsy diso fanantenana toy inona moa i Jehovah rehefa mampitaha ahy amin’izy ireo!’ Tsy manao fampitahana i Jehovah, ary tsy manana fari-pitsipika henjana izy. (Galatiana 6:4). Amin’ny fomba matsilo dia matsilo no amakiany izay ao am-po, ary heveriny ho sarobidy ireo toetra tsara na toy inona na toy inona fatrany.
11 Ohatra, fony i Jehovah namoaka didy ny amin’ny tsy maintsy hamonoana ho faty, hanesorana toy ny “diky”, ny taranak’i Jeroboama Mpanjaka iray manontolo izay nivadi-pinoana, dia nandidy ny hanaovana fandevenana mihaja ho an’i Abia, iray monja tamin’ireo zanaky ny mpanjaka, izy. Nahoana? “Izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. (1 Mpanjaka 14:10, 13). Nidika ve izany fa mpivavaka tamin’i Jehovah nahatoky i Abia? Tsy voatery ho izany, satria maty toy ny sisa tamin’ny ankohonany ratsy fanahy izy. (Deoteronomia 24:16). Na dia izany aza, dia nihevitra ho sarobidy ilay “fahatsaram-panahy” izay hitany tao am-pon’i Abia i Jehovah ka nanao zavatra nifanaraka tamin’izany. Manao izao fanamarihana izao ny Matthew Henry’s Commentary on the Whole Bible: “Na aiza na aiza misy zavatra tsara amin’ny fatrany voafetra monja, dia ho hita izy io: Andriamanitra izay mitady azy io dia hahita azy, na dia kely dia kely aza izy io, ary mahafaly azy izany.” Ary aza hadinoina fa raha mahita ao aminao toetra tsara sasany, na dia amin’ny fatrany kely monja aza Andriamanitra, dia afaka mampitombo izany izy raha mbola miezaka manompo azy amim-pahatokiana koa ianao.
12, 13. a) Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 139:3 fa mihevitra ho sarobidy ireo ezaka ataontsika i Jehovah? b) Amin’ny heviny ahoana no azo lazaina hoe manasivana ny asantsika i Jehovah?
12 Heverin’i Jehovah ho sarobidy toy izany koa ireo ezaka ataontsika. Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 139:1-3: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.” Koa mahafantatra tsara izay rehetra ataontsika àry i Jehovah. Kanefa dia lasa lavitra kokoa noho ny fahafantarana tsotra fotsiny izy. Amin’ny fiteny hebreo, ilay fitenenana hoe “fantatrao tsara ny alehako rehetra”, dia mety hidika koa hoe “heverinao ho sarobidy ny alehako rehetra”, na “ankamaminao ny alehako rehetra”. (Ampitahao amin’ny Matio 6:19, 20.) Ahoana anefa no ahafahan’i Jehovah mankamamy ny alehantsika kanefa isika tsy lavorary sy feno ota aoka izany?
13 Mahaliana fa, araka ny manam-pahaizana sasany, fony i Davida nanoratra hoe i Jehovah dia ‘mandinika’ ny fe-potoana andehanany sy andriany, ilay teny hebreo dia nidika ara-bakiteny hoe “manasivana” na “mikororoka”. Manao izao fanamarihana izao ny boky fakan-teny iray: “Izany dia midika hoe (...) mikororoka ny akofa rehetra, ary mamela ny voa rehetra — mba hitahirizana izay sarobidy rehetra. Koa eto izy io dia midika hoe nanasivana azy Andriamanitra, raha azo atao ny milaza izany. (...) Nampieleziny izay akofa rehetra, na izay tsy nisy vidiny rehetra, ary hitany izay tavela, dia izay tena ventiny.” Ilay fo tia manameloka ny tenany dia mety hanasivana amin’ny fomba mifanohitra amin’izany ireo asantsika, amin’ny fandevilevena antsika lava tsy misy indrafo noho ny fahadisoana tamin’ny lasa, ary amin’ny fanilikilihana ireo zava-bitantsika ho toy ny tsinontsinona. Mamela ny fahotantsika anefa i Jehovah raha mibebaka amim-pahatsorana isika ka miezaka mafy mba tsy hamerina ireo fahadisoantsika. (Salamo 103:10-14; Asan’ny Apostoly 3:19). Manasivana sy mitadidy ireo asa tsara ataontsika, izy. Raha ny marina, dia mitadidy mandrakizay ireny izy, raha mbola mitoetra ho mahatoky eo anatrehany koa isika. Heveriny ho tsy fahamarinana ny fanadinoana ireny, ary tsy mba tsy marina mihitsy izy! — Hebreo 6:10.
14. Inona no mampiseho fa mihevitra ho sarobidy ny asa ataontsika eo amin’ny fanompoana kristiana i Jehovah?
14 Inona no sasany amin’ireo asa tsara izay heverin’Andriamanitra ho sarobidy? Saiky na inona na inona ataontsika ho fanahafana an’i Jesosy Kristy Zanany. (1 Petera 2:21). Azo antoka àry fa asa iray tena lehibe ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 10:15: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!” Na dia mety tsy hihevitra ny tongotsika mahazatra ho ‘tsara’ aza isika mazàna, ilay teny nampiasain’i Paoly eto dia nitovy tamin’ilay nampiasaina tao amin’ny dikan-teny Septante Grika mba hilazalazana an’i Rebeka sy i Rahely ary i Josefa — izy telo ireo izay samy nomarihina noho ny hatsaran-tarehiny. (Genesisy 26:7; 29:17; 39:6). Koa ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitsika àry dia tena tsara tarehy sy sarobidy eo imasony. — Matio 24:14, NW; 28:19, 20.
15, 16. Nahoana i Jehovah no mihevitra ho sarobidy ny fiaretantsika, ary ahoana no anamafisan’ny tenin’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 56:8 an’io zava-misy io?
15 Toetra hafa iray izay heverin’Andriamanitra ho sarobidy ny fiaretantsika. (Matio 24:13, NW ). Tadidio fa maniry ny hialanao amin’i Jehovah i Satana. Ny andro tsirairay tsy hivadihanao hatrany amin’i Jehovah dia andro hafa iray izay nanampinao mba hanomezana valiny ho an’ireo fitenenan-dratsy nataon’i Satana. (Ohabolana 27:11). Tsy raharaha mora indraindray ny fiaretana. Ireo zava-manahirana ara-pahasalamana, ireo loza ara-bola, ny fahoriana ara-pihetseham-po sy ireo vato misakana hafa dia mety hahatonga ny andro tsirairay mandalo ho fisedrana. Sarobidy manokana amin’i Jehovah ny fiaretana eo anatrehan’ny fisedrana toy izany. Izany no antony nangatahan’i Davida Mpanjaka tamin’i Jehovah mba hitahiry ny ranomasony tao anatin’ny ‘tavoahangy’ iray ara-panoharana, ka nangataka tamin-toky toy izao izy: “Tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” (Salamo 56:8). Eny, i Jehovah dia mihevitra ho sarobidy sady mitadidy ireo ranomaso rehetra sy fahoriana rehetra izay iaretantsika eo am-pihazonantsika ny tsy fivadihantsika aminy. Sarobidy loatra eo imasony ireny.
16 Rehefa eritreretina amin’ireo toetra tsara kokoa ananantsika sy ireo ezaka ataontsika, dia mazava tokoa fa mahita zavatra maro sarobidy ao amintsika tsirairay i Jehovah! Na toy inona na toy inona fomba nitondran’izao tontolo izaon’i Satana antsika, i Jehovah dia mihevitra antsika ho sarobidy sy ho anisan’ireo “zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra”. — Hagay 2:7, NW.
Izay nataon’i Jehovah mba hampisehoana ny fitiavany
17. Nahoana ny sorom-panavotan’i Kristy no mampiaiky antsika fa tia antsika isam-batan’olona i Jehovah sy i Jesosy?
17 Fahatelo, dia manao zavatra maro i Jehovah mba hanaporofoana ny fitiavany antsika. Azo antoka fa ny sorom-panavotan’i Kristy no valiny mahery indrindra ho an’ilay laingan’i Satana hoe tsy misy vidiny sy tsy maha-te ho tia isika. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa ilay fahafatesana nampangirifiry nozakain’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana sy ilay fangirifiriana mbola lehibe kokoa niaretan’i Jehovah teo am-pijerena ny fahafatesan’ny Zanany malala, dia porofon’ny fitiavan’izy ireo antsika. Ambonin’izany, dia mihatra amintsika manokana io fitiavana io. Toy izany no nahitan’ny apostoly Paoly ilay izy, satria nanoratra toy izao izy: “Ny Zanak’Andriamanitra (...) efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” — Galatiana 2:20.
18. Amin’ny heviny ahoana no itaoman’i Jehovah antsika ho amin’i Kristy?
18 Nanaporofo ny fitiavany antsika i Jehovah tamin’ny fanampiana antsika isam-batan’olona mba hampiasa ireo soa entin’ny soron’i Kristy. Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:44: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. Ny tenan’i Jehovah manokana mihitsy no mitaona antsika ho amin’ny Zanany sy ho amin’ilay fanantenana fiainana mandrakizay. Manao izany izy amin’ny alalan’ny asa fitoriana izay mahatratra antsika isam-batan’olona sy amin’ny alalan’ny fanahiny masina izay ampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika hahazo ny hevitr’ireo fahamarinana ara-panahy ka hampihatra izany, na dia eo aza ny fetrantsika sy ny tsy fahalavorariantsika. Noho izany, i Jehovah dia afaka milaza ny amintsika toy ny nilazany ny amin’ny Isiraely hoe: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] ho anao.” — Jeremia 31:3.
19. Nahoana ny tombontsoa hivavaka no tokony hampiaiky antsika ny amin’ny fitiavan’i Jehovah manokana antsika?
19 Angamba amin’ny alalan’ilay tombontsoa hivavaka anefa, no anandramantsika ny fitiavan’i Jehovah amin’ny fomba manokana indrindra. Manasa ny tsirairay amintsika izy mba ‘hivavaka aminy ka tsy hitsahatra’. (1 Tesaloniana 5:17). Mihaino izy! Antsoina mihitsy aza izy hoe “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2). Tsy nanankina izany asa izany tamin’olon-kafa na iza na iza izy, na dia tamin’ny Zanany manokana aza. Mba eritrereto fotsiny ange e: Ilay Mpamorona izao rehetra izao dia mampirisika mafy antsika mba hanatona azy ao amin’ny vavaka, amin’ny fahalalahana hiteny amim-pahatsorana. Ny fitalahoanao dia mety hanosika mihitsy an’i Jehovah hanao zavatra izay mety ho tsy nataony raha tsy izany. — Hebreo 4:16, NW; Jakoba 5:16; jereo ny Isaia 38:1-16.
20. Nahoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika no tsy fialan-tsiny ho antsika mba hiheveran-tena ho zavatra na hizahozahoana?
20 Tsy hisy Kristiana mahay mandanjalanja hihevitra izany porofon’ny fitiavana sy ny fanajan’i Jehovah izany ho fialan-tsiny mba hiheveran-tena ho ambony kokoa noho ny tena maha-izy azy. Nanoratra toy izao i Paoly: “Noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.” (Romana 12:3). Koa raha mbola eo am-pakana fahafinaretana amin’ny hafanan’ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra isika, dia aoka isika hanana saina mahay mitsara zavatra ka hitadidy fa ho an’izay tsy mendrika akory ny hatsaram-panahin’Andriamanitra miharo fitiavana. — Ampitahao amin’ny Lioka 17:10.
21. Laingan’i Satana inona no tsy maintsy toherintsika tsy an-kijanona, ary fahamarinana araka an’Andriamanitra inona no tsy maintsy saintsainintsika mandrakariva?
21 Aoka ny tsirairay amintsika hanao izay ezaka rehetra azo atao mba hanoherana ireo hevitra rehetra ampandrosoin’i Satana eto amin’itỳ tontolo tranainy efa miala aina itỳ. Izany dia mahatafiditra ny fanariantsika ilay eritreritra hoe tsy misy vidiny sy tsy maha-te ho tia isika. Moa ve ny fiainana eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ nampianatra anao hijery ny tenanao ho toy ny vato misakana mahakivy loatra ka tsy handresy azy na dia ny fitiavana lehiben’Andriamanitra aza? Sa nampianatra anao izy io mba hijery ny asa tsara nataonao ho tsy zava-dehibe loatra ka tsy hahamarika azy na dia ny mason’i Jehovah mahita ny zava-drehetra aza? Sa izy io nampianatra anao hijery ny fahotanao ho lehibe loatra ka tsy hahasarona azy na dia ny fahafatesan’ny Zanany sarobidy aza? Raha izany no izy, dia nampianarina lainga ianao. Ny lainga toy izany dia ario amin-drikoriko rehetra mendrika azy! Aoka isika hitadidy ao an-tsaina mandrakariva ilay tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 8:38, 39 manao hoe: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny marina, izy ireo dia nanilikilika ny mahantra tamin’ilay teny fanesoana hoe “ʽam-ha·ʼaʹrets”, na “olon’ny tany”. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana iray, ny Fariseo dia nampianatra fa ny olona iray dia tsy tokony hanankin-java-tsarobidy amin’izy ireny, na hatoky ny fanamarinana ataony, na handray azy toy ny vahiny ampiantranoina, na hivahiny any aminy, na hividy zavatra aminy akory aza. Nilaza ireo filoha ara-pivavahana fa ny fanomezana ny zanakavavin’ny tena ho vadin’ny iray amin’ireny olona ireny dia hitovy amin’ny fanolorana azy mifatotra sy tsy misy fiarovana ho an’ny biby.
Ahoana no Hevitrao?
◻ Nahoana i Satana no manandrana mampiaiky antsika fa tsy misy vidiny sy tsy maha-te ho tia isika?
◻ Ahoana no nampianaran’i Jesosy fa mihevitra ny tsirairay amintsika ho sarobidy i Jehovah?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa mankamamy ireo toetra tsarantsika i Jehovah?
◻ Ahoana no ahazoantsika antoka fa mihevitra ho sarobidy ny ezaka ataontsika i Jehovah?
◻ Ahoana no nanaporofoan’i Jehovah ny fitiavany antsika isam-batan’olona?
[Sary, pejy 13]
Mahamarika sy mitadidy ireo rehetra mihevitra ny anarany i Jehovah