“Saina Mahay Mitsara Zavatra” Arakaraka ny Maha-antomotra ny Farany
“Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa [manàna saina mahay mitsara zavatra, NW ]”. — 1 PETERA 4:7.
1. Inona no tafiditra amin’ny hoe manana “saina mahay mitsara zavatra”?
TOKONY hisy heriny lalina eo amin’ny fomba iainan’ny Kristiana ny fiainany ireo tenin’ny apostoly Petera etsy ambony ireo. I Petera anefa dia tsy nilaza tamin’ireo mpamaky ny taratasiny mba hiala amin’ireo andraikitra sy fikarakarana mahazatra eo amin’ny fiainana, no sady tsy nampirisika koa ny hananana tahotra tsy voafehy an’ilay fandringanana mananontanona. Nampirisika mafy kosa izy hoe: “Manàna saina mahay mitsara zavatra”. Tafiditra amin’ny hoe manana “saina mahay mitsara zavatra” ny fanehoana fahaiza-mitsara zavatra, sy ny fahaiza-mandanjalanja ny fahamalinana ary ny fahaiza-misaina eo amin’ny teny sy ny atao. Ny dikan’izany dia hoe mamela ny Tenin’Andriamanitra hanapaka ny fisainantsika sy ny ataontsika. (Romana 12:2). Koa satria isika miaina “eo anivon’ny taranaka fangoloka sy miolakolaka”, dia ilaina ny saina mahay mitsara zavatra mba hisorohana olana sy fahasahiranana. — Filipiana 2:15, NW.
2. Ahoana no andraisan’ny Kristiana soa avy amin’ny fahari-pon’i Jehovah amin’izao andro izao?
2 Ny “saina mahay mitsara zavatra” dia manampy antsika hanana fiheverana araka ny antonona sy araka ny zava-misy momba ny tenantsika. (Titosy 2:12, NW; Romana 12:3, NW ). Tena ilaina izany noho ny teny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 2 Petera 3:9 manao hoe: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. Mariho fa mahari-po i Jehovah, tsy amin’ireo tsy mpino ihany, fa “aminareo” koa — dia ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana. Nahoana? Satria “tsy tiany hisy ho very”. Angamba ny sasany mbola mila manao fiovana sy fanitsiana mba hahafeno fepetra ho amin’ny fiainana mandrakizay izay fanomezana. Aoka àry isika hijery ireo lafiny mety hilana fanitsiana sasany.
“Saina mahay mitsara zavatra” eo amin’ireo fifandraisantsika manokana
3. Inona avy ireo fanontaniana azon’ireo ray aman-dreny atao amin’ny tenany momba ny zanany?
3 Tokony ho toeram-piadanana ny tokantrano. Kanefa, amin’ny sasany izy io dia “trano feno (...) fifandirana”. (Ohabolana 17:1). Ahoana ny amin’ny fianakavianao? Moa ve ny tokantranonao afaka amin’ny “fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”? (Efesiana 4:31). Ahoana ny amin’ireo zanakao? Mahatsiaro tena ho tiana sy ankasitrahana ve izy ireo? (Ampitahao amin’ny Lioka 3:22.) Maka fotoana ampianarana sy ampiofanana azy ireo ve ianao? Moa ve ianao ‘mifehy araka ny rariny’ fa tsy amim-pisafoahana sy amin-katezerana? (2 Timoty 3:16, NW ). Koa satria ny ankizy “lova avy amin’i Jehovah”, dia mahaliana azy fatratra ny amin’ny fomba itondrana azy ireny. — Salamo 127:3.
4. a) Inona no mety ho vokatry ny fitondran’ny lehilahy ny vadiny amin-kasiahana? b) Ahoana no ahafahan’ny vehivavy mampiroborobo ny fihavanana amin’Andriamanitra sy ny fahasambarana ao amin’ny fianakaviana iray manontolo?
4 Ahoana ny amin’ny vadintsika? “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana”. (Efesiana 5:28, 29). Ny lehilahy iray masiaka fiteny sy manjakazaka na tsy mahalala ny antonona dia tsy vitan’ny hoe mampisetra loza ny filaminan’ny tokantranony, fa manimba tsikelikely koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra. (1 Petera 3:7). Ahoana ny amin’ireo vehivavy manambady? Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia tokony ‘hanaiky ny vadiny tahaka ny anekena ny Tompo’, izy ireo. (Efesiana 5:22). Ny fieritreretana hoe mampifaly an’Andriamanitra, dia afaka manampy ny vehivavy iray tsy hijery ny kileman-toetram-badiny ka hanaiky azy tsy misy fahasosorana. Indraindray ny vehivavy manambady dia mety hahatsiaro tena ho voatery hilaza ny heviny. Hoy ny Ohabolana 31:26 momba ny vehivavy mahay: “Manokatra ny vavany amin’ny fahendrena izy; ary ny lalàn’ny famindrampo no eo amin’ny lelany.” Amin’ny fitondrana ny vadiny amin-katsaram-panahy sy amim-panajana, no hitanany fihavanana amin’Andriamanitra sy hampiroboroboany ny fahasambaran’ny fianakaviana manontolo. — Ohabolana 14:1.
5. Nahoana ny tanora no tokony hanaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitondrana ny ray aman-dreniny?
5 Rankizy, ahoana no itondranareo ny ray aman-dreninareo? Moa ve ianareo mampiasa ilay fiteny maneso sy tsy manaja izay matetika leferin’izao tontolo izao? Sa ianareo mankatò ilay didin’ny Baiboly manao hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’ ”? — Efesiana 6:1-3.
6. Ahoana no ahafahantsika mitady fihavanana amin’ireo mpiara-mivavaka amintsika?
6 Asehontsika koa fa manana “saina mahay mitsara zavatra” isika rehefa ‘mitady fihavanana sy manaraka azy’ io amin’ireo mpiara-mivavaka amintsika. (1 Petera 3:11). Mipoitra indraindray ny tsy fifanarahana sy ny tsy fahazoan-kevitra. (Jakoba 3:2). Raha avela hihombo ny fandrafiana, dia ny fiadanan’ny kongregasiona manontolo no mety hotandindomin-doza. (Galatiana 5:15). Koa alamino haingana ireo adiady; mitadiava vahaolana mitondra fihavanana. — Matio 5:23-25; Efesiana 4:26; Kolosiana 3:13, 14.
“Saina mahay mitsara zavatra” sy ny andraikitra ara-pianakaviana
7. a) Ahoana no nampirisihan’i Paoly ny fanehoana “saina mahay mitsara zavatra” eo amin’ireo raharaha mahazatra? b) Tokony hanao ahoana ny fihetsiky ny lehilahy sy ny vehivavy kristiana manambady, manoloana ireo andraikitra ao an-tokantrano?
7 Nanoro hevitra ny Kristiana ny apostoly Paoly mba “ho velona amin’ny [fananana saina mahay mitsara zavatra, NW ]” (Titosy 2:12). Mahaliana fa eo amin’ny teny manodidina i Paoly dia mampirisika mafy ny vehivavy mba “ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, [hanana saina mahay mitsara zavatra, NW ], ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony”. (Titosy 2:4, 5). Nanoratra izany i Paoly tamin’ny taona 61-64 am.f.i., taona vitsivitsy talohan’ny nifaranan’ny fandehan-javatra jiosy. Na dia izany aza, dia mbola zava-dehibe ihany ireo raharaha mahazatra, toy ny fikarakarana tokantrano. Samy tokony hihazona fomba fijery tsara sy araka ny zava-misy momba ireo andraikiny ao an-tokantrano àry ny mpivady mba “tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra”. Niala tsiny tamin’ny mpamangy ny loham-pianakaviana iray satria nahamenatra ny endrika nisehoan’ny tranony. Nanazava izy fa tsy voamboatra ny simba tamin’izy io “satria nanao ny asan’ny mpisava lalana izy”. Mendri-piderana ny fanaovantsika sorona noho ilay Fanjakana, kanefa tsy maintsy asiana fitandremana mba tsy hanaovana sorona ny tombontsoan’ny fianakaviantsika.
8. Ahoana no ahafahan’ireo loham-pianakaviana mikarakara izay ilain’ny fianakaviany amin’ny fomba voalanjalanja?
8 Ny Baiboly dia mampirisika mafy ireo ray mba hanao ny fianakaviany eo amin’ny laharam-pahamehana, amin’ny filazana fa izay tsy mamelona ny fianakaviany dia “efa nandà ny finoana (...) ka ratsy noho ny tsy mino”. (1 Timoty 5:8). Miovaova ny fari-piainana manerana ny tany, ary tsara ny mitana ho tsotra ireo fanantenan-javatra ara-nofo. “Aza manome ahy [fahantrana, NW ] na harena”, hoy ny vavaka nataon’ny mpanoratra ny Ohabolana 30:8. Kanefa ireo ray aman-dreny dia tsy tokony hody tsy hahita ireo zavatra ilain’ny zanany amin’ny ara-nofo. Ho fahendrena ve, ohatra, ny hiniavana hamela ny fianakavian’ny tena tsy hanana ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana, mba hikatsahana tombontsoa teokratika? Moa ve izany tsy hampahasosotra ireo zanaky ny tena? Etsy an-danin’izany, dia hoy ny Ohabolana 24:27: “Amboary ny asanao any ivelany, ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; ka rehefa vita izany, dia [tsy maintsy mampiorina ny ankohonanao koa ianao, NW ].” Eny, na dia manana ny toerany aza ny fiahiana ny amin’ireo zavatra ara-nofo, dia tena zava-dehibe ny ‘hampiorenana ny ankohonan’ny tena’ — ara-panahy sy ara-pihetseham-po.
9. Nahoana no fahendrena ny andinihan’ireo loham-pianakaviana ny mety hahafaty na hampaharary azy?
9 Efa nanao fandaharana mba hikarakarana ny fianakavianao ve ianao, raha sanatria ka maty aloha be? Hoy ny Ohabolana 13:22: “Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny”. Ho fanampin’ny lova eo amin’ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fifandraisana aminy, dia hahaliana ireo ray aman-dreny ny hanome izay ilain’ny zanany eo amin’ny ara-nofo. Any amin’ny tany maro, ireo loham-pianakaviana mahay mandray andraikitra, dia hiezaka mba hanana tahirim-bola sy didim-pananana ara-dalàna ary fiantohana aina (assurance-vie). Raha dinihina tokoa mantsy, dia tsy vita fanefitra amin’ny “fotoana sy ny sampona” ny vahoakan’Andriamanitra. (Mpitoriteny 9:11). “Fialokalofana” ny vola ary matetika no afaka misoroka zava-tsarotra ny fanaovana fandaharana mialoha amim-pitandremana. (Mpitoriteny 7:12). Any amin’ireo tany izay tsy andoavan’ny fitondram-panjakana ny fikarakarana ara-pitsaboana, ny olona sasany dia mety hanokana tahirim-bola ho an’ireo zavatra ilaina ara-pahasalamana, na handamina karazam-piantohana ara-pahasalamana.a
10. Ahoana no mety ‘hiharian’ireo’ ray aman-dreny kristiana ho an-janany?
10 Hoy koa ny Soratra Masina: “Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany.” (2 Korintiana 12:14). Eo amin’izao tontolo izao, dia mahazatra ny ray aman-dreny ny mihary vola ho an’ny fianarana sy ny fanambadian-janany amin’ny hoavy, mba hanomezana azy ireo fiaingana tsara eo amin’ny fiainana. Efa mba nieritreritra ny hihary ho an’ny hoavin-janakareo amin’ny ara-panahy ve ianareo? Aoka hatao hoe ao anatin’ny fanompoana manontolo andro, ohatra, ny zanaka iray efa lehibe. Na dia tsy tokony hitaky na hanantena fanohanana avy amin’ny hafa aza ireo mpanompo manontolo andro, ny ray aman-dreny be fitiavana dia mety hifidy ny ‘hiantra azy araka izay ilainy’ mba hanampiana azy hijanona ao amin’ny fanompoana manontolo andro. — Romana 12:13; 1 Samoela 2:18, 19; Filipiana 4:14-18.
11. Milaza tsy fahampiam-pinoana ve ny fiheverana ny vola araka ny tena maha-izy azy? Hazavao.
11 Ny fiheverana ny vola araka ny tena maha-izy azy dia tsy milaza tsy fahampiam-pinoana ny maha-akaiky ny fiafaran’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. Izany dia fanehoana “tena fahendrena” sy fahaiza-mitsara zavatra fotsiny. (Ohabolana 2:7, fanamarihana ambany pejy; 3:21). Nilaza i Jesosy indray mandeha fa “ny zanak’izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa (...) noho ny zanaky ny mazava” eo amin’ny fampiasany ny vola. (Lioka 16:8). Tsy mahagaga àry raha hitan’ny sasany fa ilaina hahitsy ny fomba ampiasany ny fananany, mba hahafahan’izy ireo hikarakara tsara kokoa izay ilain’ny fianakaviany.
“Saina mahay mitsara zavatra” eo amin’ny fiheverantsika ny fampianarana
12. Ahoana no nampianaran’i Jesosy ny mpianany mba hahay hifanaraka amin’ny toe-javatra vaovao?
12 “Eo am-piovana ny sehatr’itỳ tontolo itỳ”, ary haingana ny fitrangan’ireo fiovana be ara-toe-karena sy ireo fivoarana be eo amin’ny haitao. (1 Korintiana 7:31, NW ). Nampianatra ireo mpianany mba hahay hifanaraka amin’ny toe-javatra anefa i Jesosy. Hoy izy rehefa naniraka azy ireo tamin’ilay ezaka manokana voalohany nataon’izy ireo teo amin’ny fitoriana: “Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.” (Matio 10:9, 10). Tatỳ aoriana kokoa anefa, dia hoy i Jesosy: “Izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy”. (Lioka 22:36). Inona no niova? Ny toe-javatra. Nanjary tsy nandray kokoa ny tontolo ara-pivavahana, ary izao izy ireo dia voatery namatsy ny tenany.
13. Inona no zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fampianarana, ary ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manohana ny zanany amin’io lafiny io?
13 Amin’izao andro izao, dia amin’ny fomba mitovy amin’izany koa no mety hilan’ny ray aman-dreny hanisiana fiheverana an’ireo zava-misy ara-toe-karena amin’izao andro izao. Ohatra, moa ve ianao manao izay hahazoan’ireo zanakao fianarana ampy tsara? Ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fampianarana dia tokony ho ny fanomanana ny tanora iray mba ho tonga mpanompon’i Jehovah mahita vokatra. Ary ny lehibe indrindra amin’ny fampianarana rehetra, dia ny fampianarana ara-panahy. (Isaia 54:13). Miahy ny amin’ny fahafahan’ny zanany hamelon-tena ara-bola koa ireo ray aman-dreny. Koa omeo tari-dalana ny zanakao, ampio izy ireo hifidy taranjam-pianarana sahaza, ary miaraha midinika aminy mba hahitana raha ho fahendrena ny hanaovany fianarana fanampiny na tsia. Ny fanapahan-kevitra toy izany dia andraikitry ny fianakaviana, ka tsy tokony hanakiana izay lalana arahina, ny olon-kafa. (Ohabolana 22:6). Ahoana ny amin’ireo izay nifidy ny hampianatra ny zanany ao an-trano?b Na dia maro aza no nahavita zavatra mendri-piderana, dia misy sasany nahita fa sarotra kokoa tsy araka ny niheverany azy ilay raharaha, ary voa mafy noho izany ny zanak’izy ireo. Koa raha mihevitra ny hampianatra ao an-trano ianao, dia aoka ianao hahazo antoka fa nihevitra izay ho lany, nanombana araka ny zava-misy raha anananao ny fahaizana sy ny fifehezan-tena ilaina mba hamitana ilay izy hatramin’ny farany. — Lioka 14:28.
‘Aza mitady zavatra lehibe’
14, 15. a) Ahoana no namoizan’i Baroka ny fahaizany nandanjalanja? b) Nahoana no hadalana ho an’ny tenany ny ‘hitadiavany zavatra lehibe’?
14 Koa satria mbola tsy tonga ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, ny sasany dia mety hirona hitady izay azon’izao tontolo izao atolotra — anton’asa be voninahitra, asa be karama, sy harena. Hevero i Baroka, sekreteran’i Jeremia. Nitaraina toy izao izy: “Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.” (Jeremia 45:3). Vizana i Baroka. Asa sarotra sy nampisy fihenjanana ny hoe sekreteran’i Jeremia. (Jeremia 36:14-26). Ary toa tsy nisy farany ilay fihenjanana. Haharitra 18 taona izany vao horavana i Jerosalema.
15 Hoy i Jehovah tamin’i Baroka: “Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany!” Namoy ny fahaizany nandanjalanja, i Baroka. Nanomboka ‘nitady zavatra lehibe ho an’ny tenany’ izy, angamba harena, voninahitra na tsy fananana ahiahy ara-nofo. Koa satria ‘hongotan’i Jehovah hatramin’izao tany rehetra izao’, nisy dikany inona moa ny hitadiavana zavatra toy izany? Noho izany, dia nanome itỳ fampahatsiarovana mampieritreritra itỳ an’i Baroka, i Jehovah: “Fa, indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, (...) fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.” Tsy ho tafita amin’ny fandravana an’i Jerosalema ireo fananana ara-nofo! Tsy niantoka afa-tsy ny famonjena ny ‘ainy ho babony’, i Jehovah. — Jeremia 45:4, 5.
16. Lesona inona no azon’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Baroka?
16 Nihaino ny fanitsian’i Jehovah i Baroka ary, araka ny nampanantenain’i Jehovah, dia afa-nandositra tsy maty fo aman’aina, i Baroka. (Jeremia 43:6, 7). Lesona lehibe ho an’ny vahoakan’i Jehovah tokoa izany! Tsy fotoana ‘itadiavana zavatra lehibe ho an’ny tenantsika’ izao. Nahoana? Satria “mandalo izao fiainana izao sy ny filany”. — 1 Jaona 2:17.
Ny fampiasana tsara indrindra ny fotoana sisa tavela
17, 18. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona rehefa nibebaka ireo mponina tao Ninive? b) Lesona inona no nomen’i Jehovah an’i Jona?
17 Ahoana àry no ahafahantsika mampiasa tsara indrindra ny fotoana sisa tavela? Mianara avy amin’ny zavatra niainan’i Jona mpaminany. “Nankany Ninive [izy] (...) ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” Akory ny hagagan’i Jona fa nandray tsara ilay hafatra nentiny ireo mponina tao Ninive ka nibebaka! Tsy nandrava ilay tanàna i Jehovah. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona? “Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.” — Jona 3:3, 4; 4:3.
18 Nanome lesona lehibe an’i Jona i Jehovah tamin’izay. “Nanomana tanantanamanga [Izy], ka nampaniriny hanalokaloka an’i Jona izany ho alokaloky ny lohany (...). Ka dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga.” Tsy naharitra ela anefa ny fifalian’i Jona, satria nalazo vetivety ilay zavamaniry. Nanjary ‘nirehitra ny fahatezeran’i Jona’ noho izy tsy nahazo aina. Nanantitrantitra ny heviny i Jehovah tamin’ny filazana hoe: “Hianao malahelo ny tanantanamanga (...) ka moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?” — Jona 4:6, 7, 9-11.
19. Fomba fisainana tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena inona no irintsika hohalavirina?
19 Endrey izato fisainan’i Jona, tsy nifantoka afa-tsy tamin’ny tenany! Afaka nalahelo zavamaniry iray izy, kanefa tsy niantra na dia kely akory aza an’ireo olona tao Ninive — dia olona izay ‘tsy nahafantatra ny havanany sy ny haviany’ raha teo amin’ny ara-panahy. Mety haniry mafy toy izany koa ny handringanana itỳ tontolo ratsy itỳ isika, ary rariny ny antsika! (2 Tesaloniana 1:8). Eo am-piandrasana anefa, dia manana andraikitra isika hanampy ireo olona tso-po izay tsy “mahafantatra ny havanany sy ny haviany” raha eo amin’ny ara-panahy. (Matio 9:36; Romana 10:13-15). Moa ve ianao hampiasa ny fotoana fohy sisa tavela mba hanampiana olona betsaka araka izay azo atao hahazo ilay fahalalana sarobidy momba an’i Jehovah? Asa inona no afaka mifampitaha amin’ilay fifaliana manampy olona hahazo fiainana?
Manohiza miaina amin’ny fananana “saina mahay mitsara zavatra”
20, 21. a) Inona avy ireo fomba azontsika anehoana “saina mahay mitsara zavatra” amin’ireo andro ho avy? b) Inona avy ireo fitahiana ho avy rehefa miaina amin’ny fananana “saina mahay mitsara zavatra”?
20 Raha mbola eo am-pilentehana hatrany mankany amin’ny fandringanana ny fandehan-javatr’i Satana, dia azo antoka fa hiatrika zava-tsarotra vaovao isika. Manambara mialoha toy izao ny 2 Timoty 3:13 (NW ): “Fa ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia handroso hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka no voafitaka.” Kanefa aza “ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahi[na]reo”. (Hebreo 12:3). Miantehera amin’i Jehovah mba hahazoana hery. (Filipiana 4:13). Mianara mahay miovaova araka izay ilaina, mahay mifanaraka amin’ireny toe-javatra miharatsy ireny, fa aza mamisavisa ny lasa. (Mpitoriteny 7:10). Aoka ianao hampiasa ny tena fahendrena, ka haharaka ny fitarihan-dalana omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45-47, NW.
21 Tsy fantatsika hoe toy inona ny fotoana sisa tavela. Kanefa afaka milaza amin-toky isika fa “antomotra ny faran’ny zavatra rehetra”. Mandra-pahatongan’izany farany izany, dia aoka isika hiaina amin’ny fananana “saina mahay mitsara zavatra” eo amin’ny fifandraisantsika samy isika, eo amin’ny fomba ikarakarantsika ny fianakaviantsika sy eo amin’ireo andraikitsika ivelan’ny fivavahana. Amin’ny fanaovana izany, dia afaka matoky isika rehetra fa ho hita ho “tsy manan-tsiny amam-pondro (...) amin’ny fihavanana” amin’ny farany! — 2 Petera 3:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Any Etazonia, ohatra, dia olona maro no manana fiantohana ara-pahasalamana, na dia mihalafo aza izany. Misy fianakaviana Vavolombelona nahita fa ny dokotera sasany dia vonona kokoa handinika ireo fitsaboana hafa tsy ampiasana ra, rehefa manana fiantohana ara-pitsaboana ireo fianakaviana. Mpitsabo maro no hanaiky ilay vola raikitra izay anomezan-dalana ao amin’ireo sokajim-piantohana misy fetrany, na ao amin’ny fiantohana ara-pahasalamana omen’ny fitondram-panjakana.
b Fanapahan-kevitra manokana ny hoe hianatra ao an-trano na tsia. Jereo ilay lahatsoratra hoe “L’enseignement au foyer: est-ce pour vous?” nivoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aprily 1993.
Hevitra ho Famerenana
◻ Ahoana no ahafahantsika maneho “saina mahay mitsara zavatra” eo amin’ireo fifandraisantsika manokana?
◻ Ahoana no ahafahantsika maneho fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fikarakarana ireo andraikitsika ara-pianakaviana?
◻ Nahoana ny ray aman-dreny no tsy maintsy liana amin’ny fampianarana tsy ara-pivavahana raisin’ireo zanany?
◻ Lesona inona avy no azontsika ianarana avy amin’i Baroka sy i Jona?
[Sary, pejy 18]
Rehefa ratsy ny fifampitondran’ny mpivady, dia manimba tsikelikely ny fifandraisany amin’i Jehovah izy ireo
[Sary, pejy 20]
Tokony hahaliana ny ray aman-dreny ny fampianarana an’ireo zanany