Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ny Faneken’ny Vehivavy Manambady — Midika ho Inona Izany?
IZAO no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ao amin’ny Efesiana 5:22: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.” Midika ho inona marina izany? Tsy maintsy manaiky ny zava-drehetra irin’ny vadiny ve ny vehivavy iray, na inona izany na inona? Moa ve izy tsy afaka manombo-javatra mihitsy na manan-kevitra tsy mitovy amin’ny an’ny vadiny?
Diniho ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’i Abigaila. Nanao zavatra tamim-pahendrena kanefa nifanohitra tamin’ny fanirian’i Nabala, vadiny nanankarena, izy. Na dia nampiseho hatsaram-panahy tamin’i Nabala aza ireo mpanara-dia an’i Davida, izay nofidin’Andriamanitra ho mpanjakan’ny Isiraely, dia “nisafoaka tamin’ireny” i Nabala. Tezitra noho ny tsy fahaiza-nankasitraka nasehon’i Nabala i Davida, ka nivonona hamono azy. Takatr’i Abigaila fa notandindomin-doza ny ankohonany manontolo. Nataony izay hahatonga an’i Davida hiantra. Tamin’ny fomba ahoana? — 1 Samoela 25:2-35.
Niaiky tamin’i Davida i Abigaila fa “lehilahy tena ratsy fanahy” i Nabala, ary nanome an’i Davida ireo vatsy tsy nomen’i Nabala izy. Raha ny ara-dalàna, dia ratsy ny hampahafantaran’ny lehilahy na ny vehivavy iray ny hafa ny amin’ireo fahadisoan’ny vadiny. Nikomy ve i Abigaila tamin’ny nitenenany sy ny nanaovany zavatra tamin’izany fomba izany? Tsia. Niezaka hamonjy ny ain’i Nabala sy ny ankohonany izy. Tsy nisy filazana tsy nivantana fa nataony ho fahazarana ny tsy nanaja na tsy niankina. Ary i Nabala izay sarotiny koa dia tsy naneho tsy fahafaliana tamin’ny fomba nanampian’i Abigaila tamin’ny fitantanana ny fananam-beny. Tao anatin’io tarehin-javatra sarotra io anefa, dia nodidian’ny fahendrena izy mba hanombo-javatra. Ambonin’izany, dia miresaka amim-pankasitrahana ny amin’izay nataon’i Abigaila ny Baiboly. — 1 Samoela 25:3, 25, 32, 33.
Ela be talohan’ny andron’i Abigaila, dia nisy fotoana nanehoan’ireo vadina patriarika ny heviny sy nanaovany zavatra tsy nitovy tamin’izay nirin’ny vadiny. Kanefa, ireny ‘vehivavy masina, izay nanantena an’Andriamanitra’ ireny dia lazaina fa oha-panekena ho an’ny vehivavy kristiana. (1 Petera 3:1-6). Ohatra, rehefa nahatsapa i Saraha fa nanjary fandrahonana ho an’i Isaka zanakalahin’izy ireo i Isimaela, zanakalahin’i Abrahama, dia nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy horoahina i Isimaela. “Ratsy teo imason’i Abrahama indrindra” izany. Hoy anefa Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ny zaza (...); fa izay rehetra lazain’i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny”. — Genesisy 21:11, 12.
Ilaina ny fahaiza-manavaka
Tsy ho tsara àry ny hahatsiarovan’ny vehivavy iray tena ho voatery hanao izay fantany fa tena hadalana na fandikana ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra, noho ny fanekena. Tsy tokony hatao koa izay hahatsiarovany tena ho meloka noho ny nanombohan-javatra teo amin’ny raharaha tena ilaina sasany, toy ny nataon’i Abigaila sy i Saraha.
Ny faneken’ny vehivavy dia tsy midika akory hoe tsy maintsy manaraka foana ny zava-drehetra irin’ny vadiny izy. Inona no maha-samy hafa izany? Rehefa misy fotopoto-pitsipika marina voakasika, dia mety ho voatery tsy hiombon-kevitra amin’ny vadiny izy. Na dia izany, dia mbola tokony haneho ilay toe-tsaina ankapoben’ny fanekena araka an’Andriamanitra ihany izy.
Mazava ho azy fa tokony hitandrina ny vehivavy iray mba tsy hody tsy hahalala ny fanirian’ny vadiny noho ny finiavana, ny lolompo, na ny antony manosika ratsy hafa. Tsy maintsy mahay manavaka, “hendry”, toa an’i Abigaila, izy. — 1 Samoela 25:3.
Rehefa mandositra andraikitra ny lehilahy
Ny zava-kendrena sy ny fotopoto-pitsipika voalohany indrindra amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra asehon’ny vehivavy dia ny hampifaly an’i Jehovah amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vadiny sy amin’ny fanohanana ny fanapahan-keviny. Somary mora izany rehefa matotra ara-panahy ilay lehilahy. Mety ho zava-tsarotra izany raha tsy toy izany izy.
Amin’io toe-javatra io, ahoana no ahafahan’ilay vehivavy miatrika an’izany? Azony atao ny miangavy ny vadiny amin-kafanam-po na manipy hevitra ny amin’ny fanapahan-kevitra hahasoa indrindra ny fianakaviana. Raha mamela ny vadiny hitari-dalana izy, dia mety hanjary ho kinga kokoa amin’izany ralehilahy. Mandika ny fotopoto-pitsipika momba ny fanekena mety, ny fanakianana tsy an-kijanona an’ilay lehilahy. (Ohabolana 21:19). Kanefa, raha mazava fa tandindomin-doza noho ny fomba fitondran’ilay lehilahy ny zavatra mahasoa ny fianakaviana, dia mety hifidy ny hanoro lalana voahitsy izy, toy ny nataon’i Saraha.
Raha tsy mpino ilay lehilahy, dia vao mainka lehibe kokoa ny zava-tsarotra atrehin’ilay vehivavy. Na dia izany aza, dia tokony hanaiky izy, raha mbola tsy mangataka azy handika ireo lalàn’ny Baiboly koa ralehilahy. Raha manao izany izy io, ny fihetsiky ny vehivavy kristiana dia tokony ho tahaka izao an’ireo mpianatra izao, rehefa nasain’ny mpitsara handika ny didin’Andriamanitra izy ireo: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 5:29.
Noho ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra sy noho ny fahendrena voafetra anefa, na dia ireo lehilahy sy vehivavy tsara fikasa aza dia mety hihoatra ny anjara asany. Mety ho tsy ampy fiheverana ralehilahy; mety hanantitrantitra mafy loatra ny amin’izay tiany kokoa ravehivavy. Inona no hanampy? Zava-dehibe ny hananan’izy roa fiheveran-tena araka ny antonona, satria “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”. — Jakoba 3:2.
Lehilahy maro no hanjary hankasitraka ny fanombohan-javatra amim-pahatsorana ataon’ny vadiny, raha toa ka ataony amim-pahaiza-mandinika izany. Ary hihatsara ny fiaraha-miasa raha toa ka samy miala tsiny rehefa manao fahadisoana izy ireo. Toy ny amelan’i Jehovah ny kileman-toetrantsika isan’andro no tokony hamelantsika ny hafa. “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka”. — Salamo 130:3, 4.
“Mifanaiky”
Mba ho tombontsoa tsara indrindra iombonantsika àry, dia manoro hevitra toy izao ny Soratra Masina: ‘Mifaneke amin’ny fahatahorana an’i Kristy.’ Mifanehoa fifanajana feno fitiavana; aza manakantsakana na mifaninana. Manohy toy izao ilay andinin-teny: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana”. — Efesiana 5:21-23.
Ny teny grika nampiasain’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:21, 22 dia te hilaza hoe ny tena no manaiky, fa tsy terena hanaiky. Ary noho ny Tompo no anekena, fa tsy mba hirindran’ny fanambadiana fotsiny. Manaiky an-tsitrapo sy amim-pifaliana an’i Kristy ny kongregasiona voahosotr’i Kristy. Rehefa manao toy izany amin’ny vadiny ny vehivavy iray, amin’izay ny fanambadiana dia ho tena azo inoana fa ho sambatra sy hahomby.
Manambara toy izao koa ny Soratra Masina: “Samia [ny lehilahy] tia ny vadiny tahaka ny tenany”, amin-kalalahana. (Efesiana 5:33; 1 Petera 3:7). Tokony hitadidy ao an-tsaina ny lehilahy fa izy koa dia tokony hanaiky ny lohany, satria hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra”. Eny, tokony hanaiky ny fampianaran’i Kristy ny lehilahy. I Kristy kosa dia manaiky ny lohany: “Andriamanitra no lohan’i Kristy.” Araka izany, dia manana lohany ny rehetra, afa-tsy i Jehovah. Ary na dia ny tenany aza dia manaiky ny lalàna nataony ihany. — 1 Korintiana 11:3; Titosy 1:2; Hebreo 6:18.
Voalanjalanja sady mahasoa ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanekena kristiana. Izy io dia mitondra ho an’ny fanambadiana, ny firindrana sy ny fahafaham-po, izay tsy misy afaka manome afa-tsy ilay Mpamorona antsika be fitiavana ihany. — Filipiana 4:7.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Leslie’s