-
Miezaka ho Matotra toa An’i Kristy ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Septambra
-
-
2 Toy ny voankazo masaka tsara ny Kristianina matotra. Ny ho lasa Kristianina matotra no tanjon’ny olona nanokan-tena sy natao batisa. Mila mandroso ara-panahy anefa izy raha te ho matotra. Nilaza tamin’ny Kristianina tany Efesosy ny apostoly Paoly fa nila niezaka mba ho matotra izy ireo. Nampirisihiny izy ireo mba hanana ‘zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, ho tonga olon-dehibe, ary hahatratra ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’—Efes. 4:13.
3. Inona no itovizan’ny fiangonan’i Efesosy sy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?
3 Efa nisy elaela ny fiangonan’i Efesosy rehefa nanoratra ho azy ireo i Paoly. Efa tena matotra ny Kristianina maro tao. Mbola nisy nila niezaka mba ho matotra koa anefa tao. Toy izany koa ankehitriny. Efa ela no nanompo an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah maro ary efa matotra ara-panahy. Tsy ny rehetra anefa no toy izany. An’arivony, ohatra, no atao batisa isan-taona ary mbola mila miezaka mba ho matotra ny sasany aminy.
-
-
Miezaka ho Matotra toa An’i Kristy ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Septambra
-
-
5 Manahaka an’i Jesosy ny Kristianina matotra ka ‘manaraka akaiky ny diany.’ (1 Pet. 2:21) Inona no nolazain’i Jesosy fa tena zava-dehibe? Nilaza izy hoe tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fo sy ny tena ary ny saina manontolo isika, ary tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. (Mat. 22:37-39) Miezaka mankatò an’izany ny Kristianina matotra. Hita eo amin’ny fiainany hoe mifandray akaiky amin’i Jehovah izy ary be fitiavana sy mahafoy tena ho an’ny hafa. Ireo no zava-dehibe indrindra aminy.
-
-
Miezaka ho Matotra toa An’i Kristy ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Septambra
-
-
8. Nahoana isika no afaka milaza fa tena nahay ny Soratra Masina i Jesosy?
8 Tena nahay ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Vao 12 taona monja izy dia efa nahavita nanazava azy io tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly. “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.” (Lioka 2:46, 47) Nahay nampiasa andinin-teny koa i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny mpanohitra azy, ka tsy nahavaly azy izy ireo.—Mat. 22:41-46.
9. a) Ahoana no tokony hataonao rehefa mianatra, raha te ho matotra ianao? b) Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mianatra Baiboly?
9 Rehefa jerena izay nataon’i Jesosy, dia hita fa tsy ampy ny mahalala ambangovangony an’izay lazain’ny Baiboly raha te ho matotra. Ilaina koa ny mandalina tsy tapaka azy io, satria ‘ny ventin-kanina dia ho an’ny olona matotra.’ (Heb. 5:14) Te hanana ‘fahalalana marina tsara momba ny Zanak’Andriamanitra’ ny Kristianina matotra. (Efes. 4:13)
-