Milaza inona ny fanekena ao amin’ny fanambadiana?
REHEFA manambady ny vehivavy kristiana iray dia tsy maintsy manao fanitsiana maro be izy. Angamba mahakasika ny fahafahany ny lehibe indrindra amin’izany. Fony izy mbola mpitovo, dia nety ho nalalaka izy tamin’ny fanaovana fanapahan-kevitra manokana maro, tsy nisy fierana tamin’olon-kafa. Nefa izao izy efa manana vady, ary voatery hiera aminy sy hangataka ny fanomezan-dalany vao manao ireo zavatra maro be izay nahazatra azy ny nanao fanapahan-kevitra manokana. Nahoana no toy izany no izy?
Satria rehefa nanome ho an’ny lehilahy voalohany ny vehivavy voalohany ho vadiny ny Mpamorona, dia nanendry an-dralehilahy ho lohan’ny vadiny sy ireo zanany ho avy Izy. Araka ny tokony ho izy tsotra izao izany. Ao amin’izay rehetra mety ho antokon’olona voalamina, dia mila ny mandray fitarihana sy manao ny fanapahan-kevitra farany ny olona iray. Raha ny amin’ny fanambadiana, dia nandidy ny Mpamorona fa “ny lahy no lohan’ny vavy”. — Efesiana 5:23.
Ho fanamafisana izany, dia manambara toy izao ny toromarik’Andriamanitra: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.” (Efesiana 5:22). Ny fomba mahavoakasika ny vehivavy amin’io fandaharana io dia miankina amin’ny zavatra roa: Voalohany, manao ahoana ny fahavononany hanaiky ilay fandaharana? ary faharoa, ahoana no hampiharan’ny vadiny ny fahefany? Raha ny marina, rehefa samy mihevitra ilay fandaharana araka ny mety ny mpivady, dia hahita fa fitahiana ho an’ilay vehivavy sy ny vadiny ary ireo zanany izy io.
Tsy ho mpanao jadona
Ahoana no tokony hampiharan’ny lehilahy ny fahefany? Amin’ny fanarahana ny ohatra tsara dia tsara nomen’ny Zanak’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly hoe: “Ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana [kongregasiona, MN]; ary Izy no mpamonjy ny tena. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana [kongregasiona, MN] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesiana 5:23, 25). Fitahiana ho an’ny kongregasiona ny fampiharan’i Jesosy Kristy ny fitarihany. Tsy mpanao jadona izy. Tsy nanao izay hahatsapan’ny mpianany ho voateritery na ampahorina izy. Nahazo ny fanajan’ny rehetra kosa izy noho ny fitiavany sy ny fitondrana azy ireo tamim-pangorahana. Ohatra tsara harahina re izany ho an’ny lehilahy eo amin’ny fitondrany ny vadiny!
Misy anefa lehilahy tsy manaraka io ohatra tsara dia tsara io. Mampiasa ny fitarihana nomen’Andriamanitra azy amim-pitiavan-tena izy fa tsy mba hahasoa ny vadiny. Mifehy ny vadiny amin’ny fomba jadona izy amin’ny fitakiana fanekena feno ary matetika tsy mamela azy hanao fanapahan-kevitra manokana na inona na inona. Mora takatra avy amin’izany fa manana fiainana tsy misy fahasambarana ny vadin’ny lehilahy toy izany matetika. Ary ny lehilahy toy izany koa dia mijaly noho izy tsy afaka mahazo ny fanajana feno fitiavan’ny vadiny.
Marina fa takin’Andriamanitra ny hanajan’ny vehivavy ny toerana tanan’ny vadiny amin’ny maha-loham-pianakaviana. Nefa raha toa ilay lehilahy ka maniry hahazo ny fanajany amim-pahatsorana amin’ny maha-olona, dia tsy maintsy manao izay hahazoana izany izy, ary ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia amin’ny fanaovan-javatra amim-pahatsapana andraikitra sy amin’ny fambolena toetra tsara dia tsara sy araka an’Andriamanitra amin’ny maha-lohan’ny ankohonana.
Voafetra ny fanekena
Tsy feno ny fahefan’ny lehilahy iray amin’ny vadiny. Amin’ny fomba sasany, ny faneken’ny vehivavy dia azo ampitahaina amin’ny faneken’ny kristiana iray ny mpanapaka eo amin’izao tontolo izao. Mandidy Andriamanitra fa ny kristiana iray dia tsy maintsy ‘manaiky ny manam-pahefana ambony’. (Romana 13:1, MN). Kanefa izany fanekena izany dia tsy maintsy mifandanja mandrakariva amin’izay tokony homentsika an’Andriamanitra. Hoy i Jesosy hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17). Raha mitaky ny hanomezantsika azy izay an’Andriamanitra i Kaisara (ny fitondrana tsy ara-pivavahana), dia hitadidy izay nolazain’ny apostoly Petera toy izao isika: “Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay ho mpanapaka fa tsy olona.” — Asan’ny apostoly 5:29, MN.
Amin’ny fomba mitovitovy amin’izany, raha toa ny vehivavy kristiana iray ka manambady lehilahy iray tsy mahatakatra na tsy mahay manaja ireo fotopoto-pitsipika kristiana, dia tsy voatery hanaiky azy izy na dia izany aza. Toy izay hikomy hanohitra an’io fandaharana nandidian’Andriamanitra io dia tsara kosa ny hanaovany zavatra ho azy amim-pitiavana sy fiheverana ary amin’izany dia miezaka hahazo ny fatokiany. Angamba ny fitondrantena tsara dia tsara toy izany hampiova ny vadiny; mety hampanaiky azy ny fahamarinana mihitsy aza izany. (1 Petera 3:1, 2). Raha toa ny vadiny ka mandidy azy hanao zavatra raran’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitadidy izy fa Andriamanitra no Mpanapaka azy voalohany. Ohatra, raha toa izy io ka mangataka azy hanaraka fanao maloto momba ny lahy sy ny vavy, toy ny fifanakalozam-bady, dia voatery tsy hanaiky izy. ( 1 Korintiana 6:9, 10). Ny fanekeny ny vadiny dia tarihin’ny fieritreretany sy ny fankatoavany an’Andriamanitra voalohany indrindra.
Tamin’ny andron’i Davida mpanjaka, i Abigaila dia nanambady an’i Nabala, lehilahy iray tsy nanaja ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ary nanao zavatra tamim-pahasiahana sy tsy nisy fitiavana tamin’i Davida sy ny zatovon’i Davida. Niaro ireo ondry aman’osin’i Nabala an’arivony maro izy ireo, nefa nony mba nangataka fanampiana ara-tsakafo i Davida, dia nanda tsy hanome na inona na inona i Nabala.
Raha vao nahare i Abigaila fa hitera-doza ho an’ny ankohonany ny fihetsika feno fahihiran’ny vadiny, dia nanapa-kevitra manokana izy ny hitondra sakafo ho an’i Davida. “Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ny boriky izany. Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.” — 1 Samoela 25:18, 19.
Diso ve i Abigaila tamin’ny fanaovan-javatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’ny vadiny? Tsia, tsy diso izy tamin’izany. Tsy nitaky ny hahatongavany ho tsy nanam-pitiavana sahala amin’ny vadiny ny faneken’i Abigaila, indrindra fa satria nahatandindomin-doza ny ankohonany manontolo ny fomba narahin’i Nabala tamin-kadalana. Noho izany, dia niteny toy izao taminy i Davida: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko andro-any. Ary hotahiny anie ny fahendrenao.” (1 Samoela 25:32, 33). Mitovy amin’izany koa, ny vehivavy kristiana amin’izao andro izao dia tsy tokony hanohitra na hikomy amin’ny fitarihan’ny vadiny, fa raha toa ireo ka manana fomba fiaina tsy kristiana, dia tsy voatery hanaraka azy amin’izany izy.
Marina fa niteny toy izao i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana: “Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana [kongregasiona, MN] an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra.” (Efesiana 5:24). Ny fampiasan’ilay apostoly ny teny hoe “zavatra rehetra” eto dia tsy milaza fa tsy misy fetrany ny faneken’ny vehivavy. Ny fitenenan’i Paoly hoe: “Tahaka ny aneken’ny fiangonana [kongregasiona, MN] an’i Kristy”, dia milaza izay tao an-tsainy. Ny zavatra rehetra takin’i Kristy amin’ny kongregasionany dia marina, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany, ny kongregasiona dia afaka manaiky azy mora foana sy amim-pifaliana amin’ny zavatra rehetra. Mitovy amin’izany koa, ny vadin’ny lehilahy kristiana iray miezaka amim-pahatsorana ny hanaraka ny ohatr’i Jesosy dia ho sambatra hanaiky azy amin’ny zavatra rehetra. Fantany fa tena miahy ny tombontsoany indrindra ilay vadiny, ary tsy hinia na oviana na oviana hangataka azy hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny lehilahy iray dia hitana hatrany ny fitiavana sy ny fanajan’ny vadiny rehefa manome taratry ny toetra araka an’Andriamanitra ananan’ilay lohany, dia i Jesosy Kristy izay nandidy ny mpanara-dia azy hifankatia. (Jaona 13:34). Na dia mety diso sady tsy tanteraka aza ny lehilahy iray, raha toa izy ka mampihatra ny fahefany mifanaraka amin’ny fitarihana ambonin’i Kristy, dia manamora kokoa ny hahitan’ny vadiny fahasambarana amin’ny fananana azy ho filoha. (1 Korintiana 11:3). Raha toa ny vehivavy iray ka mamboly toetra kristiana toy ny fanetren-tena sy hatsaram-panahy miharo fitiavana, dia tsy ho sarotra aminy ny hanaiky ny vadiny.
Manetry tena sy mahalala ny antonony
Ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny kongregasiona dia mpianadahy ara-panahy manana toerana mitovy eo anatrehan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Galatiana 3:28.) Ny lehilahy anefa dia notendren’Andriamanitra hiandraikitra ny kongregasiona. Ankasitrahan’ireo vehivavy mahitsy fo amim-pifaliana sy ekeny tanteraka izany. Ary ny adidy mavesatra apetrak’izany eo amin’ny lehilahy, dia ny tsy hanjakazakana eo amin’ny andian’ondry, dia eken’ireo lehilahy matotra ao amin’ny kongregasiona amim-panetren-tena. — 1 Petera 5:2, 3.
Raha toy izany no fifandraisana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny kongregasiona, ahoana no ahafahan’ny lehilahy kristiana iray manamarina ny fanaovany zavatra amin’ny fomba jadona amin’ny vadiny, anabaviny ara-panahy? Ary ahoana no ahafahan’ilay vehivavy manamarina ny fifaninanany amin’ny vadiny eo amin’ny fitarihana? Izy ireo kosa dia tokony hifampitondra araka ny ananaran’i Petera toy izao ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.” (1 Petera 3:8). Nanoro hevitra toy izao koa i Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN] ny helokareo no aoka mba hifamelanareo heloka kosa.” — Kolosiana 3:12, 13.
Tokony hambolena ao amin’ny kongregasiona ny fihetsika toy izany. Ary tokony hambolena indrindra eo amin’ny mpivady ao amin’ny tokantrano kristiana ireo. Ny lehilahy iray dia afaka mampiseho ny fitiavany sy ny fahalemem-panahiny amin’ny fihainoana ireo fanipazan-kevitra avy amin’ny vadiny. Tokony hihevitra ny fomba fihevitry ny vadiny izy alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra mahakasika ny fianakaviana. Tsy hoe tsy misaina ny vehivavy kristiana. Azony atao matetika ny manome fanipazan-kevitra misy vidiny ny vadiny, sahala amin’ny nataon’i Saraha tamin’i Abrahama vadiny. (Genesisy 21:12). Etsy an-danin’izany, ny vehivavy kristiana iray dia tsy ho mpitaky tsy amim-pahalalana ny antonony amin’ny vadiny. Hampiseho ny hatsaram-panahiny sy ny fanetren-tenany izy amin’ny fanarahana ny fitarihany sy amin’ny fanohanana ireo fanapahan-keviny, na dia mety ho hafa noho izay tiany manokana aza izany indraindray.
Ny lehilahy iray mahalala ny antonony, sahala amin’ny loholona iray mahalala ny antonony, dia mora hatonina sady tsara fanahy. Ny vehivavy iray manam-pitiavana dia mamaly amin’ny fananana fangorahana sy fahari-po, amin’ny fankasitrahana ireo fiezahana ataon’ny vadiny hanatanterahana ireo andraikiny na dia eo aza ny tsy fahatanterahana sy ny faneren’ny fiainana. Rehefa volen’ny mpivady ny fihetsika toy izany, dia tsy ho tonga zava-manahirana ny fanekena ao amin’ny fanambadiana. Loharanom-pifaliana sy filaminana ary fahafahampo maharitra kosa aza izany.